]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara 11 Febroary 2013. Nankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny marary.

Madagasikara 11 Febroary 2013. Nankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny marary.

Eo ambony, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ramatoa Ndahimananjara Johanita

« Ho ahy manokana dia enga anie ho sitrana soa aman-tsara izy ireo ». Anisan’ny lahateny navoitry ny Minisitry ny Fahasalama-bahoaka, Ramatoa Ndahimananjara Johanita, nandritra ny fankalazana.


Tsy nijanona ho fankalazana ihany anefa, fa teo koa ny ezaka izay nataon’ny ministera. Mba ho fanatsarana ny fitsaboana eto Madagasikara dia nananteraka hetsika roa lehibe mifandray indrindra amin’io fankalazana io ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka:

-Teo ny fampahafantarana ny atao hoe “ Mutuelle de santé ” na Tahiry hifampitsimbinana,

-ary ny fampitaovana ireo mpiasan’ny Fahasalamana hanatanterahiny ny asany.

Nisy ny fanatsarana natao mahakasika indrindra ny fitsaboana. Anisan’izany ny fitsaboana maimaimpoana ary ny atao hoe FANOME, izay manolotra fanafody amin’ny vidin’ny mirary isakin’ny CSB. Eo koa ny tahiry izay hentina hitsaboana manokana ireo tena sahirana.


Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia nametraka fomba iray hanatsarana ny fahasalaman’ny daholobe.

Anisan’izany ny fanetsehana indray ny Tahiry hifampitsimbinana, izay efa nisy teto Madagasikara nanomboka ny taona 1973.

Ity tahiry ity dia fomba iray hananganana vatam-bola mba hifampitsimbinana, ka izay te ho mpikambana dia mandrotsaka anjara ao amin’ny vatam-bola, ka izay mandrotsaka (mpandray anjara izany) ihany no mahazo tombony amin’izany.


Arak’izany dia manara-maso akaiky ny fomba fampiharana ity hetsika iray ity ny minisitera, indrindra fa ireo izay mpikambana ao anatin’izany “ Mutuelle de santé” izany.

Ireo fikambanan’olona na vondron’olona, dia afaka miditra ao anatin’ity hifampitsimbinana ity. Izany hoe: rehefa misy ny marary dia io no manampy ara-bola. Ilaina koa izy io eo amin’ny famatsiam-bola ny fahasalamana.


Nanambara ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka fa fitsaboana maimaimpoana ny eny amin’ny CSB, saingy tokony hisy koa ny fandraisana anjara ny tsirairay.

Ho fanatsarana izay fomba fiasa izay ihany dia nisy ny fanoloran’ny Minisitera fitaovana, dia fitaovana hoan’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny anivon’ny CSB.

Ny taona 2012 dia efa nisy moto miisa 40 natolotra, ary tamin’ity taona ity dia nahatratra 80 ireo moto nozaraina eny amin’ny faritra misy tobim-pahasalamana.


Izany dia ho fanamorana ny asa ataon’ireo mpiasan’ny Fahasalamana eny ambanivohitra, indrindra fa ireo izay hita fa lavitra sy saro-dàlana. Natolotra ny 11 Febroary teo teny amin’ny “Institut Médical” ao Befelatanana ireo fitaovana ireo. Fitaovana izay nisian’ny fiara-miasa teo amin’ny “Gavi Alliance Moto” sy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisany ampiasaina amin’ny fitondrana vaksiny koa ireto moto ireto.

HOPITALY MANARA-PENITRA


Taorian’ny fitokanana ny Hopitaly manara-penitra, izay notontosain’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, tany Antsiranana sy Toamasina, dia nanambara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka f’efa amperin’asa tanteraka izy ireo ankehitriny, indrindra ny any Antsiranana. Ny ao Toamasina indray dia efa misokatra tsikelikely ny sampam-pitsaboana, ary tsy ho ela dia efa hiasa tanteraka ihany koa.

Ho an’ireo Hopitaly hafa moa, efa vita avokoa fa miandry ny fitokanana, anisan’izany ny ao Mahajanga, Fianarantsoa,Toliara. Andalam-pahavitana kosa ny ao Morondava.


Mahakasika ny fomba fidirana sy ny saran’ny fitsaboana dia nitatitra ny Minisitry ny Fahasalamaù-bahoaka fa mitovy aminy hopitaly rehetra ihany na eo amin’ny sarany, na eo aminy fomba fiasa. Misy ho an’ny sokajin’olona maro samihafa, fa ho an’ireo tena tsy sahirana dia efa misy ny fandraisana azy ireo maimaimpoana.

Ny vidin’ny fanafody, ny fandidiana sy ny sisa dia efa azo jeren’ny rehetra ao amin’ny hopitaly. Efa mipetraka rahateo ny sampan’ny BIANCO eny anivon’ireo Hopitaly ireo ka afaka manao fitarainana ny olona rahatoa ka misy ny tsy mifanaraka amin’ny fenitra ny fitsaboana ny sarany alaina amin’ireo marary.

Jeannot Ramambazafy sy Andry Rakotonirainy – www.madagate.com

Mis à jour ( Mercredi, 13 Février 2013 07:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO