]
Les quotidiens du 08 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara RNM: Nodimandry ny 13 Febroary 2014 i Solofo José

Madagasikara RNM: Nodimandry ny 13 Febroary 2014 i Solofo José

SOLOFO JOSE

Toa manomboka mandao antsika daholo izany olo-malaza izany an ! Vao roa taona lasa, 9 Septambra 2012 raha ny marimarina tokoa, no lasa i Lydiary vadiny, dia indro fa nandao ity tany ity i Rakotosolofo Joseph na i Solofo José. Tsy nisy izay tsy naheno azy tao amin’ny Radio Madagasikara, nanomboka ny taona 1972, nidirany niasa tao. Mpamelona tantara mitohy sy tantara indray miseho izy.


Aretin’ny voa (“maladie rénale”) no nahafaty azy androany alakamisy 13 Febroary 2014. Ny 9 aprily 1947 i Solofo José no teraka. Maro ihany ny zavatra nataony teto amin’ity tany fandalovana ity ary ireo dia hipetraka ho an’ny taranaka fara aman-dimby Malagasy rehetra.

I Solofo José dia nampianatra ny taranja Filôzôfia, namelona tantara amin’ny onjam-peo (« théâtre radiophonique”), nandrindra an-tsehatra ilay hoe manao “mise en scène”. Fa mpanoratra ihany koa izy ary anisan’ny nanorina ny Faribolana Sandratra (“Cercle des poètes Malagasy”). Misimisy ireo tononkalony sy lahatsorany fandalinana nivoaka an-gazety sy boky.

Solofo José sy ireo zanany efatra, tamin'ny 9 septambra 2012...

Ao amin’ny fasan-drazana ao Andranovato Itaosy i Solofo José no halevina, ny Alahady 16 Febroary 2014, aorian’ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny fiangonana Ekar Ambatonilita. Izahay eto aminy madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny zanak’i Solofo José sy ny fianakavian’izy ireo iray manontolo.

Fa ny 15 Febroary 2014 dia hiala ao an-tranony ary hafindra ao amin'ny efitrano "Rado" ao amin'ny Tranombokim-pirenena ("Bibliothèque nationale") ny razana, handrasana sy homen-boninahitra farany.

Sary MaTv, nalaina tao an-tranony, ao Ampefiloha, ny 14 Febroary 2014

Ity misy tononkalo nosoratany efa ho 14 taona lasa izay.

SENGE

(Fara veloma ho an’i Senge maty ny 5 desambra 2000)

Dobodobo-beso mamakivaky lanitra
Rindram-peo manga manetsika fanahy

Malefadefa-tsiky rehefa injay mihira
Miredona tokoa ny hira misy azy
Feon’i Senge izay.

Mamohafoha tsiahy ny any Androy any
Mitari-drivo-maina avy ananona any
Hira velom-bolo manainga eritreritra
Dobodobo-beso mamakivaky rahona
Dia mbola i Senge ihany

Heno indray antoandro fa nodimandry izy
Tankina sy gina ireto mpankafy
Hira tsisy sodina na gitara na valiha
Dia ho vita hatreo va re ?
Tsia fa velona eto ihany
Dobodobo-beson’i Senge tsy ho faty.

SOLOFO JOSE (6/12/2000)

************************************************

Le vendredi 27 mars 2009, Solofo José était à Tours (France)

Il y avait fait un exposé sur la philosophie malgache. Voici un compte-rendu.


Joseph Rakotosolofo, connu sous le pseudonyme Solofo José, est écrivain, poète et professeur de philosophie. Il est aussi comédien et metteur en scène. Il a fondé avec ses amis le cercle littéraire SANDATRA qu’il dirige actuellement. Ils ont publié des recueils de poèmes et de nouvelles et des pièces radiophoniques.

Joseph Rakotosolofo pendant son exposé « Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga » (Si les ancêtres ne veulent pas vous bénir, réveillez-les pour arracher des patates).

Il nous a parlé de philosophie à partir des proverbes malgaches (« Ohabolana ») que l’on énonce pour éduquer et conseiller les gens dans la vie quotidienne. Ces proverbes existaient dès le XIVème et ils sont encore dits actuellement dans les discours et les kabary. Ces messages sont dans la mémoire collective depuis des siècles. Il nous en a cités de nombreux, ils proviennent de l’observation du monde ou des comportements humains et sont souvent plein d’humour. (Infos Touraine Madagascar n°06 de mai 2009)

Jeannot Ramambazafy – 13 Febroary 2014

Mis à jour ( Samedi, 15 Février 2014 10:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO