]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration MADAGASIKARA 12 JONA 2020. FANAMBARANA TELOTOTA ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANOHERANA NY FAMPIASANA ANKIZY

MADAGASIKARA 12 JONA 2020. FANAMBARANA TELOTOTA ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANOHERANA NY FAMPIASANA ANKIZY

Ramatoa Gisèle Ranampy

Ry mpiray tanindrazana,

Isan-taona ny faha 12 ny vola jona, miaraka amin’ireo Firenena mpikambana ao amin’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny Asa na OIT, Madagasikara dia mankalaza ihany koa ny Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy ka ny lohahevitra amin’ity taona ity dia ny hoe : « COVID19- Arovantsika amin’ny fampiasana azy ny ankizy, ny anio mihoatra noho ny hatrizay ».

Ny valan'aretina ara-pahasalamana COVID-19 sy ny fiantraikany amin’ny tsenan'ny asa sy ara ekonomika dia misy vokadratsy lehibe amin'ny fiainan'ny olona sy ny fivelomana. Ary indrisy, ny ankizy matetika no voalohany iharan'izany. Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy 2020 dia hifantoka bebe kokoa amin'ny fiantraikan'ny krizy ankehitriny amin'ny fampiasana ankizy. Araka ny OIT, ny krizy dia mety hanosika ankizy marefo an-tapitrisany maro amin'ny asa. Ankizy 152 tapitrisa eo ho eo no heverina fa efa tafiditra amin'izany, ary ny 72 tapitrisa amin'izy ireo amin’ny asa mampidi-doza. Ireo ankizy ireo dia tandindonin-doza lehibe kokoa hiatrika toe-javatra sarotra ary hanana andro fiasana lava kokoa. Amin'ity taona ity, ny fankalazana dia ho atao amin'ny fanentanana virtoaly ary nokarakaraina miaraka amin'ny “La Marche mondiale contre le travail des enfants” sy ny IPCCLA na Partenariat international pour la coopération sur le travail des enfants dans l’agriculture.

Ny antontan-taratasy iraisan'ny OIT-UNICEF momba ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny fampiasana ankizy dia handinika ny sasantsasany amin'ireo fantsona lehibe izay mety hampisy fiantraikany amin’ny fandrosoana amin'ny fanafoanana ny fampiasana ankizy. Madagasikara dia mpikambana ao amin’ny OIT nanomboka tamin'ny taona 1960 ary amin’izao fotoana izao,eo ambanin'ny fitarihan’ny Fanjakana Malagasy, ny fanamby faha-85 an'ny tetika stratejika faha-7 an'ny IEM (Initiative emergence Madagascar) dia maneho ny fahavononan’ny Firenena malagasy amin’ny fahatratrarana ny tanjon'ny Fampandrosoana maharitra na ODD (ODD 2030), tanjona 8.7 izay mandrisika antsika handray "fepetra haingana sy mahomby hiantoka ny fandrarana sy ny fanafoanana ireo endrika ratsy indrindra amin'ny fampiasana ankizy, ny asa anterivozona sy amin’ny taona 2025, hamongotra ny fampiasana zaza amin'ny endriny rehetra, ao anatin'izany ny fitrandrahana sy fampiasana ny zaza ho miaramila.

" Tamin'ny volana Oktobra 2018, nanolo-tena ho Firenena Pionnier ho an'ny Alliance Alliance 8.7 i Madagasikara izay sehatra fiaraha-miasa iray eo amin'ny ambaratonga manerantany sy nasionaly ary mamondrona ny mpisehatra ara-panjakana, ny fikambanan’ny mpampiasa ary ny fikambanan'ny mpiasa, ny fikambanana fiarahamonimpirenena sy firenena mikambana tafiditra ao anatin'ny ady amin'ny fanandevozana maoderina, fanondranana olona , ary ny fampiasana zaza, ohatra amin’zany ny OIT sy ny UNICEF. Amin’izay sehatra izay, misy ny fanadihadiana momba ny zava-misy ankehitriny momba ny fampiasana ankizy any amin'ny tanàn-dehibe maro ary ny valin’izany dia havoaka ato ho ato. Torak'izany koa ny fijerena ifotony dia natao ihany koa mba hitsirihana ireto ankizy miasa amin'ny trano fandraisam-bahiny sy ny trano fisakafoanana, ny fitrandrahana vato, ny fanamboarana biriky, ny fivarotan-tena ny ankizy, ny asa an-trano ary ny toeram-pitrandrahana. Izany no natao dia mba hamaritana ny hetsika mivaingana izay hatao momba ireo ankizy ireo sy ireo sehatra ireo.

Tsara marihina fa eto Madagasikara, ny 32% amin'ireo zaza 5 ka hatramin'ny 17 taona miasa dia ao anatin'ny sehatra mampidi-doza izay manala ny zon’ny zaza amin'ny fahazazany, ny fahaiza-manaony sy ny fahamendrehany ary manimba ny fianarany. ny fahasalamany, ara-batana sy ara-tsaina. Betsaka ny ezaka efa natao niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny OIT sy ireo mpamatsy vola hafa mba hanafoana ity fampiasana ankizy eto amin'ny firenena ity, nefa mbola betsaka ihany koa ny ezaka mbola tokony hatao. Ohatra iray lehibe amin’ny ezaka efa natao, ny tetikasa SAVABE ny OIT (Soutenir les Acteurs de la Vanille au Bénéfice des Enfants), izay vatsian'ny USDOL ary manampy amin'ny ady amin'ny fampiasana ankizy eo amin'ny sehatry ny vanila. Ankoatr'izay, eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana MICA any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, ny fandraisan’andraikitry ny Governemanta Malagasy dia mizotra amin’ny fanafoanana ny fampiasana ankizy amin’io sehatra io.

Eo andalam-pamolavolana ny plan d’action multisectoriel et économique ny Fanjakana amin’izao fotoana izao ary maro ireo ministera miara- misalahy amin’izany, ny mpisehatra eo an-toerana sy any amin’ny faritra, ary koa ireo Fikambanana ao amin’ny Firenena Mikambana voakasik'izany, indrindra ny OIT sy ny 'UNICEF. Ity Andro iraisampirenena hanoherana ny fampiasana ankizy ity dia fotoana indray ho an'i Madagasikara, tsy ny hanavaozana ny fanekeny mba hahatratrarana ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra amin'ny tanjona faha-7 ihany, fa ny fanentanana ihany koa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana tsaratsara kokoa ny ankizy amin’ny COVID-19 any amin'ny toeram-piasana eken’ny lalàna Malagasy. Madagasikara, afaka taona vitsivitsy dia maniry ny ho firenena ahitana vokatra azo tsapain-tanana amin’izany ady izany.

Ity fanambaran'ny telotota ity, eo anatrehan’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny OIT sy UNICEF, dia ho fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hanoherana ny fampiasana ankizy amin’ity taona izay hiadiana amin’ny COVID19 ity ho an’i Madagasikara. Hamaranana izao fanambarana izao, dia te hanentana hatrany izahay ireo malagasy rehetra, indrindra fa ny ankizy amin’ny fanajana ireo hetsika fiarovana amin’ny COVID19 rehetra : manasà matetika ny tanana amin'ny rano madio sy savony, manaova tsara ny aro-tava sy orona, manajà ny elanelana 1 ka hatramin'ny 2 metatra. «Ndao isika hiaraka hiaro ny zanatsika amin’ny fampiasana azy, ny anio mihoatra noho ny hatrizay ». Mankasitraka tompoko.

Ramatoa Gisèle Ranampy

Ministry ny Fampananan'Asa, ny Asampanjakana ary ny LalĂ na Sosialy

Andriamatoa Coffi Agossou

Talen’ny Birao Iraisam-pirenena momban’ny Asa (BIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Seychelles aryMaurice

Michel Saint-Lot

Solontenan’ny l'UNICEF eto Madagasikara


Mis Ă  jour ( Dimanche, 14 Juin 2020 12:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety