]
Les quotidiens du 18 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara fananan-tany : Tandremo fa Masina ho an’ny Malagasy ny taniny

Madagasikara fananan-tany : Tandremo fa Masina ho an’ny Malagasy ny taniny

Taratasy ho an'ny Solombavambahoaka.

Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara isany.

Voninahitra ho anay fikambanana ato amin’ny Fiarahamonimpirenena ny miarahaba anareo am-panajàna sy manoratra ity taratasy ity, mahakasika ny volavolan-dalàna faha-024/2018 izay hodinihinareo am-pivoriambe amin’ny alarobia faha-30-n’ny volana jiona 2021.

Fanovàna samihafa vao avy notapahan’ny fivorian’ny Antenimieran-doholona tamin’ny faha-22-n’ny volana jiona momba ny Tanin’olontsotra tsy vita titra no votoatin’io volavolan-dalàna io.

Ampahatsiahivina any amin’ny faran’ny dinidinika ny nahatonga ny fisian’ny Tanin’olontsotra tsy vita titra (na Propriété Foncière Privée Non Titrée) ho anisan’ny satan’ny tany napetraky ny Fanavaozana ny Lalàna momba ny Fananantany teto Madagasikara tao anatin’ny lalàna lasitra 2005-019 dimy ambin’ny folo taona lasa izay, fa tonga dia ny fanovàna nentin’ny Antenimieran-doholona teo amin’ny lalàna 2006-031 no aleo hidirana avy hatrany.

Vao andro vitsivitsy izao no tonga teto am-pelatànanay ny votoatin’ireo fanovàna notapahan’ny loholona. Teboka dimy no tsikaritray fa tokony hisintonana ny sainareo Solombavam-bahoaka tompon’andraikitra amin’ny fandàvana na fanekena ity volavolan-dalàna ity. Mirakitra hevitra tsy mifanaraka amin’ny tombotsoan’ny Malagasy ary handrava tanteraka ny zon’ny tantsaha sy mponina any ambanivohitra maro an’isa eto Madagasikara, izay tena sahirana ka miady amin’ny fahantrana efa an-taonany maro, ary indrindra amin’izao fotoana izao io volavolan-dalàna mitondra fanovàna eo amin’ny lalàna 2006-031 io, satria milaza fa :

1. Tsy maintsy nitoeran’ny tompony sy nomaintisiny molaly nandritry ny 15 taona ny tany, ary voasoratra ao anatin’ny bokin-tany, vao azo lazaina fa manana satan’ny Tanin’olon-tsotra tsy vita titra (and. 2, 6).

2. Voalaza amin’ny fomba samihafa ao anatin’ny volavolan-dalàna fa foana ny fiheverana ho tompony ny mponina mipetraka amin’ny Tany fananan’olon-tsotra tsy vita titra. Tsy vao ny lalàna 2005-019 anefa no nanaiky ny zon’ny mponina nitoetra araka ny fomban-drazana ho tompony fa foto-kevitra efa neken’ny lalàna malagasy teo aloha izany. (and. 2, 21, 22)

3. Anisan’ny hevi-dehibe nentin’ny lalàna 2006-031 ny fanokafana ny Birao Ifotony ho an’ny Fananan-tany (BIF na guichets fonciers) eo anivon’ny Kaomina mba ho ny rafitra ao amin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefàna no hitantana ny Tanin’olontsotra tsy vita titra (na PPNT). Andalana maromaro amin’ity volavolan-dalàna ity anefa no mandefa amin’ny fomba samihafa ny fitantanana ny Tanin’olontsotra tsy vita titra any amin’ny sampan’ny Fitondran-draharam-panjakàna momba ny Fananantany (Services Fonciers des domaines) sy hangataka titra any : (and. 3,8, 37, 45, 46, 47). Koa manahy mafy izahay ny amin’ny hahafoana ny andraikitra sy fahefan’ny CTD eo amin’ny fitantànana ny fananatany amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity.

An-tapitrisany anefa ny Malagasy manana tany izay tsy afaka nangataka titra satria lafo loatra ho azy ny vola takian’ny dingana samihafa amin’izany, ary tsy nahavita kara-tany koa satria anisan’ny Kaomina 1.137 tsy manana BIF ny toerana misy azy, na nisy BIF saingy tsy nanana ny ampy hikarakaràna ny ho enti-manana izany na dia kely noho ny takiana amin’ny fanaovana titra aza ny vola ilaina hanaovana kara-tany.

4. Mampanahy fa tsy mazava ny voalazan’ny volavolan-dalàna momba ny fahafahan’ny « personnes morales » toa ny orinasa sy ny fikambanana ary ny vondron’ny Mpamboly hanana zo hahazo karatany : (and. 2, 9, 17, 29)

5. Ny fanontaniana mavaivay mipetraka koa dia mahakasika ny fomba hanombanan’ireo iraky ny Fanjakàna voalaza fa hanamarina raha tena misy olona mipetraka tokoa eo amin’ny Tanin’olontsotra tsy vita titra sy raha manabe voho amin’ny « fomba ampy » (mise en valeur suffisante) ny tompony. Misy ny tsy afaka mipetraka eo amin’ny taniny tato ato noho ny tsy fandriam-pahalemana, misy ny ampahan’ny taona ihany no manao voly samihafa maharitra amam-bolana fa tsy mandava-taona. Ka raha sendra eo anelanelan’ny voly roa no mandalo ny mpanao tombana, ho lasan’ny Fanjakàna ve ny tany ? (and.6, 45)


Tompokolahy sy Tompokovavy Solombavam-bahoakan’i Madagasikara,

Ireo fanovàna ireo dia manozongozona mafy ny FIAROVANA NY ZO TSY VOASORATRA VOALAZAN’NY LALANA LASITRA 2005-019 ARY NAMAFISIN’NY LALANA 2006-031.

Raha sanatria ka lany io volavolan-dalàna io dia hanjary tsy azo antoka fa vao maika harefo ny fiarovana ny zon’ny Malagasy amin'ny fananantany, indrindra fa ireo 80% n’ny mponina miaina ao ambanin'ny tahan'ny fahantrana ka ny tany nolovainy tamin’ny razambeny no mba hany fananana sy fitaovam-pamokarana sarobidy ananany.

Ankoatr’izany, raha vao tsy mahavita fanamaintisamolaly araka ny fiheveran’ny mpiasam-panjakàna azy, dia ho halain’ny Fanjakana ny tany ary homeny izay manambola. Hiverina amin’ny présomption de domanialité stricte, na amin’ny fiheverana fa an’ny Fanjakàna daholo ny tany afa-tsy izay vita titra isika, ka hiverin-dàlana 15 taona ny ezaka natao tamin’ny fanomezana andraikitra ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefàna sy ny mponina any ifotony eo amin’ny fitantanana ny ampahan’ny tany eto Madagasikara.

Farany, raha misy nahazo karatany ny orinasa na vondron’olona mikendry ary efa mahazo tombom-barotra be (à but lucratif araky ny filazan’ny Exposé des motifs azy), dia tokony ho foanana ny karataniny raha hita fa tsy sahaza azy izany, fa tsy tokony hatao faobe ka ho raràna tsy afaka hangataka sy hahazo kara-tany amin’ny anarany intsony eo amin’ny faritra iombonany toa ny tanim-pokonolona, intsony ny fikambanan’ny tantsaha mpamokatra sy ny vondrom-piaraha-monina.

Hiarovana ny zo eo amin’ny fananantany ho an’ny tantsaha sahirana sy kely fidiram-bola tokoa mantsy no antony namoronana ny satan’ny Tanin’olotsotra tsy vita titra tamin’ny fametrahana ny Fanavaozana ny Lalàna momba ny Fananantany (Réforme Foncière) tamin’ny taona 2005. Napetraka ny kara-tany ho taratasy fanamafisana ny zony manoloana ny fahasarotana sy halafon’ny fahazoana titra. Nampanatonina ny tantsaha ny Birao Ifoton’ny Fananantany – na BIF, guichet foncier communal – ka natao eo anivon’ny Kaomina ary ny ray aman-dreny ao an-toerana sy ny mpiara-monina mivory ao anatin’ny Commission de reconnaissance locale no vavolombena avy ao amin’ny fiaraha-monina manamarina ny maha-tompon’ny tany ireo olona mangataka karatany.

Mbola vao 554 anefa ny kaominina manana BIF amin’izao fotoana izao satria niala teto Madagasikara ny mpamatsy ara-bola maro izay nanohana io Fanavaozana ny Lalàna momba ny Fananantany (Réforme Foncière) io rehefa tonga ny kirizy ara-politika tamin’ny taona 2009 raha mbola latsaky ny 500 ny BIF nisokatra ka niato sy niadana be kokoa ny fanokafana BIF taorian’io. Ny zon’ny mponina amin’ny Tanin’olotsotra tsy vita titra anefa dia nekena sy najaina hatrany na tsy nanana karatany aza izy.

Koa tonga manaitra mafy anareo Solombavam-bahoaka izahay Fiaraha-monimpirenana noho ireo antony samihafa voalaza, mba tsy hanaiky ireo fanovàna ny lalàna momba ny Tanin’olontsotra tsy vita titra ireo. Ny Tanin’olontsotra tsy vita titra irery, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 2006-031 tany am-boalohany, no lalàna miaro ny zo fitompoan’ny mponina eo amin’ny taniny araka ny fomban-drazana amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny tantsaha mpamokatra sy ny mponina Malagasy maro an’isa ny fanalàna sy fanitsakitsahana ny zony amin’ny taniny fa vao maika hampahantra azy.

Fanamafisana ny tan-tsoroka ahafahan’ny mpamokatra miaina sy miasa am-pilaminana bebe kokoa no tokony ho entin’ny Solombavambahoaka sy ny mpitondra Fanjakàna fa tsy fanovàna ny lalàna hampitombo ny tebiteby sy ny fahantrana ary ny famoizam-po. Masina ho an’ny Malagasy ny taniny.

Misaotra indrindra anareo, Tompokolahy sy Tompokovavy Solombavam-bahoaka, amin’ny fandraisana ny hafatray Fiaraha-monimpirenena.

Raiso, Tompokolahy sy Tompokovavy, ny haja ambony atolotray anareo.

Antananarivo, faha 29 jona 2021.

Manao sonia :

Alliance Voahary Gasy (AVG)

Birao Ifandraisan'ny Mpampiofana eo amin'ny Tontolon'ny Tantsaha (BIMTT)

CEDII

Collectif Tany

Conseil National des Femmes de Madagascar (CNFM)

CRAAD-OI

Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)

FTMF Vohifiraisana Analamanga

IZARA

JAI Association

MoNEPT

MSIS-TATAO

ONG EFA

ONG FIANTSO

ONG Ravintsara

ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR

RANDRIAMIHAVANA

ROHY

SAF-FJKM

SAHI

Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany (SIF)

Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG)

Union Matanjaka

Mis à jour ( Mercredi, 30 Juin 2021 03:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques