]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Mpanompo an'i Ravalomanana: Tranon-dainga daholo izy mianakavy!

Mpanompo an'i Ravalomanana: Tranon-dainga daholo izy mianakavy!

Ny marina, marina ihany ary marina foana. Sady iray ihany. Vao nanome alàlana ny Filohan'ny Tetezamita fa mahazo mody i Lalao Ravalomanana HITSIDIKA ny reniny tsy salama, dia nahodikodin'ireto mpanao politika manompo an'i Ravalomanana ny resaka.

Dia ireny hita amin'ireo «gazety» Midi Madagasikara, Ma-Laza, Gazetiko, Tia Tanindrazana ny lainga be. Omena tsiny ve ireto mpanoratra sy ny tompon-gazety? Mila lafo ny gazety satria «sarotra ny fiainana». Sady saovaly tapa-kofehy daholo rehefa tsy nahazo niteny sy nanoratra nandritra ny am-polo taona dia manararaotra toa banga satria «liberté d'expression» sy «liberté de presse». Ahahaha! Dia maha sahy mitanisa izao karazana zo rehetra izao kanefa modia tsy fantatra ny adidy tsy misaraka amin'izany zo izany. Ohatra ilay artikla faha-20 ao amin'ny Tondro zotra. Dia adino ilay «note explicative». Ny tohin'ireo tantara vala-maty afafy etsy sy eroa? Mbola hifototra aminareo ireo io fombanareo mamita-bahoaka io. Ary tsy ho tantinareo tokoa izany hoe atezeram-bahoaka izany. Efa voasoaratra ao anaty Baiboly io toe-javatra io fa tsy izaho no mamorona.

Ramatoa ity koa va manao kinanga ny fahasalaman'ny reniny ? Raha izaho no teo amin'ny toerany, na nandehanako lakana aza dia nandeha niampita ny Canal du Mozambique aho satria hoe « efa ambivitra ny ain'ny reniko »

Ka nipoitra tokoa ary ny marina, dia ireo etsy ambany ireo ny porofo. Ireo olona trano-dainga ireo anefa, tsy afaka miaiky ny fahadisoany intsony satria fantany tsara ny hanjo azy avy any amin'ny zanak'i Dada. Ka dia hitohy ihany ny lainga rahampitso. Hatraiza anefa no fetran'ireo lainga ireo? Dia i Bebe Razay, 80 taona mihoatra no atao sorona. Tsy hadikako teny frantsay (efa misy koa ny tena marina) ireo manaraka ireo fa ny rehetra dia miandry ny tohin'ny lainga afa lasa tandra vadi-koditra. Fa rehefa hilamina ny tany sy ny fanjakana -ary tsy maintsy hilamina io- dia iza intsony no hatoky anareo? Tsy manadino akory ny vahoaka sanatria. Dia samia hahay mijinja izay nafafiny. Tsy ozona io fa tafiditra ao anatin'ny Tantaran'ny zanak'olombelona: ny ratsy saina sy maty eritreritra dia ratsy fiafarana foana. Ka dia araraoty, araraoty tsara aloha satria ny trano-kenatra nosoloina tranon-dainga. Ary araka ny filazan'i Me Hanitra Razafimanantsoa Rakotomavo (izy daholo izany anarana izany): "Avelao hitan'ny havany eo !".

Io ambany aloha ny voasoratra ao amin'ny gazety Midi Madagsikara, ny 2 Marsa 2013 ary nosoniavin'ilay mpanao gazety mahafatra-po Rajoafera Eugène :

Fa ity manaraka kosa no tena fanaovan-gazety "matihanina" tokoa. Na dia hoe "teny noraisina" aza dia mbola Rajaofera Eugène ihany no nampiely azy, ary mendrika mahazo ny "Prix Pulitzer de la désinformation à outrance" :


Ity manaraka ity amin'izay ary ny taratasin'ny Filohan'ny Tanzania sady Filohan'ny Troïka SADC, Jakaya Kikwete, ho an'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana :

Ary ny dikany amin'ny teny frantsay madio, ka vakio tsara, tsakoy ela ary mieritrereta daholo amin'izay :

Jeannot Ramambazafy - 8 mars 2013

Mis à jour ( Vendredi, 08 Mars 2013 23:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO