]
Les quotidiens du 06 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara Fifidianana Filoha : eisy e Ravalo e !

Madagasikara Fifidianana Filoha : eisy e Ravalo e !

Alahady 13 Oktobra 2013. Mamy Rakotoarivelo (Filohan'ny CT), Lalao Ravalomanana, Jean-Louis sy Marcelle Robinson, Pierrot Botozaza (Praiministra lefitra misahana ny Ekonomia sy Indostria) tao amin'ny Coliseum Antsonjombe izay fotodrafitr'asa natsangan'ilay Boay kely "tsy mahay n'inona n'inona" (i Lalatiana Ravololomanana no niteny an'izany). Dia ho sahy nandingana io toerana io ve ireto olona ireto teo aloha teo ? Misy ny tombontsoany ka dia ireo ry zareo maka fy tsara ny fotodraditr'asan'i Andry Rajoelina

LAHATSORATRA PDF ETO

Mazava ry mpifidy Malagasy manerana ny Nosy miisa 7.823.305: Mifidy an’ny Dokotera Jean-Louis Robinson isika dia mifidy an’Ingahy Marc Ravalomanana. Izany hoe, mihevitra tokoa ity farany fa very tadidy ny maro an’isa ka voafafa daholo ny nahatonga azy nitsao-ponenana ao Afrika Atsimo ao.

Velom-panantenana indray Ingahy Marc Ravalomanana, filoha naongan'ny vahoaka toa an-dry Philibert Tsiranana (1972), Didier Ratsiraka (1991) sy Zafy Albert (1996). Ny taona 2002 moa dia amboletran'i Ravalomanana tamin'ny "Premier tour dia vita" no nahatonga an'i Deba nanao sesin-tany fanindroany tany Frantsa. Dia mitetika hamerina io "Premier tour dia vita" io ilay Valo, sy ny korontana haterak'izany. TSIA ! Tsy adala ny vahoaka malagasy akory

Mihevitra ho jesosy kely tokoa ka avy ao izy no manome ny toro-marika rehetra fa ilay Dokotera dia boloky fotsiny ihany. Aoriana izany dia hiverina indray. Izay ihany no tena tanjony ary efa nambaran’ity kandida tsy misy hazon-damosina ity mihitsy izany fiverenan’i Dada izany. Io no tena praogramany. I jeso ravalo moa amin’izany dia ny lasa tsy hiverina intsony no tanisainy ao anatina video efa nomanina mialoha. Tsy afaka ao amin’ilay Valo intsony ilay fandaingana toa mitaratra fahamarinana raha tsy mandalina ianao mihaino azy.

"Mody Ravalo" ! Io izany no tena masaka an-doha, ny sisa resaky ny mpandainga za-draharaha.

Adidy, hono, ny mandray anjara amin’ireo fifidianana ho avy mba hitsaharan’ny gaboraraka ankehitriny. Anka va re! Adino daholo ny fidongiana sy ny adi-varotra sy ny ota mamoa fady rehetra natao nandritra izay efa-taona izay ! Maninona moa no tsy manazava ny tena marina momban’ny tsy afahany mody eto an-tanindrazana e ?

Aleho averina eto, amin’ny teny Malagasy ny tena antony.


TSY AVELAN’NY FITSARANA AO AFRIKA ATSIMO MIALA AO IZY SATRIA VOARAY NY FITORIANA MAHAKASIKA NY VON’OLONA TEO ANOLOAN’NY LAPAN’AMBOHITSOROHITRA, NY 7 FEBROARY 2009. Ilain’ny fitsarana any izy ka notazomina ny pasipaorony.

Ny atao hoe "Cases dismissed" dia fangatahana tsy noraisina, tsy neken'ny fitsarana

Nampakatra io fanapahan-kevitra io izy, fa tsy nahazo rariny. Nivoaka ny didy tamin'ny 8 Febroary 2013, dia io izy mikatso ao Afrika atsimo hatramin’izao. Ny marina izany dia tsy ny fitondrana Tetezamita mihitsy no manakana azy. Ianareo ve dia mino fa raha tsy io didy avy any amin’ny fitsarana Afrikana tatsimo io tsy efa tonga teto izy ? Iza no nahalala ny andro sy ny fomba nandosirany teto ? Dia mbola i Andry Rajoelina ihany no lazaina fa tompon’andraitra amin’izany tsy fahafahany mody izany. Raha ny marina koa dia tokony tsy mahazo miteny mihitsy aloha izy raha tsy vita ny fanadiadiana azy any. Fa mahay fahagaga koa ilay Valo e !...

 

26 Septambra 2012 tao New York. Raha mbola misy kely finoana koa amin'izany tsy fahafahan'i Marc Ravalomanana miala ao Afrika atsimo ao dia nanazava tamiko ny Filoha Jacob Zuma (io ambony io ny sary porofon'izany fihaonanay izany), amin'ny maha mpanao gazety aho, fa ny governemantany dia tsy miditra amina raharahan'ny Fitsarana, araky ny fizaran'ny fahefana na "séparation des pouvoirs" amin'ny teny frantsay.

11 Desambra 2012. Ny Filoha Andry Rajoelina nitokana ny Coliseum

ATO NY SARY REHETRA

Raha miresaka an’i Boay kely dia tsotra: ay va re ka azo ampiasaina tsara ny foto-drafitr’asa nataon’”ilaikely tsy mahay n’inona n’inona” (hoy i Lalatiana Ravololomanana izay). Dia ny Coliseum ao Antsonjombe izany. Tsy nahavita n’inona n’inona tokoa i Andry Rajoelina î ? Ay va re tsy gaboraraka ihany no nisy fa io misy fotodrafir’asa goavana nitsangana tao anatina fotoana fohy dia fohy sy tetezamita eo anelanelan’ny repoblika faha-III sy faha-IV. Ary santionany iray fotsiny io.


Manaraka: n’iza n’iza koa ny kandida ho tonga ao amin’io Coliseum io dia tsy maintsy ho feno foana fa dia mampahatsiahy ny propagandy tamin’i Hery Rafalimanana ity ataon’i Dada ity. Satria nilaza tokoa izy fa hampiasa ny fomba rehetra anohanana an’ity kandida faha-33 ity: vola, fitaovana sns. avy amina mpiombon’antoka vahiny...

Ireo mpikambana ao amin'ny AVANA (Antoko ny Vahoaka Aloha No Andrianina) ao Ambatondrazaka. Fa tena nanaraka an'i Jean Louis Robinson lasa sary bakolin'ny Ravalomanana daholo ve ny mpikambana ao amin'ity antoko ity, any amin'ny tanàna afa  ?

Tsara izany. Dia niresaka fandrosoana ihany koa izy. Dia mitombo ny lainga satria raha gaboraka izany no nisy dia fanarenana aloha no tsy maintsy atao. Sa hampandroso ny gaboraka ventiventesiny lava io ? Dia izao hono e: Jean Louis Robinson ihany no afaka hampandroso ity firenena ity sy ny olona ao aminy. Tsy ho lava resaka aho fa izao ny afatro: raha te-androra mitsilany tanteraka ianao manana zo hifidy io dia fidio io kandida faha-33 io dia aza mimenomenona avy eo. Lainga no nidiran’i Ravalomanana teo amin’ny sehatry ny politika ary lainga ihany no hamaranany ny fiainany eto an-tany. Mino fotsiny ihany, amin’izany tranga ho avy izany, na dia mahay manodina resaka lava izao. Satria misy fetrany daholo ny zava-drehetra eto an-any.

Jeannot Ramambazafy – 14 Oktobra 2013

***************************************

HO AN’IZAY MAHAY TENY ANGLISY ITY MANARAKA ITY


Acting Judge MH Mabena (Constitutionnal Court of South Africa) had heard a case between the former president of Madagascar, Marc Ravalomanana, living in South Africa after a coup in his country during 2009, and a group of eight Malagasy applicants. Originally the eight wanted a court order preventing Ravalomanana from leaving South Africa and making him hand his passport to the court registrar. This was so that he would have to stay here while the Directorate for Priority Crime Investigations (the Hawks) continued trying to establish whether Ravalomanana should be charged with crimes against humanity. When the matter was argued in September, however, the eight suggested a compromise approach to the travel restrictions.

Afterwards, both sides filed heads of argument and Acting Judge Mabena then wrote a decision which he delivered on November 19. During Nel’s speech at The Hague he said South Africa took its obligation to co-operate with the ICC seriously. But, he said, despite new internal laws to ensure co-operation, it wasn’t always easy to provide the assistance needed to investigate such crimes.

Acting Judge Mabena’s decision gives us a glimpse into some of these difficulties.

The eight applicants claim Ravalomanana has committed crimes against humanity, with responsibility for the killing of many civilians by the presidential guard in Antananarivo in 2008 and 2009. In 2010, Ravalomanana was tried in absentia by a Madagascan court, convicted of murder and sentenced to life imprisonment. Since his arrival in South Africa, originally seeking political asylum, Ravalomanana has been given permanent residence.

The acting judge outlined some of the terms of Ravalaomanana’s continuing stay in South Africa, noting that while he was offered limited VIP protection, there were also curbs on his freedom to which he had agreed. The applicants feared that if he left South Africa our courts would lose jurisdiction and the local investigation against him would have to stop. Instead they want the investigation to be finalised and appropriate action taken.

They told the court that the Hawks were trying to establish whether Ravalomanana was involved in crimes against humanity involving murder and torture as part of a widespread systemic attack directed at a civilian population. They also referred to claims that, while living in South Africa, he was involved in a plot to kill Malagasy officials.

Ravalomanana’s legal team argued that his movement should not be restricted. Not even the Rome Statute, setting up the ICC, permitted South African courts to make an order conflicting with our Bill of Rights: like anyone else, he was entitled to travel freely.

The judge, however, pointed to Constitutional Court decisions holding that under certain conditions rights may be limited, and he sanctioned restrictions on Ravalomanana’s freedom of movement so as to facilitate investigations. He can travel freely within South Africa while his passport is lodged with the investigating team; travel abroad, however, is limited to attending Southern African Development Community (SADC) meetings and then only as long as a formal, written SADC invitation is presented to the investigation team. He may also travel to Madagascar if there’s an official SADC recommendation to that effect. But once he’s back, his passport must be returned within 72 hours.

It’s not clear how much this outcome will satisfy either side – or the investigators. But the case does illustrate that South Africa, as part of the wider world, can’t escape involvement in the problems of how to support the ICC in its work of ensuring there’s no impunity for anyone who commits crimes against humanity.


Carmel Rickard and SAFPI (South African Foreign Policy Initiative), November, 29, 2012

Mis Ă  jour ( Mardi, 15 Octobre 2013 16:39 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO