]
Les quotidiens du 09 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Edgard Razafindravahy: ny mikasika an’i Alexandre Rabearisoa

Edgard Razafindravahy: ny mikasika an’i Alexandre Rabearisoa

Andriamatoa Edgard Razafindravahy, PDS (CUA)

INTERVIEW

Mahakasika ny tsy maha eto an-toerana intsony ny Talen’ny Kabinetra Alexandre RABEARISOA, nandeha ny resabe amin’izao fotoana izao fa noesorina tamin’ny toerany izy. Inona marina no antony tsy maha eo azy izay ?

Marina tokoa izany, nametra-pialana i Alexandre RABEARISOA izay Talen’ny Kabinetran’ny Tanànan’Antananarivo. Izay no antony tsy maha eto azy, nefa na izany aza, mbola fantatsika fa misy iraka nampanaovina azy nandeha nitondra ireo tanora tao anatin’ny Diosezin’Antanànarivo nankany Antsiranana tamin’io fiaonamben’ny tanora JMJ io.

Misy ihany koa ny resabe mandeha hoe nanakana fanotofana tany teny amin’ny Marais Masay no antony nanalàna azy. Ahoana indray ny mikasika izay ?

Ny tsara angamba dia no hoe heverintsika fa amin’ny fitatanantsika ny Tanàna dia betsaka ny asa aman-draharaha goavana sahanin’ny Tanànan’Antananarivo. Mila fahendrena, mila fitoniana, mila fahaizamanao ny fitantanana ny Tanàna. Tsy hoe akory hoe fanotofana tany ihany fa heverintsika fa betsaka ny asa aman-draharaha ary fantantsika tsara izany eto amin’ny Tanànan’Antananarivo  ka raha misy mpikambana anankiray ao anatin’ny kabinetra ohatrieny no mametram-pialana, heveriko fa tsy dia voatery amin’izay lafiny izay ihany no mahatonga ny olona mety hametram-pialana  fa betsaka ary heverintsika ihany koa fa fantatra tsara  fa eto amin’ny Tanànan’ AnTanànarivo any e ka renivohitr’i Madagasikara,  eto no misy an’ireo institution  maro toy ny hoe ny Présidence, ny Primature,  ny institution isan-karazany, eto amin’ny fitantanana nyTanàna sy ny firenena  dia everiko fa izany rehetra izany dia mila fahendrena tsara ny mitantana azy fa tsy azontsika apetraka amin’ny hoe fanotofana tany ihany ny fitantanana ny Tanàna.

Efa fantatra ve tompoko hoe iza no hisolo azy amin’izay fotoana izay ?

Misy ny directeur de cabinet par interim izay ato amin’ny tanànantsika ihany aloha, Docteur Haja izay Directeur DASSP ato amin’ ny tanànantsika no manao ny interim amin’izao fotoana izao, dia misy ihany koa ireo ekipa ao anatin’ny cabinet. Fantatrareo tsara anefa fa izany kabinetra izany, raha izany fitantanana tanàna izany dia ekipa betsaka, marobe mihitsy, aman-jatony, an’arivony no mitantana ny tanàna ka dia samy mandray ny andraikiny. Tsy misy hoe andraikitra ohatran’izao na ohatran’izao fa ny tsirairay dia samy mandray ny andraikitra sy ny asa aman-draharaha tandrify azy daholo.

Mikasika izay indrindra Andriamatoa PDS, misy ny ahiahin’ny mpiasa hoe rehefa misy ny fandraisana andraikitra dia misy ny fanasaziana sy ny sisa… Inona ny toky omenao ny mpiasa manoloanan’izay?


Ny tsara ho faritana dia nisy zavatra anankiroa hitako tamin’iny karazana fanambarana niseho omaly iny. Faritantsika tsara aloha fa eto amin’ny Tanànantsika, ohatra zao ny kabinetra, izany kabinetra izany dia fanendrena mandalo ihany ny mpiasa rehetra miasa ao anatin’io kabinetra io. Ny faharoa kosa anefa dia nisy koa ireo mpiasa rehetra raikitra ato anatin’ny fitantanana ny Tanànan’Antanànarivo ka tsy hisy mihitsy angamba ary efa niresaka tamin’ireo mpiasantsika izay miara miasa ato amin’ny tanàna, mpiasan’ny tanàna fa heveriko fa raha mahare an’ izao teny ataontsika izao izy, 3 taona niarahana nitantana ny tanàna teto, heveriko fa fotoana tokony hampiray hina bebe kokoa ny mpiasan miatrika ny  fitantanana ny Tanàna satria dia ao anatin’ny fotoana manahirana eto amin’ny firenentsika ka dia tokony fahendrena tanteraka arakin’ny filazako teo ny mandamina izany rehetra izany.

Misy koa milaza Andriamatoa PDS hoe rehefa tsy eo intsony ny talen’ny kabinetra dia ho sahirana ny tanànan’Antananarivo amin’ny fiatrehana amin’ny fandaminana ny tanàna, inona kosa ny toky omenao ny mponina indray mahakasika izay?

Ny toky homentsika ny mponina angamba dia hoe, matoa isika rehetra, resahana eto moa zany ny mpiasan’ny tanànan’Antananarivo, nanaiky hiasa ato amin’ity tanàna ity, dia tsy hoe akory hisy hiravoravo tanana amin’ny fitantanana. Ary heveriko fa fotoanany ihany koa angamba hiresahana amin’ny mponina satria androany moa dia andro natao fandinihana betsaka amin’ny zavatra maro ohatra amin’ny hoe fitantanana ny rano, ny fako, ny fanadiovana ny Tanàna, ny monba ny fitanterana an-tanan-dehibe, ho dinihana daholo izany rehetra izany androany. Dia manomboka eo  dia manitsy eo amin’ny mba hananana ny Tanàna madio lalandava, mirindra sy milamina araky ny tanjona efa napetraka hatrany amboalohany. Ary heveriko, fa maika hitombo ny asa izay hatao, ny fiaraha-miasa izay atao,  ary hitombo ny vokatra tsara tokony ho azo eo amin’ny fitantanana manomboka eto.

Mikasika ny fako indrindra tompoko misy ny fimenomenomana, inona no vahaolana raisin’ny Tanànan’Antananarivo ?

Mikasika ny fakon’ny Tanànan’Antananarivo, dia tsara aloha no manamarika fa eo amin’ny 450 ny bacs à ordures no esorina isan’andro, latsaka kelin’ny 1 .000 tonnes ny fako eto amin’ny Tanànantsika. Eritrereto fotsiny  fa raha misy ny 10% amin’izay,  ka ny 90% no tanteraka, dia misy dabam-pako tsy latsaka ny 45 izany no ho tratra amin’ny andro atoandro kanefa izany rehetra izany mba ananantsika ny hoe tsy maintsy ho tanteraka antsankany sy andavany ny asa izay atao, dia tsy maintsy miezaka isan’andro ireo mikarakara ny fanadiovana ny Tanàna, ny mpanadio mikarakara ny fanadiovana ary manomboka eto dia hisy fiarahana midinika bebe kokoa ny amin’ny fomba fanentanana ny mponina. Efa renareo ihany izany ombieny ombieny, fa hanomboka hanentana ny mponina mafimafy kokoa isika ka aoka re mba hanana anizany Tanàna madio lalandava izany isika  mlianakavy ary asa be  no miandry ny mpitantana sy ny mpitondra ny Tanàna amin’ireny  asa ireny ka mila ny fanampian’ny mponina isanandro isanandro mba tsy hanipy etsy sy eroa ireny sachets plastiques mamoafady sy mamoehitra, izay manimba ny tontolo iainanana. Izany rehetra izany mantsy dia asa tsy maintsy atrehina isanandro isan’andro.

COMMUNICATION CUA – 11 Septambra 2012

===========================================

DIRECTION DE LA COMMUNICATION

*** ***

SERVICE RELATION PRESSE ET MEDIA

*** ***

DIVISION INFORMATION

*** ***

N°  012   -CUA/DS/CAB/DICOMM/SRPM/Div.Inf.12

Communiqué de presse : Intérim du Directeur du Cabinet de la Commune Urbaine d’Antananarivo


Le docteur Hajatiana RAHARINANDRASANA est désignée l’intérim du Directeur du Cabinet de la Commune Urbaine d’Antananarivo. Elle prendra toutes les responsabilités de l’ancien directeur. En même temps, elle assure toujours sa fonction de Directeur de l’Assistance Sociale et de la Santé Publique.

Mis à jour ( Mercredi, 12 Septembre 2012 10:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO