]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Jean-Louis Robinson : tena ho loza tokoa raha io no lany filoham-pirenena

Jean-Louis Robinson : tena ho loza tokoa raha io no lany filoham-pirenena

Io ilay hoe "candidat favori", sary bakolin-dry Ravalomanana ka asakasakareo (sary MaTv)

Ry mpiray tanindrazana,

Ny fampielezan-kevitra izay tena mihamafana ankehitriny dia ahitana taratra fa tandindomin-doza ny firenentsika.

Tsy miova ny fomba fijerin'ireo mpanao politika fa mbola ny teo ihany no teo.

Nanaitra indrindra ny zava-niseho teny Antsonjombe ny Alahady lasa teo fa raha sanatria ka i Dr Jean Louis Robinson no ho voafidy filoham-pirenena dia i Rtoa Lalao Ravalomanana no ho voatendry ho Praiminisitra.

Na dia manalasala aza ny hahatanteraka izany fomba filazana izany satria tsy dia mifanaraka loatra amin’ny zava-boalazan'ny Lalam-panorenana dia tsapa kosa fa tsy ao am-pon'io kandidà io ny hampiray an'i Madagasikara. Ny merina ihany no ao an-tsainy.

Tsy misy maharatsy izany saingy heverina kosa fa mila fampihavanam-pirenena izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao.

Ny mpanakanto nanafàna ny fotoana teny Antsonjombe dia tsy misy avy any amin’ny faritany fa merina daholo.

Tandindomin-doza ny firaisam-pirenena raha miverina eo amin’ny fitondrana ny mpomba an'Atoa Marc Ravalomanana ka andao samy hanome izay herintsika mba hisakanana azy.

Na inona na inona fiavianao mandray ity hafatra ity, na inona na inona andraikitrao, tsy izany no zava-dehibe fa ny fiarovana an'i Madagasikara mba tsy hivarina any amin’ny ady an-trano.

Misy kandidĂ  32 hafa eo azonao hisafidianana tsara fa aoka kosa isika samy tsy hifidy an'i Dr Jean Louis Robinson sady samy hanao izay tsy handreseny.

Aparitaho amin’ireo namana maro hafa izao hafatra lehibe izao fa aza tazomina ho anao samirery. Iresaho ireo mpiara-miasa, mpiray fokontany, mpifanolo-bodirindrina,havana aman-tsakaiza fa tsy tsangan'olona no zava-dehibe fa ny hiarahantsika rehetra hiaina tsy misy raorao sady lavitry ny korontana.

Afaka ny hanohy milamina ny fiharian-karena isika raha milamina i Madagasikara ka aoka tsy ho voarebirebin'ireo mpanavakavaka ny Malagasy ho merina sy “cîtiers”, andriana sy andevo, protestanta sy ny hafa finoana, sns.

Miankina amintsika rehetra ny hoavin'i Madagasikara.

Masina ny tanindrazana !

MIANDRIARIVONY Fanasina

Antananarivo

MADAGASIKARA

**************************

HAFATRA FARANY


Hifidy isika ny zoma 25 Oktobra 2013. Hifidy ihany ve ka haka ny njola ?


Izay hahasoa ny fiainantsika no aoka hatao fa tsy hifidy tsangan'olona ka hiteraka fahasahiranana vaovao indray.


Malagasy daholo isika hifidy ary malagasy daholo koa ireo kandidĂ  hisafidianantsika.


Tsarovy anefa izay efa nihatra tamintsika tany aloha : navahana ho cĂŽtiers sy merina ny malagasy, navahana ho merina fotsy sady malama volo sy merina mainty sady ngita volo, navahana ho merina andriana sy merina andevo, navahana ho protestanta sy ho finoana hafa,...sns.


Miverina ao an-tsain'ny rehetra fa ny fitondran'Andriamatoa RAVALOMANANA Marc no nahavita izany fanavahana izany ankoatr'ireo halatra samihafa nataony sy ny fampifangaroany ny fananany sy ny fananam-pirenena.


Dia sanatria ve ho hadinointsika ireo zava-dratsy niseho ireo ka handehanantsika mbola hifidy an'i Dr ROBINSON Jean Louis ? SANATRIA anie izany.


Izahay tsy hitarika anao hoe mifidiana an'itsy kandidĂ  itsy na izaroa; ny hany hafatray dia ny hoe : mbola ho betsaka ny olana hatrehin'i Madagasikara ka hitadiavany ny zanany rehetra fa tsy ny ampahany fotsiny.Tsy mety arak'izany ny fanavahana sy ny fampisaraham-bazana ny malagasy.


Araka izany dia andao samy tsy hifidy ny mpanavakavaka, dia ny mpomba ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc. Na izany ho an'i Dr ROBINSON Jean Louis na izany hoan'ireo kandidĂ  hirotsaka solom-bavam-bahoaka.


Misaotra antsika rehetra hitsako sy hisaintsaina izao hafatra izao ary aparitaho ny hafatra fa aza tazomina ho anao irery.


MIANDRIARIVONY Fanasina

**********************************

Io ilay Raveloson Constant mpanao fitaovana ny olona ao amin'ny Magro

Farany : hoy Ingahy Raveloson Constant tao amin’ny Magro, ny 23 Oktobra 2013 :

“ Tongava ary mifidy rahampitso fa miankina aminao ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana”. Ay kosa ? Mazava izany fa ticket fiverenana ho an’i Dada fotsiny ihany ilay N° 33. Mampalahelo e !

******************************************

Inty sy nday: Sitra-po !
Lundi, 28 Octobre 2013 06:16

Vita ihany iny ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena eto amintsika. Ny voamariky ny rehetra dia be ny nimenomenona fa tsy afaka nifidy noho ny tsy fahatombanan’ny lisi-pifidianana.

Ny Ceni-T sy ireo mpiasan’ny fokontany moa no tena lasibatry ny tsikera tamin’izany, kanefa raha ny tena izy dia ny tsirairay mihitsy no tsy nandray ny andraikiny ka izao tra-pahavoazana izao. Efa herintaona naninjitra tokoa no nanentanana ny hoe mandehana manamarina ny anarana ao anatin’izany lisitra izany, kanefa


Nisy ny nilaza fa tsy nanam-potoana, hono, fa sahiran’ny fitadiavana, kanefa tao anatin’izay fotoana lavabe izay ve dia tsy nety ho nahitana, na dia ora iray fotsiny aza ho nankanesana tany amin’ny biraom-pokontany ĂȘ?

Ny tsy nolazaina dia ny hoe tsy dia nino ny nety ho nahatanterahan’iny fifidianana iny ny ankamaroan’ireo “tsy tafiditra” ireo ka tsy noraharahiany loatra izany hoe ho idsan’ny hifidy na tsia izany.

Ankoatra izany anefa dia maro dia maro koa ireo tena tsy nanaiky ny hosoratana anarana tamin’ny fanisana ny mpifidy hatrany am-boalohany. Afaka manamarina izany ireo olona nisahana an’izany fanisana izany, ary nisy tamin’izy ireo mihitsy aza moa no nahazo “vava ratsy” tany amin’ny tokantrano nalehany tany. “Tsy hifidy izahay raha tsy tafaverina i Dada”; “ tsy hifidy izahay satria tsy nahazo nilatsaka Ranona”, afa-tsy ny ompa aza indraindray, sy ny sisa rehetra ĂȘ


Mora ny manome tsiny, saingy mba samy tokony handini-tena kosa angamba?... Raha toa ny isanisany ka nahatsapa ny tena maha zava-dehibe an’izany fifidianana izay ho filoham-pirenena izany dia tsy ho tahaka an’ireny no nisy. Betsaka tokoa ankehitriny no manenina, raha mahita ireo vokatra mivoaka. Ny “tahaka izay
” no miverimberina, saingy izany no tonga amin’ny fitenenana hoe “ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aoriana handatsa”
 dia ny mandatsa tena sisa ĂȘ.

Mampalahelo ny vitsivitsy tsy afaka naneho ny heviny, noho ny “manao zavatra tsy mora”, kanefa dia misy dia misy koa ny voan’ny nataony. Ho azy ireo no ilazana ny hoe “mahaiza mionona ĂȘ”. Ny sitra-po no nahatonga izany!

Lalou (La Gazette de la Grande Ăźle, 28 Oktobra 2013)

Mis Ă  jour ( Lundi, 28 Octobre 2013 08:14 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO