]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !

Willy Razafinjatovo. Fehezo tsara ny « kilnao » vao miteny olona e !

Me Willy Razafinjatovo tao amin'ny Tv Plus

Amin’ny teny andavanandro dia fanafohezana ny voambolana frantsay hoe « client » ny atao hoe « kil ». Ingahy Willy Razafinjatovo moa dia mpisolo vava (« avocat »). Fantany tsara mihitsy aho fa tsy hoe anaovako alako bika tsy tiako tarehy izy eto na koa fiarovana ny Filoha Rajoelina noho ny « fisolelahana » araka ny fomba fitenin’i Fanirisoa Ernaivo Chiottes, mpitsara nanonga-tena, azy.

Fiteniko, ombieny ombieny ny hoe : ny marina tokana ihany ary tsy mba maty, sy ny hoe : ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Eto koa izany tsy misy hidiran’ny hoe « secret de l’instruction » (tsiambaratelon'ny fanadiadiana) satria izy mpisolo vava mihitsy no nanonona ny anarana hoe Paul Rafanoharana tao amin’ny Tv Plus omaly 11 aogositra 2021. Fa izao aloha no anisan’ny voalazany :


 

« Nilaza ny « Président de la République » fa hoe tsy « conseiller-any » io olona io. « Conseiller diplomatique ». Tsy marina izany, fa hoe vao indroa fotsiny no hitany. Tsy marina izany. Satria misy taratasy ireto manamarina izany, fa hoe «Conseiller diplomatique »-ny Prezidan’ny Repoblika, heu « Président-ny Transition » fa tsy « République » tamin’izany fotoana. Nosoniavin’ny Premier ministre Beriziky izany, manamarina izany zavatra io. Ka mahagaga, sady mahasosotra no mahamenatra, manafintoana, hoe mandainga, heu, lainga marivo tototra e ! Io ! Sonia anankiroa, ity anakiray, dia ity koa misy anakiray. Io, io fanamarihana izay zavatra izay… Amafisiny (I Paul Rafanoharana io resahiny io) tamin’ny 2013 satria efa tamin’izany fotoana izay izy no hoe : « Conseiller diplomatique-ny Président Andry Rajoelina ». Ary ity izany izao dia manamafy izany zavatra izay satria ity dia nandeha izy tamin’io volana septambra io, niala teto Madagasikara satria tsy nifanaraka tamin’ireo mpiara-miasa tao amin’ny manodidina ny Prezidàn’ny Tetezamita tamin’izay fotoana izay. Ka voatery izy nandositra nitsoaka. Satria natahorany tamin’izay hoe ho vonoin-dry zareo izy fa hoe manelingelina fa te-hanadio ohatra ny zavatra teneniko izao, sady koa hiady amin’ilay kolikoly »./.

Ao anatin’ny hoe asan’ny mpisolo vavan’ny fiarovana («avocat à la défense»), dia tena marina mihitsy ilay fiteny hoe : «tous les moyens sont bons». Saingy izao no mibaribary : ay tsy voafehin’i Me Willy akory ilay dosie ary tsy fantany fa tena «manipulateur» (olna mahay mampiresaka azoany izay ilainy) izay tsy izy ingahy Paul Rafanoharana. Ary tena raharaha politika sy criminel io raharaha io fa tsy resaka «droit commun» ka atao tsianjery maimbo fotsiny ihany andrebirebena ny mpanara-baovao («opinion publique»). Soa ihany fa ny soratra mitoetra.


Aoka ho fantatrareo mpamaky sy ingahy Me Willy fa tamin’ny 22 oktobra 2014 dia nasain’i Paul Rafanoharana sy ilay ho vadiny faharoa, niara-nisakafo taminy aho, teto Antananarivo. Ny antony ? Amin’ny maha mpanao gazety matihanina sy « fanta-daza » ahy dia mba tiany raha manao « communication » mikasika azy ny tenako. Izay mihitsy aho vao nahita azy nivantana sy niresaka taminy. Izy aloha dia araka ny filazan’i Laure Verneau ao amin’ny gazety « Le Monde », dia tena « Dandy longiligne d’une grande culture et orateur habile » tokoa. Izany hoe lehilahy lava manify tena avara-pianarana sy mahay miresaka tokoa. Izay mihitsy ilay olona nanoloana ahy tamin’izay. Nilaza tamiko ary izy tamin’izay fa manao fotoana amin’ny Filoha Rajaonarimampianina izy satria ho tendrena Praiminisitra izy. Izao moa tsy fomba no mitondra fitaovana fandraisam-peo ary tsy nitondra caméra ihany koa aho tamin’io fa « téléphone » no nangalako sary azy.

Niandry tao Ambohitsorohitra tokoa ny lehilahy fa...

Tena notsorika taminy hoe : aza manonofy loatra ianao. Voalohany, Rajaonarimampianina anie zanaka pasiteran’ny Fjkm (protestanta izany) fa tsy izy loatra noho sakana fa ireo manodidina azy izay « opportunistes » (fantatrareo ny dikan’io voambolana io) ny ankamaroany ka hanaloka azy ireo ianao. Fa nanizingizina izy fa efa raikitra ny fotoana amin’i Hery Rajaonarimampianina. Tamin’io nihaonanay io dia ny Dokotera Kolo Roger no Praiminisitra. Ny anjarako izany dia ny hampahafantatra azy amin’ny mpamakiko sy ny ireo mpanao gazety namako. Tena namerina mihitsy aho hoe : aza dia manantena loatra ianao fa tsy misy olona mahavita zava-doza noho ny olona diso fanantenana.


Fa mbola nandresy lahatra hatrany izy hoe « c’est une question de temps ». Ary nanome ahy « dossier » mikasika azy izy. « Fichiers électroniques » daholo moa ka mora no nitahiry azy ireo. Eto ary dia avoakako ny ampahan’ny CV nosoratan’i Paul Rafanoharana (teraka teto Antananarivo ny 2 may 1963) izy tenany manambara izao, eo amin’ny voalohany mihitsy: de juin 2013 à janvier 2014 : Conseiller diplomatique du Premier ministre de Transition de Madagascar (chargé de mission). Io ny sary io ambany io.


Ka maninona ianao ry Me Willy mbola sahy maninzinginzina fa hoe « Conseiller diplomatique-ny Président Andry Rajoelina » izy ? Izany toerana izany, Tompoko, tsy voatery ho fantatry ny Filohan’ny Tetezamita. Mahazo manendry izay tiany handrafitra ny Kabinetrany ny Praiminisitra, Tompoko. Ny taratasy noresahinao tao amin’ny Tv Plus, izay tsy nisy nahita mazava akory, dia taratasy nosoniavin’ny Praiminisitra Beriziky manendry an’i Paul Rafanoharana ho mpiara-miasa aminy ataony mpanolotsaina sy irakiraka ara-diplomatika. Izay hoe niankina amin’ny Primatiora ao Mahazoarivo fa tsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra na Iavoloha.

Manaraka. Tsy miteny mihitsy ianao hoe inona no karazan’io raharaha io ? Tsy raharaha ady tsotra aloha («droit commun»). Ka inona ary ? Ady heloka bevava («affaire criminelle») ? Raharaha politika ? Sao lahy voan’ny fandraikidraikena aza ianao ry Me Willy ô !? Ao amin’io CV nomeny ahy io aloha tsy nisy resaka hoe « mpanolotsainan’ny Mgr Odon Razanakolona » izany mihisy izy. Ka izao : na dia niteny aza ity farany, tao amin’ny TVM, ny 21 Jolay 2021 fa tsy manao politika ny eglizy katolika dia inona moa no nandambondamboan’i Paul Rafanoharana azy ? Ny 16 sy 17 septambra 2014, dia nentin’ny namangy olona mpanao politika frantsay izy. Ireo ny sary manaporofo izany.


Mazava izany ny tetika : te-hampiseho izy fa olona manampahaizana be ary miara-dàlana amin’ny eglizy katolika izay manana mpino kristianina maro indrindra eto Madagasikara.


Fomban’i Paul Rafanoharana mihitsy io fahaizana miresaka io. Tsy mieboebo izany izy ; tsy mampiaka-peo izany fa malefaka. Izay tokoka angaha ilay lazain’ny Ntaolo hoe « malemy paika manafina kilema » ? Asa. Raha dinihina daholo izany dia na tena tsy voafehin’i Me Willy ilay dosie, na izy jamban’ny vola. Asa fa tsy asam-panasoavana ny asa ataony. Na tiany koa na tsia, resaka politika avo lenta be mihitsy ilay izy. Ho sahy ve izy hiala toa ny nataony tamin’ny tsy niarovany an’ny mpanao gazety Arphine Helisoa intsony satria hoe « misy resaka poltika » ? Asa aloha fa azy ny azy. Farany : tsy ampianatra azy « droit » (fianarana lalàna ankapobeny) ny tenako. « Enjana » tokoa i Me Willy satria tena nabomboka tamin’ny « capacité en droit » izy tao Ankatso. Ary lasa « avocat d’affaires »… (« çà veut dire ce que çà veut dire », hoy ny Frantsay…).

Fa izao kosa : resaka fikasana hamonoana Filoham-pirenena am-perinasa voafidim-bahoaka ilay raharaha. Ary taorian’ny « nahafaty » an’i Idriss Deby tany Tchad sy namonoana mpikaraman’ady an’i Jovenel Moïse tao Haïti. Ka ampianaro ny vahoaka malagasy ity manaraka ity, satria mba nianatra « droit » koa ny tenako : « Nécessité n’a point de loi ». « Principe de l’état de nécessité. Jurisprudence sur l’état de nécessité ».

Manomboka izao koa tsy hiantso azy izany Me Willy Olala izany intsony aho. Nitolona koa aho tamin’ny taona 1972 ary saika maty teo amin’ny Hôtel de ville. « Accords de coopération » amin’ny Frantsay ny niadivana tamin’izany saingy izany olona mizaka zom-pirenena frantsay saika nampidi-kizo ny firenena malagasy no arovana izao. F’angaha dia tena milliards de milliards mihitsy no andrandraina sa « asa soa » ho an’ny firenena ? Fa firenena iza anefa no arovana izao ? Fa sahiko mihitsy no milaza eto fa tsy anjely latsaka an-tany akory i Paul Rafanoharana. Ny Kolonely «misotro ronono», Philippe Marc François indray dia tsy mila resahina eto akory fa… matihanina e !


 

Farany : mikasika ny vady faharoan’ingahy Rafanoharana Maillot. Tena mino tanteraka aho fa jamban’ny fitiavana izy ka « victime ». Kanefa moa vady e !... Izao mantsy : mpanao asa soa izy io. Ny 29 aprily 2013, amin’ny maha Filohan’ny AMDDEF (« Association Malgache des Défenseurs des Droits de l'Enfance et de la Femme ») azy, dia nanome motos vaovao miisa efatra ho an’ny Polisim-pirenena izy.

Mgr Odon sy ny vady faharoan'i Paul Rafanoharana

Izy koa kristiana katolika tena voton-pinoana. Ary mazava fa izy no nampifandray ny vadiny amin’i Mgr Odon Razanakolona toa zary nataon’i Paul Rafanoharana totohatra fiakarana.

 

Ka izay ra-Willy ô ! Fehezo tsara ny dosien’ny kilnao tsy ho lasa momoko toa ny an’ireo izay nandoro ny fanananao rehetra tao Sans Fil Toliara. Tsy ho adinonao fa andro vitsy taorian’ny nahamay tanteraka ny trano fonenanao dia nentin’ny minisitra Latimer Rangers -tamin’izany- ny tenako ary nahita maso ny fahavoazanao sy ny fianakavianao. Aiza ny tohiny ?

Nazava aloha fa resaka politika iny nandoroana ny tranonao iny. Fa aza dia miafina loatra amin’ity « présomption d’innocence » ity re ! Aza miandry misy maty vao mody hamangy fahoriana fa tsy mora ho ana firenena iray izany Filoha am-perinasa misy mamono izany.

Ratsimandrava no lesona mahatonga ny Filoha Rajoelina tsy maintsy miaro tena ary mampiasa ny « Nécessité n’a point de loi ». Ary raha ianao ry Me Willy no teo amin’ny toerana aloha e…Dia lazao koa fa mamoaka « tsiambaratelon'ny fanadiadiana » koa aho eto e!

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 13 Août 2021 03:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety