]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo : Olga Rasamimanana no misolo an’i Edgard Razafindravahy vonjimaika

Antananarivo : Olga Rasamimanana no misolo an’i Edgard Razafindravahy vonjimaika

Ramatoa Olga Rasamimanana tao amin'ny "Bazar de Noël" 2013 nokarakain'ny WMG


Ahoana izao ny tena firafitry ny fitantanana eto anivon’ny Kaominina amin’ izao fotoana izao ?

Misy didim-panjakana navoakan’ny Ministeran’ny Atitany ny Alakamisy 28 Novambra lasa teo manila/ manafoana ny fanendrena an’Atoa Razafindravahy Edgard amin’ny maha PDS azy. Irahantsika mahalala moa fa izy dia kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo ary nametraka fialana izy, ka io didim-pitondrana io dia manafoana ny fanendrena azy ho PDS CUA. Io ihany koa no manendry ny tenako ho mpikambana ao amin’ny « Délégation Spéciale » ‘ny CUA ho “1er Vice-Président”.

Raha ny làlana mifehy ny “collectivités territoriales décentralisées”, N° 94008 dia rehefa tsy misy ny ben’ny tanàna voafidy dia “Délégation Spéciale” no mitantana, ka misy ny PDS ary misy ny Vice-PDS anankiroa ka ny tenako izany no « 1er Vice-PDS » araka izay didim-panjakana navoakan’ny Ministeran’ny Atitany izay.

Manao ahoana ny vola entina hitantanana ny Tanànan’ Antananarivo amin’izao fotoana izao ?

Alohan’ny hamaliako an’izay aloha dia tiako ny manamarika fa tsara sy tokony hisy hatrany ny fihaonana aminareo haino amanjery mba ahafahana mifampiresaka ohatra izao.

Amin’ny voalohan’ny herinandro io dia hisy ny fametrahana ny tenako amin’ny fomba ofisialy izay karakarain’ny Ministeran’ny Atitany eto anivon’ny fiadidianan’ny Tanàna, izany hoe amin’ny maha “1er Vice-PDS” ahy. Rehefa tafaverina avy any andafy moa Andriamatoa Minisitry ny Atitany sy ireo “Staff” miaraka aminy no hanaovana izay fametrahana ny tenako amin’ny fomba ofisialy izay.

Ny resaka ara-bola dia eo no tiako hitsiana kely, marina fa hoe somary nisy fahatarana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa teo fa ny “ Directeur des Affaires Financières DAF”’ny Fiadidian’ny Tanànan’ Antananarivo, amin’ny maha “Ordonnateur secondaire” azy dia manana fahefana feno foana izy na ny “Délégation de signature” amin’ny fanaovan- tsonia ny karaman’ireo mpiasa. Ny resa-bola hafa dia PDS irery ihany no manana fahefana raha misy “aménagement budgétaire” izay atao. Iarahantsika mahita ohtara izao ny resaka fandroafana fako izay ekana tokoa fa sahirana ny Tanàna ankehitriny satria tsy ampy ny hoenti- manana sy ny fidiram- bola eto anivon’ny Tanàna, ny “Aménagement de credit” izany izay eritreretina atao, dia tsy misy olon- kafa afaka manao sonia izany afa- tsy ny PDS irery ihany. Ka izao moa izany ny tenako hoe amin’ny maha Vice Président voalohany dia manana fahefana feno amin’ny fitantanana ny raharaha rehetra eto amin’ny Fiadidian’ny Tanànan’ Antananarivo araka ny andininy faha-61 ao amin’ny lalàna 94 008 milaza fa “Raha mbola tsy misy ny PDS en plénitude de fonction dia mandray an’izay tanteraka ny tenako”.

Tsy PDS “par interim” izany ny tenako fa Vice-Président, manana izay plenitude de compétence misahana izay andraikitra rehetra sahanin’ny PDS de la CUA, mandrapaha hisy fanendrena vaovao. Telo no tokony hiara-hitantana eto amin’ny CUA dia ny PDS no voalohany, ny 1er Vice-PDS no faharoa ary ny 2èmeVice-PDS no fahatelo. Raha ohatra moa ny fitondram- panjakana manendry ireo ambiny ireo dia hisy PDS ary raha ohatra ka tsy hisy izay fanendrena izay dia araky ny andininy faha 61 teo dia misahana tanteraka izay andraikitra izay ny tenako.

Iverenako ny resaka fitatanam-bola : Iarahantsika mahalala moa ankehitriny hoe mitobaka ny fako fa efa misy ny ezaka natao tao anatin’ny andro maromaro izay dia tsy maharaka ny isan’ny bacs à ordures eto amin’ny CUA satria 457 isa izy ireny ary eo amin’ny zato eo ihany farafaha- betsany aloha no tratra satria ny gasoil ilaina dia 1.500 l/isan’ andro, izany hoe farafahakeliny izany dia tokony ho 5 000 000 d’ariary ny vola ilaina entina analana fako.

Isan’ny laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ho an’ny Fiadidian’ny Tanànan’Antananarivo ny fanalana ny fako ary efa nisy ny fifampidinihina amin’ny mpamatsy vola omaly niarahana tamin’ny Union Européenne ho fanampiana ny CUA amin’ny fanadiovana ny Tanàna. Ny fitondram- panjakana foibe koa hanao ezaka hanampy ny CUA satria irahantsika mahalala fa tao anatin’izay taona vitsivitsy izay dia tsy nisy ny “subvention”. Misy moa ny “dotation complémentaire” izay 2.000 ariary/mponina tokony omen’ny fitondrana foibe an’ny Kaominina rehetra. Raha manao kajikajy tsotsotra isika ka 1.500.000 no isan’ny mponina eto Antananarivo, hypothèse ambany izany, dia tokony ho 3 milliards ariary izany no ho azon’ny CUA amin’io. Efa tamin’ny taona 2011 anefa no nahazoana farany izany. Izay izany no hoe anantona ny fanjakana foibe koa satria samy mahafantatra isika rehetra fa samy sahirana ankehitriny ka tokony hisy ihany ny famatsiam- bola na fanampiana izay ahafahantsika miatrika ny andraikitra izay tokony raisin’ny Tanàna.

Ny fanalana ny fako aloha izany izao no tena laharam-pahamehana. Faharoa manaraka izany dia fantantsika fa fahavaratra izao sady vaninandro fety, dia efa nanomboka nanao hetsika ny tao amin’ny Polisy Monisipaly amin’ny fampiharana ny lalàna. Raha toa mantsy ka hoe ny lalàna fotsiny no voahaja, ohatra hoe ny “code de la route” dia tokony ho voafehy ireo mpitatitra ireo. Hisy ny fivoriana iarahana amin’ny “Organisme de contrôle”, ny “Commissariat central”, ny “CIRGN” ary nangataka izany any amin’ny Prefet de Police ny tenanay mba hisian’ny fiaraha- mientan’ny tsirairay satria dia mitaraina ny olona hoe vao manomboka ny orana nefa mbola tsy tafiditra amin’ny vanim- potoanan’ny fety akory dia efa adiny firy vao tafavoaka aty ampovoan- tanàna. Izany indrindra koa no hisian’ny fifampiresahana amin’ ireo mpivarotra amoron- dalàna am’n'ny hoe samy te hitady ny tombotsoan’ny tsirairay avy koa mba hajao re ny lalàna.

Ny eto amin’ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna izao dia efa nandraisana fepetra hoe tsy tokony hivarotana satria tokontanin’ny CUA.

Tsikaritra fa be ireo arabe no miha-potika amin’izao vanim- potoanan’ny orana izao. Aiza ho aiza ny mahakasika izay ?

Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Ministeran’ny asa vaventy sy ny Fanjakana foibe hoe manomboka ny orana. Efa tokony tamin’ny volana Septambre no nanomboka ny “Entretien courant” ny eto amin’ny CUA fa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana dia tsy afaka mamorona fa efa ao anatin’ny fijerena izany izahay izao. Izany hoe tokony hiazakazahana ny fanamboaran- dalàna.

Tsara ihany koa ny mampahafantatra anareo fa amin’ny Zoma 13 desambra ho avy izao dia hisy ny famatsiam- bolan’ ny Union Européenne (UE). Omaly moa efa niaraka nivory tamin’ izy ireo ny momba ny fako ka hisy fifampiraharahana. Hitanareo koa moa fa eny amin’ny Canal Andriatany dia tsentsina satria ny APIPA koa dia tsy manambola ankehitriny. Dia hisy izany famatsiambola ho an’ny APIPA sy ny SAMVA ahazoana manao “curage” sy “assainissement” rehetra ka hisy ny fiaingana amin’ny fomba ofisialy miainga eto amin’ny Lapan’ny Tanàna amin’io Zoma 13 Desambra io.

Ho atao ihany koa ny fanadiovana ny lakan-drano rehetra , tsy resaka ara-politika mihitsy izany satria ao anatin’ny vanim-potoanan’ ny fifidianana isika izao, efa ela mihitsy aho no niantso ny DG’ny APIPA fa izao zany moa vao misy fifampirarahana ary tafiditra anatin’ny “Projet de sécurité humaine” izany hoe fiarovana ny maha-olona satria dia tondraka ny eny amin’ny toerana iva rehetra ary mba ho fijerena ny mahaolona dia nanaiky ny hanampy ny Tanàna sy ny APIPA amin’ny fanadiovana ny UE. Atsy ho atsy izany ary mandritra ny volana maromaro dia hiasa andro aman’alina mba tsy ho difitrin’ny ranon’orana sy ny rano maloto ny Tanàna iva ary mba ahazaoana ihany koa ny rano eny anivon’ny tanimbary satria dia tsy afaka tafiditra ihany koa ny rano amin’ ireo “Canal d’irrigation” eny antanimbary.

Mahakasika ny Tana Hand Ball Club (THBC) manokana, inona no antony tsy nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fifaninana tany Seychelles teo? Antony ara- bola ve?

Tokony hiatrika ny fifaninanana tany Seychelles tokoa ny THBC satria izy ireo moa no tompon-dakan’ny ekipa vehivavy teto Madagasikara. Antony maro samihafa no tsy nandehanan’izy ireo niatrika izany fifaninana izany na dia efa nahazo famatsiam-bola ihany aza izy ireo. Tokony ny 30 Novambra lasa teo no nanomboka ilay fifaninanana tany Seychelle dia noho ny fandaminana, ny “billet d’avion” sy ny antony ara-bola dia tsy afaka niatrika izany fifaninana izany izy ireo, sady antomotra loatra ihany koa ilay fifaninana. Tsy dia tena resa-bola fotsiny ihany izany ilay izy satria efa nahazo mpiara-miombon’antoka ry zareo ary efa nisy fangatahana natao ihany koa, fa amin’ny manaraka indray izy ireo mandeha.

Manao ahoana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ Andriamatoa Egdard Razafindravahy? Mbola notazominy ve ilay teniny hoe vonona hiara hiasa hatrany izy na iza na iza handimby azy eo?

Efa Sekretera jeneraly ny tenako tamin’ny fitondrany, amin’ny maha hoe efa teto ny tenako sy ny maha-teknisianina ahy dia fanohizana sy fanatsarana ny asa izay nataon’ny teo aloha, ary araka ny tolo-tanana izay efa nataony moa dia hoe, na ny tenako no teo na tsy ny tenako no teo dia vonona ny hanolo-tanana sy hanome izay traikefa nananany na amin’ny toromarika amin’ny rehetra, ka tsy hanosiboho- tanana amin’izay aho. Ary araka ny nambarako teo dia efa nisy ny fiaraha-miasa nety hatramin’izay fa fanohizana izay natao ary miezaka ny tsy handrarak’ilo mby an-doha. Na hoe izay fanendrena izay fotsiny ary dia marika « confiance » amin’ny tenako ary “défi” ihany koa izany ilay izy satria amin’ny maha-vehivavy ahy fotsiny dia rehefa atao ilay izy dia sahy miatrika an’izay. Enga anie ho tratra ny tanjona izay hotratrarina fa enjana sy mavesatra ny andraikitra.

Ny hoe ara-teknika tsy tokony ho olana fa ny ara-bola foana matetika no olana, ary efa nisy ny paikady hojerena ary izay dia anisan’ny laharam-pahamehana koa ny fampidiram-bola bebe kokoa eto amin’ny Fiadidian’ny tananan’Antananarivo.

Manao ahoana kosa ny fandoavana ny karaman’ ireo mpiasa izay re ny fahatarany ?

Tamin’ny faha 29 ny volana Novambra teo no nandray karama ny mpiara-miasa, na « virement” io na ny « bon de caisse » teny Tsimbazaza. Fantatra hoe sahirana ireo mpiara-miasa, ka filaharam-be ny tontolo andron’ny Zoma teny Tsimbazaza fa efa voaloha daholo aloha izao ny karama.

Anisan’ny laharam- pahamehana ihany koa ny fandoavana ny an’ireo « retraités »’ny CUA, ka izay no angatahanay « subvention » amin’ny fitondrana foibe dia ny hoe mba tolory tanana izahay amin’izany. Eo ihany koa fa hanao ezaka manokana « en interne » izahay ho fampidirana ary ho fampiakarana ny « taux de pression fiscal » ka hanao « annonce » amin’ny fanentanana ny olona hoe mba handoa ny « droit de voirie ». Raha ny « Permis” mivoaka isan-kerinandro dia efa lasa ny « Avis de paiement » rehatra fa rehefa azon’ny olona ny « avis de paiement » dia ohatran’ny hoe efa nahazo fankatoavana izy izany dia tsy mandoa ny « droit de voirie », izany rehetra izany dia tokony ho atao daholo.

Manao ahoana ny fikarakarana ny “Bazar de Noël”?

Androany hariva izahay no hamarana ny fivoriana mahakasika ny fiakarakarana izany miaraka amin’ny “Direction Affaires Economiques” eto anivon’ny CUA ka ho renareo eny ihany ny mahakasika izany tsy ho ela.

Antanananarivo, 4 Desambra 2013

RAHAGA Jean Luc

Directeur de la Communication

Mis à jour ( Mercredi, 04 Décembre 2013 12:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO