]
Les quotidiens du 08 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ambilobe. 8 marsa 2018. Kabarin'i Andry sy Mialy Rajoelina

Ambilobe. 8 marsa 2018. Kabarin'i Andry sy Mialy Rajoelina

Kabary tao Ambilobe nataon'i Andry Rajoelina, ny 8 marsa 2018

Ambilobe. Akôry arôô !

Ry vahoakan’Ambilobe..

Taona maro tokoa izay no tsy nifankahitan-tsika. Fantatro fa manina ahy ianareo ary ny tenako ihany koa torak’izany, manina anareo tompokolahy sy tompokovavy.

Maro ny zavatra nitranga tao anatin’izay taona nifanesy izay. Nisy ny tafio-drivotra, nisy ny latsa-korana, nisy ny haitany, teo koa ny tondra-drano.

Fa tsy nahasakana antsika izany hametraka ny tanjona izay entintsika hampandrosoana ity firenena malala ity.

Nandritra izay 4 taona izay dia tsy nipetra-potsiny fa nikaroka ny vahaolana rehetra hanavotana an’i firenena ny tenako.

Maro ireo olona tsara sitra-po, mpiara miombon’antoka, efa vonona ny hifanome tànana amin’izany.

Resy lahatra aho fa azo atao tsara ny manova, manorina ary manangana sy mampandroso an’i Madagasikara ao anaty ny fotoana fohy.

4 taona aho no nangina,

4 taona no tsy heno,

Ary raha hanao fitsidiham-paritra aho ankehitriny, dia eto Ambilobe no hisantarako izany. Maro ianareo no mikaika ahy «Mila anao zahay Président, Tongava aty Ambilobe ianao Président», ary indro aho tonga eto anatrahanareo ankehitriny.


Koa arahaba isika rehetra,

Akôry Arôô !

Mbôla tsara éé .. !

Ankehitriny dia vonona isika amin’ny tolo-kevitra, paikady ary vahaolana mahomby ho fanavotana an’i Madagasikara.

Anareo Paré, Za koa Décidé…

Koa tonga aho hiaino, hifampitafa sy hidinika aminareo, satria Jerin’ ôlômaro mahataka-davitr’e!, ao anaty ny IEM («Initiative pour l’Emergence de Madagascar»).


Tsy kisendrasendra fa nosafidiana manokana ny andro anio ahatongavako eto Ambilobe.

8 marsa andron’ny vehivavy ny androany.

Koa rehefa nampitondra hafatra ianareo fikambanam-behivavy, nandefa taratasy amin’ny fanirianareo hankalaza izany andro izany; ary niantso, dia tsy nisalasala aho na dia iray minitra aza, fa dia nanaiky, ary tonga miaraka aminareo eto ankehitriny satria misy lanjany lehibe amiko ny vehivavy.

Ato am-poko ianareo vehivavy rehetra tsy an-kanavaka, fa indrindra ianareo manangy eto Ambilobe.


Ianareo reny nitondra vohoka (nitôndra vôtraka), ianareo reny niteraka nitaiza sy nanabe, eo koa ianareo mbola mpitovo,

Arabaiko manokana ianareo rehetra tratry ny andro androany.

Manan-danja manokana ianareo reny satria :

Ianareo no maha firenena ny firenena.

Ny teny hoe FIRENENA dia manana foto-teny hoe RENY.

Ny fototra iorenan’ny firenena sy ny fianankaviana izany dia ny RENY sy ny vehivavy.

Noho izany dia tena manana ny toerana manokana ianareo eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Raha tiantsika handroso ity firenen-tsika ity dia ny vehivavy no tokony omena ny sehatra sahaza azy.

Efa nanomboka an’izany aho satria amin’ireo mpiara-miasa amiko akaiky, dia ny vehivavy ny maro an’isa.


Ny antoko politika izay manana Deputé vehivavy betsaka indrindra dia ny MAPAR. Mitsangana ianareo. Vehivavy mahavita azy ireo.

Ny sekretera nasionaly efatra amin’ireo enina ao anivon’ny TGV dia vehivavy avokoa.

Ny Mpandrindra an-kapobeny ny MAPAR dia vehivavy.

Ianareo vehivavy rehetra, vonona ny hampandroso ity firenena ity, miantso anareo aho hifanome tànana amiko.

Koa ianareo vehivavy rehetra tia mandray andraikitra liana amin’ny Fampandrosoana, mitsangana, mijoro izay tena vonona.

Koa ianareo vehivavy rehetra, ianareo vehivavy rehetra vonona, ianareo vehivavy rehetra manatrika eto dia atsangano ny tànana. Tena vonona ?.. Ataovy tànana roa .. !


Fa misy vehivavy tsaroako manokana androany… !

Dia vehivavy izay teo akaikiko mandrakariva.

Na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra, fa indrindra fitsapana nosedraina nandritra ireo taona maro izay.

Tsy eto izy fa any ivelany any. Fantatrareo ve hoe iza izany ?

Tsy iza izany fa i Ramatoa Mialy vadiko.

Ary izy no naniraka ahy ho aty aminareo androany hitondra hafatra ho anareo eto Ambilobe sy ho an’ny vehivavy rehetra eran’i Madagasikara ihany koa.

Mahatsiaro anareo hono izy, ary tsapany tsara tokoa ny iainanareo vehivavy any an-tokatrano rehetra any.

Mahatsiaro manokana anareo vehivahy rehetra, izy amin’izao 8 marsa izao, ary indrindra ireo izay miaina ao anaty ny fotoan-tsarotra.

Be kibo hono izay miteli-kafatra ka izaho tsy te ho be kibo. Fa mbola misy hafatra lehibe nampitondrany ahy, ka tianareo ho henoina izao ve izany hafatra izany..

Henoy ary !


Mialy Rajoelina, Filohan’ny PAESFA. Kabary 8 marsa 2018 norenesina tamina horonam-peo.

Mbôla tsara eeee !

Fifaliana ho ahy no miarahaba anareo tratry ny 08 MARSA2018, andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy.

Matoa mbola omen’Andriamanitra ny tombon’andro isika dia satria misy adidy miandry antsika eto amin’ny firenena.

Amin’izao andro izao dia mahatsiaro manokana ireo Vehivavy mandalo fotoan-tsarotra ny tenako.

Mafonja ny adidy masina miandry antsika, nefa tsy nikely soroka isika Vehivavy, na eo anivon’ny tokantrano na eo anivon’ny firenena.

Manana anjara manokana eo anivon’ny fiaraha-monina isika Vehivavy. Ary raha amin’ny tenako manokana dia amin’ny maha Filohan’ny PAESFA («Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance»), izay fivondronan’ireo Firenena Afrikana Miaro ny Tontolo iainana amin’ny alalan’ny Fampiasana Angovo fandrehitra Vaovao «Ethanol» izay hisolo ny arina saribao sy ny kitay.

Ny «Ethanol» dia angovo madio, azo avy amin’ny fary, na ny mangahazo, ary indrindra miaro ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Koa am-pitiavana sy an-kafaliana no hilazako aminareo fa eto Ambilobe no ajoro ny «Usine» voalohany, amin’ny Tetikasan-tsika, izay hamokatra izany «Ethanol» izany.

Ambilobe izay toerana ahitana voly fary be indrindra eto Madagasikara, ary mbola hampitombontsika ny velaran-tany ho volena. Ary hampitombo ny asa isika eo amin’izany sehatra izany.

Raisin-tsika vehivavy eto ny andraikitra hanova ny fenitra fandrahoana ny sakafo ao an-tokatrano, amin’ny alalan’ ny angovo madio, sady mirary ny vidiny no hiteraka asa maro ho antsika afaka volana vitsy.

Miravoa sy mifalia fa andronao anio ry vehivavy malagasy, dia mirary soa sy fahombiazana ho antsika rehetra.


Mialy Rajoelina,

Filoha Mpanorina ny Association Fitia Madagascar

Filohan’ny PAESFA

08 marsa 2018


Araka ny voalazany teo ary dia apetraka eto Ambilobe ny «Usine» hanaovan-tsika ny «Ethanol», koa eo ianao Monsieur le Maire.

Maika hiasa isika, ary efa dodona amin’ny hisitraka izany ny vehivavy sy ny mponina eto Ambilobe, satria ny antsika dia asa fa tsy Kabary.

Mankasitraka Tompokolahy, Mankatelina Tompokovavy.

Ambilobe, 8 mars 2018

Andry Rajoelina

Filohan’ny Tetezamita 2009-2014

Mis à jour ( Vendredi, 09 Mars 2018 06:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO