]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Jacky Razafiniaina. 16.08.1955-16.08.2021 Happy Birthday, World Champion Dancer !

Jacky Razafiniaina. 16.08.1955-16.08.2021 Happy Birthday, World Champion Dancer !

Natao tamin’ny teny anglisy ny lohatenin’ity lahatsoratra ity ho fanomezako voninahitra ho ana tera-tany Malagasy zandriko heritaona, nitondra avo dia avo ny tany niaviany ao anatina taranja azo atao hoe sarotra fa kosa tena ao anatin’ny ràn-tsika avy aty amin’ny faritra atsimon’ny Tany. Ny dihy no tiako tenenina. Fa ny an’i Jacky Razafiniaina, na koa Jacky Joachim, dia dihy lasa fanehoana kolontsaina.


Tantara lava be ny an’ity Jacky ity satria feno 66 taona katroka izy androany 16 aogositra 2021. Fa raha fintinina dia nofy lasa zava-nisy mbola misy hatrany ny azy : « dream come true, rêve devenu réalité ».


Teto Madagasikara dia nanomboka nianatra ny atao hoe « danse classique » ny namana Jacky, tamin’ny 1977. Izany hoe 22 taona izy tamin’izany. Tao amin’ny Carmina Brokmann izy no niaratra. Ity mpampianatra ity dia namolavola mpandihy toa an-dry Anna Radilofe sy Sylvie Rakotomalala. Io ny gazety «Madagascar Matin» ambony io, vavolombelon’izany.


Rehefa nahefano efa-taona taoamin’i Karmina Brokmann i Jacky (1077-1981) avy hatrany dia nandray anjara tamin’ny finaninana « Danse de rock » izy ny taona 1982, rehefa avy namorona ny tarika hoe « Jacky & His Dancers » na « Jacky & ses danseurs ». Izany hoe: Jacky sy Ny Mpandihiny. Ary dia nobatainy soa aman-tsara ny amboara « Champion de Madagascar de Rock 1982 », niaraka tamin’i Lucette izay lasa ho vadiny taty aoriana. Tantara hafa...

Raha hiverenana kely ny tarika « Jacky & ses danseurs » dia izao no tanjona : hatsaraina ny dihy gasy mifanaraka amin’ny feon-kira misy (« modernisation du dihy gasy »). Nahomby satria hafa mihitsy ny fomba fandihizan’i Jacky.

Ny taona 1985 i Jacky dia niondrana any Frantsa hitsapa ny alalin’ny rano ka rehefa nahita irika dia niverina teto Madagasikara lehilahy, nampiaka-bady an’i Lucette ary nilofo niatra karazan-dihy «Danses de salon» (1989-1992) sy «Line Dance Country (1994). Tsy misy hidiran’ny vintana ireo taranja ireo fa tena miankina amin’ny fianarana sy fanazaran-tena enjana mira « formation militaire » tokoa… Ary dia nody ventiny ny rano natsakaina.

Raha efa maro no mahafantatra ny « danses de salon », mbola vitsy no mahalala ny hoe « Line Dance » na « danse en ligne ». Izy io dia dihy ataon’olona maro milahatra ka mampitovy ny fihetsika manaraka izay feon-kira re. Hoy wikipédia : « La catégorie des danses en ligne comprend toutes les danses de groupes pratiquées individuellement, soit l'un derrière l'autre, soit côte à côte, soit encore en deux lignes se faisant face. On trouve des danses en lignes tant parmi les danses traditionnelles que parmi les danses de société ou les danses rock ».


Mbola zaza vao (« Newcomers ») izy roa no niditra finaninana ny taona 1997, ka tsy nisy nahafantatra. Fa roa taona taty aoriana monja, izany hoe ny taona 1999, dia nobatain’izy roa ny amboara ka lasa « Champion de France niveau Novice Line Dance Country ». Ary dia tsy nitsahatra nisongadina na izy mivady na i Jacky irery any ka fanta-daza maneran-tany. Isika eto Madagasikara moa variana amina zavatra tsy dia mampivoatra, mahagaga…

Ho an’izay mahatadidy, dia tao amin’ny cinéma « Palace » taloha, tetsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena Analakely, no nampianatra « Line Dance » i Jacky ary ny taona 2001 izy no nahazo fahazoan-dalàna nampianatraizany taranja izany avy amin’ny NTA na « National Teacher Line Dance Association ».

Tsy ho be resaka aho fa ireto avy ny zava-bitan’i Jacky Joachim Teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2008 :

2002 : « Champion d'Europe niveau Intermédiaire » tany Suisse

2005 : « Champion d'Europe niveau Avancé » tany Pays-Bas

2008 : « Champion du monde 2008 » tany Nasville Etazonia



Tanteraka tokoa ny nofin’ilay bandy kely tsy nisy niraharaha loatra tamin’ny fotoan’androny. Ny tena fehiny ? 66 taona izao i Jacky Razafiniaina. Tsy niova mihitsy ny lehilahy.

Ka hoy aho ho azy : Happy Birthday, World Champion Dancer ! Ary ampiako ho anareo mpamaky ny hoe : « si la musique adoucit les mœurs, la danse, elle, donne une éternelle jeunesse ». Mba adikao kosa e !


Ho ela velona ianao zandry ary aza miditra ao amin’ny sehatra politika politisianina mihitsy fa mampitapy io !...

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 AoĂ»t 2021 09:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety