]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara. Loholona tena tsy ampy solaitra mihitsy ve e?!

Madagasikara. Loholona tena tsy ampy solaitra mihitsy ve e?!

Raha ny marina dia tokony niompana rano iray tamin’ingahy Rivo Rakotovao, Filohan’ny Antenimieran-doholona tsy nofidiana fa notendren’ny Filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, ny lahatsoratro androany Sabotsy 12 Septambra 2020. Kanefa moa rehefa niverina namaky ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha-4 aho ka nahatadidy ny hoe «fitarainan»’ireo Loholona notarihin’ingahy Mamitiana Fabergé Gabriel, teny amin’ny HCC (fa nankaiza daholo koa ny Hvm sasany tamin’io ora nidona io ?), dia tapaka ny hevitro fa habaribariko eto ny tsy fahampiana solaitran’ireo Loholona miseho azy mahay sy manaja lalàna kanefa tena tsy misy azony mihitsy ny dikan’ny voasoratra ao amin’ny Lalampanorenena. Ity ary misy porofo tsy azo ivalozana fa dia ho very maina sy sasatry ny voan’ny ataony hatrany ireo « olo-kendry » ivelany fotsiny ihany.

Ny Alatsinainy 07 Septambra 2020 dia nisy solotenan’ny Loholon’i Madagasikara notarihan’ingahy Mamitiana Fabergé Gabriel tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana (HCC) etsy Ambohidahy Antananarivo. Ny anton’ny nahatongavana tao dia ny « fanaterana taratasy momban’ny fitoriana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fepetra narahina mahakasika ny « texte à valeur législative » araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-118 ny Lalampanorenana ». Tena tsy afaka nadika teny malagasy ve aloha ilay hoe teny frantsay mipoapoaka « texte à valeur législative » sy ny voalazan’io andininy faha-118 ao amin’ny Lalampanorenana io ? Efa fanabadoana ny vahoka ny fomba toa izany. Ka tsy asian-tsika resabe fa ity manaraka ity aloha izany andininy faha-118 manontolo izany amin’ny teny frantsay :

Article 118. Un Chef d'Institution ou le quart des membres composant l'une des Assemblées parlementaires ou les organes des Collectivités Territoriales Décentralisées ou le Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l'Etat de droit peuvent déférer à la Cour Constitutionnelle, pour contrôle de constitutionnalité, tout texte à valeur législative ou réglementaire ainsi que toutes matières relevant de sa compétence.

Si, devant une juridiction, une partie soulève une exception d'inconstitutionnalité, cette juridiction sursoit à statuer et saisit la Haute Cour Constitutionnelle qui statue dans le délai d'un mois.

De même, si devant juridiction, une partie soutient qu'une disposition de texte législatif ou réglementaire porte atteinte à ses droits fondamentaux reconnus par la Constitution, cette juridiction sursoit à statuer dans les mêmes conditions qu'à l'alinéa précédent.

Une disposition déclarée inconstitutionnelle cesse de plein droit d'être en vigueur.

La décision de la Haute Cour Constitutionnelle est publiée au Journal officiel./.

Maro ireo Malagasy tsy hahafehy izany teny frantsay rehetra izany. Ka dia ity indray ary ny dikan-teny malagasy ofisialin’izany andininy faha-118 izany,

Andaniny 118. Ny Lehiben’ny Andrimpanjakana na ny ampahaefatry ny mpikambana ao amin’ny iray amin’ireo Antenimiera roa tonta na ny rantsamangaika ao amin’ny Vondrom-bahoakamparitra Itsinjaram-pahefana na ny Filankevitra Ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna dia afaka mandroso rijan-teny miendrika lalàna na fitsipika, ary koa izay rehetra anton-javatra tafiditra amin’ny fahefan’ny Fisarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mba hohamarinina ny fifanarahany amin’ny Lalàmpanorenana.

Raha misy mpiady manasingana fifanoherana amin’ny Lalàmpanorenana eo anatrehan’ny Fitsarana, dia mampihantona ny fizotry ny raharaha io fitsarana io ary mampakatra ny raharaha eo amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao anatin’ny iray volana.

Torak’izany raha misy mpiady milaza eo anatrehan’ny fitsarana fa misy fepetra ao amin’ny rijan-tenin-dalàna na fitsipika manohintohina ny zo fototra ananany

eken’ny Lalàmpanorenana dia mampiato ny fizotry ny raharaha io fitsarana io araka ny fepetra voalazan’ny andalana etsy aloha.

Ny fepetra nambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana dia mitsahatra tsy manan-kery avy hatrany.

Avoaka amin’ny Gazetim-panjakana ny fanapahana noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana./.

Raha ny tena marina izany dia tsy fitoriana no nataon-dry Mamitiana Fabergé Gabriel sy ny tariny fa fangatahana raha mifanaraka amin’ny Lalampanorenena -na tsia- ny naneken’ny Antenimierampirenena ilay lalàna laharana 2020-012 mahakasika : ny fifidianana sy ny fitsapahan-kevimbahoaka (famadiana ho lalàna manankery ny ord. 2019-002 tamin’ny 15 Mey 2019) ; ny «code minier» na fitsipika momban’ny harena an-kibon-tany (famadiana ho lalàna manankery ny ord. 2019-009 tamin’ny 22 Jolay 2019) ary, indrindra indrindra, momban’ny fampandehanan’ny Antenimieran-doholona sy ny fifidianana ary fanendrena ireo Loholona (famadiana ho lalàna manankery ny ord. 2019-006 tamin’ny 28 Mey 2019). Mila vanona tokoa ireo Loholona tonga teny amin’ny HCC Ambohidahy ireo. Satria nahoana hoy ianareo ?

Matoa neken’ny Antenimierampirenena io lalàna laharana 2020-012 io dia satria izao no voasoratra ao amin’ny andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana ihany :

Andaniny 96. Ny volavolan-dalàna sy ny tolo-dalàna rehetra dia dinihin’ny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any amin’ny Antenimiera ankilany. Ifandimbiasan’ny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisian’ny fandaniana rijan-teny tokana.

Raha toa ka tsy mety lany ny volavolandalàna na tolo-dalàna iray rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra tamin’izy roa tonta, na rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisian’ny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isasahana izay ampiandraiketina fanolorana rijan-teny momba ireo fepetra mbola iadiankevitra.

Ny rijan-teny novolavolan’io vaomiera ikambanana io dia azon’ny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny faneken’ny Governemanta.

Raha toa ka tsy afaka mandany rijan-teny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza ao amin’ny andalana etsy aloha ilay rijan-teny, dia ny Antenimierampirenena, amin’ny alàlan'ny latsabato iandanian’ny antsasamanilan’ny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany./.

Ny 4 Septambra 2020 dia namoaka ny fanapahankevitra («décision») laharana 15-HCC/D3 ny HCC izay manambara mazava fa « mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana io Lalàna 2020-012 io ka afaka avoakan’ny Filoham-pirenena ho lalàna manan-kery (« promulgation »). Ny dikany koa dia eken’ny HCC ny fampihenana ny isan’ny Loholona ho 18 fa tsy 63 toa ny amin’izao fotoana izao.

Ary dia ny 7 Septambra 2020 moa ry Mamitiana Fabergé Gabriel sy ny tariny no nigadona tao amin’ny HCC ao Ambohidahy « nanatitra taratasy momban’ny fitoriana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fepetra narahina mahakasika ny « texte à valeur législative » araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-118 ny Lalampanorenana ». Dia iza ry ireito no tena adala ao anatin’izany rehetra ? Sa mety izaho mihitsy anie izany no tsy ampy solaitra ? Fa izao no torohevitro : mba vakio ny Lalampanorenana amin’ny teny malagasy. Amin’izay sady tsy mamita-tena no tsy mamita-bahoaka e ! Misaotra mialoha.

Fa tokony manomana ny gôdasy dieny izao ny ekipan’ingahy Mamitiana Fabergé Gabriel satria taorian’ny Filankevitry ny Governemanta tamin’ny 9 Septambra 2020 dia tapaka ny hevitra fa ny Alarobia 11 Desambra 2020 no hotontosaina manerana ny fifidianana Loholona.

Farany dia farany ary tsy maintsy lazaina eto satria vao mainka mampibaribary fa tsy ampy solaitra mihitsy ry zalahy ireto. Io 7 Septambra 2020 io dia nilaza ry zalahy fa : « (…) Tsy mifanaraka amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy eny anivon’ny faritra ny momba ny fifidianana ny loholona sy ny fomba nitsinjarana ny isany ».

Asa marina ny ao an-dohan-dry zalahy fa izao no misy any Etazonia : 100 ihany no mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona amerikana. Izany hoe roa isaky ny Firenena («Etats») izay miisa 50. Fidianan’ny vahoaka mivantana («suffrage universel») daholo izy rehetra (tsy misy izany mpifidy vaventy izany ny momba azy ireo) ary tsy misy tendrena na dia ny iray aza. Ary raha 26 tapitrisa mahery ny Malagasy amin’izao fotoana izao, dia 328 tapitrisa mahery, Tompoko, ny isan’ny Amerikana. Tsy fizarana mofo mamy akory ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Aoka izay ny fanabadoana ny vahoaka ary aoka hazava tsara ny resaka !

Jeannot Ramambazafy – Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny « La Gazette de la Grande île » ihany koa, ny Sabotsy 13 Septambra 2020

ETO LEHIBE KOKOA


Mis Ă  jour ( Dimanche, 13 Septembre 2020 10:17 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety