]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Akademia Malagasy, taom-piasana 2019-2020. Kabarin'ny Praiminisitra Ntsay Christian

Akademia Malagasy, taom-piasana 2019-2020. Kabarin'ny Praiminisitra Ntsay Christian

Lahatenin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian nandritra ny lanonam-panokafana ny taom-piasana 2019-2020 eny anivon’ny Akademia Malagasy

Andriamatoa Filohan’ny Akademia Malagasy sy ianareo mpikambana rehetra,

Ianareo Filoha sy solontenan’ny Andrim-panjakana,

Ianareo mpikambana eo anivon’ny governemanta,

Isika rehetra manatrika etoana,

Tompokolahy sy tompokovavy,

Raisiko ho adidy ny misolo tena etoana ny Filoham-pirenena, raisiko ho zava-dehibe tokoa ny ahafahako mihaona aminareo anio, eto amin’ity toerana izay misy ny foiben’ny Akademia Malagasy ity.

Iaraha-mahalala fa isan’ny andrim-pirenena zokiny indrindra eto Madagasikara ny Akademia Malagasy, izay natsangana tamin’ny fotoan’androny, hanao fanadihadiana hahafantarana misimisy kokoa ny mponina eto Madagasikara, ny fomba amam-panao, ny teny Malagasy. Ka zary lasa ambohipihaonan’ny fikarohana sy fikajiana ireo vako-pirenena toy ny teny, ary lasa toerana fivelaran’ny fahalalana sy ny fikarohana ara-tsiansa ihany koa.

Manan-danja lehibe eo amin’ny lafiny toekarena ny fivoaran’ny fahalalana, ka izay indrindra no tokony hampiroboroboana ny fikarohana ara-tsiansa mirindra amin’ny politikam-pikarohana matotra. Tsy misy fivoaram-pirenena raha tsy misy ny fivoaran’ny fahalalana, ary raha tsy misy ny fitaovana ara-tsiansa mahomby sy mitodika amin’ny filàn’ny fampandrosoana izany. Ka izay indrindra no hitodihako aminareo etoana, ny tenako dia mampahatsiahy, manentana, ary miantso antsika rehetra hitodika bebe kokoa amin’ny fomba mampahomby izany fampandrosoam-pirenena izany, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fivoaran’ny fahalalana mba hitsinjovana ny soa iombonana.


Tompokolahy sy tompokovavy,

Ankehitriny, dia ny fivoarana sy ny fihazakazaky ny teknolojia, ny kajy mirindra no isan’ny fototra iaingan’ny fanatontolona. Mby aiza isika Malagasy eo amin’ny fitondrana ny anjara birikintsika, eo amin’izany fampivoarana ny fahalalana sy ny fikarohana ara-tsiansa, hampandroso sy hampivoatra ny firenena izany?

Isika dia nisafidy ny hanenjika ny fahataràna nandritra izay taona maro izay, ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny vinan’ny Filoham-pirenena. Ataoko fa ny Akademiam-pirenena izay ambohipihaonan’ny mpikaroka sy ny fikarohana dia anisan’ny ratsamangaika hiantefan’izany antso sy adidy izany. Koa manentana anareo aho, hiara-miatrika sy hiasa ho amin’ny tombotsoa iombonana sy ny fampandrosoana mipaka amin’ny vahoaka maro an’isa eto amin’ny firenentsika.

Ao anatin’izany fiombonana izany dia resahina manokana ny fikarohana mikasika ny teny Malagasy, izay isan’ny andraikitra raisinareo. Ny teny dia fitaovana iombonana ahazoantsika samy Malagasy mifanerasera, mifandray, mifanakalo hevitra; fitaovana makany amin’ilay tena fampandrosoana marina, izay voalaza matetika. Mbola be ny ezaka tokony hatao hampivelarana ny teny Malagasy eo amin’ny toerana tokony hisy azy eto amin’ny firenena. Manankarena ny teny Malagasy, indrindra fa eo ireo teny isam-paritra hanatevenana izany. Mila ezaka iombonana izany, satria ny teny Malagasy no tenim-pirenentsika.


Farany, milaza ary miara-mahita isika fa ny Akademia Malagasy no anisan’ny sehatra hanandratana ny kolotsaina, ny riba sy ny soatoavina, hitazonantsika ny maha Malagasy antsika hoentina miatrika ny fampandrosoana ary hanorenana hoavy marim-pototra ho an’ny taranaka. Ny kolontsaina izay hamerenantsika ny hambopom-pirenena no fanohitra mampivelatra ny fanahy maha olona sy maha Malagasy antsika, izay ilaina dia ilaina tokoa ny hametrahana azy indray amin’ny toerana sahaza azy eto anivon’ny firenentsika.

Izay no lava, izay no fohy, mbola manantitra ny fankasitrahana anareo rehetra ny tenako, amin’izao lanona fanombohana ny taom-piasana 2019-2020 izao, ary mirary fahombiazana tokoa amin’ny atao rehetra ho fampandrosoana ity firenena mamintsika ity.

Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy.


Mis Ă  jour ( Samedi, 02 Novembre 2019 05:29 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...