]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Hery Rajaonarimampianina. Any Paris, France, no miana-kendry

Hery Rajaonarimampianina. Any Paris, France, no miana-kendry

Marina fa efa nilaza aho fa mba hanao kely ilay antsoina hoe « trĂȘve de NoĂ«l » ka tsy hanoratra intsony aloha raha tsy aorian’ny Krismasy 2020. Kanefa rehefa nahita sy nandre ny resaka nataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina, filohampirenena teo aloha aho, dia tsy misy hevitra fa tsy maintsy miaka-tsehatra ihany koa satria mihevitra ny vahoaka malagasy -izaho ao anatiny- ho badraodra daholo, araka ny fitenin’ny Profesora Zafy Albert izay.

Araka ny voalazany dia ny volana marsa 2020 izy no niteny farany ho an’ny vahoaka malagasy. Eny, ary daty marina dia ny 22 marsa. Resaka coronavirus tamin’izay no nifantoan’ny kabariny ka niantso ny firaisankina eo anatrehin’ny fahavalo iombonana izy. Ary dia maro ireo Malagasy nihevitra fa tena hanampy amin’ny fomba izay hitany fa mety ity filoha namorona ny antoko Hvm ity. Fa inona no teo ?


Nandritra ny sivy volana katroka (marsa-desambra) izy dia niletika tsy re maty tsy re velona. Na ny antoko noforoniny aza dia tsy hita izay mba nataony ho an’ny mpiray tanindrazana afa-tsy ny naniry, ary mbola maniry loza ho an’ny firenena, miaraka misalahy tamin’ny antoko Tim sy ilay hoe RMDM (Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny demokrasia eto Madagasikara). Tamin’io 22 marsa 2020 io moa dia betsaka no nihevitra fa teto Madagasikara ihany ingahy Rajaonarimampianina satria ilay vidĂ©o hita sy re dia mampiseho rindrina fotsy aoriany.

Fa tamin’ity ankatoky ny Krismasy 2020 ity dia akory ny fahatairana fa dia ny « Tour Eiffel » ao Paris, France, no hita aoriany ! Fanaovana tsinonatsinona ny mpiray tanindrazana izany, Tompoko ! Io dia midika hoe : « Ici, c’est la France ! ». Asa inona loatra no mibaiko ity filoha teo aloha ity rehefa mba manao zavatra. Tsy misy maharatsy ny mahatsiahy ny mpiray tanindrazana sy mirary soa ho azy. Kanefa maninona no manao fanahy iniana toa izao ? Any amin’ny tanin’ny mpanjanaka ingahy io no milaza fa tia tanindrazana !


Inona moa no manakana azy tsy hody aty Madagasikara ? Miandry azy ny tranony aoTsimbazaza efa zary tsy misy mpikarakara intsony ka na ny sainam-pirenena aza dia lozotra izay tsy izy. Tsy mila sary izany fa minoa ahy ianareo. Mba namaky ny « commentaires » ao amin’ny Facebook aho. Misy ireo misaotra, miantso ny fiverenany. Tsy hitan’ireo io « Tour Eiffel » io. Ao kosa anefa no milaza ny hoe : « Misaotra eeee. Fa maninona no tour Eiffel no atao fond ? » sy ny « Mahay miteny rehefa tsy eo Ă ? Teo anefa tsy itako ze atao » ary ny « Mody be resaka sy be sinema indray rehefa avy nangalatra sy nampitondra fahantrana ny firenena, any aloha mihinana ny azo dia mody mamendrofendro fa mbola manonofy sy manimanina ny tongolon'i Ejipta ».

Raha ny vontoatin’ny resany, izay soratra vakiana eo ambanin’ny masony, ny asian-teny dia asa loatra : mbola mihevi-tena filoham-pirenena am-perinasa ve ity Rajao ity e ? Inona no nanaovana dokam-barotra mikasika ny vaksinin’ny covid-19 ? Sa izay no tena « mission » nampanaovin’ny Frantsay azy ? Nisy tokoa ny « avant » ary hisy ny « aprĂšs » an’ny valan’aretina. Fa taiza ianao « pendant » ary inona no mba nentinao nanampiana ireo mahantra maro eto an-tanindrazana, vokatry ny tsy fahaizanao nitantana ?


Ny rainao no Pasitora fa tsy ianao velively. Ny rahalahinao koa pasitora kanefa nangalatra. Azo porofoina izany fa aza misy maika mirediredy miaro eo. Ny marina dia mpaka fo ingahy Hery Rajaonarimampianina. Avy any Antsofinondry izy. Fantany tsara fa olon’ny fo ny Malagasy ka alainy amin’ny « sentiments » dia ireo tokoa fa mora manadino ny fomba nitantanany ny firenena. Vola anie izany nahodiny any amina banky any ivelany izany e ! Nefa dia tsy mahafoy na iraimbilanja akory hividianana kilalao ho an’ireo ankizy ao Antsofinondry ao fa vokisana resaka mampibaribary ny maha « beaucoup paroles » azy. « Mampijoro sy mampitraka » ? Tsy vitan’ny vava anie izany ry Rajaonarimampiesona e ! Tandremo fa tsy izaho no namorona io anarana io fa mandehana ianareo any ambany tanĂ na any raha te-hihaino izany


Dia mbola ho gaga ve isika raha toa ka 8% ny isan-jato azony tamin’ny fiodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ? Ho an’ireo kely loha hitondra any am-pasana ny hoe « mpangala-bato i Andry Rajoelina » dia tsotra : aty Afrika, Tompoko, dia ny mpitondra no afaka mangala-bato izany satria eo am-pelatanany ny fitaovana sy ny olona ary ny rafitra momba ny fifidianana. Ka amin’ny fomba ahoana moa no nafahan’ny Mapar, ivelan’ny fitondrana, nangala-bato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ? Tsy ny antoko Hvm ve no natanjaka indrindra, araka ny filazan’ingahy Rivo Rakotovao, Filoham-panjakana mpisolo-toerana taorian’ny nametrahan’ingahy Rajaonarimampianina fialana araka ny Lalampanorenana ?

Fiodinana voalohany dia kofona ingahy kandida laharana faha-12. Ny tena marina ry zareo dia ity : ny antoko Hvm teo amin’ny fitondrana no nangala-bato. 5% ny isa tena azon’i Hery Rajaonarimampianina fa nakarina ho 8% satria nahamenatra ilay isan-jato. Tsy tafaverina any aminy akory ilay vola « caution », satria ireo mahazo 10% ihany no mahazo « remboursement ». Tsy nisy nahazo io isan-jato io ny kandida miisa 34 ivelan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Mbola tsy fahita manerana ny Afrika izany filoha tao am-perinasa tsy tafakatra fiodinana faharoa izany. Ny sisa resabe, fa ny Tantara tsy hamela izany Marina izany.


Raha nirary soa ho an’ny vahoaka malagasy amin’ny fo madio izy, ka tsy nisyihany koa io « Tour Eiffel » io aoriany, dia fisaorana no nomeko azy satria tsy manadino tokoa izy. Eny na dia resaka aman-taoniny fotsiny ihany no natolony. Fa tsy izany no tsapa. Olona miana-kendry no hita sy re. Olona be kajy kanefa nampidina ny laharan’ny firenena malagasy ho faha-dimy amin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany. Izany dia tao anatina fotoana fohy ary tsipihina fa tsy nisy izany coronavirus izany teto Madagasikara. Mihevitra izy izao fa nahatontosa adidy ka afaka hanao « rĂ©veillon » milamina miaraka amin-dry Henry Rabary-Njaka sy Jean de Dieu Maharante ao Paris izy. Dia aza adino ary fa na mpamosavy mandeha alina asa misy mahita e ! « Aoka ny fitsarana tsy hitongilana na hitanila fa hampiatra kosa ny tena rariny sy ny hitsiny ». Izay izany no nahatonga ny fitondrany nanmorona ilay andininy faha-146 amin’ilay lalĂ na 2014-043 manome fahefana ny Solombavambahoaka ho lasa mpitsara ny mpanao lalĂ na.

Aza maika ianao Rajao fa tsy avelan’ny fahamarinan’ny Tantara ho afa-bela eo ianao. Tsy ho voafafanao daholo ny porofo rehetra nanaovanao ampihimamba ny volam-bahoaka. Ireo mpampindram-bola ireo ihany no hamoaka izany fa manaova aloha ianareo Krismasy lavitra anay gasy nampahantranao eto Madagasikara. Tsy tezitra aho akory fa zendana amin’ny fasahianao miantsy ny vahoaka tsy mandady harona mbola abadonao hatramin’izao. Adinony tanteraka fa ny teny (sy ny lainga) toy ny salala ka ny tompony ihany no afatony, fa ny mangina kosa volamena. Aza adino ry zareo no mividy ity a ! Vao nanomboka ny taona 2014 dia taratra fa mpitondra handiso fanantenana goavana. Mbola ho avy ny fizarana faharoa mafonja kokoa. Ho Tantaram-pirenena marina mipetraka mandrakizay.


Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 24 DĂ©cembre 2020 08:57 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO