]
Les quotidiens du 22 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy

Fidel Alejandro Castro Ruz no tena anarany. Teraka ny 13 aogositra 1926 tao Birán ary nodimandry ny 25 novambra 2016 tao La Havane. Niatra ho dokotera izy ary lasa filoham-panjakana tao Cuba nandritra ny 50 taona latsaka telo taona (1959-2006). Fantaro izy.


Batista, nodimandry an-sesin-tany ny 6 Aogositra 1973 tany Espagne

Teo anelanelan’ny taona 1933 sy 1959 dia Rubén Fulgencio Batista y Zaldívar, na i Batista fotsiny, miaramila no nitondra ny Firenena tao Cuba. Jadona ny fomba nitondrany io firenena io. Anisan’ireo zava-bitany: nasondrony dimy avo eny ny karamany; naatony ny lalampanoreana; naveriny ny fanameloana ho faty ary nataony ho heloka ny zon’ny olona higrevy. Santionany ireo. Nisy misy izany hoe: «Bureau de répression des activités communistes» izany. Mira ny Dgid tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka fa mafy kokoa ny fanenjehana olona itazonana ny toerany.

La Havane. Tranon-doka tamin'ny fitondran'i Batista

Ho azy dia fahavalom-pirenena ny kaominista. Satria tokoa tena nirona tamin’ny kapitalisma fa ho an-dry zareo mpitondra ihany. Nitombo izay tsy izy ny fahantrana. Nanaraka izany kosa anefa ny trano filokana («casinos»), ny fivarotan-tena («prostitution») sy ny hotely raitra dia raitra. Niampy trafikana zava-madomelina. Any ka lasa renivohitr’izany rehetra izany mihitsy ny tao La Havana ary ny mafia avy ao Etazonia no nibaiko. Tao anatina 7 taona dia olona miisa 20.000 no maty vokatr’izany fitondrana tsy refesi-mandidy izany.


26 Jolay 1953. Tratra ry Fidel Castro (eo ankavia indrindra mirefy 1,91m) sy ny mpiara nitolona taminy, ary nohesorina ny volombavan-dry zareo

Teo anilan'izany anefa dia efa nitsangana ry Fidel sy Raul Castro sy ny «Barbudos» (be volom-bava). Ny 26 Jolay 1953 dia nikasa aka ny toby miaramila La Moncada ao San Diego ry zalahy sy mpitolona eo aminy zato. Tsy nahomby anefa izany ka rehefa notsaraina i Fidel Castro dia voaheloka higadra 15 taona any am-ponja ary sazy miatra. Nomena «amnistie» anefa izy ny 15 May 1955. Hoy izy fony izy nivoaka ny fona «ny Tantara no hanome fahamarinana ahy» ("La Historia me absolvera"), ary lasa nanao sesin-tany tao Mexique.

Rehefa nandresy ny tolona tany Cuba dia nandeha tany Bolivie indray Che Guevara nanampy ny tolona tany. Vosambotra izy ary notifirin'ny tafika boliviana nobaikon'ny CIA amerikana. 39 taona izy no maty


Tao no nahitany an’i Ernesto Rafael Che Guevara, mpitolona revolisionera malaza maneran-tany amin'ny alàlan'io sariny ambony io. Tsy nisy ary tsy misy izay tsy mampiasa io sary io rehefa hoe hitolona izany. Nitovy ny fomba fijerin’i Fidel sy Che Guevara. Ny 2 Desambra 1956, niverina tao Cuba indray ry zalahy niampy «Barbudos» miisa 82. Voatosiky ny tafik’i Batista anefa ry zalahy ary 20 sisa no velona, nandositra tany aminy alan’ny Sierra Madre. Anisan’ireo sisa velona i Fidèle, ny ralahiny Raul ary Che. Nanomboka teo ny «guerilla» na ady anaty akata. Ny vahoka ao Cuba kosa dia niombo-kevitra taminy ny ankamaroany.

Manuel Urrutia Lleo (8 Desambra 1901-5 Jolay 1981), nandimby an'i Batista

Nandritra ny roa taona dia nifampitady ny «Barbudos» sy ireo miaramilan’i Batista. Ary tonga hatrany amin’ny ady an-trano («guerre civile») mihitsy raha afohizina ny tantara. Na nanomboka ny 28 Desambra 1958 kosa, maro ireo vahoaka nanampy an-dry Castro mirahalahy any ka nia-nalemy ny fitondran’i Batista satria saika ny tanàna ao Cuba dia azon’ny « Barbudos » daholo. Ny 1 Janoary 1959 ary dia voatery nandositra any Saint-Domingue i Batista, ilay filoha mpanao didy jadona. Io andro io ihany dia niditra tao Cuba ny «Barbudos» aman’arivony. Tapitra teo ny fitondran’i Batista. Notendrena ho filoha vaovao i Manuel Urrutia Lleo ary natao lehiben’ny tafika i Fidel Castro izay natao Praiminisitra ny 16 Febroary 1959.

Fidel Castro sy Nikita Khroutechv tany Moscou

Tamin’izany andro izany moa, nanjaka ny hoe «guerre froide» na ady mankatsiaka ao amin’ny firenena avy any Andrefana («Bloc de l’Ouest») sy ny any Atsinanana («Bloc de l’Est»). Raha tsorina dia ireo firenena miaraka amin’ny Etazonia na «capitalistes», sy ireo miaraka amin’ny URSS («Union des républiques socialistes soviétiques») na koa ireo «communistes». Cuba moa eo aminy 200 kilometatra monja miala ny sisin-tany amerikana ary natahoran’i John F. Kennedy (filoham-pirenena amerikana izay vao voafidy tamin’izany) fatratra izany revolisiona tarihin’i Fidel Castro izany, izay mirona miaraka amin’i Moscou. Inona ny hevitra nampiariny?


Ny taona 1961 dia novoriany ny mpifindra monina Kiobana miisa 1.400 tsy tia an’i Castro ka noraisin’ny CIA ny fanofana azy ireo amin’ny ady ary nomena fitaovana amin’izany. Ny tanjona dia ny fanafiana an’i Cuba ka hanongana ny governemanta napetrak’i Fidel Castro. Izao ny planina matipaika: 17 Avrily 1961 ny daty ary ao amin’ny Bahía de Cochinos («Baie des cochons») ny toerana. Afa-baraka anefa i John Kennedy satria sarona ilay fanafihana ary mazava fa tsy nahomby.Vao maika lasa tian’ny vahoakany i Fidel Castro.


Tsy manaiky izany faharesena izany anefa ny Bekintana ka nanomboka ny 13 Febroary 1962 dia natao fay rano («embargo») i Cuba. Izany hoe tsy misy entana avy ao Amerika sy ireo firenena miaraka aminy, na inona io na inona, mahazo miditra ao Cuba ao. Ny vazaha moa vazaha ihany ary ny tombontsoany ihany no mibaiko ny politikany. Marina fa mifampisakaiza amin’i Moscou i Cuba. Porofon’izany ny nametrahan’ny sovietika toby misy «missiles» afaka mitondra baomba atomika tao aminy. Volana Oktobra 1962: nahare izany ny filoha Kennedy, satria hitan’ireo sampana fitsikilovana anabakabaka io toby, ka entitra ny fanapahan-keviny satria nisy koa fifanarahana natao tany aloha tany mba tsy hifanafika sy hampiasa fitaovana nokleary.


Ny 22 Oktobra 1962 dia nanao kabary ho an’ny vahoaka amerikana ny filoha Kennedy. Izao ny vontoatiny: tsy ekena izany sovietika mametraka fitaovam-piadiana ao Cuba izany. Raha sanatria manafika ny tanàna iray aty Etazonia dia hamaly ry zareo. Nanampy izany fanambarana izany moa ny nanamafisana ny toby amerikana ao Guantanamo, ao Cuba, andefasana ireo mpampihorohoro amin’izao fotoana izao. Ary ambavan’ny ady lehibe fahatelo («3è guerre mondiale») ny Tandrefana sy ny Tatsinanana noho ireo resaka «missiles» ireo. Kanjo moa nihemotra i Nikita Khroutchv, lehiben’ny URSS ary nifanaraka tamin’ny Amerikana va hoesoriny ireo «missiles» ireo fa kosa tsy mahazo manafika an’i Cuba ry zareo.

Didier Ratsiraka sy ny "cigare de... La Havane". Manodidina azy, ankavia mankany havanana: Richard Andriamanjato, Justin Rakotoniaina, Manandafy Rakotonirina et Marojama Razanabahiny, samy CSR ("Conseillers Suprêmes de la Révolution") daholo

Nanomboka teo dia nisintaka tamin’ny rehetra i Fidel Castro. Ny antony? Tsy nahafaly azy ilay fanapahan-kevitra tsy nampahalana azy. Ary dia kaominisma hafa mihitsy ny tao Cuba tao. Teo anelanelan’ny taona 1959 sy 2006 izy no nitondra ny firenena. Filoham-pirenena folo no nifampisolo toerana fa i Cuba dia Cuba ihany. Anisan’ny mpikambana ao amin’ilay hoe «pays non-alignés» izy miaraka amin’i… Madagasikara tamin’ny andron’ny Filoha Didier Ratsiraka izay nitarika ny revolisiona sosialista malagasy.

Ny Papa Ray masina François miresaka amin'i Fidel Castro, ny 21 Septambra 2015

Rehefa nitsahatra teo aminy maha mpitondra azy i Fidel Castro, noho ny toe-pahasalamany, dia ny ralahiny, Raul Castro no nandimby azy vonjimaika («intérim»), nanomboka ny 31 Jolay 2006, alohan’ny nahavoafidy azy ho Filohan’ny filan-kevi-mpanjakana sy filank-kevitry ny minisitra kiobana, nanomboka ny 24 Febroary 2008 ka hatramin’izao nahalasan’i Fidel, zokiny dimy taona.


Ny 25 Novambra 2016 i Fidel Castro no nodimandry tao Santiago de Cuba. 90 taona izy. Raul Castro no nanao ny fanambarana tamin’ny televiziona nasionaly tany an-toerena: «Nodimandry ny komandy lehibe mpitarika ny revolisiona kiobana». In-droa i Fidel Castro no nanambady ary 9 ny zanany. Nanana ny naha-izy azy tokoa izy ary tsy nety nolembenana mihitsy. Eny na dia maro ihany ny nahantra tamin’ny fotoana nitondrany, noho ireo resaka «embargo» io. Nanao jadona ve sa tsia i Fidel Castro? Anjaran’ny Malagasy nandranto fianarana tany (maro izy ireo tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka) ny mamaly izany. Vita ny asany tety an-tany. Ary misy farany ny zava-drehetra, na tsara io na ratsy.

Ho eo ambon'i Cuba mandrakariva ny alok'i Fidel Castro fantatra koa amin'ny anarana hoe "Lider Maximo"

Fa ny Cuba aorian'i Fidel Castro kosa dia firenen-kafa indray, hisokatra amin'ny rehetra. izay ny faniriana. Fa izao aloha dia misaona 9 andro ny firenena kiobana iray manontolo. Ny 4 Desambra 2016 izy no halevina ao Santiago de Cuba. Izay no vita ny amin'ny tantaran'olombelona malaza iray. Ny asany sisa no tsy ho adinon'ny Tantara. Izay daholo no miandry antsika, na malaza na tsia, ary tsy misy hoentina any ankoatra tsy hita maso any na ny ariary aza, ka aza maimaika... Dieny mbola velona ety an-tany dia mba mametraha lova tsara ho an'ny taranaka fa tsy alahelo sy ranomaso ary fomba mamoehatra.

Jeannot Ramambazafy - 27 Novambra 2016

Mis à jour ( Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)