]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Toamasina. Fanatanjahantena mampivelatra sy fahalalana ho an'ny ankizy

Toamasina. Fanatanjahantena mampivelatra sy fahalalana ho an'ny ankizy

Notontosaina ny Alahady 20 Oktobra 2019 lasa teo, ny lanonam-pamaranana ny fanatanjahan-tena an-tsekoly (“Sport scolaire”) andiany faha-27, izay nampitondraina ny anarana hoe « SorongĂŽla », natao tao amin’ny Renivohitr’i Toamasina, faritra Atsinanana. Naharitra fito andro ny hetsika, dia ny 14 Oktobra 2019, ka hatramin’ny 20 Oktobra 2019 teo, ary nahitana ny fandraisan’ireo mpianatra avy tamin’ireo faritra miisa 23 anjara. Taranja ara-panatanjahan-tena maro, no natao tamin’izany, toy ny volley-ball sokajy zazavavy sy zazalahy ; ny taranja baolina kitra, izay nahitana sokajy zazavavy sy zazalahy ihany koa. Teo koa ny taranja « AthlĂ©tisme ».

Sabotsy 19 Oktobra ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra lahy sy vavy, tamin’ity fanatanjahan-tena an-tsekoly ity. Nahazo ny voalohany teo amin’ny sokajy zazavavy ny avy amin’ny DRENETP Analanjirofo, faharoa ny DIANA, ary fahatelo Boeny. Sokajy lehilahy indray dia ny DRENETP Atsinanana no nahazo ny amboara, faharoa Boeny, ary fahatelo ny Atsimo Atsinanana. Teo amin’ny taranja Volley-ball zazavavy indray, norombahin’ny DRENETP Boeny ny amboara, faharoa AnĂŽsy, ary fahatelo Analamanga. Teo amin’ny sokajy zazalahy: ny DRENETP Atsinanana, faharoa Vakinankaratra, ary fahatelo ny ekipan’i Atsimo andrefana. Lalao izay natao tao amin’ny « Centre RĂ©gionale de la Jeunesse et des sports » (CRJS).

Ny DRENETP Sofia Antsohihy, no handray ity lalao ity amin’ny taona 2020. Nandritra ny lanomam-pamaranana teo anoloan’ny Tranoben’ny Faritra atsinanana, no nanambaran’ny minisitra, fa fahombiazna tanteraka ny tamin’iny andiany faha-27 teo iny. Isany nisalahy tamin’izany ny teo anivon’ny fianakaviam-ben’ny minisitera tao Atsinanana, ny Fitondram-panjakana, izay notronon’ny vahoakan’i Toamasina. Tratra ny tanjona hoy izy. Nankahery ireo resy nandritra ny lalao ny minisitra Volahaingo Marie ThĂ©rĂšse, mba hanao bebe kokoa amin’ny taona manaraka. Namporisika hatrany ireo naharesy koa ny tenany. Isany nanohana ity hetsika ity, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Orinasa sy Banky vitsivitsy ao an-toerana, izay nisaoran’ny minisitra.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireo Solombavambahoaka sy solontenam-panjakana tao an-toerana tonga nanotrona ity lanonam-pamaranana hetsika “SorongĂŽla” ity, no nilazan’izy ireo, fa henin-kaja sy henim-boninahitra ny Renivohitr’i Toamasina. Nolazain’izy ireo koa fa tokony hotohizana hatrany ny hetsika toy izao, hamporisihana ireo ankizy sy tanora mba tsy hirona amin-javatra hafa. Ny fanatanjahan-tena an-tsekoly mantsy, hoy izy ireo, dia mampitombo sy mampivelatra ny vatana sy fahalalan’ny ankizy, ary hampivelaran’izy ireo ny maha izy azy. Tsy nisy loza sy ny sampona nandritra ny lalao “Sport scolaire” teo iny. Hananana vatana tomady sy saina salama, ny fanatanjahan-tena, hoy ireo Solombavambahoaka miarahalahy. Teo amin’ny classement gĂ©nĂ©ral, dia ny tao amin’ny DRENETP, no nahazo ny voalohany tamin’ireo lalao rehetra nifaninanana, avy tamin’ny nahazoan’ireo mpianatra medaly maro. Ny sehatra toy izao koa, no hahafahana mitaratra ireo ho solofon’ny ekipam-pirenena Malagasy atsy ho atsy, hoy ireo depiote.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mardi, 22 Octobre 2019 07:02 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...