]
Les quotidiens du 19 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Edito et News Eliane Naika : mavandy avao !

Eliane Naika : mavandy avao !

Email Imprimer PDF

Eliane Naika : vehivavy mira vazaha toa izao ihany rangahy dia tsy menatra mamafy lainga maivana dia maivana. Fa inona loatra e ?!

Fa dia nataon'Ingahy Ravalomanana inona loatra re ireto vehivavy ireo e ! Ao i Me Hanitra Razafimanantsoa manambara fa novidian'ny Tiko daholo ny tany nanamboarana ny "Temple du rugby" sy ny hopitaly vaovao. Tsy eto Antananarivo ihany fa na any amin'ny faritany aza. Fa maninona, rehefa ho tokanana ireo foto-drafitr'asa ireo vao taitra tampoka eo ianao ramatoakely ? Maninona tsy ilay ianao nibodo (sy nahazo aloha e!) ny toerana filoha lefitra ao amin'ny CT no nanambara izany ?

Dia ity indray i Eliane Naika fa dia mavandy avao (mandainga tsotra izao). Ianareo fatra fahanan'ireo vehivavy ireo lainga dia tokony hitaky porofo mazava fa tsy arirarira fahatany toa tsy olombelona manan-tsaina. Marina e ! Vakio tsara ireto manaraka ireto.

LE PRESIDENT MARC RAVALOMANANA EN POSSESSION DE SON PASSEPORT

Ces derniers temps, des rumeurs sont véhiculées par certains médias  que les avocats du Président Marc Ravalomanana vont réclamer auprès de la Cour Constitutionnelle sud-africaine la restitution de son passeport.

Nous tenons à confirmer que ces allégations ne sont que de fausses informations propagées pour discréditer le Président Marc Ravalomanana et démotiver ses partisans.

La Cour Constitutionnelle sud-africaine ne lui a jamais retiré ce document de voyage. Le Président Marc Ravalomanana est toujours en possession de son passeport.

NAIKA Eliane, 23 novembre 2012


Io ambony io no porofo fa mavandy avao i Eliane Naika. Asa ho aiza loatra izy amin'izao fomba ratsy izao. Tsy izany no fomba hiarovana an'i Dada haomby fa vao maika handetika azy io.

Izao ny dikany io teny anglisy io :

Tamin'ny volana Septambra 2012 no nalain'ny fanjakana afrikana atsimo ny pasipaoron'i Marc Ravalomanana ka tsy afaka miala ao Afrika Atsimo izy raha tsy hoe hamonjy fivorianam-paritra manodidina (ary fivorana karakain'ny Sdac, mazava ho azy izany). Ho mazava kokoa dia ny fitsarana any no nandidy ny fanjakan'i Jacob Zuma hitazona io pasipaoro io. Ny sisa dia avelao ianareo mandika azy, satria mahay mamorona daholo rehefa hiaro an'i Ravalomanana izay manao fitaovana anareo fotsiny ihany. Eny, na ry Brian Currin aza. Vola io kou !

Tsy hoe tsy mahay miteny anglisy i Ramatoa Naika fa minia mamadika resaka, mandainga, mavandy avao !

Tadidiko tsara ny afatry ny Kolonely Richard Ratsimandrava : « Lazao daholo izay tianareo lazaina fa izao : asa mandainga ! ». Asa, hiampy ny voninahitra sy ny harenan-dry Eliane Naika sy Me Hanitra Razafimanantsoa ?

Jeannot Ramambazafy – 24 Novambra 2012

Mis à jour ( Samedi, 24 Novembre 2012 14:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale

 

André (ANDY) Rasolonjatovo. Nandao antsika ny 03 Jolay 2024