]
Les quotidiens du 07 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Brett Bruen : mbola mamahan-dalitra ihany ve e ?

Brett Bruen : mbola mamahan-dalitra ihany ve e ?

13 Jona 2013. Handeha ka tsy hiverina intsony izany ity mpanolontsaina «ara-kolotsaina» amerikana ity (sary ery ambony indrindra). Nihaona farany tamin’ireo tonian-dahatsoratry ny gazety Malagasy izy farany teo. Marihina fa hatramin’izay nahatongavany teto Madagasikara dia tsy nahazo fanasana avy amin’ny Masoivoho amerikana intsony ny madagate.com, indrindra moa fa ny tenako.

Efa tamin'ny taona 2007 io PRISM io no natomboka fa izao 2013 izao vao nampahafantaran'i Edward Snowden

Ka izao no mba afatra napetrany: “Ny tsanga-kevitra tohanan’i Etazonia”, hoy izy, “ dia tsy miova. Tokony hajaina ny  zo fototra ho an’ny  rehetra.  Ny vahaolana dia miainga amin’ny fahavonona hanaraka ny fandaminana ka ny mpilalao rehetra dia hanaraka fitsipi-dalao iray ihany”. Ay ve e ? Fa ilay praograma PRISM novolavolain’ny fanjakana amerikana izany dia tena manaja tsara ny zon’ny tsirairay? Maninona moa no tsy mba noresahiny mihitsy io fomba fitsikilovana goavam-be iray io hafahan’ny Amerikana mitsikilo ny tsirairay ERAN-TANY ?


Nampiany koa ny hoe: “Hampiasao ny Centre de Presse, eo koa ny teknolojia hanampy anareo”. Ny dikany dia ianareo mpanao gazety sy izay olona mampiasa ny fitaovana ao Antsakaviro ao dia any amin’ny C.I.A. sy ny F.B.I daholo ny mombanareo. Ka iza no hotorianareo raha sahy hitory ianareo? Na mailaka, name Skype, na Facebook, sns. eny na antso an-telefaonina nataonareo aza dia efa any.


Misy karazany izany io zon’olombelona io amin’ny Amerikana. Ry zalahy mahazo mitsikilo antsika fa isika vao mihevona kely dia tsy manaja ny zon’ny afa? K’aiza amin’izany ary ilay hoe: “Tokony hajaina ny  zo fototra ho an’ny  rehetra”? Efa tafiditra amin’ny “violation de correspondance” sy “atteinte Ă  la vie privĂ©e” io praograma PRISM io.

Mbola namahan-dalitra foana ingahy Brett Bruen ka asakasak’ireo mpanao gazety jamba sy marenina fa raha izany American Dream izany dia efa ela no nivadika American nightmare. Mba jereo ny mikasika an’i Edward Snowden raha mahazo manao izany ianareo ao amin’io Centre de Presse io. Zonareo ny tsy ho sarotiny amin’ny firenenareo fa aza gaga raha mivarina an-kady ny maha-Malagasy anareo. Eny e : ao i Brett Bruen hampian-trano anareo any Whasington.

Jeannot Ramambazafy – 14 juin 2013

 

*******************

DOCUMENT


Bruxelles a exprimĂ© sa «prĂ©occupation» et demande «un engagement clair» aux États-Unis, sur le respect des donnĂ©es des citoyens europĂ©ens, aprĂšs les rĂ©vĂ©lations sur le programme d'espionnage Prism.

La surveillance des internautes organisĂ©e par les renseignements amĂ©ricains tend les relations entre l'Europe et les États-Unis. Mardi, Bruxelles a demandĂ© aux autoritĂ©s amĂ©ricains «un engagement clair quant au respect du droit fondamental de tous les citoyens europĂ©ens Ă  la protection de leurs donnĂ©es personnelles», selon les dĂ©clarations au Parlement europĂ©en du commissaire chargĂ© de la SantĂ©, Tonio Borg, qui s'exprimait au nom de la Commission europĂ©enne.

Entre 2007 et 2011, l'Agence nationale de sécurité, la NSA, a mis en place un programme secret de renseignement en récupérant des données des services de Microsoft, Google, Yahoo, Facebook, YouTube, Skype et Apple. Les analystes de l'agence ont pu consulter en temps réel les courriels envoyés sur Hotmail ou Gmail, ainsi que toutes conversations, photos, vidéos et chats internet sur ces sites (Ndlr de madagate.com : voir schéma plus haut).

Le prĂ©sident Barack Obama, qui a reconnu l'existence de ce systĂšme de surveillance, a indiquĂ© qu'il «ne s'appliquait pas aux citoyens amĂ©ricains» ni aux «personnes qui vivent aux Etats-Unis». Tout autre internaute dans le monde est en revanche potentiellement concernĂ©, notamment en Europe. L'espionnage des conversations doit ĂȘtre autorisĂ© par un tribunal spĂ©cial, mais ses jugements sont tenus secrets.

Bruxelles compte justement demander «si l'accÚs à des données personnelles dans le cadre du programme Prism se limite à des cas individuels reposant sur des soupçons fondés et spécifiques ou s'il s'agit d'un transfert de données en vrac», selon Tonio Borg. Elle le fera avec «fermeté et détermination» par la voix de Viviane Reding, sa commissaire chargée de la Justice lors d'une rencontre prévue à Dublin avec des représentants américains.

Source : lefigaro.fr

Mis Ă  jour ( Vendredi, 14 Juin 2013 07:47 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO