]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona 2012 : «Zokiolona tsy vesatry ny fiara-monina fa andraikitra iombonana»

Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona 2012 : «Zokiolona tsy vesatry ny fiara-monina fa andraikitra iombonana»

Ankoatra ny fanamarihana ofisialy izay atao any Manakara dia anisany nanamarika izany ihany koa ny teto Antananarivo, ny 1 oktobra 2012, izay notarihan’ny firaisakinan’ny zokiolona eto Madagasikara, notarihan’ny filohany Andriamatoa Moks Razafidramihandra (sary eo ambony).

Ny maraina dia nisy lanonana narahina kabary teny Ambatobe, ary nofaranana tamin’ny fiara-misakafo tamin’ireo zokiolona. Noararaotina teny ihany koa ny famangiana manokana ny zokiolona rehetra nataon’ny zokiolona ao anivon’ny CST nahitana ny Jeneraly Ramakavelo ary notronin’ny CT sy ireo avy amin’ny faritra maromaro. Nisolotenan’ny minisitry ny Mponina kosa ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa Rakotoarisoa Rodolphe.


Ny tolak’andro dia teny amin’ny kianja maitson’Analamahitsy no nanaovana ny fihaonamben’ny zokiolona eran’ny faritra, nahitana ireo solotena rehetra, izany hoe : ireo fikambanan’ny zokiolona miisa 19, mahatratra hatrany amin’ny mpandray anjara miisa 130, ahitana avy amin’ny lavitra indrindra toy ny avy any Antalaha, Maroantsetra, Mahajanga sns.


Nanomboana ny fotoana ny tatitra vitan’ny firaisam-be ny zokiolona na ONG FIZOMA .


Fantatra tamin’izany fa efa mahatratra hatrany amin’ny 96 ny fikambanana mivondrona ao anatin’ny ONG FIZOMA, izany hoe 9690 olona, ary ezahina hitombo izany amin’ny taona manaraka. Raha jerena dia ny eto Analamanga no maro indrindra ny fikambanana mikambana ao amin’ny ONG FIZOMA, ahitana hatrany amin’ny 72 ary manaraka azy ny any SAVA miisa 6.


Ny ezaka efa natao dia ny asan’ny kaomisiona ny fahasalamana, izay nanao ny fanentanana momba ny fizahana sofina sy fanomezana solo-sofina anjatony, niarahana tamin’ny Rotary club. Ny fahasalamana ny zokiolona, fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo, eo amin’ny fitsaboana ny zokiolona amin’ny Dispensaires 4, fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny Mponina sy ny ministeran’ny Fahasalamana, izay nanokanan’ny OMS ny Andro iraisampirenena ho an’ny Fahasalaman’ny Zokiolona. Nisy ny fitilina diabeta natao tamin’izany. Isakin’ny talata dia misy hatrany fivoriana ataon’ireo fikambanana miray ao amin’ny ONG FIZOMA.


Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ny Zokiolona, ny 1 Oktobra 1012, dia nisy ny fanomezana natolotry ny Filoha mpiahy ny fankalazana, dia ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, mitentina 3 tapitrisa Ariary. Nisy koa vola 1 tapitrisa Ariary avy amin’ny minisiteran’ny Mponina, iray hetsy Ariary avy amin’ny Jeneraly Désiré Ramakavelo, ary roa alina Ariary avy amin’ny Andriamatoa Laurent Ramaroson.


Nisaoran’ireo ao amin’ny ONG FIZOMA ny Filohan’ny Tetezamita izay nandray azy ireo ary nampanantena fa hanorina Akany ho an’ny Zokiolona eto Madagasikara, izay hisantarana eto Antananarivo sy Toamasina ahafahan’izy ireo mivelatra. Eo koa ny fijerena akaiky ny tokony hanaovana fitsaboana maimaimpoana ny zokiolona eran’ny Nosy. Izany hetaheta izany moa dia hentin’ny Filohan’ny Tetezamita eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Teo ihany koa ny fisaorana ireo izay nandray anjara tamin’ny fanampiana ho fankalazana ity Andro eran-tany ho an’ny Zokiolona ity, ka anisan’izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy.


Ny ezaka atao manaraka dia ny fampiofanana momba ny fiahiana ny Fahasalaman’ireo Zokiolona, izay atao ao Toamasina, ny 3 ka hatramin’ny 6 Novambra 2012, ka ny Fikambanana “Vali-babena” no hanampy betsaka amin’izany.


Ny tanjona ho tratrarina amin’ny 2012-2013, araka ny nambaran’ny Filohan’ny ONG FIZOMA, Moks Razafindriamiandra, dia ny fanatontosana ny tetik’asa fanorenana trano na Akany ho an’ny Zokiolona, izay fampanantenana avy amin’ny Filohan’ny Tetezamita. Ka amin’ity herinandro ity no hanoloran’ireo mpikambana ao amin’ny ONG FIZOMA ny fandaharan’asa momba io akany io.


Ao koa ny fanatanterahana ny “Conseil de l’océan Indien”, atao eto Madagasikara ny volana Febroary 2013. Ary farany, ao ny “Rencontre internationale des personnes âgées » izay hatao ny volana Oktobra 2013.

Andry Rakotonirainy sy Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 03 Octobre 2012 11:44 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO