]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

Papa Ray Masina François. Hafatra ho an'ny Vahoaka Malagasy

"Ry rahalahy sy anabavy any Madagasikara.

 

Omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, ho eo anivonareo aho afaka andro vitsy!

 

Dieny izao sahady dia iriko hipaka any aminareo ny fiarahabana avy amin’ny foko, miaraka amin’ny fisaorana amin’izay rehetra efa nataonareo sy mbola ataonareo hanomanana ny famangiako. Misaotra anareo indrindra aho amin’ny vavaka ataonareo, na ny isam-batan’olona, na ao amin’ny fianakaviana na amin’ny isam-piangonana, na koa any amin’ny hopitaly sy any amin’ny fonja.

 

Tsy manam-petra tokoa ny vavaka, ka rehefa tonga any Madagasikara aho, na dia tsy ho afaka hamangy afa-tsy toerana sasantsany aza, dia hahatratra anareo rehetra amin’ny alalan’ny vavaka, ary hitalaho ny Tso- dranon’Andriamanitra hirotsaka aminareo rehetra.

 

Ry malagasy namana malala, ny firenenareo dia malaza amin’ny hatsarana voajanahary, ka noho izany dia aoka isika hilaza hoe “Ankalazaina anie Andriamanitra !” Adidintsika ny miaro sy mikolokolo azy. Fa mbola misy hatsarana hafa izay tena ao ampon’i Kristy sy ny Papa bebe kokoa : dia ny hatsaran’ny vahoakany, izany hoe ny fahamasinanareo!

 

Izany indrindra no antony hahatongavako hankahery anareo amin’ny finoana sady hanovo soa amin’ny finoanareo. Hampahazo antsika io fanomezana io anie ny Virjiny Masina. Misaotra ary mandram- pihaona tsy ho ela!"


***********************************************

Chers frères et soeurs de Madagascar !

 

Avec la grâce de Dieu, d’ici peu de jours je serai parmi vous ! Je désire vous adresser dès maintenant mes salutations les plus cordiales, ainsi que mes remerciements pour tout ce que vous avez fait et faites pour préparer ma visite. Je vous remercie surtout pour votre prière tant personnelle qu’en famille, tant dans les communautés paroissiales que dans les hôpitaux et les prisons. La prière ne connaît pas de frontières, et quand je serai à Madagascar, même si je ne peux visiter que quelques endroits, je vais atteindre tout le monde par la prière, et pour tous j'implorerai la bénédiction de Dieu.

 

Chers amis malgaches, votre pays est célèbre pour ses beautés naturelles, et pour elles nous disons : "Loué sois-tu Seigneur “! Il est de notre devoir de les protéger avec soin. Mais il y a une autre beauté encore plus chère au Christ et au Pape : celle de son peuple, c'est-à-dire votre sainteté ! C'est pourquoi je viendrai vous confirmer dans la foi et en même temps m'en inspirer. Que la Sainte Vierge nous obtienne ce don. Merci et à bientôt !

Mis à jour ( Mercredi, 04 Septembre 2019 17:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety