]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina : « Afaka adidy isika ! ». Vers un gouvernement ouvert aux militaires d’ici 48 heures

Andry Rajoelina : « Afaka adidy isika ! ». Vers un gouvernement ouvert aux militaires d’ici 48 heures

C’est sous une pluie battante que le jet privé, amenant le couple présidentiel droit venu d’Afrique du Sud, a atterri sur le tarmac de l’aéroport international d’Ivato, vers 16 h (heure locale). Lors de ses déclarations à la presse, le Président Andry Rajoelina a été clair : d’ici 48 heures, il dévoilera, en commun avec les chefs des forces armées malgaches, la composition d’un nouveau gouvernement qui s’attèlera à l’organisation de tout le processus électoral vers la 4eme république de Madagascar. En s’inspirant de la feuille de route proposée par l’Afrique du Sud, la France et la Sadc. « Afaka adidy isika ! », a-t-il répété. A vous de faire traduire à votre guise. Ce qui est sûr c’est que d’ici au lundi 3 mai 2010, le gouvernement actuel sera remanié avec l’apport de militaires. Ce qui signifie que le Président Andry Rajoelina n’ira plus en Afrique du Sud pour un Pretoria II.

Mister Chissano : Remember Dakar I and II in year 2002...

Joachim Chissano, dans son discours prononcé en anglais, pour annoncer le fiasco de Pretoria I, est complètement devenu amnésique quant aux accords de Dakar I et II en 2002. Marc Ravalomanana n’a jamais été un homme de parole. Et comme ce sont les Malgaches qui vont voter, et non les Mozambicains ou les Sud-africains, pas plus que les Français, laissez-les faire et prendre leur destinée entre leurs mains. La reconnaissance internationale arrivera toujours car les richesses de la Grande île ne se trouvent nulle part ailleurs. Sans compter la position géostratégique du pays dans cette partie de l’océan Indien. Indien ! Que les futurs dirigeants de la 4eme république se tournent à l’Est et dans l’hémisphère sud. La majorité des Malgaches en a marre de payer des dettes qui n’ont rien changé dans leur vie quotidienne. C’est facile à dire mais rien ne sera insurmontable pour la génération à venir. Celle qui remplacera les tyranosaures vraiment fatigués de… vivre.

Larges extraits des déclarations en malgache du Président Andry Rajoelina, à son arrivée à Ivato, ce samedi 1er mai 2010.

" Ny voalohany aloha dia tsara ho fanta-tsika hoe inona ny dia naleha sy ny antony nankanesana tany Afrika Atsimo. Ny voalohany dia mba hisian’ny firenena consensus sy fifanarahana ara-politika afahan-tsika miroso mankany amin’ny hetahetan’ny be sy ny maro, dia ny fametrahana ny repoblika faha-4. Alohan’izany dia efa niteny aho hoe : ala-nenina farany ity. Ary alohan’ny iainganay androany dia efa nisy ireo foto-kevitra lehibe tokony nosoniavina sy fifanarahana natao tany Pretoria tany Afrika Atsimo. Eto aho dia misaotra an’ireo firenena Afrika Atsimo ; misaotra ihany koa ny firenena frantsay ary ny mpanelanelana, izay hitan’ny rehetra toa ny Sadc, izay nitondra vahaolana vaovao afahan’ny olompirenena rehetra sy ny vahoaka malagasy miandrandra ampitoniana ny hirosoana aingana, faran’izay aingana mankany amin’ny fififiadanana.

Ny zavatra nitranga tany Pretoria dia zavatra nivoana tanteraka tao anatin’io fifanarahana io ny valandresaka natao sy ny dinika natao. Ary izaho moa dia efa nilaza fa ny soso-kevitra naroson’ny fianakaviambe iraisampirenena ihany, ary efa nisy moa ny fifanarahana, no tokony atao nefa nisy ny niova hevitra ary tsy vao izao no niova hevitra fa miova hevitra lava ary izay no nahatonga ahy nanapak’hevitra fa hoe fihaonana farany iny natao tany Pretoria iny ary nametraka vahaolana fa io feuille de route na protocole d’accord io, vonona izahay hanatanteraka an’io, vonona izahay hanasonia an’io. Ary ny zavatra tsara ho fanta-tsika dia tsy niady seza intsony satria mahamanetra izany eny imason’olona ny ifandrirotra sy ifamarotra amin’ireo ministera. Satria efa mangirifiry loatra ny olompirenena, mangirifiry loatra ny vahoaka malagasy.

Ka noho izany dia nanapak’hevitra izahay, raha toa ka vonona anao sonia ny ankolafy hery samihafa dia vonona izahay hanatanteraka an’io. Fa izany na tsy izany anefa, ny fiainam-pirenena tsy afaka miandry, ny fiainam-pirenena dia tsy afaka atao andraso lava ka dia tsy maintsy miroso isika any amin’ny fametrahana ny repoblika faha-4. Na hiara-iasa ireo olona amin’ny ankolafin-kery na tsy hiara-iasa. Ary ataoko angamba fa ireo fihaonana maromaro izay efa natao, na tany Maputo na Addis-Abeba azy dia efa nisy lesona afaka nisitomin’iny tsirairay avy amintsika, eny nisitomin’ireo raiamandren-tsika nefa ny zavatra tsapa, ny zavatra hita, ny zavatra tsapain-tànana dia tsy nisy fiovana, na teo amin’ny fomba fisainana, na teo amin’ny fihetsika fa vao maika aza ohatry ny mampilentika ny firenena ny zavatra katsahin’ny sasan-tsasany amin’ireo ankolafin-kery.

(...) Ka ny zavatra atao izao ny ny hanangana governementa hiarahana ary mametraka ny fototra hankanesana mankany amin’ny repoblika faha-4. Ny zavatra atao, afaka 48 ora eo ho eo dia anao fanambarana aho -satria hisy fivoriana hiarahana amin’ny foloalindahy, amin’ny alatsinainy ho avy izao- amin’ny fanapaha-kevitra hiarahana manapaka, afahantsika miroso ametrahana ny repoblika faha4 (…). Tsy ilaina intsony ny fananganana institutions isan-karazany satria efa ela loatra ny fitondrana ny tetezamita. Ary raha ny tenanay dia aoka hazava eo anatrehan’ny vahoaka malagasy iray manontolo, fa ny fanirianay dia ny hamarana ny fitariana ny fahefanan’ny tetezamita farany izay aingana mba hafahan’ny vahoaka malagasy miroso any amin’ny fifidianana ao anatin’ny rafitra rehetra tokony hapetraka. Raha mikasika ny governemanta ho atsangana dia hivory izahay sy Andriamatoa Praiministra izao, ary tsy maintsy hiroso isika any amin’ny fifidianana. Manao ny be sy ny maro, arahaba soa, arahaba tsara. Tsy manao izy ireo, afaka adidy isika. Afaka adidy isika satria fandava-tena goavana, fandava-tena lehibe no nasehoko teo imason’izao tontolo izao, no nasehoko teo amin’ny mpiray tanindrazana rehetra satria dia ny tenako mihitsy no nanatona sy nandeha nankany Afrika Atsimo -ary efa fantatrareo iza no any Afrika Atsimo- hitadiavana vahaolana.

Ankehitriny, afaka adidy isika dia hiroso ary hiaraka hifanome hevitra ary hitady vahaolana ho an’ity tanindrazan-tsika ity (…). Ka izay : vita ny ala-nenina farany ka dia roso isika eo amin’ny fametrahana ny repoblika faha-4. Ary na ahoana na ahoana dia tsy maintsy tody any amin’izay tanjona hametrahana ny repoblika faha-4 izay ny vahoaka malagasy iray manontolo sy isika mianakavy (…) ".

Pour éviter les interprétations, qui sont la spécialité des désinformateurs de service, faites-vous traduire… tous azimuts. Vous serez surpris du résultat proposé par certains rédacteurs qui semblent avoir le pouvoir de suspendre le temps au-dessus du régime Tim-Tiko.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 1er mai 2010

Mis à jour ( Samedi, 01 Mai 2010 18:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024