]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara Fifidianana 2013: toa taitra daholo rehefa i Andry Rajoelina no mihetsika ?

Madagasikara Fifidianana 2013: toa taitra daholo rehefa i Andry Rajoelina no mihetsika ?

Io izany no tena ara-dalàna ? Iza no mba niteny tamin’iny propagandy ny volana septambra 2013 iny? Samy filohana andrim-panjakanan'ny tetezamita na i Mamy Rakotoarivelo (Filohan'ny CT) na i Me Hanitra Razafimanantsoa (Filoha lefitry ny CST)

Dia variana mihitsy ny tena amin’ireto milaza fa avara-pianarana (“intellectuels”) eto Madagasikara eo anatrehan’ny fanarahana ny lalàna e ! Indrindra moa ireo avy eto ampovoan-tany. Ny tsalo e !

Jean Eric Rakotoarisoa. Io ilay hoe miana-kendry; Fa miandry kendri-toana foana. Taiza anao Andriamatoa tamin'ireo sary manaraka ireo tao Antsonjombe ? Izy aloha no tratra eto satria izy no farany niteny tao aminy Rfi. Mba mpahay sy mampianatra lalĂ na ihany fa...

Mba nanambara ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, fa hanohana an’ny kandida Hery Rajaonarimampianina (LE MONDE 09.11.2013). Avy hatrany dia tamba-be fa hoe “manitsakitsaka ny làlana velona”. I Jean Eric Rakotoarisoa, mpahay làlana, mihitsy no nilaza izany tao aminy Rfi.

Dia variana mihitsy ny tena e ! Fa iza no mahazo manitsaka ny lĂ lana ary iza no tsy mahazo ? Ireto misy sary mazava be.

Tao Antsonjombe. Manao kaskety mainty, eo ankavanana indrindra, Pierrot Botozaza, Praiministra lefitra misahana ny Indositria. Tena eo  akaikin-dry Jean Louis Robinson mivady mihitsy. Ary i Mamy Rakotoarivelo ? Eo akaikin'i Lalao Ravalomanana. Io izany no tena ara-dalàna an !?

Tao Malacam tokoa ny ministra Rolly Mercia. Fa aiza izy no nipetraka ? Ery aoriana ery (palitao marron ankavanana, laharana fahatelo)

Mba niatra lĂ lana ihany koa ny tena, ka inona moa no atao hoe “neutralitĂ©â€? azo hiadian-kevitra io fa tsy tonga raisina bontolo satria misy olona manokana alako bika tsy tiako tarehy. Ny atao hoe “neutralitĂ©â€ dia tsotra: afaka miseho ianao amina maha olom-pirenena anao fa tsy mahazo miteny, tsy mahazo “mibahana” toerana ary tsy mahazo misolo olona na fikambanana. Raha ingahy Rolly Mercia, minisitry ny Serasera, no asian-dresaka dia “prĂ©sence neutre” no ataony, aminy maha-olom-pirenena azy. Zo io. Jereo tsara ny sary eo ambony fa mipetraka ery aoriana ery izy. Alefaso aty raha misy sariny mitsanga be ao anoloana izy, toa ireitsy telo ambony ireo. Ka raha niteny izy na nipelipelika teny anoloana, akaikin’i Hery Vaovao dia zavatra afa marina.

Antsonjombe. Io bori-volo io i Me Hanitra, mpahay lalàna ihany koa. Aminy izany dia nety izao nataony izao ? Dia tsy nisy niteny ny avara-pi ary vendrana daholo ireo mponina eto Antananarivo ireo, satria tsy mahalala ny lalàna izay nitsahan'ity Me Hanitra ity ankitsi-rano  fotsiny izao ?

Fa raha izy telo, dia Mamy Rakotoarivelo, Me Hanitra Razafimanantsoa (mpahay làlana ihany koa, sy Pierrot Botozaza dia diniho tsara ny toerany isaky ny nisy fihaonana tamin’ny vahoaka. Ingahy Ravalomanana moa dia aleho angaha tsy resahina eto na dia tena nibahana ny kandida Jean Louis Robinson, tamin’ny “alàlan’ireo afatra sy torohevitr’i Dada” natao amina finday, nivantana avy ao Afrika atsimo. Jereo koa ny sarin’ny propagandy. Tsy fantatra intsony hoe iza no fidin’ireo mpifidy: ny lahara-33 ve sa izy mivady? Fa maninona no navela nanao izay tiany ireo olona ireo ka tsy nandrenesana feo na iray aza ireo milaza ho avara-pi? Dia io: tairiny kely dia mikoropaka daholo, mahita izao karazana tsy ara-dàlana rehetra izao. I Ravalomanana moa dia sahy milaza ny hoe “isika manara-dàlana”. Ay ve e? Ka raha any anao no ara-dàlana dia manaraka ny dianao ny afa koa inona ny olana?

Aza manangana saina Malagasy an’I Rajoelina fa saina amerikana asandratra ! Dia io tokoa fa very ny maha-Malagasy no ny afitsok’ireo mpanao politika maty eritreritra. Nantsoina mihitsy aza ny tafiky ny Sadc anafika an’I Madagasikara. Avy eo indray nomena loza io Sadc nantsoin-dry zareo io. Aiza ihany izy ity e ! Dia andrasana foana izany ny vazaha vao hihetsika ry Jean Eric Rakotoarisoa sy ny tariny ? Sa mba nametraka “requĂȘte” mikasika izy telo voalaza etsy ambony? Maninona no tsy tamboalohany dia efa novakiana bantsilana ny nataon’izy ireo sy Marc ary Lalao Ravalomanana? Matahotra no ho resy tsy miady sahady ve ? Ny ataonareo mihitsy no tsy miady. Rehefa nanao ny sasany -ary mbola anao- dia mijanona ao amin’ilay fahanginana nipetrahanareo tamin’ny propagandy ny fiodinana voalohany. Tsy nisy niteny na iray aza.

Ity no tena ara-dalĂ na ! Fa iza amin'ireo tokoa no ho fidina ?

Olom-pirenena i Andry Rajoelina ary manana zo. Nampiariny io ka dia nifidy izy tamin’ny 25 Oktobra 2013. Aiza kosa ireo filoha teo aloha (Didier Ratsiraka sy Zafy Albert) izay tokony manome ohatra? Tsy hita fa nanary ny zony tanteraka. Ny an’ny sasany indray, ny Pety Rakotoniaina sy ny tariny dia tsy menatra ny milaza fa “ravao io CENI-T io dia avelao ny ministeran’ny Aty-tany no hikarakara ny fifidianana”. Izany no atao hoe mivadika ati-doha tanteraka. Fa avy aiza io ministera voatondro io tsy avy ao amin’ny governemantan’ny tetezamita ? Dia inon indray no ho tenenina raha manaraka izany adalàna izany tokoa ? Tsy zakan’ny lohan’ny sasany amin’ireo “avara-pi” tokoa ny fianarana norantoviny ka dia mampiseho toe-tsaina zaza mena vava tsy mahala afa-tsy ny minono ihany dia mandrezatra. Farany: Ingahy Monja Roindefo moa dia iny fitarainana efa ho pejy folo iny no nalefany, tsy misy tranon-kenatra intsony (VAKIO ETO). Tsy mampihomehy intsony fa taratry ny fisainana olona tsy milamina mihitsy. Deraina aloha ny fisehosehoana fa raha tsy izany tsy olombelona î ?

Jeannot Ramambazafy – 11 Novambra 2013

Mis Ă  jour ( Lundi, 11 Novembre 2013 10:52 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO