]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Rafozan’i Ravalomanana : atao sorona sy fitaovana politika koa i Bebe Razay !

Rafozan’i Ravalomanana : atao sorona sy fitaovana politika koa i Bebe Razay !

Eo ambony: i Bebe Razay atao sorona toa olona miala aina (Gazety Ma-Laza, 18.02.2013). Lasa entana halafosana gazety. Dia atao amin'ny teny frantsay mihitsy ny ao anatiny. Eo ambany (sary tsy eo amin'io gazety ireo akory): Jean de Dieu Maharante ary i Didier sy Céline Ratsiraka izay tsy afaka nandevina ny havany, tamin' ny andron'i Marc Ravalomanana, filoha "hajaina" nidradradra ny Fahamarinana sy ny Fahamasinana

Tamin’ny naha Filoha an’i Marc Ravalomanana dia izao no tsy voakosiky ny Tantara: maty ny zanak’i Blandin Razafimanjato, Governoran’ny Banky Foibe ; maty ny rain’i Tantely Andrianarivo ; maty ny renin’i Jean de Dieu Maharante ; maty ny iray tampo amin’i Céline Ratsiraka, maty ny iray tampo amin’i Didier Ratsiraka. MATY DAHOLO IREO. Nisy niteny sy nanao toa izao atao amin’i Bebe Razay ve ny mpikambana ao amin’ny antoko Arema ? Nangina daholo ho fanajana ny maty na dia mafy izany tsy afaka mandevina Havana no ny disadisa ara-politika.

Ary tsy nisy afaka nanotrona ny fianakaviana eto Madagasikara tokoa izy ireo, satria tsy navelan’i Marc Ravalomanana, Dada malala, niditra teto kanefa amin’izany fahoriana izany no tena ampisehoan-tsika ny firaisan-kinantsika Malagasy.

Mikasika ny velona indray : tsy navelan’i Ramose niditra teto i Rossy, mpanakanto fa tsy mpanao politika akory, ary koa i Pierrot Rajaonarivelo. Ny an’ity farany moa dia in-droa mihitsy no nisidina ny abakabak’i Madagasikara ny raoplinanina nitondra azy fa tsy navela nipetraka.

Marary Bebe Razay. Nandritra ny 83 taona, tsy nisy nahare mihitsy izany anarana izany. Tsy nangataka ho atao eny amin’ny gazety mitanila tsy misy toa izany izy. Rehefa mandroso ny taona, tsy maintsy mipoitra daholo ny aretina rehetra. Mba nieritreretin’ilay vinantony ve izany ?

Toa tsy misy mahatadidy mihitsy fa maty ny anabaviny, f’angaha moa izy nandevina fa naleony nandeha tany New York ihany ? Ingahy Marc ilay Faha-valo io. Izao izy tsy miteny fa ny miaramila kely eto no hamporisihina amin’ilay toe-tsaina tsy mitondra mankaiza. Jereo anie ity e, hafantaranao ny vitan'ny saina maizin-kitroka :

http://www.tananews.com/asides/la-mere-de-lalao-ravalomanana-est-mal-en-point-andry-rajoelina-constitue-le-dernier-obstacle-a-une-visite/

Vao nanomboka ity taona 2013 ity, dia mba nampilaza ny ao amin’io tananews io fa ho jereny akaiky ireo mpirediredy sy mpanompa olona ao amin’io “forum” io fa e e e ! Mafy loatra ny fankahalana ka dia ireo avela miteniteny foana daholo ry kanosa isany fa nahazo balan’ny fankahalana ka i Bebe Razay no atao sorona. Ao koa ilay hoe, satria tsy maintsy misy ny “liberté d’expression” e ! Fa sao dia mihevitra aloha ry zareo fa tsy ho fantatra satria anaram-bositra no ampiasainy. Efa fantatra daholo ny tena anaran’izy ireo sy ny toerana misy azy. Ka dia loza miantona ho azy koa ny ataony. Ka tohizo ihany.

Ramatoa Hermine Razaiarivelo na i Bebe Razay

Mino aho fa olo-tsotra dia tsotra sy matahotra an'Andriamanitra i Bebe Razay. Fa tena sady mahazendana sy mahakivy ny toe-tsaina ananan’ireto tanora Malagasy tsy ampy fahalalàna fa dia ny ompa no laharam-pahamehana. Ompa  ? Raha io no mahomby, efa ela no tafaverina i Dada. Ary raha ompa no mahafaty dia efa ela koa aho no lasa razana. Ka tohizo ihany fa hifototra aminareo daholo izany fomba ratsy izany, tahak’izao manjo an’i Lalao Ravalomanana, no ny nafitsoky ny vadiny fatra tia vola sy voninahitra, ka ianareo ireo no mbola atao fitaovana mamoehatra.

Ilay filoha “hajaina” efa tamin’i Philibert Tsiranana no efa reko, fa ry zareo filoha “hajaina sy voafidim-bahoaka” no tsy nanaja tena sy tsy nanaja ny vahoaka. Ka dia samy nitsingindina daholo. Izany ny tantara marina fa tsy hoe rehefa manompo sy manompa dia ho tanteraka avokoa. Vao maika ianareo manao izany, vao maika very maina izany “tolona” afa afa izany. Io izao dia voarofo fa ny ataonao amin'ny olo-kafa no miverina aminao. Mbola tsy tonga saina amin’izany ihany ireo minia mikipy sy manampina sofina.

Tsy midika izany fa tsy tokony hamangy azy ireo zanany, ka anisan’izany i Lalao Rakotonirainy, avy ao Ambatomanga, vadin’Ingahy Ravalomanana. Kanefa mila dinihina ny tena tombontsoan’ny maro an’isa. Marary toa ny olona mandroso taona rehetra i Bebe Razay, dia jereo ny atao aminy: alaina sary toa miala aina, alefa amin’ny pejy voalohany amina gazety toa ireny olona karohina ireny.

Dia hiverina hamangy azy io zanany vavy io. Tsy maninona, saingy ho lasa fitaovana politika io fiverenany io. Jereo sahady ny mikasika an’i Bebe Razay. Matoa Ingahy Ravalomanana tsy miteny dia miketrika zava-doza izy. Be izay tranga hafahana manaporofo izany. Ankatoky ny fifidianana izao ny Malagasy. Mbola hampiasa ny volany i Dada ary mbola hisy foana ny olona hanao vy very ny ainy satria vola io kô ! Jereo ry Mamy Rakotoarivelo izay mbola ho voan’ny nataony indray andro any (tsy ozona io fa efa voasoratra ao anaty Baiboly): Andry Rajoelina indray no lasa atao tompon’andraikitry ny aretin'ny fahanterana mahazo an’i Bebe Razay. Tsy sarotra ny fandidiana fa rehefa olona maizin-tsaina no atrehina dia ny tombontsoan’ny vahoka ny tokony banjinina. Vahoaka izay mila filaminana fa tsy gidradidra lava no ireto boloky tsy mahalala afa tsy ny androany ihany sy ny volaben’i Dada.

Misy ny atao hoe “raison d’Etat”. Io “raison d’état” io no nahatonga an’i Ravalomanana tsy nandevina ny anabaviny, satria mbola tsy mari-toerana izy tamin’izany. Mino isika fa nisy havany nanozona hoe: “mbola hanody anao io Ilaivalo”. Afa anefa ny fitadiavana fankatoavana tamin’izany sy ny fikatsahana filaminana amin’izao fotoana diavin’ny firenena izao. Maniry fahasalamana ho an’i Bebe Razay aho ka tokony izy no hilaza ny tena faniriany fa tsy ireo mpanao politika mihitsy akory no hiseho hahalala ny tena ao am-pony, eo anatrehan’ny fiainam-pirenena iray manontolo.

Jeannot Ramambazafy – 18 Febroary 2013

Mis à jour ( Lundi, 18 Février 2013 17:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO