]
Les quotidiens du 06 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana

Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana

Dia izay izany fa ho tontosaina ny faha-25 Oktobra 2013 ny fifidianana ny ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV eto Madagasikara. Ary ny 20 Desambra 2013 ny fiodinana faharoa (raha misy) hatambatra amin’ny fifidianana ny Depiote. Raha mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena dia eo no hampiasaina voalohany ilay biletà tokana izay efa nangatahina tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana nefa nahemotra lava


Mitodika any amin’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, daholo ny vahoaka iray manontolo sy izao tontolo izao, miandry izay fanambarana ataony androany zoma 23 Aogositra 2013. Maro ireo manao kajikajy, miala avy amin’ny toerana misy azy tsirairay, ny fihetsem-pony, ny antoko misy azy, sns. Nefa misy lojika ao ary ny fahamarinana dia iray sy tokana ihany. Fampahatsiahivana ny zava-nisy.


Tena nataon-dry Ravalomanana mivady sorona tokoa i Bebe Razay

Efa nanambara ampahibemaso, ho ren-tany sy ho ren-danitra fa tsy hilatsaka ho kandida ny tenany. Izany dia talohan’ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana. Ity farany ity anefa nanao sonia fa rehefa miverina eto an-tanindrana izy dia tsy hanao politika fa hikarakara ny reniny, Bebe Razay, izay mandroso taona ka manomboka mora andairan’ny aretina. Jereo eo ambany izany fifanarahana izany. Ny mahagaga dia toa ny sonian’i Marc Ravalomanana no tazana ao
 Jereo tsara.

Ny mahazendana dia efa fantatr’i Lalao Ravalomanana fa tsy mahafeno ny fepetra ho kandida mihitsy izy raha ny lafin’ny fipetrahana teto nandritra ny enim-bolana tsy niato ary indrindra ny mikasika ny resaka hetra. Fa an an an. Napetrany ihany ny dosie-ny. Izany hoe efa tsy ara-dalàna tam-boalohany ny mikasika ny maha kandida azy. Tamin’io fotoana io moa dia nilaza ny Sadc fa avelao halalaka ny firotsahana ka afaka milatsaka daholo mba hafahan’ny Malagasy misafidy malalaka. Nisy tolona anefa tao, nahatonga izao Tetezamita izao sy ny fahasahiranana niterany satria olona tsy voafidy no mitondra. Ary efa mihoatra ny efa-taona be izao.

Amin’ny fomba ahoana moa no anekena olona naloan’ny vahoaka dia hiverina hilatsaka ho fidiana indray ? Satria i Lalao Ravalomanana, na tiana na tsy tiana, dia olona iray amin’i Marc Ravalomanana ihany. Resabe ny sisa. Tapak’hevitra ny Filoha Rajoelina fa hilatsaka ihany koa. Ary nametraka ny dosie-ny ihany koa, na dia efa tara amin’ny fotoana ara-dalàna aza. Ingahy Didier Ratsiraka moa dia aleho tsy resahina eto fa mahalala ny vahoaka e !

Dia nivoaka tokoa ny lisitra voalohany, ny 3 May 2013, ka 41 no isan’ireo kandida ary tafiditra tao izy telo mianaka ireo dia: Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Fanapahan-kevitra politika io fa tsy dia ny lalàna loatra no narahin’ireo mpikambana tao amin’ny CES voalohany. Mba tsy hisy tombony sy ala fa dia samy mahazo milatsaka na ny ara-dalàna na ny tsy ara-dalàna satria ireo kandida 41 ireo no mitaratra fa voasolo daholo ny antoko politika matanjaka misy eto Madagasikara. Tamin’io fotoana io koa tsy nisy niteny, na ny teto an-toerana, na ny any ivelany. Ary nisy solontenan’ny vondrona iraisam-pirenena mihitsy no tonga nanatrika ny fitsapana ny filaharan’ireo kandida eo amin’ilay biletà tokana, ny 8 May 2013. Taty aorian’io dia taitra tampoka ny Lafrantsan’i François Hollande fa hoe tsy ara-dalàna ny firotsahan’ireo kandida telo ireo. Misy tokoa ny fahamarinan’izany fa tsotra ilay izy: na milatsaka daholo na tsy misy milatsaka ireo tsy ara-dalàna rehetra. Dia nandeha ny andro, nifandimby ny ora. Nisy lisitra vaovao indray navoakan’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny CES, ny alin’ny 17 Aogositra 2013, nahitana kandida miisa 32. Dia nanomboka nitabataba ny firehana Ravalomanana satria hoe “baikon’ny vahiny”. Tsy nisy tohiny anefa izany.

Ny alin’ny 21 Aogositra 2013 dia namoaka lisitra farany i François Rakotozafy, Filohan’ny CES vaovao. Ary lasa 33 no isan’ireo kandida. Ny ampitsony dia namoaka daty vaovao ny CENI-T ka ny 25 Oktobra 2013 no hotontosaina ny fiodinana voalohan’ny fifidianana izay ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV, ary ny 20 Desambra 2013 ny fiodinana faharoa hatambatra amin’ny fifidianana izay ho Depiote. Raha izany, dia alohan’ny Krisimasy 2013 izany dia hisy Filoham-pirenena vaovao voafidy eto Madagasikara.

Eto amin’izay no mipetraka ny fanontaniana hoe: inona no ho lazain’ny Filohan’ny Tetezamita rahariva, eo anatrehan’izany rehetra izany? Tsy mpaminany akory aho na koa mpimasy fa amiko dia hanaraka ny lojika izy. Izany hoe, hankato ny ara-dalàna satria tokoa tsy nisy ao anatin’ilay lisitra farany ny anaran-dry Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana (izay Marc Ravalomanana ihany) ary ny azy. Raha izay dia be ny hiteny indray fa “namadika ny tolona izy”. Tokony hisaina amin’ny saina ny olona mihevitra izany fa tsy misaina amin’ny fo. Efa mihaotra ny efa-taona no tsy nisy filoham-pirenena voafidy nitondra eto. Ny fiverenana amin’izany hoe “ordre constitutionnel” (niniako natao teny frantsay io) dia tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany. Ka eken’ny Malagasy sy izao tontolo izao. Mila taperina koa ity Tetezamita ity. Be no efa nilaza fa hoe “teteza-mihitatra” izy ity


Mino aho fa ny tian’ny Filoha Rajoelina dia ny hamarana azy rahampitso dia rahampitso. Kanefa mora ny miteny fa mila làlan-kizorana maty paika izany. Mila mandresy lahatra ny vahoaka Malagasy izy fa tombontsoan’ny firenena iray manontolo ny fanatontosana ireo fifidianana ireo amin’ireo daty voatondro farany ireo. Mila mandresy lahatra ihany koa izy fa tsy namadika ny tolona. Ka ny tsy famadihanana ny tolona dia ny mandroso hatrany. Ny fiainana mbola hitohy ary efa nanambara izy fa ho eo izy amin’ny taona 2018
 Ny fampihavanam-pirenena dia tsy hitsahatra akory fa mbola hitohy aorian’ny fifidianana. Tombontsoa ho an’ny vahoaka tokoa ve raha sanatria tsy tanteraka ireo fifidianana ireo ka hitohy tsy hisy farany ity Tetezamita ity ? Ary inona marina izany no tadiavina eto amin'ny firenena ? Ny lasa tsy hiverina intsony fa ny taranak'ireo maty tamin'ny tolona rehetra teto Madagasikara dia mendrika fiainam-baovao ao anaty filaminan-tsaina ny fahasambarana, araka ny hiraina ao anatin'ny "Ry Tanindrazanay Malala î".

Raha aminy maha olom-pirenena ahy manokana dia resy lahatra koa aho fa tsy ho mora ny hitondra io fotoam-piasana voalohan’ny Repoblika faha-IV io. Tsy hisy mihitsy aloha izany fampandrosoana izany fa fanarenana aloha. Tsy tanisaiko eto koa ireo fangatahana maro tsy maintsy hitobaka
 Ny marina dia asa raha hahavita “mandat” izay filoha vaovao voafidy eo. Izany ny zava-misy ary hisy, fa tokony tsy variana manao fanambarana etsy sy eroa tsy hamaha olana velively fa hanatara ny firosoan’ny firenena. Be no mba vita tao anatin’izay efa-taona mahery izay. Mbola bebe kokoa anefa no ho tontosa any aoriana any
 Fa mila firenena milamina aloha. Ary indrindra, mila mpanao politika manana fijery vaovao fa tsy ny an’ny tena foana no hibahana.

Ny faniriako aloha dia ity: rehefa lany izay ho Filoha voafidim-bahoaka izay, dia sambany amin’ny Tantaran’i Madagasikara no hahita Filoha roa manao fifamindram-pahefana. Tsy nizy izany teo amin’i Philibert Tsiranana sy Didier Ratsiraka; tsy nisy izany teo amin’i Didier Ratsiraka sy Zafy Albert ary tsy nisy izany teo amin’i Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Koa samia misaintsaina tsara satria ny lojika, lojika ihany ary ny marina iray sy tokana hatrany. Tsy hijanona eto akory ny fiainam-pirenena fa ny aina no mahatezà. Ka dia miandry ny fanambarana ataon’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, rahariva isika mianakavy. Andresy ve ny lojika ny sy fahamarinana sa
?

Jeannot Ramambazafy – 23 Aogositra 2013, 11h30mn


**************************************

ILAY FIFANARAHA AMIN'NY TENY FRANTSAY TSY NARAHIN-DRY RAVALOMANANA MIVADY

 

Ad para 1

Considérant la demande de S.E Ancien président Marc Ravalomanana pour que son épouse et ancienne premiÚre dame Lalao Ravalomanana puisse se déplacer à partir de son Etat de résidence actuel en Afrique du Sud vers Madagascar afin de rendre visite à sa mÚre malade, les parties se sont ainsi convenues de se qui suit :

Ad para 2

Que les AutoritĂ©s de Transition (ci-aprĂšs dĂ©nommĂ©s TA) dirigĂ© par le PrĂ©sident Andry Rajoelina en sa qualitĂ© de PrĂ©sident de la Transition, donne par la prĂ©sente son accord Ă  ladite demande que l’ancienne premiĂšre dame Mme Lalao Ravalomanana ait l’autorisation de rendre visite Ă  sa mĂšre malade Ă  titre humanitaire et de compassion.

Ad para 3

Par ailleurs, conformĂ©ment Ă  l’esprit de la Feuille de Route de la SADC, dans l’intĂ©rĂȘt de la paix et de la stabilitĂ©, ainsi que dans la protection des progrĂšs rĂ©alisĂ©s jusqu’à ce jour dans le cadre de la mise en Ɠuvre de la Feuille de Route, et aprĂšs consultations entre le PrĂ©sident de la Transition et le PrĂ©sident de l’Organe TroĂŻka de la SADC, toutes les parties ont consenti et se sont convenues sur les conditions dans la lettre en date du 28 FĂ©vrier 2013 adressĂ©e par le PrĂ©sident Jakaya Kikwete Ă  l’ancien PrĂ©sident Marc Ravalomanana, et laquelle inclut :

1. Que la visite ne devrait pas ĂȘtre politisĂ©e. Car cela pourrait aller Ă  l’encontre de son objectif qui Ă  titre humanitaire.

2. La SADC et les AutoritĂ©s Malgaches devront organiser un vol spĂ©cial pour emmener Mme Lalao Ravalomanana Ă  Madagascar. Qu’au dĂ©part de Madagascar vers l’Afrique du Sud, les membres de dĂ©lĂ©gation/reprĂ©sentants suivants puissent voyager Ă  bord :

· Mme Olga RAMALASON

· Mme Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina

· Commandant Rabenjamina Thierry

Qu’au dĂ©part de l’Afrique du Sud vers Madagascar, Mme Lalao Ravalomanana puisse ĂȘtre accompagnĂ©e par les membres de dĂ©lĂ©gation/ reprĂ©sentants suivants :

· Mme Ravalomanana Lalao

· Mr Radavidra Thierry

· Mme Ramalason Olga

· Mme Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina

· Commandant Rabenjamina Thierry

3. Durant son sĂ©jour Ă  Madagascar, elle est libre de communiquer et rencontrer qui elle veut, mais doit s’abstenir de faire des dĂ©clarations politiques et d’organiser des rassemblements politiques.

4. Le Gouvernement d’Union Nationale de Transition de Madagascar sera responsable de lui fournir du transport et de la sĂ©curitĂ© durant son sĂ©jour, des privilĂšges qui doivent lui ĂȘtre accordĂ©es en tant qu’ancienne PremiĂšre Dame.

5. La durée de séjour de Mme Lalao Ravalomanana ainsi que la date de son départ seront déterminés par les circonstances et conditions de sa mÚre malade à Madagascar.

Modalités

La date de dĂ©part pour cette visite sera convenue par toutes les parties du prĂ©sent accord, et qu’elle puisse avoir lieu aussitĂŽt qu’il soit raisonnablement possible aprĂšs la signature du prĂ©sent accord.

Qu’à son arrivĂ©e, Mme Lalao Ravalomanana puisse ĂȘtre accueilli par un maximum de 12 membres de sa famille qu’elle dĂ©signera elle-mĂȘme. (Voir annexe A)

Que les membres des Institutions de Transition et personnalitĂ©s politiques ne fassent partie du comitĂ© d’accueil afin de prĂ©server l’intĂ©gritĂ© et l’esprit de cet accord, que cette visite soit Ă  uniquement Ă  titre de compassion et humanitaire.

La durĂ©e de la visite de l’Ancienne PremiĂšre Dame sera dĂ©terminĂ©e selon les circonstances et conditions suivantes :

· L’état de santĂ© de la mĂšre de l’ancienne premiĂšre dame, telle qu’indiquĂ© en point 5, et certifiĂ© par les experts mĂ©dicaux au sein de l’établissement oĂč elle est hospitalisĂ©e.

· Respect de cet accord

Que l’ancienne PremiĂšre Dame puisse retourner en Afrique du Sud aprĂšs que la visite soit terminĂ©e.

Ad para 4

N.B : les signataires du prĂ©sent accord ont la pleine autoritĂ© lĂ©gale par dĂ©lĂ©gation et mandat pour reprĂ©senter S.E PrĂ©sident Kikwete, PrĂ©sident de l’Organe TroĂŻka de la SADC, S.E PrĂ©sident de la Transition Andry Rajoelina, et S.E Ancien PrĂ©sident Marc Ravalomanana, si toutefois une ou toutes les parties suscitĂ©es ne signent pas cet accord en personne.

PrĂ©sident de l’Organe TroĂŻka de la SADC – S.E PrĂ©sident Jakaya Mrisho Kikwete

PrĂ©sident de la Transition de Madagascar – S.E Andry Rajoelina

Ancien PrĂ©sident de Madagascar – S.E Marc Ravalomanana

Mis Ă  jour ( Vendredi, 23 AoĂ»t 2013 18:16 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO