]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Antananarivo. SDE: à problèmes malagasy, solutions malagasy

Antananarivo. SDE: à problèmes malagasy, solutions malagasy

Au micro, notre frère et confrère Latimer Rangers



**************************


Pic Vert Ambatobe, sabotsy 13 jona 2015. Famintinana ny zava-niseho nandritra ny andro fifanankalozan-kevitra nokarakarain’ny vondrona SDE (Strategy Development Empowerment)

Tontosa soa aman-tsara ny andro natokana hifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny vondrona SDE (Strategy Development Empowerment), notarihan’ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo. Hetsika izay natao ho fanohizana ny hetsika fanomanana ny “Sommet national des citoyens” na Fihaonamben’ny olompirenena, izay notanterahana teny amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny 21 martsa 2015.


Noho ny fahatsapana fa zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fanomezana sehatra ho an’ny olompirenena tsirairay, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika, ny ny mpianatra sy ireo hery velona rehetra mampiaina sy mampihetsika ny firenena sy ny fiuarahamonina malagasy, sehatra malalaka ahafahana maneho hevitra.

Vondron’olona sy antoko politika maro isan-karazany araka izany no tonga namely sy nandray anjara tamin’ny adihevitra ny sabotsy 13 jona 2015 teo teny amin’ny Pic Vert Ambatobe. Anisan’ny hita teny an-toerana ny solombavambahoaka TGV/Mapar (Jean Brunel Razafitsiandraofa), ny antoko Mpanohitra (Lalatiana Ravololomanana sy Guy Maxime Ralaiseheno), Harinaivo Rasamoelina (DHD), Alain Andriamiseza (MCDM, Otrikafo, ny MONIMA, ny PRDM, ny Grands corps de l’Etat, ny SOLIDE, TAMBATRA, MMM, mpianatra, mpanankato, solontena avy amin’ny faritra maro hafa, ny antoko fivvahan, GLM/VPM-MMM, ny vondron’ireo CST sy CT teo aloha, ny mpiaro ny Zon’ny mpanjifa, sy ireo sendika maro. 700 no isan’ny mpandray anjara izay nasaina izay samy tonga namaly ny antso ankoatra ireo vitsivitsy nandefa fialan-tsiny.



Maro ireo hevitra nisongadina nandritra ny fihaonana toa ny tokony hanarenana ifotony ny firenena, ny fanovana lalampanorenana, ny fandravonana ireo fihaonambe nasionaly sy isam-paritra izay efa natao teto amin’ny firenena nandritra ny tetezamita ka hatramin’izao, ny fanarenana ny filaminana sy ny tontolon’ny tafika Malagasy, ny fitsarana sy ny ady amin’ny kolikoly, ny zon’ny Malagasy manoloana ny fizakamanana sy ny zony hiary sy hisitraka ny tanindrazany tsy hataon’ny hafa ampihimamba, ny fitsinjarana ny andraikitry ny mpanao politika sy anjara asany eto amin’ny firenena, ny fiarahamonim-pirenena sy ny toerany eto amin’ny firenena. Mbola niverina tao ihany koa ny olana mahakasika ny andrim-panjakana misy ankehitriny.



Maro ireo efa nandroso ihany koa soso-kevitra, tao ny efa niandry fanapahan-kevitra avy hatrany satria efa latsaka anaty hantsana lalina ny firenena na teo aza ny ezaka natao hivoahana amin’ny krizy tamin’ny alalan’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka. Tsy fandraisana fanapahan-kevitra anefa no natao hoy ny mpikarakara fa fanangonan-kevitra ihany aloha.


Tsy afa-miandry intsony ny firenena mba hisorohana amin’ny fipoahana ara-tsosialy ka noraisin’ny SDE sy ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ny andraikitra miaraka amin’ireo rehetra tonga teny an-toerana ka aorian’ny fandravonana ireo hevitra rehetra teny an-toerana dia hiroso amin’ny dingana manaraka ny rehetra handraisana ny fihaonamben’ny olompirenena satria ny olana Malagasy dia mitaky vahaolana Malagasy.

Mis à jour ( Lundi, 15 Juin 2015 07:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...