]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina, 22.03.2020. Niampy olona 9 vaovao indray no mitondra ny Covid-19 eto Madagasikara

Andry Rajoelina, 22.03.2020. Niampy olona 9 vaovao indray no mitondra ny Covid-19 eto Madagasikara

Ry Malagay mpiray tanindrazana,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Raha toa ka tamin'ny valo ora no notondroina fa hitafa aminao ry Malagasy namanako, dia amin'izao ora izao (23h15) vao afaka manao izany. Ny antony dia mbola niandry ireo antontan'isa farany izay avy any amin'ny Institut Pasteur sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamana. Koa manoloanan'ny fivoaran'ny toe-draharaha mikasika ny coronavirus eto amin'ny firenena, dia nandray y Filoham-piangonana rehetra aho, ao anatin'ny Fiombonam-ben'ny Fiangonana Kristianina eto Mafagasikara ny tenako omaly. Ary nihaona ihany koa tamin'ireo lehiben'ny andrim-panjakana izay mandrafitra ireo andrim-panjakana eto amin'ny Firenena. Ary nizara ny mikasika ny fivoaran'ny coronavirus eto amin'nyFirenena ny tenako.

 

Rehefa nifampizara ny zava-misy tamin'ireo Filoham-piangonana ao anatin'ny FFKM ny tenako, dia nanapak'hevitra izy ireo fa hanidy ny fiangonana rehetra manerana ny Nosy; ary rehefa ihany koa niantso sy naka ny hevitry ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Filohan'ny Antenimierampirenena sy ny Filohan'ny Fitsarana avo momban'ny Lalampanorenana ny tenako omaly, dia nanambara amintsika vahoaka malagasy fa noraisiko ny fanapahan-kevitra mampiditra antsika ao anatina vanim-potoana manokana na ny situation d'exception nanomboka omaly hariva. Koa ambarako ampahibemaso ary fa ho apetraka ao anaty Ă©tat d'urgence sanitaire ny Firenena malagasy.

 

Izany dia afahan-tsika mampihetsika avy hatrany ny sampan-draharaha rehetra amin'ireto sehatra izay tanisako aminao ireto na ny marimarina kokoa dia afaka manao ny réquisitions na amin'ireo sehatra miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana izany. Anisan'izany :

ny famatsian'entana;

ny rano sy ny angovo;

ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly;

ny fifandraisan-davitra na ny télécommunications;

ny haino aman-jery;

ny banky isan-karazany

ary tafiditra ao anatin'izany koa ny fanadiovana na ny service de voirie.

Ary indrindra indrindra ny fanahara-maso ny volam-panjakana;

ireo sampan-draharaha rehetra afahan-tsika miatrika izao vaninandro iatrehan-tsika ity valan'aretina ity izao.

 

Ry Malagasy mpiray tanindrazana.

Efa nilaza taminao aho fa ho atao mangarahara ny fampanfantarana ny fivoaran'ny toe-draharaha mahakasika ity coronavirus ity eto amin'ny tany sy ny firenena. Noho izany dia ny marina ihany, ny marina hatrany no tsy maintsy ho zaraina sy ho lazaina aminao ry vahoaka malagasy mpiray tanindrazana.

Koa raha tamin'ny zoma lasa teo, raha olona telo no voamarika fa nitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto Madagasikara, dia anio alahady 22 marsa 2020 dia miampy olona sivy vaovao indray no voamariky ny Institut Pasteur fa mitondra ilay otrik'aretina coronavirus.

1. Koa ny iray amin'ireo olona ireo dia vehivavy malagasy, 61 taona, tonga tamin'ny alakamisy 19 marsa avy any Frantsa ary nandeha tamin'ny zotra Air France AF 934.

2. Ny olona faharoa amin'izy ireo dia mbola avy any Frantsa ihany koa, nandray ny zotra AF 934 ihany, ary vehivavy 58 taona.

3. Ny olona fahatelo dia lehilahy malagasy, 60 taona, tonga tamin'ny alakamisy 19 marsa avy any Frantsa ihany koa ary mbola nandray io zotra Air France AF 934.

4. Ny olona faha-efatra dia lehilahy teratany frantsay monina eto Madagasikara, 60 taona, ary mbola nandray ihany koa io zotra AF 934 io ihany koa.

5. Ny olona faha-dimy dia vehivavy malagasy, 54 taona, niaraka tamin'io zotra AF 934 io tamin'ny 17 marsa kosa.

6. Ny olona faha-enina dia lehilahy 55 taona, teratany gineana, fa monina sy miasa eto Madagasikara tonga tamin'ny vol AF 934 tamin'ny 19 marsa 2020.

7. Ny olona faha-fito dia Malagasy, vehivavy, 43 taona, tonga tamin'ny vol AF 934 ny 19 marsa 2020.

8. Ny faha-valo dia lehilahy 44 taona, tonga tamin'ny tamin'ny AF 934 ihany koa na ny Air France, tamin'ny 19 marsa 2020.

9. Ny olona faha-sivy farany dia 58 taona, mbola tonga tamin'ny AF na Air France izay mitondra ny laharana 934 tamin'ny 19 marsa 2020.

 

Noho izany amin'izao ora hitenenako izao, dia olona 12 no voan'ny valan'aretina coronavirus eto Madagasikara.

Efa voaray an-tĂ nana tanteraka izy ireo ary efa harahi-maso tsy tapaka eny anivon'ny toeram-pitsaboana natokana ho an'izany, ary marihiko etoana fa tsy misy na dia olona iray aza namoy ny ainy amin'izao ora sy fotoana iresahan-tsika izao.

Izay ny nolazaiko hoe tokony hanome fampalalam-baovao ary tsy maintsy amin'ny fampalalam-baovao ofisialy tahaka ny fanambarana toa izao ihany, no vaovao mari-pototra, tsy afenina ary mangarahara hampitaina amin'ny vahoaka malagasy tsy vakivolo. Tsy mety ary aoka izay ny fampielezana vaovao tsy marina sy ny fampiorohoron-tsaina, indrindra fa ny saim-bahoaka izany.

Isika dia, tsara ho fantatrareo ry vahoaka malagasy, miara-miasa tanteraka amin'ny Institut Pasteur de Madagascar. Ary izanydia eo ambanin'ny fiahiana sy ny fanaraha-mason'ny OMS na ny Organisation mondiale de la Santé izay mijery, manaraka ny fivoarana sy ny fitiliana an'ity valan'aretina ity, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao.

Marihiko fa tsisy zavatra afaka afenina mikasika ity valan'aretina ity satria avy any amin'ny Institut Pasteur avokoa ny valin'ny fitiliana rehetra ary izay dia taran-tsika ary arahin'ny OMS akaiky araka ny nambarako aminareo teo. Eto aho dia milaza aminareo fa misy ihany koa ireo olona manao ny fitokana-monina any amin'ny faritra toa ny any Antsirabe. Misy ihany koa ny any Mahajanga ka nazahoana ny valiny sy ny fanamarinana izay azon-tsika androany fa ireo izay natao fitiliana, izay nitoka-monina any amin'ny faritra aloha hatreto, dia tsy misy mitondra ny tsimokn'aretina na dia iray aza.

Noho izany dia ho entitra ny fitondram-panjakana amin'ireo manaparitaka vaovao tsy marina sy manakorontana ny saim-bahoaka. Izany dia misy fitsipika sy, indrindra, fandraisana andraikitra matotra sy enjana ary, indrindra, fanasaziana ho an'ireo izay manely vaovao tsy marina eto amin'ny Firenena.Na io amin'ny alalĂ n'ny tambazotra, na io amin'ny alalĂ n'ny fanelezana vaovao tsy marina amin'ny fampalalam-baovao na an-gazety na an-tsoratra na an-fahita lavitra na amin'ny haino aman-jery izany.

Ny fahafahan-tsika mifehy io aretina io dia afaka refesina ao anatin'ny 15 andro. Ka izany dia miankina indrindra amin'ny fifehezan-tenan-tsika tsirairay avy: izaho, ianao, ianareo rehetra, indrindra fa ireo avy any ivelany.

Voalohany indrindra amin'izany dia ny fifehezana tanteraka. Izany dia miankina amin'ireo tonga avy any ivelany, araka ny nolazaiko teo, mba hanaraka an-tsipiriany ireo toro-marika izay napetraka. Zava-dehibe loatra antsika, noho izany, ny fifehezan-tena sy ny fanarahana ny toro-marika izay efa napetraka.

Na isika izany mifehy tena mandritra ny 15 andro; na isika hiatrika ny fianak'ity aretina ity izay mety hiteraka fahafatesan'olona maro toa ny amin'ny firenena hafa, ary izay indrindra no ilaina ny fahatongavan-tsaina antsika tsirairay avy. Izay no ilaina ny mba hametrahan-tsika, indrindra fa ianareo avy any ivelany, ny tsy hifampikasokasoka sy mba hamehezana ihany koa ny tsy fivoahana ny trano; mba hifehy ny famezivezena mba tsy hampianaka ity valan'aretina ity. Koa mila fehezina izany zavatra rehetra rehetra izany.

Na dia efa nametraka anefa isika ny fepetra hentitra mba afahana misoroka izany dia mbola misy ihany ireo mandika izany ary tsy manaraka ny lamina izay napetraka. Koa eto aho dia manao antso avo ho an'ny Malagasy rehetra: raha toa ka misy ireo olona minia tsy manaraka izany, dia misy ny laharana manokana mba afahan'ny tsirairay avy mampahafantatra ireo olona izay tokony hitoka-monina nefa mivoaka ny trano. Koa ato aho dia milaza fa ho entitra ny fanapahan-kevitra ary ho entina avy hatrany ireo izay mandika ny lalĂ na, any amin'ny toerana fitokana-monina izay efa voafaritra ho an'ireo izay mandika ny lalĂ na.

Ankehitriny dia ametraka ny Centre de commandement opérationnel Covid-19 isika, izay afahana mandrindra sy manaraka akaiky ny asa rehetra hifehezana ity fianak'ity aretina coronavirus ity. Noho izany dia hampitomboina manomboka rahampitso ny isan'ireo sampana manokana na brigades spéciales entina hiadivana sy hiatrehana ny coronavirus. Ity brigade manokana ity dia hijery sy hanara-maso ny toe-pahasalamanan'ireo mitoka-monina rehetra ary hanasazy avy hatrany ireo izay tsy manaraka ny toro-marika.

Ny tanjona hapetra-tsika dia ny ho hitan-tsika sy ho voafehi-tsika ireo olona arivo isan'andro tsy maintsy voatsidika amin'izany. Ho jerena any amin'ny tokan-tranony, ho jerena any amin'ny hotely izay nametrahana an'izy ireo mba tsy hivoaka ny trano sy tsy hifanerasera amina olona na amin'ny fianakaviana akaiky. Araka ny nolazaiko dia hoe : ny fahafahanao miaro ny tenanao no hafahanao miaro ny manodidina anao ary miaro ny Firenena ihany koa.

Dia mbola amafisina fa ny fitiliana azy ireo dia tsy maintsy izany, ho atao fitiliana avokoa, na ireo efa vita fitiliana rehetra dia ho amafisin-tsika, ary tsy maintsy ho haverina na atao fitiliana ireo olona rehetra avy any ivelany ireny rehetra. Araka ny teniko teo dia hoe : arovy ny tenanao mba hafahana miaro ny hafa ihany koa. Aza mivoaka ny trano intsony ary aza mifanerasera mivantana amina olona mandritra izany vanim-potoana izay napetraka izay.

Efa nolazaiko fa adidiko ny miaro ny fahasalamana, ny ain'ny Malagasy ihany koa, Malagasy tsy ankanavaka. Alaivo sary an-tsaina ry Malagasy, fa indrindra ho anareo izay avy any ivelany. Alaivo sary an-tsaina fa raha olona iray monja no tsy manaraka ny fepetra nefa mitondra ny valan'aretina, dia manaparitaka ny valan'aretina amina olona dimy izy ireo raha mivoaka ny trano na mifanerasera amina olon-kafa. Ary ireny olona dimy ireny indray dia afaka mamindra amina olona dimy ambin'ny roapolo ao anatin'ny andro vitsivitsy. Noho izany dia ao anatin'ny dimy ambin'ny folo andro dia efa mety hihoatra amina arivony ny olona hiparitahan'ny valan'aretina raha olona iray fotsiny no tsy manaja ny fepetra.

Noho izany dia tsy ho takatry ny saina ny voka-dratsy mety ho aterak'izany. Mila fifehezana tanteraka izany. Ary mila fanarahana an-tsipirihiny ary mila fandraisana andraikitra hentitra ihany koa, indrindra fa ny fanarahana ity toro-marika izay napetraka ity. Mila manara-dalĂ na sy ny fepetra napetraka isika rehetra. Raha tsy izany dia tsy hita pesimpesenina ny voka-dratsy haterak'izany.

 

Ry Malagasy namako,

Tsapako ny tebitebinareo; tsapako ny fitaintainana ao am-ponareo. Ny ahiahy, indrindra,ao anatin'ny tsirairay avy. Ka izao : iara-hiatrika isika. Mety misy fiatraikany avokoa ny fanapahan-kevitra ho raisin-tsika. Mety misy fiatraikany fa dia tsy maintsy miara-miatrika izany isika; tsy maintsy mijoro isika ary tsy maintsy mifanome tĂ nana afahana miaro amin'ity areti-mandoza ity. Koa ny fanapahan-kevitra ho raisin-tsika dia mila fasahiana ary, indrindra indrindra, hiarovana ny be sy ny maro.

Efa nolazaiko fa adidiko sy ny an'ny governemanta no miaro ny ain'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ka noho izany, manomboka rahampitso alatsinainy 23 mars 2020 dia mijanona any an-tranony avokoa ny rehetra. Noho izany dia mist fepetra maro tsy maintsy apetraka.

VOALOHANY: mijanona tanteraka ny fitateram-bahoaka an-tanĂ n-dehibe sy ny zotra nasionaly mampifandray an'Antananarivo sy ny any amin'ny faritra. Mijanona daholo ny fitaterana toa ny taxi-be, ny taxi, ny taxi-brousse fa ny fitaterana entana ihany sisa no afaka mandeha mamatsy ny faritra, ny distrikta sy manerana ny Nosy.

FAHAROA: apetraka ny barrières sanitaires ivelan'Antananarivo sy ny tanan-dehibe rehetra manerana ny Nosy. Ny fametrahany izany dia afahana manara-maso ny fahasalaman'ny olona mandeha any amin'ny faritra ka maka ny fiarany manokana.

FAHATELO: ireo toeram-pivarotana entana ilaina andavanandro ihany no misokatra toa ny toeram-pivarotana lehibe na ny grandes surfaces; ny mpamongady na ny grossistes; ny tsena kely na ireo antsoin-tsika hoe Ă©piceries. Ary ny tsenam-pokontany rehetra dia afaka misokatra avokoa. Ary marihikofa ireo tsenam-pokontany dia misokatra amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora atoandro, ary olona iray ihany isaky ny tokan-trano no mahazo mandeha miantsena. Izany dia arindra eo anivon'ny kaominina sy ny fokontany.

FAHA-EFATRA: ny fivarotam-panafody, ny fivarotan-tsolika, ny banky dia misokatra ihany koa.

FAHA-DIMY: miatrĂ  ny fepetra tsy azo ivezivezena amin'ny alina, manomboka amin'ny 8 ora alina ka hatramin'ny dimy ora maraina.

FAHA-ENINA: ireo sampan-draharaha mandray ny olona eny amin'ny biraom-panjakana rehetra dia mikatona avokoa hafa ny misahana ny Fahasalamana, ny Fitsarana sy ny Filaminam-bahoaka, ny Jirama, ny Voirie, ny mpirakira ny Fifandraisan-davitra na ny Haino aman-jery sy ny toeram-panaovan-gazety dia misokatra avokoa.

* Mikasika ireo orinasa eo anivon'ny sehatra tsy miankina dia anjaran'ny mpampiasa ny mandrindra sy mametraka lamina na ho an'ny orinasan'izy ireo mba hafahan'izy ireo mampiodina ny asany araka ny tokony ho izy, izay mifandraika amin'ny lamina izay ho apetraka miaraka amin'ny ministera.

 

Ireo fepetra rehetra ireo dia miatra eto Antananarivo sy eto amin'ny Faritra Analamanga ary any Toamasina aloha hatreto.

 

Ny fepetra ho an'ny tanan-dehibe hafa dia ho raisina mian-dĂ lana miankina amin'ny fivoaran'ny olona izay mitondra ny valan'aretina raha sanatria misy tonga any amin'ny Faritra.

Ny fanatanterahana ireo fepetra ireo dia iarahana miasa sy mametraka amin'ireo Governora, ny Préfets ary ny Ben'ny tanàna ary indrindra indrindra ny Mpitandro ny filaminana rehetra, izay voakasina izany.

Ho fitsinjovana ny rehetra dia raisina ny fepetra hamehezana ny vidin'entana sy ny famatsiana ihany koa. Ny dikan'izany dia : manerana ny fokontany maromaro eto Antananarivo sy any Toamasina ihany koa, dia apetraka ny famatsiana vary sy menaka amin'ny alĂ lan'ny Tsena Mora.

Rahampiso izany, dia eto Antananarivo ny ankamaroan'ny fokontany dia ametraka avy hatrany ireo famatsiana entana ireo.

Ny fandraisana ny fepetra ihany koa dia iarahana miaraka amin'ny ministera sy ny Ben'ny tanĂ na mba afahan-tsika mifehy ireo vidin'entana sy ny fanararaotana.

Koa hidina eny ifotony ny tompon'andraikitra rehetra ary miatra avy hatrany ny sazy ho an'ireo izay tsy manaraka ny fepetra sy ny lamina mb tsy hisian'ny fanararaotana.

Hafatra no apetrako ho anareo tsirairay avy, ianareo izay mpamongady, ianareo izay mpivarotra : tsy fotoanan'ny fanararaotana izao fa fotoanan'ny fitsinjovana ary aoka izay ny fitiavan-tena ary ampy izay ny fitiavan-kely.

Mila mifampitsinjo isika ary ho enjana ny fampiarana ny lalĂ na manoloana ireo izay tsy manaraka ny fepetra izay efa napetra-ntsika.

 

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Tsy irery ianao fa eo anilanao mandrakariva ny fitondram-panjakana. Koa nanapak'hevitra aho fa hiresaka sy hifampitafa aminao isan'andro, amin'ny valo ora alina amin'ny alĂ lan'ny televiziona malagasy.

Miara-miatrika izany isika ao anatin'ny 15 andro.

Miara-mijoro isika rehetra satria izay no lĂ lana afahan-tsika mifehy ityfiparitahan'ity valan'aretina ity.

Matoky anao aho ry Malagasy namako.

Matoky anao aho ry Malagasy havako.

Amin'ny fanarahana, indrindra indrindra, antsakany sy andavany reo toro-marika izay apetraka.

Ny fandraisan-tsika mianakavy andraikitra no hafahan-tsika mandresy izao sedra lalovan-tsika izao, indrindra mila miray saina, miray fo ary mila mifanome tĂ nana isika.

Malagasy miatrika, Malagasy mijoro, Malagasy miatrika izao sedra izao : izay no ilain-tsika.

Hifanome tĂ nana isika mianakavy dia mankahery antsika ary samia isika ho tahian'Andriamanitra!

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mardi, 24 Mars 2020 07:50 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety