]
Les quotidiens du 18 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche MADAGASIKARA. ADY AMIN’NY COVID-19. IREO FEPETRA NORAISIN’NY FANJAKANA NOVELABELARAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NY SABOTSY 3 APRILY 2021

MADAGASIKARA. ADY AMIN’NY COVID-19. IREO FEPETRA NORAISIN’NY FANJAKANA NOVELABELARAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NY SABOTSY 3 APRILY 2021

Raha tsy hisy aloha ny fihibohana -izay miankina amin’ny fahatsiarovan-tena sy ny fandraisan’andraikitry ny Malagasy tsirairay ny hiverenany na tsia- dia izao ny fepetra noraisin’ny fitondrana malagasy :

1. Manomboka ny sabotsy 3 aprily 2021 :

Miditra ao anatin’ny famehana ara-pahasalamana ny firenena iray manontolo mandritra ny 15 andro.

2. Tsy azo atao ny miditra na mivoaka amin’ireto Faritra dimy ireto, manomboka ny alahady 4 aprily 2021 ka mandritra ny 15 andro : Faritra Analamanga, Faritra Atsinanana, Faritra Boeny, Faritra Diana, Faritra Sava. Tafiditra amin’izany i Nosy Be.

3. Ao amin’ireo faritra dimy voalaza ireo dia hiatra manomboka ny alahady 4 aprily 2021 ny tsy fahazoana mandeha amin’ny alina, na «couvre-feu», eo anelanelan’ny amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina.

4. Mikatona ny sekoly sy ny oniversite rehetra eto Madagasikara mandritra ny 15 andro, manomboka ny sabotsy 3 aprily 2021. Ny mikasika ny asa fanaovana «digitalisation» ny vatsim-pianarana («bourses») kosa, dia mbola mitohy.

5. Araka ny fifanarahana amin’ny Holafitry ny mpivarotra fanafody («Ordre des pharmaciens»), dia misokatra 24 ora amin’ny 24 ora ny fivarotam-panafody ka ireo fanafody natao hitsaboina ny covid-19 dia tsy ilaina ordonnance. Ny hafa kosa dia tsy maintsy misy izany ordonnance izany.

6. Raha voa marina fa covid-19 no nahafaty ny olona iray dia iny andro namoizany ny ainy ihany no tsy maintsy alevina izy ka tsy mihoatra ny 10 no olona afaka mandeha mandevina azy. Ny fitondrana ny razana dia tsy azo atao ao anaty fiara mihidy fa tsy maintsy ireny «Pick-up» ireny no hitondrana azy.

7. Mikasika ireo sidina amina fiaramanidina: mbola miato ny sidina iraisam-pirenena miditra ao Nosy Be. Raha momban’ny sidina anatiny kosa dia misokatra ivelan’ireo faritra dimy voalaza eo ambony ary tsy maintsy mampiseho taratasy fa nanao fitiliana PCR ny mpandeha ka «négatif» (tsy nahitana soritr’aretina).

8. Momban’ny trano fivavahana (Fiangonana na Mosquée) dia miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fivavahana ao amin’ireo tsirairay fa kosa tsy mahazo mihotra ny 100 ny isan’ireo mpivavaka isaky ny misy lamesa.

9. Ny trano fisakafoanana. Mahazo misokatra fa kosa ny antsasaky ny toerana misy ao amin’izy ireny ihany no azo hipetrahan’ny olona hisakafo ao. Fa raha mikasika ny toerana fisotroana toaka sy ireo fanaovana «karaoke» kosa dia tsy maintsy mikatona mandritra izay 15 andron’ny amehana ara-pahasalama izay.

10. Fisehoana an-tsehatra sy fifaninanana ara-panatanjahantena. Tsy mahazo mihoatra olona miisa 100 ny voalohany. Mikasika ny faharoa indray dia tsy maintsy atao an-kalamanjana ary tsy azo asiana mpijery («huis clos»).

11. Ny tranon fiasanam-panjakana sy ny orinasam tsy miankina dia mahazo alalana hisokatra fa kosa tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana rehetra antsakany sy andavany.

BRIGADE D'INTERVENTION SPECIALE NA BIS : Laharana 914

VAKSINY

Rehefa avy nifampidinika sy nanao fikaroana ny manampahaizana ao amin’ny Akademia nasionaly momba ny fitsaboana (« Académie nationale de médecine ») dia hita sy voamarina ny anaran’ireo vaksiny roa any afaka hiarovana amin’ilay hoe « variant » mahery vaika avy atsy Afrika Atsimo.

Ireo izany no nangatahin’ny fitondrana malagasy hampidirana ao amin’ilay praograma COVAX karakarain’ny OMS (Fikambanana iraisam-pirenena momban’ny fahasalamana). Tsy an-tery ny fanaovana vaksiny fiarovana amin’ny aretina Covid-19 fa safidin’ny Malagasy tsirairay. Ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ary ireo zokiolona sy ireo ilona marefo kosa no ezahana atao vaksiny voalohany rehefa manaiky izy ireo.

Tsy adino fa mampahatsiahivin’ny Filoha Rajoelina ihany ireto manaraka ireto mikasika ny fitsaboana io covid-19 mandripaka ny havan-tsika io :

CTC-19 ao amin’ny Lycée technique Alarobia dia hiverina hisokatra manomboka ny 7 aprily 2021.

Ny CTC dia natao handraisana an-tanana ireo marary misy ny hoe «forme modérée» na fitrangana antoniny ilay coronavirus.

Ny CSB kosa dia natao handraisana ireo marary misy ny hoe «forme légère» na fitrangana maivana ilay coronavirus.

Ho an’ireo marary misy ilay hoe «forme grave» na fitrangana misy fahasarotiny vokatr’ilay coronavirus, dia ireo CHU sy ny hopitaly rehetra no mandray azy ireo.

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy an-tsoratra

Sabotsy 3 Aprily 2021

Mis à jour ( Dimanche, 04 Avril 2021 15:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques