]
Les quotidiens du 07 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antsohihy. Nankalazaina tany ny Andron’ny Zokiolona 2013

Antsohihy. Nankalazaina tany ny Andron’ny Zokiolona 2013

Zokiolona: « Ainga vao ho an’ny fampandrosoana » nentina indrindra io lohahevitra tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona (1 Oktobra), izay nankalazaina teto Madagasikara. Ny tanàn’Antsohihy, faritra Sofia, no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy, izay novoizina tamin’izany ny tokony hisian’ny fanajana ireo zokiolona.


Tsapa mantsy, araka ny kabary navoitra ny Minisitry ny Mponina sy Raharaha sosialy, Olga Vaomalala, fa toa nia-nahazo laka eo amin’ireo tanora ankehitriny ny tsy fanomezana hasina ireny zokiolona ireny, hany ka nahavery tanteraka ny maha ray aman-dreny azy ireny.


Raha ny faritra Sofia manokana dia anisan’ny nanana izany fanajana ny zokiolona izany teo aloha, indrindra moa fa ny fanajana ny Sojabe, ary hita fa nisy vokany avy amin’ireo zanaka izany. Ankehitriny anefa, raha vao miteny fotsiny ny tsy mety na mananatra azy ireny dia zary teny heso sy famingavingana no setriny asehon’ireo tanora. Noho izany indrindra no nisafidianana ny faritra Sofia nankalazana ny Andron’ny zokiolona, dia ny hamerenana indray ny hasin’izy ireo, hafatra araka izany no napetrakin’ny Minisitry ny Mponina ho an’ny mponina ao Sofia sy ny manerana ny Nosy :


« Tsy nanenina raha nandresy lahatra ny tokony hanamarihana ny Andron’ny zokiolona eto Antsohihy, satria hita ny fandraisanareo mahafinaritra. Tsy hananatra akory ny tenako amin’ny maha zanaka ahy fa kosa manana adidy amin’ny maha Minisitry ny Mponina ahy ampita hafatra. Misy antony lehibe ny nanaovana ny lohahevitra hoe : Ainga vao ho an’ny fampandrosoana, dia midika fa tsy tokony hadino ny zokiolona. Porofo ihany koa fa tokony hiezaka hatrany, satria mety ny tanjaka sy ny hery no tsy misy intsony, fa ny saina, ny traikefa, ny fanahy mbola misy. Ianareo no Tranom-bokim-pirenena mitahiry ny soatoavina Malagasy, very izahay raha mialangalana na mitazam-potsiny ianareo zokiolona, satria tato anatina taonany maromaro dia lasa tsy nisy hasiny intsony ny zokiolona. Ianareo eto Antsohihy anefa no tena malaza amin’izany hoe : Sojabe izany.

Koa manomboka androany dia matoky fa hivorianareo sy hitafatafana sy hanarana ireo zanaka ny trano iray natolotra izao, ary hitadiavana vahaolana, ka hitaiza ny zanantsika izay hita fa manomboka mivarilavo.

Ianareo tanora kosa dia hita fa diso làlana tanteraka noho ireo hevitra hafa ka tsy hanajana ny zokiolona, ary hita fa raha mbola misy ny tsy fanajana ireny zokiolona ireny dia hikoroso fahana foana ny fiananareo, ary izay maniratsira Ray aman-dreny dia tsy ho lasa lavitra.

Koa tokony hifandray tànana ny rehetra hanaja ny Ray aman-dreny na ara-drazana na ara-panahy hamerenana izay hasin’ny zokiolona ».


Nasian’ny Minisitra tsipy teny ihany koa ny momba ny fanolanana izay heno tato ato amin’iny faritra Sofia iny, ka nilazany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny Ray aman-dreny manoloana izany, fa tokony hivory ary hifampitaizana. Ny zava-misy dia zavatra roa no heno raha vao miresaka an’i Sofia dia ny fanolanana zaza tsy ampy taona, na ihany koa ny fandehanana miasa any ivelany toa ny mankany Liban sy ny firenena hafa, na ihany koa mivaro-tena, ary hita dia mahamenatra izany, satria ny zanakin’ny Sofia tsara, ary ny fahatsarana izany dia hentina ho modely eo amin’ny fiaraha-monina. Tsapa ihany koa fa misy fitsaram-bahoaka ao Sofia. Ny antony, hoy ny Minisitra, dia tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny tompon-draharaha sy ny vahoaka. Koa hangatahana ny fiahian’ny tomponandraikitra ny vahoaka, fa raha ny fitsaram-bahoaka foana no misy dia tsy hisy tafavoaka velona ny tompon’andraikitra rehetra, ka tokony hifandray tànana daholo ny minisitera isan-tokony sy ny tompon’andraikitra tsirairay, mba ho tena mpiahy ny vahoaka marina amin’ny fiainany manontolon’ izy ireo. Hantenaina araka izany, hoy ihany ny Minisitra, fa manomboka ny ampitso dia ho mahafinaritra ny ao Antsohihy.

Na ny Ben’tanànan’Antsohihy, na ny Sojabe na ny Lehiben’ny faritra dia samy naneho ny maha zava-dehibe ity fanamarihana ity, ary ny hamerenana izay hasin’ny zokiolona izay, indrindra ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Navoitran’ireo Sojabe ihany koa ny tokony hanamboarana ny làlana mampitohy an’Antsohihy sy Analalava ary ny làlana ao Bealànana.


Nentina tamin’izao fankalazana izao ny fifaninana maro samihafa toy ny “Diameky” nataon’ireo zokiolona, ny vakodrazana ary ny nofon-kena mitam-pihavanana narahina ny fanolorana ny lakilen’ny trano ahafahan’ireo zokiolona mifampidinika sy miala voly.


Ny 2 Oktobra dia nitsidika ny distrikan’Analalava ny Minisitry ny Mponina, izay nihaino ny feon’ireo vahoaka. Tamin’izany no nitanterany ny tokony hanamafisana hatrany ny firaisankina. Natao tamin’io fotoana io ihany koa ny fanomezana kilalao ho an’ireo ankizy miisa 200, sy ny fanolorana bodofotsy miisa 290 ho an’ireo zokiolona, ary fanomezana ny masinina fanjairana ho an’ireo fikambanam-behivavy.


Fa ny nanaitra ihany koa dia ny fanambarana nataon’ireo mponina tao Analalava, ny fangatahana ny tsy tokony henesorana ny Filohan’ny tribonaly sy ny mpitasara vehivavy iray ao an-toerana: «Tsy hitanay, hoy ireo mponina, izay fahotana nataony fa dia nanao ny asany tokoa izy ireo». Araka izany dia tsy rariny amin’izy ireo ny fanesorana ireto olona ireto.

Ny Minisitry ny Mponina kosa etsy ankilany dia nitatitra fa anjaran’ny vahoaka ny manamafy izay fangatahany izay raha toa ka tena tian’ny vahoaka marina ny hipetrahan’ny tomponandraikim-panjakana toy ireny. Fa matoa voaala eo amin’ny toerany ny olona iray dia midika izay fa tsy fankasitrahan’ny vahoaka azy.

Taorinan’izay moa dia nisy fanolorana moto natao ny Minisitry ny Mponina ho an’ny solontenan’ ny minisitera miasa ao Analalava.

Soratra sy Sary: Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Jeudi, 03 Octobre 2013 18:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO