]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina: Hafatra mafonja hitoetra eo amin'ny Tantaram-pirenena

Andry Rajoelina: Hafatra mafonja hitoetra eo amin'ny Tantaram-pirenena

Les paroles s’envolent mais les écrits restent. Aussi l'Histoire d'un pays et de ses dirigeants doit être transmise non pas comme des contes, des légendes, des histoires à dormir debout sans preuve concrète, mais avec des mots écrits qui traverseront l'Espace et le Temps et resteront l'héritage des générations futures. Ny dikan'ireo dia izao manaraka izao :

Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ny tiana ambara amin'io ohabolana io dia izao: tsy azo ampitaina toa angano na tantara valamaty tsy misy porofo ny Tantaram-pirenena sy ny an'ireo mpitondra nifandimby, mifandimby ary mbola hifandimby, fa tsy maintsy soratana hatrany hatrany, ka tsy misy ovana na anaovana fifandraisana amin'izay tiana hivoitra ("interprétation" mazàna diso sy maloto). Tsy mendrika antsoina Firenena koa ny firenena tsy manana Tantara voarakitra an-tsoratra. Ireo soratra ireo no haharitra mandrakizay ka ho lova ho an'ny taranaka amin'izao vaninandro izao sy ireo mbola ho avy.

Tsy voatery zavatra tsara foana anefa no voarakitra an-tsoratra. Kanefa tokony miala avy amina zava-nisy marina mba hanitsian'ny mpitondra ny fomba hitondrany ny Firenena iray. Amin'izao andron'ny teknolojia vaovao izao moa dia toa vorona azon'adala tokoa ny Facebook ka dia samy manoratra izay saim-pantany daholo, indrindra ireo atosiky ny fankahalana sy ny halako bika tsy tiako tarehy. Ny tantara anefa dia manome porofo fa ireo "Malagasy" izay avo vava rehetra dia levona tsy hita intsony avy eo. Samia manana tadidy fa tsy ivalamparako eto izany.

Ny mampahonena dia ireo miseho ho Malagasy monina ao Frantsa (10.000 km avy eto Madagasikara!) no miseho mahalala ny zava-misy. Ohatra amin'izany ry Fleury Ernaivo manao sesin-tany ny tenany satria tsy madio fo sy saina ary fanahy ka manohy ny asa ratsin-dry Rasanjy sy Gallieni mitambatra... Vidéo no fampiasany. Dia mionona amina tatitra omena tera-tany eto an-toerana ka mazava fa resa-bola matoa tsy mifaranaka amin'ny zava-mitranga foana ny sora-be ataon-dry zareo ao amin'ny pejiny Facebook. Fehiny: misy farany ny zava-drehetra toa ny nataon'i Ramatoa Claudine Razaimamonjy izay voasazy 10 taona asa an-terivozona. Iza moa no tena nanenjika azy io fony Filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara Malagasy ? Ary iza tokoa moa no nanangana io CENI torian'ny antoko TIM amin'izao fotoana izao? Misy tena mahay mandrora mitsilany mihitsy e!

Izany rehetra izany dia efa voasoratra ho an'ny Tantaram-pirenena. Ary ireto manaraka ireto kosa dia ho tadidin'izany Tantaram-pirenena ihany koa, dia ny hafatra mafonja noraisiko an-tsoratra ("extraits") avy tao amin'ny kabary nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny CCI Ivato, ny 11 Desambra 2019. Izany dia tafiditra tao amin'ilay "Dinika Nosy Malagasy: Ampitao ny hevitrao". Izay no ela fa tafiditra ao anatin'ny Tantaram-pirenana malagasy tokoa ireto manaraka ireo.

Jeannot Ramambazafy

*********************************************************

VIDEO ETO

"(...) Ny fiteny hoe "diviser pour mieux régner" (Ttf : Zarazarao hanjakana. Politika fisaraham-bazana napetrak'i Joseph Gallieni nanomboka ny taona 1896) no mbola mahatonga ny firenen-tsika ho toa izao, amin'izao isika miteny izao. Hanova izany isika. Izao anefa isika dia mahita taratra sahady izany endrika fampizarazana an'ny Malagasy izany. Ary izay no mahatonga aho miteny anareo (Ndlr: nanatrika tao) hoe : Malagasy Tia Tanindrazana. Isaorako manokana an'ny Filoha Didier Ratsiraka. Andao hifanampy, andao hifanome tànana fa rehefa miray fo, miray saina isika, milaza aminareo aho fa tsy maintsy ho tratra ny tanjona ary tsy maintsy ho tafita i Madagasikara (...)".

“Ny fotsy, ny mena, ny maitso, lokon'ny sainam-pirenena malagasy. Izay no mampiray antsika. Koa andao hifanome tànana ry Malagasy havako ô! Ekenareo izany sa tsia (Ttf : nanakoako ny feo mihiaka hoe "Eny"). Asio tehaka mafy be ary. Ho tanterahan-tsika ny hafatra nomen'ny zokin-tsika nitolona tamin'ny taona 1947, tamin'ilay hira noforonin-dry zareo tany amin'ny sesi-tany tany hoe : “mitsangana ry tanora, mitsangana fa aza manana ahiahy; izao no andro sady ora, mijoro sahia ho lehilahy”. Na tanora, na zokiny, na lehilahy, na vehivavy, na avy aiza ianao na avy aiza dia sahia mandray ny andraikitra tandrify azy fa adidy lehibe manoloanan'ny Tantara no atrehin-tsika ankehitriny.

Ny harena no apetran-tsika ho lova an'ny taranaka no arovan-tsika ankehitriny, mba ho afaka hirehareha koa ireo taranan-tsika any aoriana fa nahay niombona ary sahy nijoro isika ray aman-dreny ankehitriny. Tsy nanaiky ho zarazaraina fa nampiraisan'ny ambom-pom-pirenena sy ny fitiavana Tanindrazana.

Ry Malagasy namana,

Fantatro fa maika isika, kanefa tsarovy fa araka ny voalaza dia ny hoe : na mangetaheta toa inona aza, ny rano mangotraka tsy mba fisotro. Ary ankehitriny dia iaraha-mahalala fa tsy mbola tanteraka ary tsy mbola notanterahana ny fanapahankevitry ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1979. Izany hoe 40 taona aty aoriana dia ireto isika mianakavy eto indray. Pejy vaovao izao no misokatra ho an'ny Firenena. Izaho milaza aminareo ary eto aho mijoro ho vavolombelona ho ren-tany ho ren-danitra fa tsy azon-tsika izao ireo Nosy ireo. Isika kosa anefa tsy naman'ny resy, tsy naman'ny mihemotra, noho izany tsy maintsy mandresy ary handresy ny Malagasy amin'ny rariny sy ny hitsiny.

Ny tiako ho lazaina dia izao : tsy ho moramora ny famerenana ireo Nosy ireo; tsy ho mora ny dingana hamerenana izany; tsy ho mora ny lĂ lana ho diavina hahatongavana amin'izany tanjona kendrena izany, satria efa tamin'ny taona 1960 no tokony hiverina amintsika ireo Nosy ireo e! Na farafahakeliny na farafaharatsiny tamin'ny taona 1979 dia efa tafaverina, efa vitan-tsika noho ny tetik'ady tokony napetraka hatramin'izay. Fa ny voalohany afahan-tsika mandresy dia ny Firaisankina mba tsy ho vaky isika Malagasy. Izay ny zavatra voalohany.

"Aoka isika tsy hanao toa ireo Malagasy sasan-tsasany izay tamin'ny nanampy ny Barea teny amin'ny Père Pedro ny tena, dia nilaza hoe: tsy aleho ve omena ny 4'amis ny vola toa izay omena ny Barea!? Tao ny sasany no nanao fanamby tamin'ny match voalohany. Nanao fanamby fa tsy hampiditra baolina ny Malagasy. Dia hoy aho hoe: aiza ary izany? Ahoana ary izany? Izany hoe isika Malagasy ihany no tsy manohana ny maha-Malagasy antsika! Isika Malagasy ihany no manohatra ny ekipan-tsika! Isika Malagasy ihany no manohatra ny mpitondran-tsika tsy hahatongavany amin'ny tanjona izay ilaina. Tsy nisy nanampy ny Filoha Didier Ratsiraka tamin'izany, nangataka hoe: mba ampio aho. Ary misaotra ny Filoha Didier Ratsiraka tonga eto manamarina izany fa tsy maintsy mandroso isika ary firaisankina izany !

Izay no teneniko hoe: ajananony any ny hevitra tsy mitovy, amin'ny resaka politika, fa andao hiroso ho an'ny taranaka fara aman-dimby. Rehefa azon-tsika io dia reharehan'ny taranaka any aoriana. Isika rehetra izao dia samy mametraka ny fitombo-kasehan'ny daholo hoe nandray anjara tamin'izany fiadivana sy ny famerenena ny zon'ny Malagasy mikasika ireo Nosy Malagasy.

"Ka noho izany dia homen-tsika ireo manam-pahaizana sy ireo diplomaty ny anjara toerany eo amin'ny dinika mbola hatrehina (...). Eo aho dia misaotra anareo rehetra nandray anjara tamin'ny dinika natao teto. Misaotra ihany koa anareo enina mirahalahy mianaka mikaon-doha misolo-tena ny Malagasy amin'ny fampidinihina mikasika ireo Nosy Malagasy ireo, ny Komity izay tarihin'Andriamatoa Praiminisitra. Koa omen-tsika Malagasy azy ireo ny fanohanana sy ny firaisam-po mba hiatrika an'izany ady mafy izany.

Androany 11 Desambra 2019 no nametrahana ny datin'ireo fehin-kevitra mikasika ireo Nosy Malagasy ireo. Tsy kisendrasendra ny daty androany satria mierina amin'ny androany ity tokoa ny nametrahana ny fijoroan'ny Repoblika faha-efatra (Ndlr : 11 Desambra 2010 teny Iavoloha). Ary ny teny filamatra napetra-tsika tamin'izany dia ny hoe: "Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana". Mavesa-danja ny voalohany satria raha tsy misy ny Fitiavana Tanindrazana tsy afaka handroso isika.

VIDEO ETO

"Tompokolahy sy Tompokovavy,

Malagasy aho, Malagasy ianao, Malagasy isika rehetra. Koa andao hiara-hanolo-tena ho an'ny tanindrazana. Tsy handraraka ilo mby andoha isika ry Malagasy koa andao anao fanamby: andao hampian-tsika ireo solontenan-tsika ary andao ataon-tsika ho feno ny fandrianampirenena ho an'ity Madagasikara malalan-tsika ity. Mitsangana ry Malagasy! Mitsangana ry Tanora! Mitsangana f'aza manana ahiahy! (...).

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy”.

Lahatsoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", ny Sabotsy 14 Desambra 2018

Mis Ă  jour ( Samedi, 14 DĂ©cembre 2019 09:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety