]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antsirabe: Mahiratra ara-tsaina tokoa ny jamba fa mila fanampiana

Antsirabe: Mahiratra ara-tsaina tokoa ny jamba fa mila fanampiana

NY MASONAY NO JAMBA, FA NY SAINAY EFA NAHIRATRA HATRAMIN’IZAY

Antsirabe, 21 Jolay 2012. Tsy  mora ny mampianatra sy manambe ny olona tsy mahita na ihany koa jamba, fa dia mila fikirizana sy finiavana izany. Anisan’ny fanamarihana nomen’ny Tale ny fanabeazana ny jamba eto Antsirabe io, raha nitatitra indrindra ny tenany momba ny fiaim-piainan’ireo jamba beazina ao amin’ity foibe fanabeazana ny jamba ity.

Misy karazany roa ny jamba: ao aloha ny jamba hatrany ankibon-dreniny, ary ao ihany koa ny efa nahiratra saingy taty aoriana dia tratry ny fahajambana.

Ireo karazany roa ireo anefa dia samy mànana ny fomba hoentina manabe azy tsirairay. Ny tena jamba fony izy vao teraka ohatra  dia hita fa somary sarotrarotra ihany, satria tsy maintsy miainga amin’ny fanabeazana ankapobeny ifotony mihitsy, na ny fampianarana azy ho zatra handeha irery miaraka amin’iny tehina eny aminy iny, na ihany koa ny  tontolo manodidina misy azy, mba ifandray amin’ny sainy izay voalohany indrindra hafantarany ny tokony ataony.

Ny efa nahiratra kosa dia hita fa azoazo ihany ny manambe sy manoro azy ireny  no izy efa nahita tany aloha. Na eo aza anefa izay dia mila fikirizana sy finiavana avy amin’ny mpanabe ny fanabeazana ireo  jamba, hany ka tsy maintsy miaina tanteraka tahaka ireo jamba ireo mpanabe mba ahafahany mahalala ny tena fanabeazana ilaina ampitaina aminy.

Anisany izany,  ohatra, ny mpanabe iray dia misy fotoana tapenana mihitsy ny maso dia omena tehina ary alefa miantsena na mividy zavatra eny an-tsena, ka amin’ny alàlan’ny fofona no ahafantarana ny toerana misy ilay jamba. Ohatra, raha maheno fofona mofogasy izy dia voamariny avy hatrany ny toerana misy azy. Ohatra ihany io, fa maro ny fomba ahafantaran’ireo jamba ny toerana alehany, saingy raha tsy miaina toy izany ny mpanabe dia sarotra ny hoentin’izy ireo manambe azy ireny.

VALO MIANADAHY HANALA CEPE

Ny taona 1924 no niorina ny sekoly  fanabeazana ny jamba ao AMBONARIVO Antsirabe II, izay ry zareo Norveziana no nanorina azy tamin’izany, ary mbola miasa hatramin’izao, izay andraisany tanora mianatra asan-tànana. Ny taona 1985 kosa no niorina ny sekoly  foibe fanabeazana ny jamba  FANILOSOA ANTSIRABE, izay iarahana amin’ny Loteriana Malagasy. Mpianatra miisa 75 no voaray tao amin’ny sekoly fanabezana fototra (primaire), izay tsy manavaka na fiaviana na finoana. Porofo izany ny fahitana mpianatra mianatra ao izay avy any Morondava, Vohipeno, Mahajanga, Antsiranana, sy ny faritra hafa


Ny primaire dia 6 taona ka hatramin’ny 15 Taona no raisina, ka mitovy amin’ny fandaharam-pianarana ny sekoly rehetra no atao ao.Tamin’ity taona ity dia nahatratra 8 (valo) mianadahy ireo mpianatra hanala CEPE, ary roa hanala BEPC.

Ny ao AMBONARIVO Antsirabe II kosa dia mandray ny tanora efa jamba ary ampianarina ny vakiteny sy soratra, eo ihany koa ny asan-tànana, toy fandrariana sobika, ankanjo bà, tapis, ary fampianarana fambolena sy fiompiana, ary ny fanaovana boky, izay azo avy amin’ny CISCO. Dia ireny boky ireny indray no avadika soratra amin’ny BRAILLE ahafahan’ireo mpianatra efa jamba mamaky izany. Amin’ny ambaratonga faharoa indray dia ny mpampianatra ao amin’ny foiben’ny fanabeazana ny jamba ity ihany  no miara-miasa amin’ny any ivelany ka miara-mianatra amin’ny mahiratra. Efa nisy ny mpianatra izay efa nivoaka ary manana maütrise.

Ankoatra io anefa dia misy ireo olona efa lehibe izay tsy afaka mianatra an-tsekoly intsony dia ireo mpanabe no mampianatra any an-tokatranon’izy ireo. Mazava loatra fa ny ankizy jamba ampianarina ao dia saingy kilasimandry avokoa : 30 ny isan’ireo mianatr’asa, 27 ny mianatra eny amin’ny lycĂ©e privĂ© eny Mangarivotra. Ny mpanabe kosa dia mahatratra 43 mianadahy  miara-miasa manabe ireo jamba ireo.

"Mafy ny asa”, hoy ny Talen’ny fanabeazana ny jamba. Misy ihany anefa ny mpanampy ara-bola avy any ivelany, toa ry zareo Norveziana, saingy nahenan’izy ireo ny fanampiana, izay nilazan’izy ireo fa zanaka Malagasy no ampianarina ka tokony  andray anjara amin’ny karama ny mpampianatra ny fitondrana Malagasy. Efa nisy fangatahana natao tamin’ny minisiteran’ny fanabeazana saingy mbola tsy misy valiny izany.

Na eo aza izay toerana misy ireo jamba izay, dia hita sy tsapa tany an-toerana fa dia manana ny talenta mampiavaka azy, ary afaka miaraka tsara amin’ny ireo mahiratra izy ireo. Mahavita ihany koa ny vitan’ny mahiratra, ankoatra ny fampianarana ankapobeny dia misy ihany koa ao amin’ity sekoly fanabeazana ny jamba ity ny fampianarana  fomba fiainana andavanandro, ny kolontsaina ary efa misy mihitsy aza ny hira izay noforonin’izy ireo izay mitantara indrindra fa :

Hatry ny ela no niainanay tety

Tsy mba nisy hazavana hita,

fa maizina tokoa ny lĂ lana

ianao mahita sy mandrĂš

no hanambarana ka handrĂš

NY MASONAY NO JAMBA, FA NY SAINAY

EFA NAHIRATRA HATRAMIN’IZAY

Ry olombelona izao no hafatra

Ianao izay vonona handray

Hitaiza sy hanampy, ka hanohana

Jesosy anie hamaly soa ho anao

Izany indrindra no nitarainan’izy ireo tamin’ny Minisitry ny Mponina Olga Vaomalala Ramaroson, tamin’ny fandalovany tany antoerany ny 21 Jolay 2012 teo.

Momba ny fitaovana dia nilaza ny mpanabe fa tsy mora ny manao zavatra satria ny jamba dia tsy maintsy mitsapa amin’ny alàlan’ny fitaovana ahafahana mahafantatra ny fampianarana ampitaina amin’izy ireo, ka misy ny famoronana atao ny mpampianatra nefa koa misy ny tsy maintsy vidina lafo. Anisan’izany ny taratasy manokana hanoratana ho BRAILLE izay tsy misy eto Madagasikara fa vidiana any Afrika Atsimo.

Ho fanampiana ny sekoly dia hiezaka ampita ny hetahetan’ny sekoly sy olana misy ao aminy ny Minisitra ny mponina , ary nanolotra lelavola iray tapitrisa ariary hoentina hanampiana ny sekoly.

Ny Minisitra Olga Vaomalala Ramaroson

“ Fahendrena sy faharetana ary finoana an’Andriamanitra, ireo no tena ilain’ny firenentsika, ka midera manonkana ny fahendrena sy fikirizana ataonareo ny tenako hoy ny Minisitry mponina, aza misaraka amin’Andrimanitra n’inona na inona zavatra ataonareo, fa rehefa tsy sitrany dia tsy misy tanteraka ;manantena aho fa mivavaka tsara daholo ianareo rankizy no sady mianatra tsara,ka rehefa miala ato ka mody any an-trano, dia izay fampianarana sy fanabeazana noratovinareo tato, dia anjaranareo indray ny mampianatra, hampisehoy any ivelany, fa olona mitovy isika mianankavy, ampisehoy any ivelany fa tsy hafa ianareo,ary olomnbelona ianareo manana ny zo fototra .hisaorana manonkana ihany koa ny mpanabe, noho ny fandavan-tena nafoin-tena hanampy sy hanambe ireto zaza jamba ireto.

MAZOTOA ARY MANANA FITIAVANA FAHARETANA FA TENA MAFY NY ASANAREO ”.

Andry RAKOTONIRAINY – www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Mardi, 24 Juillet 2012 09:22 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO