]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Kraomita Malagasy. Any amin’iza marina ny baolina?

Kraomita Malagasy. Any amin’iza marina ny baolina?

Izay no azo amehezana ny resaka nifanaovan'ny mpiasan'ny orinasam-panjakana Kraomita Malagasy na Kraoma, miaraka amin'ny randrana sendikaly sy ny Filankevi-pitantànana ny Kraoma izay notarihin'ny Filohany. Fivoriana natao tao amin'ny Foiben'ny Kraoma ao Ampefiloha, Antananarivo, ny 01 febroary 2021 lasa teo.

Nanambara ny filohan’ny Filan-kevim-pitondrana (PCA), Andriamatoa Onjaniaina Dina Andriamaholy, raha mikasika ny fanajanonana ny famokarana, fa olana ara-teknika no antony. Ny mpiasan'ny Kraoma ao Brieville anefa dia samy nahita, ary vavolombelona daholo, fa tsy nisy antony ara-teknika izany nampijanonana ny famokarana izany. Eo anilan’izany dia nilaza koa ny Tale Jeneraly vonjy maika, Andriamatoa Nirina Rakotomanantsoa, fa tsy mahazo tombony ny Rosianina ao amin’ny Ferrum Mining ka hajanona ny fiaraha-miasa ary hialary zareo. Iza ary no manafina ny marina na mandainga mihitsy aza ?


Tena nisy tokoa ve ny taratasy ofisialy manajanona ny famokarana rehetra sa fandrebirebena indray? Ny mahagaga mantsy dia mbola nanohy ny fikarohana toeram-pitrandrahana vaovao lazaina fa hiasana ny taona 2021 ny Rosianina, nanomboka ny volana jolay 2019 ka hatramin'ny volana desambra 2019. Olona milaza hiala ve dia hanao toa izany ? Tsy hay intsony izay hinoana fa toa mifanipaka amin'ny filazana hatramin'izay ny filazana nataon'Andriamatoa PCA.

Etsy an-kilany, toa miverina an-databatra indray ny fikasana hanalana sy hampihenana ny isan’ny mpiasan'ny Kraoma. Nambaran'Andriamatoa PCA hatrany mantsy fa araka ny fanadihadiana nataony dia latsaky ny 200 no isan'ny mpiasa tokony hiasa ao amin'ny Kraoma raha 505 izy ankehitriny. Toa mampitamberina ilay fikasan'ny Rosianina hampihena ny isan’ny mpiasa ho 187 izany.

Inona ary no tena ao ambadik'izao raharaha izao fa mahalasa saina ihany ? Mitombona ve ny ahiahy hatramin'izay fa tetika maloto niarahana namolavola tamin'ny Rosianina izao fanakatonana ny Kraoma izao mba handrerahana sy hanaovana izay hahalao monina ny mpiasa, hahatongavana amin'ilay tanjona dia ny fampihenana ny mpiasa ho 187 tokoa

Fa tena isany nampihoron-koditra dia ny fanambaran'Andriamatoa PCA fa ny mpiasan'ny Kraoma, ny ozinina ary ny fitaovam-pamokaran'ny Kraoma rehetra dia an'ny Rosianina mandritra ny 25 taona. Ny tena mahazendana ihany koa dia ity: tsy misy mahalala mihitsy ny mpiasa na ny iray ny mba nentin’ireo Rosianina ireo ka nahatonga azy ireo manana izany tombontsoa izany. Nampian’Andriamatoa Onjaniaina Dina Andriamaholy aza moa fa: “Tokony any amin'ny Rosianina ianareo no mitaky karama ary any amin'ny Foiben'ny Ferrum Mining no tokony hitokona”. Fa dia ahoana kosa re?


Ny tsy nambara mihitsy aloha, na dia voasoratra mazava ao amin'ilay fifanarahana “Joint-venture”, dia ao amin'ny Foiben'ny Kraoma SA ihany no misy ny Foiben'ny Kraoma Mining ary Andriamatoa Nirina Rakotomanantsoa dia Tale Jeneraly koa ao amin'io Kraoma Mining fa tsy manana Tale Jeneraly io orinasa io. Dia very ny mpanara-baovao hoe: iza ilay nanoratra tararatasy ho any amin'Andriamatoa Tale Jeneraly? Nilaza moa Andriamatoa PCA fa “fitseran'ny fanjakana ny mpiasa no antony nanomezana karama ho azy, porofo fa mihaino ny.fahorian'ny mpiasa ny fanjakana”. Fitserana amin’ny ahoana ary?

Tsy ampy hahafafa ny ahiahin'ny mpiasa anefa izany satria na milaza aza Andriamatoa PCA fa mbola eo am-pandinihana izay hanaovana ny mpiasa ry zareo, dia anatin'ny zavatra dinihin'izy ireo ny momba ny “chômage technique” (fampiantohana ny asa noho ny antony ara-teknika) sy ny fandefasana mpiasa "retraite anticipée". (fandehanana misotro ronono alohan’ny fotoana). Toa tsy misy vidiny amin'ny mpitantana ny fijaliana sy fahorian-tsain'ny mpiasa sy ny vady aman-janany izay voatery nivarotra ny fananany nangoniny efa an-taonany maro anefa. Aiza ho aiza izany no mipetraka ny zo maha-olombelona?

Raha nanontaniana mikasika ny fanodinana indray ny Kraoma Andriamatoa PCA, dia nilaza izy fa “mila 200 tapitrisa dôlara vao azo tanterahina izany”. Zendana ny rehetra teo satria toa resaka nivoakavoaka ho azy izany fanambarana izany. Tsiahivina fa ny mpiasa sy ny teknisiana dia nandroso soso-kevitra tamin'ny fanjakana hanomezana ny orinasa 7 tapitrisa dôlara atao in-telo miantaona hahafahana manodina ny Kraoma ary ampy hampiroboroboana ny orinasa.

Tsy mahagaga raha tsy namaly io fangatahana io ny fanjakana satria hay eo ambonin'ny latabany misy tolo-kevitra roa izay mifanipaka ka tsy hita izay ho raisina. Eo amin’ny lafiny iray koa, tokony tsy adino fa ny PCA, izay manohana io tolo-kevitra 200 tapitrisa dôlara io, dia SGA-P (Sekretera jeneraly lefitry ny fiadidiana ny Prezidansy) ihany koa. Izany hoe tànana an-kavanan'ny Filoham-pirenena. Iza indray no nampijoboka na mitady hampijoboka ny firenena malagasy fanindroany amin'io raharaha Kraoma io ary

Tsara marihina fa ireo milaza azy ho teknisiana nefa mpanao afera maloto sy mpamotika orinasa dia mbola miriaria soa aman-tsaratsara tsy manana ahiahy. Ireo no mbola mpiara-miasa akaiky amin'Andriamatoa Tale Jeneraly izay toa manaraka izay tenenin’izy ireo rah any fomba amam-panaony no dinihina.

Nanantena ny mpiasa fa ny “audit” (Fanamarinam-bokatra) natao in-telo miantaona tamin'ity fitantanana ity dia nahafahana namaritra sy nahita izay tomponandraikitra niaraka tamin'ny fitondrana HVM. Toa Andriamatoa Arsene Rakotoarisoa, Tale Jeneraky tao aloha ihany no migadra. Aiza ry Eric Randrasana izay tompon-tsonia amin'ilay “Joint-venture”. Aiza ry Terji Rakotondrazafy, Tale Jeneraly vonjimaika? Aiza ry Jaobarison Randrianarivony efa PCA? Samy nanana ny andraikiny ireo fa olona iray ihany no nenjehina. Aiza i Henry Rabary-Njaka, notendrena minisitry ny Harena ankibon-tany mihitsy, ati-doha nikotrika io fifanarahana io? Toa mangatsiatsiaka any an-dafy any satria mizaka zom-pirenena frantsay. I Arsene Rakotoarisoa izay noesorina tamin'ny toerany noho izy tsy nanaiky io fiaraha-miasa io no hany tratra farany ka migadra amin’izao fotoana izao. Tsy fiarovana azy akory ny filazana izany fa nisy tomponandraikitra maro tao anatin’ny orinasa Kraoma no nanome azy antontan'isa diso na nodisoina nentina nanjonoana ny Rosianina.

Ny fantatry ny rehetra dia tsy mbola vita sonia aloha ny taratasy mikasika ny “mise à disposition du personnel et du matériel” tamin'ny taona 2018 noho ny fitokonana nataon'ny mpiasa. Io “mise à disposition” io dia ny fanolorana ny mpiasa, ny ozinina ary ny fitaovam-pamokaran'ny Kraoma SA ho an'ny Kraoma Mining (Rosianina). Iza ary no nanao sonia an'io “mise à disposition” io satria nilaza Andriamatoa PCA f’efa voasonia ? Dia mitodika indray any amin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny mpiasa. Raha olona akaiky dia akaiky aminy dia tokony fantany ireo voalaza rehetra ireo. Eny ny Malagasy rehetra.


Mila fanazavana avy any aminy, indrindra ireo mpiasa miisa 505 manambady aman-janaka ireo, satria manjombona tanteraka ny ho aviny izy ireo, na dia mbola misy fanantenana mitsiry ihany satria tadidin’izy ireo fa tonga tany Brieville mihitsy ny candida faha-13, ny 11 desambra 2018, ary mba nampanantena ho avy mamiratra. Ka dia asa aloha hoe any amin’iza marina ny baolina ary tombontsoa ho an’iza marina no kendrena amin’ity raharaha Kraoma izay tsy ny coronavirus intsony mihitsy no hialana bala.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 27 Février 2021 06:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety