]
Les quotidiens du 18 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche DIDIER RAMANOELINA. NANDAO ANTSIKA OMALY 5 NOVAMBRA 2021 NY ZANDRY NAMAKO SARIAKA LAVA. TENA ONTSA NY FOKO.

DIDIER RAMANOELINA. NANDAO ANTSIKA OMALY 5 NOVAMBRA 2021 NY ZANDRY NAMAKO SARIAKA LAVA. TENA ONTSA NY FOKO.

Aty New York aho no nisy nampandre fa hoe « lasa »  i Didier. « Didier iza dia lasa aiza », hoy aho nanontany. Didier Ramanoelina no valiny.


Didier Ramanoelina ? Izy ilay mpanao gazety tsy dia fantatry ny olona satria tsy be sehoseho fa olona tsotra fanahy, tso-piainana. Zandriko heritaona izy ary maro ny gazety niasany. Mifankalala tsara izay ary ho adinoko mihitsy ny fomba fitsikiny sy ny fomba fihomehiny. Somary misompirana izay.

Ingahy Rivo Rakotovao be hambo-po diso toerana no nampalaza an'i Didier tampoka. Nisy lahatsoratra mitondra ny lohatany hoe : « Les Messieurs du Bois De Rose » nivoaka tao amin'ny gazety « Madagascar Matin » ny sabotsy 12 jolay 2014. Izy io dia mpamaky nanao sonia amin'ny anarana mazava hoe : Mirado RASOLOFOMANANA, Sociologue, no nanoratra azy ary tao amin'ny hoe « Courrier des lecteurs » no nivoaka. Io lahatsoratra io koa avy eo, vetivety dia niparitaka tao amin'ny Internet. Ity ampahany manaraka ity anefa no tsy levon'ny vavon'ingahy Rivo Rakotovao :

(...) Et que dire ce comité interministériel dont tous les membres civils sont des membres actifs du HVM. Il ne reste plus qu’à y intégrer RaBekonetaka (Rivo Rakotovao), un autre porte valise d’Eric Nazaraly sur les affaires douanières du temps où il était Conseiller de Hery Rajaonarimampianina et la boucle est bouclé (...).

I RaBekonetaka moa tamin'izany dia « ministre d’État chargé des Infrastructures, de l'Equipement et de l’Aménagement du Territoire » notendren'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ka dia nametraka fitoriana izy izay niafara tamin'ny fanagadrana tsy nisy atakan'andro an'i Jean-Luc Rahaga, Directeur de publication, sy Didier Ramanoelina, Rédacteur en Chef-ny gazety « Madagascar Matin ». Efa tsy ara-dalana ny mikasika an'i Didier.

Avy hatrany dia nalefa tany Antanimora izy roalahy ary nijanona tao 4 alina sy telo andro. Satria dia ilay Filoha nanendry azy no nanery an'i RaBekonetaka hanala ny fitoriany izany tsy mitombina velively. Izao manaraka izao tokoa no niseho mantsy :

Le 24 juillet 2014, voici la teneur d’un communiqué émanant de la Présidence de la République :

« Sur ordre express du Président Hery Rajaonarimampianina, Monsieur le ministre d’État chargé des infrastructures, de l'équipement et de l'aménagement du territoire Rakotovao Rivo, a retiré sa plainte contre les deux journalistes placés en détention préventive ».

Asa raha izany no atao hoe afa-baraka na tsia. Kanefa dia io olona io ihany no « voafidy » ho Filohan'ny Antenimieran-doholona ka nisolo toerana vonjy maika io Filoha 08% nametra-pialana io. Tantara marina fa hafa.


Izay no nampalaza tampoka an'i Didier Ramanoelina izay mbola nijanona niasa ho mpanao gazety hatrany na dia efa nahatratra ny taona hisotroan-dronono.

Tamin'ny herintaona dia notoloran'ny ministeran'ny Serasera ny mari-boninahitra « Chevalier de l'Ordre national malagasy » izy noho ny asa vitany teto sy ho an'ny Firenena amin'ny maha-mpanao gazety azy ny namako Didier Ramanoelina.

Vitsy anefa no nahalala fa efa nokikisana aretina izy efa ela ihany. Ny fankahitanay farany dia tamin'ny nandevenana ny zokibe Daniel Rakotoseheno tany Ambohimanga, ny 05 septambra 2021.

Mpikambana mavitrika ao amin'ny CJD (fikambanan'ny mpanao gazety zokiolona i Didier Ramanoelina. Anisan'ny namangy aho tao amin'ny Clinique Saint Paul, niaraka tamin’ny mpaka sary Fidisoa Ramanahadray, i Didier, tamin'izaho tratry ny « insuffisance respiratoire sévère » (fa tsy Covid-19 akory) tamin'ny taona 2020 lasa iny.

Lasa i Didier ! Ho entina any Fandriana tanindrazany ny nofo mangatsiakany rehefa avy nandrasana ao Anosisoa Ambohimanarina (jereo ny ferapara asa fady indrindra). Izaho moa dia mbola eto New York ka tsy afaka manatrika izany akory. Malahelo tokoa ny fo fa tsy maintsy mitraka ary indrindra tsy maintsy mijoro mankahery an-tsaina ny vadiny ny ireo zanany vavy roa : Tsy irery akory ianareo telo mianaka sy ny fianakaviana iray manontolo, fa miray fo aminareo ny tenako.

Mandrapihoana Didier a !

Jeannot Ramambazafy

New York, faha-6 Novambra 2021


Mis à jour ( Samedi, 06 Novembre 2021 13:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques