]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Marc Randrianisa. Iraka mazava hanapotika an’i Madagasikara

Marc Randrianisa. Iraka mazava hanapotika an’i Madagasikara

Ny zava-drehetra, eto ambon’ity tany fandalovana ity, dia tsy misy kisendrasendra. Misy fotony daholo ny tranga rehetra fa mila fikarohana, fanamarinana ary fanaraha-maso daholo hanaporofoina izany. Soa fa misy ny sary sy ny soratra ary ny vidéos izay mitoetra amina tranga iray, eo amin’izao tontolo izao, eo amina firenena iray, eo amintsika olombelona tsirairay mihitsy aza.


10 taona katroka, androany 3 marsa 2021, dia nisy ny fikasana namonona ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, tetsy amin’ny Marais Masay Antananarivo, ny 3 marsa 2011 hariva. Jereo ao amin’ity rohy manaraka ity: https://www.youtube.com/watch?v=Q6_M7xSJsao


Taorian’ny famotorana («enquête») sy ny fikarohana samihafa nataon’ny Dst (« Direction de la surveillance du territoire » na Sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny ati-tany) dia voasambotra i Randriatsarafidy Vahinitiana antsoina hoe Rinah. Tsy iza moa izy io fa mpamilin’izany Marc Randrianisa izany, izay nahita an’ity Rinah ity tao amin’ny Magro Behoririka, ary voasambotra tao ihany ny 4 marsa 2011. Misy vidéo mirakitra ny faneken-kelok’io Rinah io ao amin’ny Youtube. Jereo « Marc Randrianisa : WANTED » (https://www.youtube.com/watch?v=wrVygnNJ8FU)

Nanao fikarohana manokana ny tenako amin’ity anarana ity ka tsy nisy ny fahagagana : ay ity hoe Marc na Marco Randrianisa ity dia mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikambana tao amin’ilay hoe Gtt (Gasy tia tanindrazana) noforonina tany Eoropa, taorian’ny nandosiran’i Marc Ravalomanana tany Afrika atsimo, ny 17 marsa 2009. Ny 8 septambra 2009 dia tonga tao amin’ny Masoivohon’ny Madagasikara ao Parisy, Frantsa, ity Marc Randrianisa ity sy ireo namany, ka nandratra olona sy nanimba fitaovana maro tao. Teo anatrehan’izany tranga izany dia nosamborin’ny polisy frantsay ny mpitarika izany fanafihana izany dia : Christian Weber, Jean Luc Rasolo, Volaniaina Joël Rakotomalala (samy mpitondra mpitatitra na « chauffeurs livreurs ») ary ity Marco Randrianisa voalaza fa tsy an’asa (« chômeur ») ity. Rehefa vita moa ny famotorana dia nalefa nody daholo izy efa-dahy ireo aloha.

Nitory anefa ny fanjakana malagasy tamin’izany, eny na dia fotoana tetezamita («transition») aza, ary nivaly izany fitoriana izany. Ny 22 janoary 2010 dia namoaka izao didy izao ny «Tribunal de Grande instance» ao Parisy : « Le dénommé Marc Randrianisa est condamné à 3 mois de prison avec sursis pour les deux chefs d’inculpation suivants : « violences aggravées par deux circonstances suivies d’incapacité n’excédant pas 8 jours » ; « dégradation ou détérioration de bien d’autrui commise en réunion ». Raha fintinina dia voaheloka 3 volana an-tranomaizina, sazy miantona, ity Marc Randrianisa ity, io taona 2010 io, noho ny fandratrana olona sy fanimbana fananan’olona niarahana natao. Izy telo lahy hafa moa dia nohafahan’ny fitsarana.


Nanomboka teo dia nipirina ny lehilahy izay efa fantatry ny mpitandro filaminana frantsay («fiché»), mazava ho azy. Dia tonga ny taona 2011 sy ilay fikasana hamono ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Tao anatin’ny famotorana dia nanonona io anarana Marc Randrianisa io ilay mpamiliny, Rinah, izay nanoro hatramin’ny trano nipetrahany niaraka tamin’i Lanto sakaizany tamin’izany fotoana izany. Ao Isoraka Antananarivo no misy io trano io ary tao no nahitan’ny mpanao famotorana ireto manaraka ireto : dynamita miisa 15 isa, bôbina fametrahana dynamita miisa 04 ary «détonateurs» (fanapoahana) miisa 04 tao tany anaty harona plastika. Nisy koa akanjo sy kiraro ary kojakoja samihafa nanamarina fa an’io Marco io sy ny sakaizany Lanto. Marihina fa tamin’ny izany fotoana izany dia nanambady an’i Sahondra i Marco ary mpikambana tao amin’ny fiangonana FMPA Athis Fanantenana Essonne (atsimon’i Parisy).


Taorian’io 3 marsa 2011 io dia nanjavona i Marco Randrianisa ka na ny hofan-trano aza tsy naloany akory, araka ny fitarain’ny tompon’ilay trano ao Isoraka. Tafaporitsaka niverina any Frantsa izy ny 23 marsa 2011, rehefa tonga teto Madagasikara ny 9 novambra 2010. Izany hoe nandritra ny 20 andro izy nisy nanafina teto Antananarivo. Tsy mila porofoina izany fa tao Faravohitra tao amin’ny tranon’i Marc Ravalomanana izay voatonona anarana mpanome baiko avy ao Afrika atsimo. Mila mitsangana indray ny solombavambahoaka ankehitriny Charly Nakany Zagimagnely, voafidy tao Beroroha, izay Kaomisera lehiben’ny Dst nanao ny famotorana folo taona katroka lasa izay.

Efa nanaovako lahatsoratra eto amin’ny «La Gazette de la Grande île» ity Marco Randrianisa ity. Mikasika ny Rovan’i Manjakamiadana ilay izy. Tsy mila resahina intsony eto fa marihina fotsiny fa nanomboka nampiasa vidéos izy, ny taona 2020, anaovany fanakianana ny fitondrana malagasy ankehitriny. Mahazo manao izany daholo ny olon-drehetra rehefa manaja ny lalàna velona misy e ! Fa andro vitsy vitsy lasa izay dia tena antso fanakorontanana ny firenena malagasy mihitsy no nataony, ankoatra ny fanorona ny trano ipetrahan’ny zanaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina any Andafy, izay mifampitohy amin’ny fandrahonan’i Fanirisoa Ernaivo, ilay mpitsara voaraoka noho ny vavabeny ihany. Dia mamporisika fotsiny izao ity Marco Randrianisa hanao asa fampihorohoana eto Madagasikara. Ireto ny fanambarany manontolo :


« Salama daholo e ! Afatra fotsiny ny aho, entiko amina toerana tena tsy dia mahazatra ianao, ren-tsika foana hatramin’izay hoe : any izany misy ny tranon’i Rajoelina any amin’izany frontière suisse izany, akaikin’ny Frantsa sy Suisse.

Androany ianareo dia entiko mahita izany toerana izany fa tsy hono hono. Satria betsaka no te-ahafantatra hoe aiza izany toerana izany. Ohatran’iza izany. Io asehoko anareo io izy io aorina io. Nanandrana moa izahay ni-sonner sy nandondina fa tsy nisy olona, asa angamba mbola matory.

Fa isika moa endry tsy manao hoe ohatran’ny sasany mitady hisaoty tamboho. Isika olona endry isika, ara-dalana. Mitohy foana ny jadona izany (?) any Madagasikara. Efa niteny aho hoe miditra amin’ny jadona isika izao.

Tsy manana choix intsony isika vahoaka malagasy erak’i Madagasikara. Tsy manana choix intsony isika : na isika miditra amin’ny grève générale erak’i Madagasikara, na isika miditra amina « actes isolés » avo lenta sy mahomby. Izay ihany.

Fa raha hitaraina lava eto isika, tsy ho tapitra akory. Efa niteny aho : isika moa izany mpanohitra. Misy lehiben’ny mpanohitra (ingahy Ravalomanana no tiany ho tenenina). Araka ny hafatra moa izany dia samia manao izay tandrifiny azy amin’ny adidiny. Raha adika amin’ny teny malagasy tsotra dia hoe : ho an’izay avanana amin’ny fivavahana dia mivavaha; ho an’izay avanana amin’ny fanoratana dia manorata, alefaso ny fitoriana (?); ho an’izay manana ketrika mahomby amin’ny gidraka mahomby sy avo lenta dia arosoy.

Izay ary fa mandrapihoana indray fa amin’ny manaraka ».


Vao andro vitsy vitsy ihany koa ingahy Marc Ravalomanana, misalotra ho « lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara », no nilaza tao anatina vidéo re sy hitan’izao tontolo izao fa « ity (ny filoha Andry Rajoelina no tiany resahina) mbola kely miana-mandeha » raha oharina amin’i Mouammar Kadhafi sy Saddam Hussein Abd al-Majid al-Tikriti izay fanta-tsika no niafarany ireo filoham-pirenena roa ireo ny taona 2011 sy 2006. Hazalambo 2021 izany no tian’ingahy Ravalomanana atao taorian’ny Hazalambo 2002-2003 ? Dia mbola hisy ve ny hino fa tsy misy ifandraisany izany rehetra izany?

Sary fotsiny ihany io fa mbola hadika an-tsoratra ny rediredin'ireto "lalin-tsaina" ireto. Anisan'ny tao i Fanirisoa Ernaivo...

Farany : Fanirisoa Ernaivo sy Marc Randrianisa dia samy mpikambana ao amin’ilay hoe Rmdm-France izay miasa mafy tokoa hampanatanteraka izany « actes isolés » any amin’ny 10.000 km miala amin’ireo tsy manan-jo hifidy eto Madagasikara akory. Mafy tokoa ny herin’ny vola sy ny fankahalana ary ny fialonana e !...

Fa dia « Wanted » (karohina ara-pomba ofisialy) tanteraka izao io Marc Randrianisa, na eto Madagasikara na any Eoropa manontolo mihitsy.

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Mercredi, 03 Mars 2021 06:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety