]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Filoha Andry Rajoelina. Fanambarana tao Ivato, ny 27 septambra 2021

Filoha Andry Rajoelina. Fanambarana tao Ivato, ny 27 septambra 2021

Ry vahoaka malagasy,

Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona,

Ramatoa Filohan’ny Antenimiera,

Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,

Ianareo Mpikambana eo anivon’ny Governemanta,

Ianareo Loholona sy Solombavambahoaka izay manatrika etoana,

Ianareo Tomponandraikitra ambony, sivily sy miaramila rehetra,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny voalohan-teny dia ny fisaorana an’Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny dia sy ny fikasana rehetra izay natao tany ivelany. Ary rariny sy hitsiny raha ampahafantarina sy fintinina amin’ny vahoaka malagasy sy ho anareo izay manatrika etoana ny anton-dia sy ny vontoatiny izany dia izay natao tany Frantsa, tany amin’ny « Nations-Unies » ary teo amin’ny FMI, tamin’ny herinandro lasa teo.

Izany dia nafahantsika namerina sy nametraka an’i Madagasikara eo amin’ny toerana misy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa, indrindrina indrindra, nafahantsika nanasongadina ny ezaka atao sy ny mbola ho tanterahina eto amin’ny firenena. Raha fintinina dia fahombiazana tanteraka ho an’i Madagasikara.

Lehibe sy goavana ho an’ny Malagasy no azon-tsika taorian’izany andro vitsivitsy monja izany. Raha fintinina dia ny talata lasa teo, izany hoe ny 21 septambra, no notanterahina ny fanaovan-tsonian’ny fiaraha-miasan’ny governementa malagasy sy ny tahirim-bolam-panjakana frantsay na ny « Trésor français », mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa « téléphérique » izay atao sy ho tanterahina eto Antananarivo. Tao amin’ny ministeran’ny Europe sy ny Raharaham-bahiny frantsay tao Parisy no nahatanterahina izany. Ny tsy mampandroso antsika dia  lany andro isika amin’ny adihevitra tokony tsy hisy ; lany andro amin’ny tsikera diso toerana. Izaho dia manetri-tena ary na mankany any amin’ny birao any ambanivohitra any aza ataoko. Ka vao mainka ve fa tetikasa hitondra fampandrosoana zy hanamarika ny fanovana tanteraka eto amin’ny Firenena - mba miantsy kely aho eto ary jereo any amin’ny archives any fa ny tenako no tao amin’ny « ministère des Affaires étrangères » frantsay no nanatrika ny sonia nanaovana io « Rocade » an’Iarivo io. Ny mpitsikera taloha ihany angamba androany no efa mampiasa iny làlana iny, izay an-dalàna mitondra ny fampandrosoana, ary ireo mpitsikera ireo ihany androany no haka « selfie » eny ambony rehetra rehetra eny.

Izao tokoa moa no tsy mihaina ny olana ara-pitaterana sy ny fitohanan’ny fiarakodia eto Antananarivo ? Tsy misy izay tsy mikaikaika angamba amin’ny embouteillages eto Antananarivo. Iza tokoa no tsy miaina ny fahasemporana ateraky ny setroky ny gas-oil, izay ateraky ny fiara eto Antananarivo ? Iza isika no tsy manana havana, manan-janaka kely sempotra noho izany hoe « ville » anisan’ny « polluée » indrindra Antananarivo ? Noho izany, adidin’ny mpitondra, adidin-tsika no mitondra vahaolana mba hamahana izany olana rehetra rehetra izany eto amin’ny firenena. Tetikasa lehibe hitondra fanovana goavana eoamin’ny fifamoivoizana sy eo amin’ny fiainan’ny mponina eto andrenivohitra ity tetikasa téléphérique ity, satria dia foto-drafitrasa hamaha tanteraka ny olan’ny fifamoivoizana na ny « désengorgement » an’Antananarivo.

Raha hiteny tarehimarika amitsika fotsiny aho, dia telo tapitrisa na « trois millions » ny isan’ny mponina izay monina manodidina an’Antananarivo ka tafiditra ao Avaradrano, Atsimondrano sy Antananarivo Renivohitra. Dimampolo isan-jato amin’ireo ihany no monina ao Antananarivo, fa ny dimampolo isan-jato kosa dia manodidina an’Antananarivo. Ary ny ankabesahan’ireo olona ireo dia mandeha taxi be avokoa, izay no miteraka « pollution grave » eto Antananarivo. Ary ity tetikasa ataontsika ity dia afaka mitatitra olona 40.000 isan’andro.

Misy zotra anankiroa (misy antony daholo izany : 2 na ataontsika 4 fa 2 aloha no ataontsika), ity « téléphérique » ity : ny voalohany dia ny zotra maitso izay hampitohy an’Andohalo, Izany hoe miainga avy eny Andohalo izany, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Betsaka ny mpizahan-tany handeha amin’io « téléphérique » io, sy ny mpianatra, ny mpiasa, ny olona rehetra ; midina an’Andohalo, midina mankeo Ambanidia ary mahazo ny Oniversite eny Ankatso. Izay ny zotra voalohany. Ny zotra « orange » indray : iny no tena mandeha haingana sady lava be, izay miainga eo Ambohijatovo, mahazo an’Analakely, mandray an’iny « Avenue de l’Indépendance » iny, tonga eo Soarano, mankany Antanimena, mandalo an’Ankorondrano, mandalo any Ivandry, mandra-pahatonga eo amin’ny « Coliseum », ary tonga hatreny amin’ny « Lycée français » an’Ambatobe. Izay ny ligne Orange.

Fatantsika tsara fa farafahakeliny dia adiny iray, adiny iray sy sasany na mety ho adiny roa mihitsy aza no lanin’ny olona anankiray raha miala any Anosy mandrapahatonga any Ambatobe. Izay no zavatra misy, miampy ny fitohanan’ny fiara, miampy ny « pollution », miampy ny fatahorana ny mpangarom-paosy raha mandeha taxibe ianao… izany no zavatra mitranga. Fa raha mandeha « téléphérique » kosa dia telo ambiny folo minitra dia tonga, miala any Anosy hatren’Ambatobe.

Izany no ataontsika. Dia mba te hanontany kely aho hoe : « Que demande le peuple ? », inona indray moa no angatahana ankoatra izay ? Ary tiako ny manamafy fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vina sy ny asa fampandrosoana entina hanavaozana ny tanàna mba hifanaraka amin’ny toetrandro maoderina ity tetikasa « téléphérique » ity.

Fa tsy izay ihany, fa efa manana hafa koa isika, efa manomboka ao, efa nampanantenaina hatramin’izaho Ben’ny tanàna : notenenintsika fa tsy maintsy havaozina ny fifamoivoizana sy ny fitanterana eto an-drenivohitra sy manerana an’i Madagasikara. Efa manomboka ihany koa ary efa vita sonia ny « train urbain », ary efa mandeha daholo izany asa rehetra izany.

Fitaterana azo antoka, tsy mandoto ny tontolo iainana ary miainga amin’ny herinaratra manokana ity « téléphérique » ity. Izany hoe : famatsiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro izay « coupler-na » amina « groupe électrogène » manokana no hanatanterahana sy hampandehanana an’ity tetikasa « téléphérique » ity.

Fa ny dia tao Frantsa ihany koa dia anisan’ny nanaovantsika ny sonia mikasika ny tetikasa Mandraka 3. fanaovana « barrage hydraulique » io Mandraka 3 io. Ny zavatra teneniko dia izao : Hanova ny tantara isika. Ary ny zavatra mora indrindra dia mitsikera, fa ny tena mora noho izany dia ny tsy manao na ninonana inona. Ka izahay tsy naman’ny mihemotra fa naman’ny miasa, ka na inona na inona zavatra ho lazaina dia tsy maintsy mandroso i Madagasikara.

Rehefa vita izany asa fanaovan-tsonia izany, nametrahantsika ny tetikasa rehetra tao Frantsa izany, dia nitodi-doha nankany New-York ny tenako niaraka tamin’ireo delegasiona nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-76 ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana. Iny moa ny fivoriambe voalohany natrehako tao aorian’ny nahavoafidy ahy ho Filoham-pirenena. Ary fotoana lehibe tokoa izay nafahako nisolo tena ny Firenena Malagasy. Afaka milaza isika fa betsaka ny fankasitrahana avy any aminareo fa heninkaja ary tsy nitsanga-menatra ny Malagasy fa manana mpitarika tanora.

Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’i Antonio Guterres, izay Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana izay niarahaba manokana ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny fitantanantsika ny ady izay nataontsika tamin’ny coronavirus. Naneho ny fankasitrahany tamin’ireo ezaka rehetra nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny fametrahana sy ny fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara ny tenany. Ary nanamafy fa raha te-handroso ny firenena dia ilaina ny « stabilité ». Tsy ilaina ny fanakorontanana ary ilaina ny « alternance démocratique ».

Ny Firenena Mikambana ihany koa dia manohana ny vinan’ny fitondram-panjakana Malagasy ho fampandrosoana an’i Madagasikara ary mankahery antsika amin’ny ezaka maro ataontsika ho fanarenana ny Firenena. Anisan’ny noresahana manokana tao ihany koa ny mikasika ny any Atsimon’ny Nosy, dia ny tetikasa lehibe izay hapetraka manokana. Fanamby ireo asa ireo ary ho entina hanavotra ity Firenena malalantsika ity.

Rehefa vita ny fandraisam-pitenenana natao teo amin’ny « tribune » an’ny « Nations Unies », dia nitodi-doha nankany Washington avy hatrany ny tenako sy ny delegasiona, ny alakamisy lasa teo, nankany amin’ny FMI na ny « Fonds Monétaire International ». Tsara ny manamarika fa isika no firenena voalohany noraisin’ny Tale Jeneralin’ny FMI tao aorian’ny roa taona izay niatrehan’izao tontolo izao ny coronavirus na ny Covid-19, nandritra ny fivoriana izay natao ombieny ombieny tamin’ireny visioconférence ireny. Ary namafisiko tao anatin’ny fotoana niarahana taminy iny ny tokony hanafoanana ny trosan’ny firenena sy ny hanampiana azy ireo amin’ny fanarenana ara-toe-karena aorian’izao Covid-19 izao.

Nomarihin’ny Tale Jeneralin’ny FMI fa resy lahatra tanteraka izy amin’ny paikady sy lalan-tsaina entintsika hampandrosoana ny firenena amin’ny sehatra ara-toekarena fa indrindra ara-tsosialy. Noho izany dia : voalohany, averiko : voalohany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nahazoantsika famatsiam-bola goavana sady tsy averina mitentina… Famatsiam-bola, tsy averina… Ohatra ny mahare aho mantsy hoe trosa trosa, a a a ! Famatsiambola tsy averina. Noho ny ny fijerentsika ny tombotsoantsika, dia nahazo 332 millions de dollars na 332 tapitrisa dolara tsy averina ny firenena Malagasy, izay entintsika hampandrosoana sy hanarenana ny firenena aorian’iny Covid-19 iny.

Tamin’ny 23 septembre 1963 isika no niditra ho mpikambana tao anivon’ny FMI fa notahian’Andriamanitra isika. Raha afaka atao ny mandohalika dia mandohalika mihitsy misaotra an’Andriamanitra. Tsy miteny aho hoe mana nilatsaka avy any an-danitra, fa noho ny fitahian’Andriamanitra dia nahazo an’izao fanampiana goavana be izao isika ary afaka tonga dia ampiasaina avy hatrany fa tsy miandry afaka herinandro fa na rahampitso aza isika hoe izao no ilainay dia tonga dia ampiasaina. Ary tapaka nandritra ny fihaonana fa hanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana io fanampiana azontsika io. Izany hoe : ho atokana ho an’ny fotodrafitrasa ara-tsosialy mahakasika ny angovo azo havaozina, ny rano, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny làlana, fa indrindra indrindra ho an’ireo asa fampandrosoana rehetra voafaritra izay norafetintsika.

Fehiny dia hanavaozantsika tanteraka ary hanovantsika tanteraka ny Tantara ny any Atsimon’ny Nosy sy ny fotodrafitrasa rehetra manerana ny Nosy izay tokony ho tsapa fa hitondra fampandrosoana, izany vola azontsika izany. Tiako ny manamarika fa tapaka tamin’izany fa tsy ho ampiasaina mihitsy amin’ny fampihodinan-draharaha izay tsy ho hita mivaingana sy ventiny izany fanampiana izany, fa hatokana tanteraka ho an’ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, mitondra vokatra azo tsapain-tanana, sy ny mahasoa ny vahoaka Malagasy.

Mety hisy hilaza indray any zao hoe tsy laharam-pahamehana ny zavatra atao, fa eto aho izany dia tena gaga mihitsy hoe matoa tsy nandroso ity firenena ity dia satria tsy nisy na inona na inona laharam-pahamehana tamin’ny mpanao politika sy ny mpitondra nifandimby ny zavatra rehetra natao teto amin’ny Firenena. Izay rehetra tsy laharam-pahamehana, izay atao rehetra dia najanona, aleo tsisy na inona na inona atao. Izay no noteneniko hoe isika tsy naman’izay mihemotra fa isika naman’ny mandroso ary miasa hatrany.

Reko anefa, reko ny fitarainan’ny vahoaka. Reko ihany koa ny ezaka tokony atao. Misy « contexte mondial » mikasika ny vidin’entana satria ny sambo, ohatra, dia miakatra daholo ny « transport » avy any Chine, ohatra : raha 3.500 dollars teo aloha, izao efa 12.000, 8.000 na 12.000 dollars ny « conteneur » mankany Chine. Izay izany no antony mampiakatra ny vidin’entana. Nefa na dia izany aza dia izay no noteneniko hoe : raha azo atao ny mandohalika dia mandohalika satria inona no antony ? Hanafatra sambo 20 isika hitondra PPN ho amidy amin’ny vidiny mora eto Madagasikara.

Hividy siramamy isika, hividy vary isika, sy izay PPN rehetra ilain’ny vahoaka malagasy dia ho vidiantsika. Sambany angamba teto amin’ny Tantaran’ny Firenena no misy an’izany, ary izay no noteneniko hoe : isika dia mandroso ary tsy maintsy hampandrosoana ity Firenena ity. Noho izany dia miarahaba manokana antsika Malagasy tsy vaky volo ny tenako fa azo lazaina fa nody ventiny ny rano natsakaina ankehitriny, ary indrindra indrindra ireo tetikasa rehetra izay ataontsika. Dia mitohy ireo asa marobe efa natomboka ary ho tanteraka ireo asa rehetra nokasaina sy, indrindra indrindra, ny velirano nifanaovana.

Fehiny : miasa isika, ary miasa mafy. Mandroso isika ary, indrindra indrindra, tsy maintsy tafita i Madagasikara.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Nandika an-tsoratra araka ny henon’ny sofina : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 29 Septembre 2021 16:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety