]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara. Hilarion Rarison, ilay CT mirediredy sy mandrora mitsilany

Madagasikara. Hilarion Rarison, ilay CT mirediredy sy mandrora mitsilany

Izy no CT Hilarion Rarison, "mamely" ny Tetezamita izay manome vola be azy isam-bolana hatramin'izao. MametrĂ  fialana r'Ingahy ity vao mirediredy a !

Fa dia efa tsy mahita tenenina intsony ve ny mpiseho mpanao politika sasany eto Madagasikara ka dia tena miteniteny foana mihitsy hiarovana ny tombotsoan’olo-tokana sy ny tombontsoany manokana e !

Iaraha malala fa misy rivo-doza niforona indray ao aminy oseana indiana, ankoatra an'i Bejisa, ka hitondra oram-be. Ny fotoana koa moa efa fahavaratra rahateo, ka tsy mahagaga izany hoe avy izany ny orana. Fa ny an’ity Hilarion Rarison ity dia tena fampiadiana ny samy Malagasy fotsiny izao no nambarany ny 6 Janoary 2014, tao aminy Magro Behoririka. Izao ny voalazany :

“ Ny paikan’ny tetezamita amin’izao fotoana izao dia handefa orana artifisialy mba tsy hahafahan’ny movansa Ravalomanana manao hetsika. Noho izany dia miangavy anareo any amin’ny faritra iva fa raha misy ny tondra-drano dia nalefan’ny mpitondra izany ”.

Dia izany karazan-javatra izany no sakafon’ireo zanak’i Dada ao amin’io Magro Behoririka io, nandritra izay dimy taona izay: ny fankahalana an’ny Filoha Rajoelina, ny fisaraham-bazana, ny fampiadiana ny samy Malagasy. Tsy misy fetrany intsony ny falalahana miteny…

Asa aloha iza no maivan-doha hino izany fa izy niteny azy ihany no tena maivana. Sa i Andry Rajoelina koa no nandefa ny hatsiaka makadiry ao Etazonia ao, amin'izao fotoana izao ?  Mihevitra fa zakakely tokoa ny vahoaka Malagasy, ity mpikambanana ao amin’ny CT (“Congrès de la Transition” na Kongresin’ny Tetezamita) natokana ho an’io tetezamita resahiny io. Fa maninona no tsy mametra-pialana aloha toa izay mandrora mitsilany toa io. Satria, na tiany na tsy tiany dia mpikambana ao amin’ity tetezamita ity ingahy CT Hilarion Rarison.

Toa fomba fanaony ihany ity tsy mahafehy vava ity. Tadidio fa efa niakatra fitsarana izy, ny volana Novambra 2013, satria tamin’izay dia ny Filohan’ny CES no nanaovany fanambarana sadasada. Afaka moa izy satria tsy nitory azy ny Filohan’ny CES, ary nolazainy, tamin’izay, fa rahalahiny sy anabaviny daholo ny ao amin’io CES io ary koa ny ao aminy CENI-T.

Izao indray dia ny tetezamita izao manome vola azy isam-bolana indray no endrikendrihiny amina zavatra tsy hitombina mihitsy na hivadika aza ny tany. Fa dia ahoana loatra ny ao anatin’ny lohan’itony olona toa an’i Hilarion Rarison intony? Mahamenatra ihany raha toa ka olona mba avara-pianarana ihany. Sa moa tsy nila fahaizana firy ny nidirana mpikambana CT ? Asa ?...

Ary dia haveriko ho azy eto indray ny voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny:

“ Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? ”. -Mpitoriteny 10: 12, 13, 14-

Jeannot Ramambazafy – 6 Janoary 2014

Mis Ă  jour ( Lundi, 06 Janvier 2014 17:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety