]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina : une décision inédite à Madagascar !

Andry Rajoelina : une décision inédite à Madagascar !

Alors que les mécréants affutaient (et affutent encore) leurs couteaux et remplissent leurs tombereaux d’insanités en tous genres, Andry Rajoelina a pris une décision qui le porte, de son vivant, au Panthéon des hommes d’exception. En effet, depuis plus d’un demi-siècle, le moindre Malgache élu ou nommé n’avait qu’une seule idée en tête : comment rester le plus longtemps possible au pouvoir. Or, à Madagascar, l’Histoire nous jette à la figure le fait que tous les présidents qui se sont succédé sont sortis par la petite porte, chassés par le peuple : Philibert Tsiranana  en 1972 ; Didier Ratsiraka en 1991, Zafy par le biais de l’Assemblée nationale représentant le peuple,  en 1995 ; Didier Ratsiraka une seconde fois en 2002 et Marc Ravalomanana en 2009. Ils ont tous tenté de rempiler alors qu'ils ont littéralement été vomis par le peuple.  Et tentent encore de le faire. Voyez Marc Ravalomanana et son histoire d'amnistie, tandis que les 83 ans et 71 ans des deux premiers (Deba et Prof Mada Raid), remis en selle par le GIC, n'indiquent pas qu'ils représentent encore un quelconque avenir... Mais ils n'en ont pas honte du tout.

Alors que tout le monde pensait que cet Andry Rajoelina allait suivre le même chemin pour la quatrième république, il vient de démontrer que Nelson Mandela -l'exception qui confirme la règle- n’est pas son idole pour rien. Ainsi, le 12 mai 2010, à 20h30, sur les ondes de la Rnm et à la Tvm, Andry Nirina Rajoelina a annoncé solennellement et officiellement : « JE NE ME PRESENTERAIS PAS POUR ETRE PRESIDENT DE LA QUATRIEME REPUBLIQUE ». Y-a-t-il encore des commentaires à faire ? Non, sinon que cela va rendre malades les Gtt et bloguistes pro-Tim et « trois mouvances » car Marc Ravalomanana va leur couper les vivres. En effet, pourquoi jeter son argent par la fenêtre pour insulter le néant ? Mais les fanatiques ont çà de spécifique : ils verront encore plus rouge ce qui était déjà lumineux. Bon courage… En tout cas, moi qui commençais à me désespérer de ces politicards voulant s’accrocher à tout prix à une chaise, je ne mourrais pas idiot. Avec cette décision Andry Rajoelina incarne réellement le changement. En effet, sa mission réelle avait été de « ouster » Ravalomanana et de réussir la période de transition vers une quatrième république réellement démocratique. C’est tout. Pas de s'aggripper au pouvoir "araka ny fangatahin'ny be sy ny maro" (à la demande de tout un peuple). Comme je l’ai toujours écrit auparavant, il pourra se présenter lors des prochaines présidentielles. Après le premier mandat. D'ici là, il aura acquis la maturité et l’expérience de l’Homme d’Etat qu’il est déjà par son sacrifice qui ne fera pas l'unanimité au sein même de l'association Tanora Malagasy Vonona ou TGV qu'il avait fondé lorsqu'il s'était présenté à la mairie de la ville d'Antananarivo. Mais le bien du peuple et les intérêts de la nation doivent passer au-dessus de toutes autres considérations et visées personnelles...

Par ailleurs, lors de sa courageuse décision, Andry Rajoelina a aussi révélé le calendrier électoral qui achèvera définitivement la crise politique malgache 2009-2010 :

12 août 2010 : référendum constitutionnel :

30 septembre 2010 : Elections législatives ;

26 Novembre 2010 : Election présidentielle à laquelle, donc, il ne se présentera pas.

Mais auparavant, sera organisé un Dialogue national les 27, 28 et 29 mai 2010.

Voilà ce qu’il faut savoir de ces déclarations tant attendues, durant cette nuit du 12 mai 2010 qui restera à jamais gravée dans les annales de l’Histoire politique de Madagascar.

Alain Joyandet, satisfait de cette décision du Président Andry Rajoelina

Presque immédiatement après ces déclarations, Alain Joyandet, Secrétaire d’Etat français à la Coopération n’a pas tardé à se manifester : « Les décisions de M. Rajoelina placent Madagascar sur la voie du retour à l'ordre constitutionnel et donc du soutien de la communauté internationale. Elles témoignent de son sens des responsabilités car il place ainsi l'intérêt de son pays au-dessus de toute autre considération. La France sera aux côtés du peuple malgache pour l'aider à relever les défis qui l'attendent ».

Ce qui suit constitue, désormais, un document historique : le texte intégral en malgache que j’ai pris le soin de transcrire pour la postérité. Trouvez-vous un bon traducteur. Merci.

Ry vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana,

Tsaroan-tsika ary tsy ho adinoin-tsika fa ny tolona natao dia ny katsahana ny Fahafahana, indrindra ny fanovana ifotony ary ny hametrahana ny Repoblika faha-efatra. Nitady fiovana ny tanintsika. Eny, tsy maintsy hanova isika. Nandia fotoan-tsarotra sy mangirifiry isika nandritra ny efatra ambinifolo volana, fotoana izay niainana sedra maro ho an’ny rehetra ary ny alaheonareo dia alaheloko ; ny fijalianareo dia fijaliako ; ny tebitebinareo dia tebitebiko ; ory ianareo, ory koa ny tenako.

Amin’ny maha tomponandraikitra voalohany sy Filoha ny tenako dia niezaka hatrany aho nanao izay vitako araky ny fara-heriko, tsy nanaiky ho resin’ny fahakiviana ary mino sy manaiky aho fa tsy maintsy ho avotana ary ho avotra ity Firenena ity.

Ny fahatsapako ny olana sy tebiteby mianjady amin’ny Malagasy no nahatonga ahy nanaiky nifampidinika mba itadiavana miaraka ny vahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy politika. Izany ihany koa no nanatrehako ary nandraisako anjara tamin’ireo fifanatonana samihafa natao teto an-toerana sy tany ampitan-dranomasina. Niatrika izany hatrany isika ary niala nenina saingy indrisy : tsy tratra ny tanjona nokendrena ary rava ny Fanantenana.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Eny, hatramin’ny Fahaleovantena dia nanantena foana ny vahoaka, Fanantenana eo amin’ny lafiny maro ; Fanantenana mba hiaina fiainana tsaratsara kokoa ary Fanantenana ho Firenena lehibe matanjaka na mahaleo tena, mahavita tena ary mandroso i Madagasikara. Saingy nialefy tsikelikely hatrany izany Fanantenana izany. Izao krizy lalovan’ny Firenena Malagasy sy lalovan’ny vahoaka Malagasy izao dia krizy efa nianjady andritra izay 50 taona nodiavina izay.

50 taona niaretana sy niadiana nefa tsy nahazahoana fandresena ;

50 taonan’ny aratsim-panahy sy fiatsarambelatsihy ;

50 taonan’ny fitiavan-tena ;

50 taonan’ny fahadisoam-panantenana ;

50 taonan’ny fitantanana tsy nahomby ;

50 taonan’ny lainga sy ny famitahana.

Raha fitinina dia 50 taona nitarika tany amin’ny fahantrana sy ny kizo tanteraka.

Hatramin’izao andro anio izao dia ny fitiavantenan’ireo mpitondra teo aloha, ny fomba ary ny toe-tsaina fanaovana politika, ny fanakorontanana sy ny fampisavorovorona, ary ny loza dia ny fitariana ny Firenena any amin’ny fanapotehana mihitsy no tanjon’izy ireo. Ary izany ihany koa no anton’ny fikatsoan’ny fiainam-pirenena amin’izao isika miteny izao.

Aoka izay ! Ampy izay !

Ny fangahatako amin’ireo raiamandreny ireo androany dia ny mba hamelany ny vahoaka malagasy mba iaina ao anaty filaminana sy ny fitoniana satria izany no andrandrain’ny be sy ny maro, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena izao. Aoka ny tsirairay avy amintsika mba hanaporofo ny Fitiavan-tanindrazana marina. Ny tena maha Filohampirenena ny Filohampirenena iray dia ny fahasahiany mijoro. Azo tsaraina izany amin’ny zavatra nataony sy napetrany ho an’ny mpiray Tanindrazana sy ho an’ny Firenena.

Koa noho ny fitiavako ary ny fitiavako loatra ity Tanindrazana ity dia tandroviko toa ny anakandriamaso mialoha ny zava-drehetra ny mahaso azy sy ny vahoaka. Tsy mivadika amin’ny fanamby rehetra izay napetraka teny amin’ny Kianjan’ny 13 may ny tenako. Koa ny fanapahan-kevitro izay raisiko androany faha-12 may 2010 dia tenin-dehilahy manaja ny teny nifanomezana ary inoako fa hijanona amin’ny Tantaram-pirenena satria baikon’ny Fitiavan-tanindrazana.

Arak’izany ary dia ambarako amin’ny Ambanilanitra, mba ho tombontsoan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy dia nanapak’hevitra ny tenako fa TSY HILATSAKA ARY TSY HANDRAY ANJARA AMIN’NY FIFIDIANA IZAY HO FILOHAN’NY REPOBLIKA FAHA-4.

Noraisiko izany fanapahak’hevitra izany mba hahazoana manantanteraka sy mamita ny tetezamita amin’ny fomba tsy mitanila, fa tsy sanatria ho lany andro amin’izao fifanolanana lava izao izay manimba ny Firenena. Izany fanapahak’hevitra izany dia mba hamaranana tanteraka ny krizy politika izay efa naharitra ela loatra.

Fanapahak’hevitra ihany koa mba antoka hazahoana ny fankatoavin’ny rehetra ny fifidianana izay hifandimby. Aleoko manao sorona ny tenako toa izay ny vahoaka Malagasy no atao sorona.

Tokony hahatsapa tena ireo mpanao politika tsy mety tonga saina fa tsy zon’izy ireo no minia mamono mampijaly sy mampahory ny vahoaka Malagasy. Efa ela no resy lahatra fa ny ala olana sy ny lalan-tokana dia ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny fifidianana rehetra ao anatin’ny mangarahara sy ny falalahana. Ny ahy ny tanjona tokana dia ny hametrahana ny Repoblika faha-4. Noho izany, ireto ny sori-dàlana hahatongavana amin’izany :

Ny 12 Aogositra 2010 no hanatanterahana ny fitsapakevim-bahoaka handaniana ny Lalampanorenana  vaovao ;

Ny 30 Septambra 2010 no hanatanterahana ny fifidianana ny Solombavambahoaka ;

Ny 26 Novambra 2010 no atao ny fifidianana ny ho Filohan’ny Repoblika.

Mialohan’izany rehetra izany dia ho tanterahana ny 27, 28 ary 29 May ho avy izao ny dinika sy ny adi-hevitra nasionaly na ny « Dialogue national » izay hanoritra ny Lalampanorenana vaovaon’ny Repoblika faha-4. Ary hanasana izany ireo solontena isan-tsojakiny avy amin’ny faritra 22 sy ireo distrika 119 manerana ny Nosy. Koa manao antso avo ho an’ny mpiray Tanindrazana tsy ankanavaka ny tenako, na lahy na vavy, ho an’ireo mpanao politika rehetra, ho an’ireo fiarahamonim-pirenena rehetra, ho ireo raiamandreny mpitondra fivavahana rehetra ary koa ho an’ny foloalindahy mba hiray hina ka hifanome tànana hahatratrarana izany tanjona izany satria izay no any làlan-tokana sy vahaolana tokana ho an’ny Firenena.

Fanamby lehibe izany ary tsy maintsy ho tratrarin-tsika miaraka. Nandray ny andraikitro aho ary mino sy manantena fa handray ny andraikiny koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka hanohana sy hanampy antsika amin’ny fanatanterahana izao sori-dàlana izao. Sori-dàlana izay any hiantoka ny filaminana, ny fitoniana ary ny fandriampahalemana.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Amiko manokana dia làlan-tsarotra tokoa iny làlana iny. Làlana izay niainana olana maro ary na dia teo aza ny sakana ary indrindra ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany, dia niezaka nandroso sy niasa hatrany isika, tsy azo lavina izany. Efa betsaka ny fandeferana izay naseho ary nomen-tsiny mihitsy aza ny tenako tamin’izany rehetra izany. Tsy anenenana anefa izany.

Fantatro fa maro ireo malahelo sy mety tsy hino mihitsy aza. Tsapako izany ary azoko an-tsaina. Matokia anefa ianareo fa eo anilanareo mandrakariva aho ary tsy hamela anareo irery velively.

Ry vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana,

MANDALO NY FIAINANA, FA NY ATAO MIJANONA ARY MIPETRAKA HO TANTARA. KOA ALEO LOVA TSARA NO APETRAKA HO AN’NY TARANAKA FARAMANDIMBY.

Koa manao antso avo ho an’ny rehetra aho mba hanova fo, mba hanova saina ary hanary ny fankahalana sy ny fifanenjehana. Eto ampamaranana dia tsy aiko ny tsy ankasitraka ireo rehetra nitrotro am-bavaka mandrakariva an’ity Firenena ity.

Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra, mamiko loatra i Madagasikara. Masina ny Tanindrazana!

Andry Nirina RAJOELINA

Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamitan’i Madagasikara (2009-2010)

Dossier de Jeannot RAMAMBAZAFY – 12 mai 2010

Mis à jour ( Jeudi, 13 Mai 2010 07:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024