]
Les quotidiens du 16 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Edito et News Andry Rajoelina: 50 millions Ar à l'équipe nationale de Tae-Kwon-Do

Andry Rajoelina: 50 millions Ar à l'équipe nationale de Tae-Kwon-Do

Email Imprimer PDF

CLIQUEZ ICI POUR LA VIDEO

Palais d'Ambohitsorohitra, 30 octobre 2012. Le Président de la Transition de Madagascar a reçu les membres de l'équipe nationale de Tae-kwon-do et, pour les appuyer dans leur participation au championnat d'Afrique 2012, qui aura lieu à Madagascar, il leur a octroyé une enveloppe financière de 50 millions d'Ariary

CLIQUEZ ICI POUR LA VIDEO

Palais d'Ambohitsorohitra, 30 octobre 2012. Interview du Président de la Transition de Madagascar, à propos du sport malgache et des futures élections de 2013.

Jeannot Ramambazafy - www.madagate.com

========================================

FAMPITAM - BAOVAO

Filoha Rajoelina nanolotra fanampiana 50 tapitrisa Ariary, ho an’ny Federasiona Malagasy ny Taekwondo, amin’ny fandraisana, ny fiadiana ny Tompondakan’i Afrika

Noraisin’ny Filoha Rajoelina tetsy amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny fianakaviamben’ny haiady Taekwondo Malagasy, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay hatao eto Antananarivo – Madagasikara, ny 2, 3 ary ny 4 Novambra 2012 ho avy izao. Androany tamin’ny 2 ora tolakandro no natao izany. Ny filohan’ ny Federasiona Malagasy ny Taekwondo, Rasolofomasoandro Danis no nitarika ny delegasiona, izay nahitana ireo birao mpiara-mitantana miaraka aminy sy ireo mpikatroka (athlètes), eo anivon’ny ekipam-pirenena, hiatrika izany.

“Zava-dehibe ny fanatanterahana sy ny fanatontosana izany fiadiana ny Tompondakan’i Afrika eto amintsika izany. Tsikarintsika tsara fa taranja maro no efa notanterahana teto amintsika izay. Ny voalohan-teniko dia matoky anareo ny Firenena. Hanandratra avo ny hambom-pom-pirenena, indrindra ny sainam-pirenena eo anatrehan’izany fifaninana izany ary izay no hitsofan-drano anareo. Fifaliana miaraka amin’ny fo feno fitiavana no hanolorana anareo vola mitentina 50 tapitrisa Ariary ka zaraina roa izany. Ny 40 tapitrisa Ariary dia homena ny Federasiona amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ary ny 10 tapitrisa Ariary koa ho an’ireo atleta rehetra. Tsy hanavahana sokajin-taona izany. Eto dia milaza aho fa mbola hiaona eto isika ary hisy ny fankasitrahana manokana ho an’izay atleta mibata amboara”, hoy ny Filoha Rajoelina raha nanolotra ny vola mitentina 50 tapitrisa Ariary ho fanohanana ny fianakaviamben’ny Taekwondo Malagasy.

“Misaotra ny Fitondrana Tetezamita, izay tarihinao, amin’izao adidy lehibe tamin’ny fanohanana anay izao. Vonona hiaro ny voninahim-pirenena ireto atleta ireto. Ekipam-pirenena izy ireo. Misy ny avy any Manakara, Fianarantsoa, Faritra Betsiboka sy ny maro hafa. Porofo ireo fa manana ny lanjany avokoa ny isam-paritra”, hoy ny filohan’ny Federasiona, Rasolomasoandro Danis. “Izaho dia mpikatroka haiady koa fahiny. Ilaina ny finoana raha hibata izany amboara izany. Isika tsy mba naman’izay resy fa tsy maintsy mpandresy”, hoy ny Filoha Rajoelina raha nitso-drano an’ireo atleta ireto.

Nisy ny tafa fohy nataon’ny Filoha Rajoelina manoloana izao fihetsika asehon’ny Fitondrana izay tarihiny izao. “Ilaina foana ny fankaherezana ny ekipa Malagasy. Zava-dehibe izany fandraisana ny Tompondakan’i Afrika eto amintsika. Noho izany tsy maintsy hisy ny fankasihatrahana ary mety zavatra lehibe noho izany aza no atao. Ny zavatra atao dia tsy maintsy arahana ary amporisihina ireo ekipantsika miatrika izany. Ny tenako dia tanora ary ireo mpikaroka dia tanora avokoa ny maro an’isa. Isan’ny taratra ahitana ny fandrosoan’ny Firenena iray ny mpanao fanatanjahatena ao aminy. Izay no antony hanaovana ny ezaka rehetra hanampiana ny mpilalaontsika. Mbola betsaka ny tetikasa tokony hatao mba tena ananana atleta matihanina eto amintsika. Ezahana sy harenina tsikelikely izany”, hoy hatrany ny Filoha Rajoelina.

Isan’ny noresahany koa, ny mahakasika ny fahavonoan’ny Fitondrana Tetezamita amin’ny fanomanana ny fifidianana rehefa nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika izany izy. “Ny Fitondram-panjakana dia efa niteny ampahi-bemaso fa vonona hanatanteraka ny fifidianana. Raha nisy ny naniry ny fanatanterahana izany hatramin’ny ela dia afaka lazaiko fa ny Fitondrana na ny mpitantana ao anatin’izany Fanjakana izany. Mikasika ny vola na ny teti-bola izay holaniana amin’izany fifidianana izany dia iny efa voasonia iny : ny Pacem. Dikan’izay dia maneho fa ny Fitondrana Malagasy dia vonona hanatanteraka izay voarakitra ao anatin’izany Pacem izany amin’ny antsipirihany. Tsara ho fantatrareo fa efa betsaka ny fandaniana ary ny hanaovana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao dia ny Fitondrana Malagasy no niantoka ny ampahany betsaka. Manodidina ny 78 isan-jato any ho any izany”, hoy izy namarana ny teniny.

Antananarivo, faha 30 Oktobra 2012

Ny mpiandraikitra ny Serasera eo anivon’

ny Fiadidiana ny Filohan’ny Tetezamita

Mis à jour ( Mercredi, 31 Octobre 2012 02:17 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques