]
Les quotidiens du 08 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Hery Rajaonarimampianina: Filoha voafidy fôpla izany sanatria ?

Hery Rajaonarimampianina: Filoha voafidy fôpla izany sanatria ?

Ity manaraka ity dia dika an-tsoratr’ilay fanambarana nataon’ny Filoha Rajaorimampianina tao aminy Tvm, ny 28 Febroary 2014 tany Toamasina (VIDEO IO AMBONY IO). Tena mahavariana tokoa…

« Mahakasika io resaka fanendrena Praiminisitra io, dia nisy tokoa izay endrika navoakan’ny HCC izany. Misy ifandraisana sa tsy misy ifandraisana ilay izy ? Azo ampifandraisana foana satria tao anatin’ilay « contexte » tao anatin’ilay fandraisana fanapahan-kevitra. Kanefa raha ny tena marina –izaho koa, hatramin’izay, efa nivoy foana hoe: tsy maintsy apetra-tsika foana, araka izay tokony ho izy, ny fanajana ny lalàna- : efa tapitra tamin’ny taona 2010 ny azo lazaina hoe « mandat »-n’ireo mpikambana ao anatin’ny HCC ireo. Ka raha mandeha ilay adihevitra, amin’izao fotoana izao, mba tsy ilazana indray (fa iza no ilaza ?) hoe olona efa tapitra « mandat » no mandray fanapahan-kevitra na miteny. Ka hoy aho e : rariny loatra raha omena ny hasiny izay maha_izy azy aloha ny HCC (??) ».


Sinema izany iny tao Mahamasina iny. Izay tokoa no nahavitsy olona tao satria filma efa lany daty no naseho tao… Tsy mahazo “kil” intsony. Satria raha io Filohan’ny HCC io -Jean Michel Rajaonarivony ny anarany- no fantatra fa lany daty nefa nampanao iny finianana iny, dia ilay Filoha voafidy mihitsy no tsy ara-dalàna, raha manaraka tsar any teniny isika…

Ny fanontaniana mipetraka avy hatrany aloha dia ny hoe : fa iza moa no tsy nanara-dalàna voalohany nanomboka iny 25 Janoary 2014 tao Mahamasina iny ? Satria raha lany « mandat » tokoa izany ireo mambra ao amin’ny HCC, tsy midika ve izany, sanatriavina, fa tsy tokony ekena izany iny finianana iny satria lany daty ireo olona ireo, ka lasa Prezidà fôpla, na ankandasitra, no mitondra ny firenena malagasy ? Izy tenany ihany anie tsinona no namelabelatra izany resaka lany « mandat » izany fa tsy olo-kafa e !


Sao kosa ireto olona eo ambony, mibitsibitsika lava isaky ny miseho vahoaka, ireto aza no tena be lazao sy be “analyzy”, satria tsy mba nitolona hatramin’izay niainany, fa nahazo fahefana bôjo ?

Ny manaraka dia ity : f’iza aloha ny olona HILAZA INDRAY fa izao sy izao ? Eto ambon’ny tany, Tompoko ny mpanao ratsy ihany no mahana amin’izay nataony… Ary mampanahy izany an ! Ka fanazavana toa izany ve no hahatsara endrika io Filoha manomboka mampiseho ny tsy fifeheziny ny raharaham-panjaka ka tena mahavaka ny sain’ireo vahoaka maro nifidy azy? Raha mbola mitohy izao teo-javatra izao dia aza taitra intsony isika handre, atsy ho atsy ny hoe: “Izaho no Filoha voafidim-bahoaka ary ianareo no te-hifidy aho.


Izy no Jean Eric Rakotoarisoa, mampianatra faratampony amin’ny Lalampanorenana…

Farany: Filohan’ny Malagasy hono izy. Izany no ambetiteniny isaky ny izay miseho. Ka maninona moa no merina daholo ireo mpikambana telo “vaovao” ireo ? Tena mampiady olona anie izany e! Amin’izay ilay Jean Eric Rakotoarisoa -mampahaizana mahita fa 2+2=5-, dia tsy mpitsara akory fa mampianatra ? Izay tokoa angaha ilay zava-baovao entin’ilay “fanapahana ao anatin’ny fanohizana” (“rupture dans la continuité”). Dia mino isika izany fa eo amin’ny manodidina ny Filoha Rajaonarimampianina, dia misy olona (asa avy any Vohipeno ?) mahay mampitohy lalan-drà efa tapaka…

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy – 3 Marsa 2014

Mis à jour ( Lundi, 03 Mars 2014 15:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO