]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mahamasina, Kianja Barea, 26 jona 2021. Afomanga nanan-danja ho an’ny firenena sy ny vahoaka malagasy tsy vakivolo

Mahamasina, Kianja Barea, 26 jona 2021. Afomanga nanan-danja ho an’ny firenena sy ny vahoaka malagasy tsy vakivolo

ETO NY VIDEO

Mila fanazavana ny Ambanilanitra, na kely na lehibe, eo anatrehin’ireo fahavalom-pirenena manimba ny taranany amin’ny filazana sy fanambarana tsy mendrika ho ana filoham-pirenena taloha ary koa solombavambahoaka am-perinasa.


Ho an’ireto farany, izay anisany dia : RAKOTOMANJATO Edmond Rodin Georges (Arivonimamo)

RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina (Antananarivo I)

RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle (Ambatondrazaka)

Miampy ireo dia ilay tovolahy voasasa loha tanteraka dia ANDRIAMASINORO Tahiry Ny Riana, resy tamin’ny fifidianana Ben’ny Tananan’Antananarivo.

Io manao somizo fotsy io izany Andriamasinoro Riana izany, notendren'i Marc Ravalomanana ho Sekretera jeneralin'ny TIM, rehefa avy "nanadio" vola tao amin'ny CUA (Kaominin'Antananarivo)

Tsotra ny torohevitro : rehefa mamporisika ny vahoaka tsy hanangan-tsaina sy tsy hankalaza ny Fetim-pirenena ianareo, hajanony manomboka izao ny fisaloranareo ny samboady fotsy-mena-maitso maha solombavambahoaka anareo. Satria saina io ary ataonareo eo amin’ny tenanareo mihitsy, manamarika fa maha malagasy anareo ary vahoaka malagasy no nifidy anareo fa tsy mpikambana ao amin’ny antoko Tim fotsiny ihany. Ny fankahalanareo an’ny Filoha Andry Rajoelina no mahatonga anareo mandainga sy mamafafy vaovao tsy marina isan’andro vaky izao ? Tsy hivaky loha aminareo izy -zo ny miteny («droit d’expression») fa misy fetrany- ka hatsaharo ny fanozonana ny taranakareo ametrahanareo lova faran’izay loza indrindra eto an-tany.


Ho an’ingahy Rodin : tsy misy hanakana anao ho ao Mahamasina mihitsy hijery ny Vato Masina nizingizininao fa «nesorin’i Rajoelina».

Ireo no voalaza dia tohizoko ny fanazavana momba ny afomanga.

Ravo tsy nisy toa izany ny ankizy nentin’ny ray aman-dreniny -ary na ireo koa aza- nahita ireo afomanga nalefa tao anatin’ny Kianja Barea mihitsy. Izay aloha dia mbola tsy fahita hatramin’izay nandefasana afomanga teto Antananarivo.

Hatramin’izay mantsy teo amin’ny farihin’Anosy, eo an-tongotr’ilay tsangambato mira anjely ho fahatsiarovana ireo namohy ny aina, na Malagasy na Frantsay, tamin’ny ady lehibe voalohany (1914-1918).


Fa avy aiza ary inona no antony andefasana ny afomanga («feux d'artifice»)?

Raha tsotsorina dia ingahy Li Tian, olom-pinoana («moine») avy ao Liuyang, Faritry ny Hunan, any Chine, no namorona ny afomanga. Ny antony, hoy ianareo ? Mba hisintonana ny vintana («attirer chance») sy handroahana ny fanahy maizina («éloigner les mauvais esprits»).

Hatraiza ny finoana izany ? Asa fa jereo ny eto amintsika amin’izao vanindro izao fa misy ireo fianakaviana mandefa izany afomanga izany rehefa mikarakara fanambadiana. Mila fahaizana («pyrotechnie») ny mandefa izany aloha, fa amin’izao efa vita toa tsipoapoaka lehibe ny afomanga dia mampirehitra ny lahany fotsiny sisa no mampandeha azy.


Fa raha ny tao amin’ny Kianja Barea ny 26 jona 2021 alina iny aloha tsy maintsy nisy manampahaizana («pyrotechniciens») no nandefa azy. Satria tena teo amin’ny lohan’ny Malagasy sy vahiny nasaina tonga tao mihitsy anie e !


Dia ho lasa amin’izay ny ratsy ? Fomba fiteny sy fanirian’ny Malagasy maro an’isa izany. Saingy matoa misy ny mazava, misy ny maizina. Ary na dia efa lasa razana aza ireo miara-manondrana ireo (iza ny olombelona tsy ho faty ? Ianareo ?), dia ho dimbiasan’ireo tanora ankehitriny voakolokolo ao anatin’ny fankahalana sy ny tsy fitiavan-tanindrazana izay toe-tsaina ambany dia ambany na dia miseho faratampim-pahaizana ny sasany.

Saingy izao : ho vitsy hatrany izy ireo any ka tokony manontany tena dieny izao hoe : f’inona tokoa moa no ataoko eto amin’ity tany fandalovana ity ? Azy ny azy fa ireo misy sary nalaina tao amin’ny Kianja Barea, ny alin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena malagasy.

Ny tsy misy ambom-po-pirenena sy maty ny eritreritra ihany no tsy ho faly amin’izao. Ny firenen-dehibe rehetra dia manao io avokoa, aza adino, ka tsy fakan-tahaka fahatany iny nataon’ny Filoha Andry Rajoelina iny.

Fa dia Arahaba daholo indray aloha isika mbola velona nahatra iny Asaramanitra 2021 iny !

Jeannot Ramambazafy

Sary : Andry Rakotonirainy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Dimanche, 27 Juin 2021 11:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO