]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Tambavy CVO. Tandindonin-doza ny ain-dRajoelina

Tambavy CVO. Tandindonin-doza ny ain-dRajoelina

Ny fototry ny olana eo anivon’ny fifandraisana iraisampirenena hatramin’izay ka hatramin’izao, efa 100 taona mahery izao, ka azo ambara fa antony nampipoaka ny Ady Lehibe voalohany (1914-1918) sy ny Ady Lehibe faharoa (1939-1945) dia ny olana ara-toekarena sy olana ara-tafika. Mandrakariva mantsy dia izay tompon’ny fahefana ara-bola no mibaiko ka tompon’ny fahefana ara-politika, ary izay manana ny hery ara-tafika no tsy maintsy iankohofana.

Amin’izao fotoana, resahina ny hoe “miatrika ady izao tontolo izao” amin’ny fisian’ny aretina “Covid 19”. Tena ady io ary nihevitra ny firenen-dehibe hatrany ampanombohan’izy io fa irika iray hanavaozan-dry zareo ny rafitra iraisampirenena indray ny aorian’izao ady amin’ny “Covid 19” izao, na ilay antsoina hoe “nouvel ordre économique mondial”. Misy mihitsy aza moa ny vokatry ny fanadihadian’ny mpanara-maso sasany hoe “na ilay aretina Covid 19 aza dia ry zareo firenen-dehibe tandrefana no namorona azy mba hamonoana ny toekarena sinoa satria tsy zakan’ny sain’ny tandrefana ary tsy levon’ny vavonin-dry zareo ny hahalasa an’i Shina ho firenena mitana ny laharana voalohany ara-tanjaka ara-toekarena atsy ho atsy”.

Itodiho ange ny zava-nisy fa vao nitranga io aretina io dia nataon’ny fampalalam-baovao tandrefana totoafo ny fanasongadina azy fa hoe “loza mananontanona an’izao tontolo izao i Shina noho io aretina io” e! Dia noraisin-dry zareo tandrefana haingana ny fepetra rehetra hanokana-monina an’i Shina mba hahapotika azy ara-toekarena. Raha ny tokony ho izy sy raha ny lojikany dia tokony ho nirazotra tamin’izany ny fihazakazaky ny fandraisan’ny firenena tandrefana ny fepetra hiarovana tena tsy hidiran’io aretina io tany aminy, saingy ny zava-misy no manaporofo fa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny vahoaka sinoa izao ary efa manomboka manarina ny toekarenany ry zareo fa ny tandrefana no mbola tsy afa-bela amin’ny Covid 19.

Ny Gazety Telonohorefy tamin’ireny volana febroary ireny dia efa nanipika fa “main’ny afo natsangany ny firenen-dehibe tandrefana”. Dia mitady ny fomba rehetra hampisongadinana ny tenany ny firenena tandrefana amin’izao fotoana, ka isan’izany ny fiheveran-dry zareo fa tsy maintsy ny voka-pikarohana hitan’ny manam-pahaizana avy any amin-dry zareo no hitondra fanafana amin’io aretina io sy ho fototry ny fanefitra amin’izy io. Nanokam-bola hatramin’ny 7.000 tapitrisa dolara (7 Miliara dolara) mihitsy moa ry zareo, hono, hikarakarana ny hetsika rehetra hahitana an’izany fanefitra sy fanafodin’ny Covid 19 izany. Eo ihany ny fitadiavana fanafody sy fanefitra fa ny tena tanjona dia ny tombom-barotra ho azon-dry zalahy rehefa hita izany. Ry zarero sinoa dia  azo antoka fa efa nahita ny fanafodin’izy io fa mody mangina satria efa tsinjon-dry zareo ny tetika maloton’ny tandrefana. Izay mahasoa ny vahoaka sinoa no imasoany aloha hatreto.

Tsy zakan’ny sain’ny tandrefana tena ary azo ambara fa mahalasa adala an-dry zareo ny nandre fa ny manam-pahaizana siatifika sy mpikaroka Malagasy dia nahita ny tambavy CVO ho fisakanana ny handairan’ny Covid 19 ao anatin’ny tenan’olombelona sy fanafody hanasitranana ny tratran’io aretina io. Marary mihitsy ny sain’ny tandrefana satria ho maty momoka ny volabe 7.000 tapitrisa dolara mahery hoenti-manana ny fikarohana ny fanefitra sy ny fanafodin’izy io, raha hahita. Tsarovy fa ny fanakanan’ny tandrefana ny fampiasana ny fanafody “chloroquine” nanaovan’ny Pr Raoult fikarohana ange ka mbola tafiditra ao anatin’izany tetika maloton’ny tandrefana mba hanaovany ampihimamba ny tombontsoa goavana ao anatin’izao ady goavana amin’ny Covid 19 izao e! Ampitahao fotsiny, ohatra, ny isan’ny olona matin’ity Covid 19 ity any amin’ireo faritany isan-tokony any Frantsa fa ny any Marseille no vitsy indrindra. Nahoana? Satria any Marseille no misy ny foibe iasan’ny Pr Raoult izay mivoy ny maha-vahaolana ny “chloroquine”.

Hitan’ny manam-pahaizana sy ny mpikaroka Malagasy àry ny Tambavy Covid Organics na “CVO”. Mirohotra mankaty Madagasikara ny mpitondra fanjakana afrikana mitady vonjy. Dia mihazakazaka koa ny fianakaviambe iraisampirenena eo ambany vahohon’ny firenen-dehibe tandrefana miezaka mampihorohoro an’izao tontolo izao mba tsy ho sodokan’ny Tambavy CVO avy aty Madagasikara. Matahotra ny ho very tombontsoa ry zareo satria efa namoaka volabe 7.000 tapitrisa dolara sy miandrandra tombom-barotra tsy hita noanoa amin’izay vokatr’izany. Dia indro fa ampiasain’ny tandrefana ireo  rafitra isan-tsokajiny mba hisakanana ny fampiasana ny Tambavy CVO. Niatomboka tamin’ireo teratany Malagasy tsy mankasitraka ny fitondram-panjakana tarihin-dRajoelina eto an-toerana sy any ampita izany. Ohatran’ny hoe i Andry Rajoelina no nahita an’io tambavy CVO io ka poteho.

Toa tsy tsapan’ireny Malagasy sasany ireny fa ny voninahi-pirenena Malagasy sy i Madagasikara no misongadina avy amin’ny fahitana an’io Tambavy CVO io. Dia nahetsiky ny firenen-dehibe tandrefana koa ny rafitra toy ny Vondrona Afrikana (Union Africaine) ka mody hoe “maka toky sy manao fanadihadiana ary nanontany ny masoivohom-panjakana Malagasy eo anivon’ny Vondrona Afrikana ry zareo mba hanome ny taharo sy ny singa nanaovana an’io Tambavy CVO io ary ny tsiambaratelony, sy ny dingana rehetra efa vita momba azy io. Dia indro koa fa nohetsehina ny rafitry ny Vondron’ireo firenena Afrikana tandrefana (Cedeao) ka nasaina niteny fa “tsy izahay Vondron’ny firenena afrikana tandrefana no nangataka an’io Tambavy CVO io tany Madagasikara.

Maromaro tamin’ireo firenena afrikana ao anatin’io vondrona io mantsy no nihazakazaka naka an’io Tambavy io taty Madagasikara ka ny fitondram-panjakana tany amin’izy ireny mihitsy no nandefa iraka sy fiaramanidina manokana nankaty Madagasikara. Mifanindran-dalana amin’izany, efa manao ny fomba rehetra (ambadika) andrahonana an’ireo filohampirenena afrikana koa ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ka milaza fa “hotapahinay ny famatsiam-bola fanome anareo raha maka an’io Tambavy CVO io any Madagasikara ianareo”. Iza moa no tena mpibaiko ao amin’ny “OMS”, hoy ianao? Ny firenen-dehibe Tandrefana, toa an’i Etazonia sy i Eraopa.

Rehefa itodihana ny tantara dia isan’ny mbola tsy levona ao amin’ny fisainan’ireo firenen-dehibe ny vokatry ny hetsi-bahoaka teto Madagasikara tamin’ny 2009, ka mbola izao ampiasain-dry zareo izao indray ireo rafitra nentina namotehana ny hetsi-bahoaka teto hatrizay. Efa nambaranay teto fa mila mailo isika fa na ny Ivon-toerana IMRA aza dia tsy maintsy iaraha-miaro sao potehin’ireo tandrefana ireo amin’ny fomba isan-karazany satria ny IMRA no nahita an’io Tambavy CVO io.

Amin’izao fotoana dia ny fifofoana aina mihitsy no mety hitranga, ka ny ain’ny filoha Rajoelina no voalohany mety hoesorin-dry zalahy satria manohintohina ny tombontsoa ara-bolan’ny tandrefana ny Tambavy CVO, ary ny filoha Rajoelina mihitsy no mijoro mitarika ny fanentanana ny fampiasana azy io, ary lasa mahazo vahana any ampita rehetra any. Mila mailo isika Malagasy, na inona tsy ifankahazoantsika ara-kevitra amin-dRajoelina na inona, na inona tsy itiavantsika azy na inona, aza hadinoina fa endriky ny fitiavan-tanindrazana ny fiarovana ny zava-bitan’ny manampahaizana Malagasy toa io Tambavy CVO io, indrindra fa efa hita porofo ny fahombiazany, ka aoka re, haneho firaisan-kina isika hiara-miaro izany zava-bitan’ny malagasy izany.

Ralay – "La Gazette de la Grande île", 11.08.2020

 

Mis Ă  jour ( Lundi, 11 Mai 2020 10:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety