]
Les quotidiens du 01 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Marc Ravalomanana : fa ahoana marina tokoa ny mikasika ny pasipaorony ?

Marc Ravalomanana : fa ahoana marina tokoa ny mikasika ny pasipaorony ?

Marc Ravalomanana, ny alin'ny 16 marsa 2009 teny Iavoloha. Mbola nanamafy fa" tsy misy miala eto !". Kinanjo...

Marina tokoa fa tsy azo tampenam-bava toa ny baterana paraky ny olona. Dia niditra « mivantana » amin'ny alalan'ny finday indray ilay Filoha nametra-pialana sy nitsoaka ka ireo indray ny fanambarany « goavana » :

« Ny momba ny pasipaoro. Aely daholo ny tsaho rehetra entina hamdemena ny sain’ny olona. Voalazan’ny tondrozotra dia mazava ao amin’ny andininy faha-20, ny fiverenako aty Madagasikara tsy misy fepetra. Na ny any tsy afaka mametraka fepetra na ny aty satria ny filoham-pirenena ao amin’ny Sadc no miteny izany. Adalana be izay miteny izany. Lazaiko aminareo fa afafy daholo na lainga na vola entina handemena ny sain’ny olona fa tsy mahazo antsika izany ary tsy ahazo anareo. Mahatokia ianareo ary manana faharetana fa ho hitantsika eo ny marina. Ny marina tsy mba maty. Mampahery anareo aho hoy fa raha misy miteny aza dia henoy amin’ny sofina ankavanana dia avoahy amin’ny sofina havia ireo milaza lainga. Manome toky anareo aho ary matokia ahy ianareo vahoaka Malagasy fa tsy hamadika ny vahoaka Malagasy mandra-pahafatiko aho. Tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga aho ».

O r'Ingahy Ravalomanana a ! Ny olona rehetra -anisan'izany aho-, dia mba te-hahalala hoe : any aminao ve ny pasipaoronao, araky ny filazan'i Ramatoa Naika Eliane ? Toa avilinao foana ny resaka mikasika io. F'angaha koa moa adinonao tanteraka fa io andininy faha-20 io dia misy tovana tafiditra ao anatin'ny tondrozotra tanteraka ? Tsy mankatoa ny tsimatimanota (« impunité ») ny Sadc, raha fintinina ny voalazan'io tovana io. Tsy namadika ary tsy hamadik ahoa, hoy ianao. Ka maninona no nandainga tamin'ireo mpombanao ianao ny 16 marsa 2009 teny Iavoloha ? Io ambony io ny sarinao farany teny. « Tsy misy miala eto na ino-kidona na ino-kiatra ». I Andry Rajoelina moa efa nampitandremanao hoe : « tsapano aloha ny hery vao mifanandrina amiko ! ». Kinanjo, inona no teo ? Ny ampitsony (17 marsa 2009) dia nametra-pialana ianao (amin'izay tsy araka ny lalàmpanorenena akory satria noravanao ny governemanta dia nomenao miaramila ny fahefanao izay tokony ny Filohan'ny Loholona no tokony misolo anao raha misy tsy fahafahanao mitondra, araka ny andiny faha-52 ao anatin'ny Lalampanorenanan'ny Repoblika faha-III), ary tsy hita ianao raha tsy tany Swaziland rehefa afaka herinandro (25 marsa 2009). Tsy nanao ratsy ianao, hoy ianao ihany, ka inona no nanenjika anao tao ka dia nirifatra toa ny tsy teo? Ny olo-marina, tompoko, tsy kaodikaody ary tsy mba mitsoaka izany mihitsy.

Ny tena marina dia izao: nieritreritra sy nihevitra mihitsy ianao fa ho voalamin'ireo miaramila ireo ny "raharaha" dia avy eo niverina teo amin'ny fitondrana indray ianao. Tsy ny vola akory no tsy misy, izany ô ? Adinonao tanteraka anefa fa fikasana ny an'olombelona fa Andriamanitra ihany no manapaka farany. Ary Andriamanitra fitiavana fa tsy tia resaka maizina sy maloto baikon'i satana. Dia io ianao mbola tavela ao Afrika atsimo, tsy mahazo mivoaka nanomboka ny volana Septambra 2012. Ary miantehatra amin'ny filoha Tanzaniana indray.

Ny tena izy koa, mahakasika ny fialanao dia ianao ihany no nanao "coup d'état" ny tenanao, ka voatery mamorona ary tsy mitsahatra mamorona hatramin'izao. Ianao tokoa no zatra nizara vola sy nividy olona (ahoana ireny miliara be natobakao tao amin'ny miaramila ireny ? Tsy niaiky ihany ianao ny farany ?), ka heverinao fa toa anao daholo. Ka asa na izaho no very tadidy na mpandainga fa dia ity ihany no mba zavatra marina lazainao : ny marina tsy mba maty. Dia samia ela velona hahita azy ka ny Tantara ihany no hitsara ny tsirairay avy. Tantaram-pirenena fa tsy tantara vala-maty hanompana ny atsy sy/na hanompoana ny ery.

Jeannot Ramambazafy



CONSITUTION DE LA IIIè REPUBLIQUE DE MADAGASCAR

Sous-titre premier

De la Fonction exécutive

CHAPITRE PREMIER

Du Président de la République

Article 50 - L’empêchement temporaire du Président de la République peut être déclaré par la Haute Cour Constitutionnelle, saisie par le Parlement, statuant par vote séparé de chacune des Assemblées à la majorité des deux tiers de ses membres, pour cause d’incapacité physique ou mentale d’exercer ses fonctions dûment établie.

Article 51 - La levée de l’empêchement temporaire est décidée par la Haute Cour Constitutionnelle.

L’empêchement temporaire ne peut dépasser une période de six mois, à l’issue de laquelle la Haute Cour Constitutionnelle, sur la saisine du Parlement dans les conditions de l’article 50, peut se prononcer sur la transformation de l’empêchement temporaire en empêchement définitif.

 

Article 52 - En cas de vacance de la Présidence de la République par suite de démission, de décès, d’empêchement définitif dans les conditions prévues à l’article 51 alinéa 2 ou de déchéance prononcée en application de l’article 126, il est procédé à l’élection d’un nouveau Président conformément aux dispositions des articles 46 et 47 ci-dessus.

La vacance est constatée par la Haute Cour Constitutionnelle. Dès la constatation de la vacance de la Présidence de la République, les fonctions de Chef de l’Etat sont provisoirement exercées, jusqu’à l’entrée en fonction du Président élu ou jusqu’à la levée de l’empêchement temporaire, par le Président du Sénat ou, en cas de vacance de poste ou d’incapacité du Président du Sénat constatée par la Haute Cour Constitutionnelle, par le Gouvernement collégialement.

17 mars 2009. Après avoir dissous son gouvernement et transféré ses pouvoirs à un directoire militaire, Marc Ravalomanana s'est évaporé dans la nature pour atterrir au Swaziland, une semaine plus tard. Mais, évidemment, ce n'est ni une démission ni une vacance de poste mais un "coup d'état". Il faudrait que tout le monde révise son vocabulaire et que l'on mette cette définition du coup d'état dans les dictionnaires, alors. Avec comme auteur, Niels Marquardt, l'ambassadeur américain (évidemment) qui a dégringolé au rang de consul, quelque part en Australie.

 

Mis à jour ( Dimanche, 02 Décembre 2012 08:17 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety