]
Les quotidiens du 06 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo : Nodimandry i Bebe Razay, renin’i Lalao Ravalomanana

Antananarivo : Nodimandry i Bebe Razay, renin’i Lalao Ravalomanana

Bebe Razay nalaza tsy fidiny ary natao fitaovana politika mihitsy ho an'ny sasany...

Lalao Rakotonirainy, tao anaty raopilanina, sy Bebe Razay fony izy teny amin'ny hopitalin'ny Masera Ankadifotsy

Efa ela izy no tsy salama noho ny taona nandroso. 80 taona mahery izy izao nandao ity tany fandalovana ity (83 taona raha ny tena marina), ny zoma 4 Oktobra 2013 (vakio ny ferapara). Tsy iza izany moa fa i Ramatoa Razaiarivelo Helmine na koa Bebe Razay, renin’i Lalao Ravalomanana, teraka Rakotonirainy. Nalaza tsy fidiny moa izy teo aloha teo satria lasa fitaovana politika mihitsy ho an'ny sasany… Ny olombelona mbola velona ka mihevi-tena ny tsy ho faty - indrindra fa ny mpanao politika sasany sy ny forongony -, avelao hifandramatra eo foana, fa isika Malagasy aloha dia tsy mba miady amam-paty izany, na oviana na oviana. Raha tsy hoe angaha efa tsy misy maha-Malagasy ny tena intsony.

Mandria am-piadanana Bebe Razay

Koa noho ny fahalasan’i Bebe Razay, izahay eto amin’ny www.madagate.com dia miondrika am-panajana eo anoloan’ny nofo mangatsiakany ary maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian-dRamatoa Razaiarivelo Helmine tsy an-kanavaka.

Ho an’ireo vazaha (na tena izy na vazaha taratasy) dia ity ihany no teniko : « Honorer son père et sa mère aide à tenir l'Humanité debout ».

Jeannot Ramambazafy – 5 Oktobra 2013

+ + + + + ++ + +

FILAZANA MANJO

+ + + ++ + + + +

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :

RAZAIARIVELO HELMINE
(Loholona)

Vady navelan’Itompokolahy RAKOTONIRAINY François

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny zoma 04 oktobra 2013

Hoy :

Ny zanany :

Ravalomanana Marc mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Razafintsalama Seth mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rakotonirainy Rajeriarizafy Faly mivady sy ny zanany
Rakotonirainy Harivelo mivady sy ny zanany

Ny taizany :

Rajeriarison Thierry
Rajeriarison Andry mivady sy ny zanany
Razaiarivelo Oninavalona Felana

Ny zafiny :

Tahiry, Thierry sy Sarrah ary ny zanany, Josoa sy Gergana ary ny zanany, Tiaray sy Seheno ary ny zanany, Tojo sy Claudia, Tiana sy Mialy, Jaona mivady sy ny zanany, Tokiana, Tahiana, Miandry, Fannie, Mike Tsara

Ny iray tampo aminy :

Itompokolahy Rajeriarison Rene Parson sy Itompokovavy Ralisoa Jeanne sy ny zanaka aman-jafiny
Rajeriarison Julienne sy ny zanany, vady navelan’Itompokolahy Rajeriarison Aimé
Itompokovavy Rajeriarison Florette sy ny zanaka aman-jafiny
Rajeriarison Noelson mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajeriarison Julien mivady sy ny zanaka aman-jafiny

Ny iray tampo amin’ny vadiny :

Itompokolahy Andrianombonana Germain sy Itompokovavy Rasoamihanta Justine sy ny zanaka aman-jafiny
Itompokolahy Rakotomalala Ernest sy Itompokovavy Rahenrihety Agnes sy ny zanaka aman-jafiny

Ny Fianakaviana manontolo :

Ny Fiangonana FJKM Ambohimanoa Alasora Betesda
Ny Fiangonana FJKM Ambohiborina Fitiavana
Ny Fiangonana FJKM Ambohimandry Famonjena
Ny Fiangonana FJKM Imerikasinina Fanasina
Ny Fiangonana FJKM Tranovato Faravohitra

Ny Fokontany Ambodivoanjo Alasora
Ny Fokontany Manolobony Ambohimandry

Ny nofony dia ho entina hiala ao amin’ny Lot A 7 rue Joel Rakotomalala Faravohitra ny alatsinainy 7 oktobra 2013 amin’ny 9 ora maraina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana FJKM Ambohimanoa Alasora Betesda, alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Manolobony Ambohimandry.

“ Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy ” (Salamo 73. 28 a)

Tsy misy voninkazo, tsy misy fiaretan-tory

 

* * * * * * * * * * * * * * * * * * * *

Inty sy nday: Ny natao no miverina

Tsy dia fomba Malagasy loatra ny mifandatsa, indrindra fa amin’ny fahoriana itrangan’ny fisarahana an-tany. Eo amin’ny raharaha pôlitika anefa dia misy tranga tsy maintsy ifanitsiana sy ifampifehezana.

Ekena fa “tsy miady amam-paty ny Malagasy”, ka raha nisy nahavanona izany dia ny fiainana ihany no manitsy azy.

Manipika izany foto-kevitra izany izahay satria re omaly ny fahalasanan’i Bebe Razay any amin’ny varo-tsy mifody. Bebe Razay, izay tsy zovy fa renin-dRtoa Ravalomanana Lalao.

Ny tsy azo ihodivirana dia tsy maintsy hotanterahina ny fandevenana ny vatana mangatsiakany, nefa tsy eto an-tanindrazana Ingahy Ravalomanana Marc. Izany hoe tsy ho afaka hanatrika akory izany fotoana farany eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka izany.

Dia mitamberina an-tsaina ny zava-nitranga teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 2002 ka hatramin’ny 2008. Maro ange ny mpanao pôlitika nifanohi-kevitra tamin-dRavalomanana teto no tsy afaka nanatrika ny fandevenana ny havany akaiky e! Noho izy ireny sesitany pôlitika tany ivelany no nahatonga izany.

Raha ny marina, tsy dia misy mihevitra ny haninona an-dRavalomanana raha ho avy handevina ny rafozany eto izy fa izy no mahina amin’ny ratsy nataony. Tamin’ny fotoana nitondrany anefa dia izy mihitsy no nandrangaranga ny hisamborana an’ireo mpifanohi-kevitra aminy raha nody teto.

Na inona na inona izany tsy fifankahazoana ara-kevitra pôlitika eto amin’ny ho avy, dia fahamendrehana ny tsy manao ny ratsy mba tsy hahavoatery hitsoaka any ampita rehefa tsy mitana ny fahefam-panjakana intsony.

Tsy ny fandevenana ny havana nodimandry ihany mantsy no mampalahelo raha tsy atrehina fa ny zo maha-olom-pirenena mihitsy no inianao esorinao na tsy ampiasainao, satria matahotra ny nataonao ianao.

Tsetsatsetsa tsy aritra no anipihana fa omaly dia namory vahoaka tao amin’ny kianjan’Ampasambazaha tao Fianarantsoa renivohitra ny kandida miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia ny Dr Robinson Jean Louis, ary nanotrona azy tany mihitsy Rtoa Ravalomanana Lalao, niaraka tamin’ny mpanan-kanto kalaza, ary nampiasa fiaramanidina helikaoptera nanentanana ny mponina, fa tsy feno sasaka akory ny kianja. Nahoana? Satria ny natao hatrany no miverina.

Faralahy - La Gazette de la Grande île, 07.10.2013

Mis à jour ( Lundi, 07 Octobre 2013 08:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO