]
Les quotidiens du 07 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Hanitrarivo Rasoanaivo : candidate députée pour le IIème Arr. d’Antananarivo

Hanitrarivo Rasoanaivo : candidate députée pour le IIème Arr. d’Antananarivo

Tena hiaka-dapa eo amin’ny sehatry ny politika marina i Hanitrarivo Rasoanaivo. Tsy politika politisianina tsy hinanan-kanina toa izay hita hatramin’izay fa politika mampandroso mifototra amin’ny lova navelan’ireo razam-be-ntsika. Tsy asiana resa-be aloha anio fa indro ny fanambarany. Tsotra fa mazava e !

Jeannot Ramambazafy

********************************

Filazana filatsahan-kofidiana Solombavambahoaka

Rasoanaivo Hanitrarivo, boriboritany faharoa, Antananarivo renivohitra, faritra Analamanga.

" Amin-kafaliana no hanambarako amin’ny mpiray tanindrazana amiko ny filatsahako ho fidiana solombavambahoaka eto amin’ny boriboritany faharoa, Antananarivo renivohitra, faritra Analamanga. Ho kandidà mahaleo tena no safidiko manokana amin’izany.

Teto aho no teraka, teto amin’ity faritra ity ihany koa no nandaniako ny fahazazako sy ny hatanorako ary mbola tsaroako toy ny omaly ny namakivaky ny tanimbary sy ny tendrombohitra ary ny lohasaha teny rehetra teny raha andeha hamonjy ny sekoly fanabeazana fototra ka hatreny amin’ny ambaratonga ambony, oniversite, Ankatso.

Mbola maro ireo olona mahafantatra ahy ety satria aho mbola velon-dray aman-dreny ary betsaka ireo mahalala sy mankasitraka ny asako ary ny andraikitra noraisiko amin’ny maha mpanakanto ahy mitondra avo dia avo ny anaran’i Madagasikara eran’izao tontolo izao. Ny dingana rehetra nizorako sy ny fikirizako amin’ny maha mpanakanto nandàla sy nitia ny kolontsaina no nandrisika ahy ankehitriny hirotsaka ho fidiana solombavambahoaka.

Tsy ho ela intsony dia hiroso amin’ny fifidianana isika ary hanapak’hevitra ny ho amin’izay hisolo tena azy ny vahoaka. Fotoana ahafantsika rehetra manefa ny adidy masina eto amin’ny tanindrazana ary zo fototra ahafahana mampitsiry fanantenana any ampon’ny tsirairay ny amin’ny ho avin’i Madagasikara ny fifidianana.

Vonona tanteraka aho sy ireo mpiara miombon’antoka amiko ny hiaro ny tombotsoan’ny vahoaka ka ireo mpanolon-tsaina sy ireo manana traikefa manokana amin’ny sehatra samihafa toy ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fintantanana, ny fandalinana fiarahamonina ary ny tanora indrindra indrindra no miara-dia amiko. Vonona ny hanao dingana lehibe izahay satria mahatsapa fa maro ireo adidy sy andraikitra miandry anay.

Resy lahatra ihany koa ary mbola nandrisika ahy ny hafalian’ny olona mifanena amiko eny an-dàlana eny raha nahare izao fanapahan-kevitro izao. Hery lehibe ho ahy ny nahatsapa indray ny fitsirin’ny fanantenana ao ampon’ny mpiara-belona amiko.

Ny vehivavy mpitarika sy mahaleo tena dia midika sahady fahafahana mitondra ny feon’ny vahoaka tsy vesaran’ny kajikajy politika izay efa iaraha-mahalala fa nitondra ny firenena amin’izao fahasahiranana izao. Vonona aho ny hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka ary sahy andray andraikitra amin’ny asa tandrify ahy. Manantena fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara ihany koa ny tenako ary ny famolavolana ny lalàna, ny fandrafetana ary ny fampiharana izany lalàna izany eo anivon’ny antenimieram-pirenena no fototra voalohany ahafana mandroso.

Raha ho lany soamantsara aho, dia ho mpitondra tenin’ireo rehetra izay nifidy ahy, ireo rehetra tsy nifidy ahy ihany koa ary indrindra indrindra fa ireo rehetra tsy afaka nifidy.

Antsika rehetra ny tolona, ho an’ny vahoaka ny tombontsoa ary miaraka amin’ny vahoaka no hasahiko mirotsaka ho fidiana! ”

Antananarivo, 12th June 2013

**********************************

Ben çà alors ! Mon amie Hanitrarivo, celle qui porte et fait connaître la musique traditionnelle malagasy à travers le monde entier, a décidé d’entre dans l’arène de la politique. Non pas la politique politicienne qui a trop longtemps abêti le peuple malgache, mais la politique à travers un programme de développement, un projet de société directement hérité de nos ancêtres. Pour le moment, voici son message. Court mais précis.

Jeannot Ramambazafy


" Prochainement seront choisis les représentants à l’assemblée nationale. C’est un moment crucial pour exercer son droit de vote et permettre une avancée bénéfique qui mène vers l’espoir d’un avenir meilleur.

Je suis farouchement résolue dès à présent à défendre les intérêts de la population et ce, avec l’appui de mes colistiers, déjà entourée de personnes enthousiastes, conseillée par des spécialistes avertis dans leur domaine respectif et soutenue par des équipes de jeunes motivés à faire bouger les choses. Nous sommes tous conscients de nos responsabilités.

Je suis renforcée dans mes convictions en constatant les premières réactions spontanées des habitants de mon arrondissement. Certains même m’ont dit ne pas être surpris de cette annonce pendant que d’autres me félicitent de cette position en statut de candidate libre du 2ème arrondissement.

Selon moi, c’est en effet le meilleur moyen d’avancer pour pouvoir défendre librement les intérêts du peuple et de représenter leurs voix sans avoir à supporter les fardeaux des partis politiques qui ont jusqu’à présent entraîné Madagascar dans sa chute.

J’ai à cœur de voir mon pays progresser positivement et les espoirs peuvent être entretenus si les lois adaptés aux nécessités peuvent être proposées, révisées et appliquées par les députés élus démocratiquement pour rechercher un meilleur développement socio - économique pérenne.

Si je suis élue, je serai la porte-parole de tout le monde et défendrai les intérêts de tous sans exception.

Cette bataille est pour nous, pour le peuple et ses valeurs que je défends et c'est pourquoi je suis candidate, pour représenter le peuple. "

Antananarivo, 12th June 2013

Mis à jour ( Jeudi, 13 Juin 2013 16:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO