]
Les quotidiens du 19 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Oradour-Moramanga: Tantara marina nosoratan’i Rémi Rahajarizafy

Oradour-Moramanga: Tantara marina nosoratan’i Rémi Rahajarizafy

Rémi Rahajarizafy sy ny bokiny "d'Oradour à Moramanga"

Dia miala tsiny an-dRazoky Rémi Rahajarizafy raha tsy tonga tao aminy « Bon Accueil » etsy Ambatonakanga, ny tenako, ny 20 Marsa 2014 teo, fa tsy dia salama loatra e… Fa tsy nanadino akory, aza manahy, satria samy mpandalina ny Tantara iombonana isika.

 

22 taona ny elanelan-taona misy eo amin’i Rémi sy ny tenako. Izany hoe, efa maro dia maro ireo soratra sy sary voaangony mahakasika ny fotoan-tsaotra nolalovain’ny Firenena malagasy. Ny tena fantratry ny be sy ny maro moa dia ny "13 Mey 1972", boky nosoratany tamin’ny teny malagasy madio. Eto an-katoky ny 29 Marsa ary dia nampisehony tamin’ny mpanao gazety ny boky mitondra ny lohateny hoe « d’Oradour à Moramanga ». Tamin’ity indray mitoraka ity dia teny frantsay no nanaovany azy ary ny Elysée Production no namokatra io boky io.

Fa maninona moa no hoe « d’Oradour à Moramanga » ? Ao anatin'io vidéo ambany io ny valiny.

VIDEO ETO



10 Jona 1944. Olona sivily miisa 642, izany hoe ny mponina rehetra tao amin’ilay tanàna ao Oradour-sur-Glane, any Frantsa no notifiran’ireo mpananim-bohitra Alemà avy ao amin’ny « 1er bataillon, 4e régiment Panzergrenadier Der Führer », sampana iray ao amin’ny « Panzerdividion Das Reich für Waffen SS ». Potika tanteraka koa moa io tanàna io satria nampiasa fiara mifono vy (« tanks ») ny Alemà. Io no vonolona nahatsiravina indray nataon’ireo tafika Alemà tao Frantsa. Nanaitra ny fanahin’ny Frantsay maro io vonolona io, indrindra moa fa nahazo famotsoran-keloka ireo Frantsay « Alsaciens » nandray anjara tamin’io heloka be vava ho an’ny zanak’olombelona (« crime contre l’Humanité »).

Tsy nanadino io daty io ny Filoha Frantsay, François Hollande, sy ny Filoha Alemà, Joachim Gauck, ny 10 Jona 2013 lasa teo


Nanomboka ny taona 1999, dia natao ny fahatsiarovana io vonon’olona mahatsiravina io, ao Frantsa ary nisy mihitsy foibe iray mitondra ny anarana hoe « Centre de la Mémoire d'Oradour », eo akaikin’ilay tanàna izay nokilasina « Monument historique » tamin’ny volana May 1946.

Ny herim-pamoretana Frantsay sy ny fitaovana mahery vaika, tamin'ny taona 1947-1948

29 Marsa 1947. Eto Madagasikara indray dia azo lazaina fa mitovy tamin’io nitranga tao Oradour-sur-Glane io ny zava-nisy. Nisy ny fikomiana ho an'ny Fahaleovantena, ary nisy ny hery famoretana. Tsy hiverenako eto ny an-tsipirihiny fa Malagasy aman’alina no maty ary nitohy nandritra ny herintaona mihitsy. Ao anatin’io bokin'i Rémi Rahajarizafy io ny zava-doza toa ny « wagon Moramanga », ohatra. Indrisy anefa fa mbola tsy mivoaka foana ny taratasy tahiry (« archives ») mikasika io « raharaha » io.

Tsy teto Madagasikara ihany no namono olona ny Frantsay. VIDEO ETO

Eny na dia efa mihaotra ny 50 taona ny atao hoe « délai de prescription », fotoana tsy afahana namoaka izany. Satria tsy maintsy manana ireo « archives » ireo ny fanjakana sosialista frantsay tamin’izany fotoana izany, ary amin'izao andron'ny Filoha Hollande izao. Hanome alàlana amin'izany ve nefa izy... ? Ka dia ho avy indray ny 29 Marsa 2014. Dia hionona amin’ny fametrahana voninkazo eo Ambohijatovo, ery amin’ny Mausolée Andrainarivo sy any Moramanga… Fa aiza amin’izao fotoana izao ny afon’ny Fitiavan-tanindrazana ? Nankaiza ny ambo-po nananan’ireo mpitolona tamin’izany ? Inona no ataon’ireo taranany ? Sa dia mijanona ho tantara fotsiny ihany satria « sarotra ny fiainana » ?

Moramanga, tena foiben'ny fikomiana tamin'ny fanjanahan-tany frantsay, ny 29 Marsa 1947, 67 taona lasa izay. Tsy fanadino mandrakizay

Raha toa izany foana aloha ny masaka ao an-dohan-dRamalagasy velona amin’izao fotoana izao dia ho sarotra kokoa ny fiainan’ireo taranany. Satria ho viravirain’ireo mpanjanaka amin’ny fomba sy endrika afa foana. Ka soa fa nisy mpanao gazety toa an’i Rémi Rahajarizafy, tsy mitsahatra mampahatsiahy fa firenena manana ny maha-izy azy ny Nosy Madagasikara. Fa izao kosa : raha tsara ny hoavin’ny vahoaka dia no izy ihany, ary raha ratsy dia no izy ihany koa. Am-bava omana, am-po mieritreritra, Tompoko.


Ny hahitanareo io boky misy 72 pejy io dia ao amin’ny Tranom-boky Saint Paul, ao aminy « Bon Accueil » Ambatonankanga, ao aminy Ivo’Art 67 Ha, ary ao aminy (« Agence Nationale d’Information Taratra ») ANTA etsy Ambohidahy.

Raha mikasika ny bokiko manokana aloha dia tsotra : rehefa misy olona tena vonona hanohana ka mifanaraka tsara dia hivoaka izy ireo. Satria, amin’izao taonako izao dia tsy te-ho bokan’ny trosa mihitsy aho.

Raha hiverenana kely i Rémy Rahajarizafy dia iza tokoa moa izy ?


82 taona izy amin’izao fotoana izao. Manana diploma mikasika ny filazam-baovao nomen’ny "Centre de Formation des Spécialistes de l’Information" (CFSI), sampana tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, teo akaikin'ny Hopitaly Joseph Raseta ankehitriny. Mpanao gazety tao amin’ny Lakroan’i Madagasikara sy gazety Vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera izay niasany nanditra ny 20 taona (1974-1994). Ny taona 2004 izy no tsy mpanao gazety am-perin’asa intsony (tao aminy radio Tana FM 94.4 no andraikiny farany) fa mipetraka ho mpanao gazety zokiolona toan-dry Daniel Rakotoseheno (Dany Be) sy Moks Razafindramiandra. Tsy mahasakana azy tsy hikaroka anefa izany « fisotroan-dronono » izany.

Inona moa ny antony nanoratany io boky « d’Oradour à Moramanga » io ?

« Nosafidiako io lohateny io satria dia misy hitovizana ny tranga tany sy tao Moramanga sy Mananjary, araka ny notantarain’i Razafimbahiny Rodolphe Aimé nitsanga vavolombelona. Raha ny Alemà no nanao io zava-doza io tany Oradour-sur-Glane, teto dia ny Frantsay. Tsy azo kosehina ny Tantara ary lova hapetrako ho an’ny tanora Malagasy sy Frantsay ».

Ny any mba hafany ho an’ny malala-tànana ? « Dia mbola velona ny mpikaroka momban’ny Tantara dia tokony hampiana fa tsy handrasana ho faty izy… »…

Jeannot Ramambazafy – 24 Mars 2014

Mis à jour ( Lundi, 24 Mars 2014 18:21 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany