]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Filoha Andry Rajoelina. Ny kabariny tao Ambovombe, ny 30 septambra 2021

Filoha Andry Rajoelina. Ny kabariny tao Ambovombe, ny 30 septambra 2021

Ianareo Minisitra rehetra mpikambana ao anatin’ny Governemanta,

Ianareo Solombavambahoaka,

Ianao ray aman-dreny Latimer Rangers,

Ianareo Ben’ny tanàna rehetra manatrika etoana,

Fa indrindra ianareo vahoakan’Ambovombe :

Mafana, mafana dia mafana ny andro, ary mafana dia mafana torak’izany ihany koa ny fitsenanareo vahoakan’Ambovombe isaky ny tonga eto amin’ity toerana ity aho. Ka ho mariky ny Fitiavana, ho mariky ny Firaisan-kina, ho mariky ny afaliana dia asian-tsika tehaka sy kiakiaka mafy be, Tompokolahy sy Tompokovavy. Mbola asian-tsika tehaka mafimafy noho izany ihany !

Rehefa tonga eto amin’ity toerana ity ny tenako, dia mitamberina ato an-tsaina ireo zavatra maro be nitranga teto amin’ity kianja ity. Tamin’ny fampielezan-kevitra, dia tonga teto aho tery, tery amin’ny manoloan’ny gradins ankehitriny ery. Teo aho no nanontany ary teo ianareo no nangataka, satria vovoka dia vokoka no teto, dia hoy ianareo : Monsieur le Président, rehefa mba lany Filohan’ny Repoblika ianao dia mba ataovy kianja manara-penitra ity toerana ity. Ary namaly aho, tamin’izay hoe : ampio aho afahako manampy anao.

Ankehitriny, rehefa nampianareo aho, rehefa nomenareo fitokisana aho, dia tsy hivadika mandrakizay amin’izay fitokisana nomenareo izay aho. Ary indrindra indrindra rehefa nisidina teny ambony teny, nahita ilay kianja dia hoy aho hoe : zavatra toa izao mendrika, tsara, no zavatra tokony atolotra an’ny vahoakan’Ambovombe, dia vita io ary ho tokanan-tsika tsy ho ela izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Io Fitiavana io dia tsy afaka kobonina, tsy afaka atao miatsara ivelan-tsihy. Toy ny vovom-bolamena raha latsaka ao anatin’ny fasika : lotoina vao mainka mamiratra, asiana rano vao mainka mitsingevana, izay ny fifankatiavan-tsika, Tompokolahy sy Tompokovavy. Marina sa tsy marina ? Asio tehaka mafy be raha marina, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Izany Fitiavana izany dia efa noporofoina. Satria, vao lany Filohan’ny Repoblika ny tenako dia taty Atsimo no nandehanako voalohany indrindra. Mariky ny Fitiavana izany.

Tamin’ny alarobia lasa teo, dia nanao kabary teny amin’ny « tribune »-ny « Nations-Unies » ny tenako ; tamin’ny alakamisy teo, izany hoe herinandro androany izany, satria alakamisy androany, dia nankany amin’ny FMI (« Fonds monétaire international »). Noraisin’ny lehiben’ny FMI ny tenako ary nizara taminy ny fomba ho entina mampandroso an’i Madagasikara. Fa anisan’ny nibahana sehatra lava indrindra tao ny fampandrosoana aty Atsimo. Ny fampandrosoana aty Atsimo iray manontolo fa indrindra indrindra ny fampandrosoana eto Ambovombe, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Tsy adinoko ianareo na ato an-tsaina, na ato am-po, na amin’ny kabary, na amin’ny asa, satria hanova ny Tantara miaraka isika, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Dia izao : nahazo famatsiambola isika, famatsiambola tsy averina fa famatsiambola goavana be 332 millions de dollars. Sambany tamin’ny Firenena no mba nahazo izany famatsiambola izany isika. Nisy ny mpitondra tany aloha tany milaza hoe kapoakany ny miresaka amin’ny mpamatsy vola. Dia hoy aho hoe : ny antsika tsy kapoaka fa barika goavana be, satria dia famatsiambola goavana, izay isika vao nahazo famatsiambola toa ity.

Ka izao : vao avy teny amin’ny « Nations-Unies » aho ; vao avy teny amin’ny FMI aho. Ny fitsidiham-paritra voalohany nataoko, dia aty Atsimo, eto Ambovombe. Fitiavana izany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Satria ny Fitiavana no lehibe indrindra, ary ny Fitiavana no hafahantsika mandroso sy mampandroso ny Firenena. Mila mifankatia isika rehetra rehetra, mila mifanampy isika rehetra rehetra, marina sa tsy marina ?

Misaotra ny ray aman-dreny Latimer Ranger noho ny tso-drano nataony teo. Ary ny teny nataony teo dia hitany daholo ny fitondram-panjakana nifandimby teto. Isaorako ianao Ray aman-dreny noho ny tso-drano nomenao teo satria ny tso-drano zava-mahery. fantatro ianao fa avy any Antanimora no tonga taty, ilazanao hoe : Monsieur le Président, mba faniriako ny hitso-drano anao. Tonga taty amiko ny hafatra dia hoy aho hoe : amin’ny maha-zanaka aty Androy, amin’ny maha-zanaka aty Ambovombe, amin’ny maha-zanaka aty Atsimo anao dia ho raisiko izany tso-drano izany ka misaotra anao Ray aman-dreny tamin’ny tso-drano izay nomenao.

Hanova ny Tantara isika, ary hatramizay hatramizay, dia adino foana ny taty Atsimo. Tsy nisy nikarakara ny taty Atsimo ; mahantra ny aty atsimo ; kere ny aty atsimo ; nefa vahoaka mazoto, vahoaka mendrika, vahoaka mila ampiana ary ho ampiako, ho ampiantsika ka hanova ny Tantara, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Nilaza ianao teo Ray aman-dreny, ary somary nandona ny foko ihany satria mety nisy ny disadisa, mety nisy ny tsy fifankazoana, mety nisy ny hevitra tsy nitovy, tamin’ireny fanaovana fotodrafitrasa ireny. Reko fa nisy nikorontana taty. Ny anjarantsika rehetra dia ny mandamina, tsy tombontsoan’iza n’iza ny manakorontana na mampisavorovoro ny raharaha fampandrosoana. Marina sa tsy marina ?

Na izany na tsy izany aza anefa, amin’ny samy maha-tompon’andraikitra antsika, raha misy diso, dia tsara ny mifampiresaka, tsara ny mifanantona. Ka noho ny tenin’ny Ray aman-dreny teo, hoe nisy ireo zanatsika izay nigadra any am-ponja, ary amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, dia zoko ny manome « gràce ». Ka noho izany dia ho avotsotra ny voafonja. Rehefa vita eto ny kabary dia hiantso ny ministra tompon’andraikitra handray ny taratasy rehetra aty hamotsotra azy rehetra ao anaty fotoana fohy.

Iray taona katroka izay no nahatongavako teto Ambovombe, ary telo volana mahery no nanaovantsika ny « colloque » izay no entina hanovana ny tantaran’ity atsimo ity. Anisan’izany ny eto Ambovombe. Noho izany dia rehefa nanao io « colloque » io isika, zavatra goavana be, famatsiambola goavana be no ilaina, dia nisy nitsikera, hoe aiza no ahitana vola hanaovana ireo aza rehetra ireo ? Hoy aho hoe : rehefa manana finoana ianao, rehefa manana fitiavan-tanindrazana dia tsy maintsy ampian’Andriamanitra, tsy maintsy ampian-Janahary. Tonga io ilay vola 332 millions. Ary izao no lazaiko antsika : betsaka no efa niteny fa izaho dia efa nanao velirano taminareo satria ny rano no afahana mivelona ; ny rano no afahana midio ; ny rano no aina ihany koa. Noho izany velirano no ataoko anareo, tsy fampanantenana fa tonga dia asa. Tsy maintsy atao ny « pipeline » goavana tsy natao hatrizay, hatrany Taolagnaro hatraty Ambovombe. Handalo any Ankaramena izy io, mandalo any Andranopiso, Andranovory, mandalo Antanandava Sud, mandalo Amboasary, ary tsy maintsy tonga eto Ambovombe ny rano madio, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Io « pipeline » lehibe io dia ireto ianareo solombavam-bahoaka, fa ny famatsiam-bola izay azontsika, ny ampahany maro amin’io dia ho entina, indrindra voalohany, hanovana io « pipeline » io. Efa ao amin’ny « Banque centrale » ao ny vola ary ho atombotsika avy hatrany ny tolo-bidy sy ny tolo-barotra hanaovana izany asa izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ekena sa tsy ekena ? Mety sa tsy mety ?

Teny ambony « hélicoptere » teny aho, dia nahita ihany koa fa efa lasan’ny vovoka, lasan’ny rano ihany koa ny tavan’ny « goudron » mampifandray an’Ambovombe sy Taolagnaro. Efa nanao velirano taminareo aho. Izay zavatra teneniko tsy maintsy tanterahiko, ary alohan’ny faran’ny taona dia hanomboka ny RN13 mampifanohy an’Ambovombe hatrany Taolagnaro.

Dia izao : zavatra goavana anie izany hataontsika izany e ! Tsy nisy nahavita tao anatin’ny 50 taona. Dia mbola miteny koa ny sasany hoe ahoana ny hanaovana ity RN13 ity ? Fa izao : ny RN13 ataontsika ihany koa dia hatrany Ihosy mandrapahatonga ao Betroka dia ataontsika « goudron » ihany koa amin’ilay vola azontsika teo, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Fanamby no ataoko anareo fa hatramin’izay naha-tany ny tany, hatramin’izay naha-atsimo ny atsimo, hatramin’izay naha-Ambovombe an’Ambovombe, fantatro ny fitiavanareo ahy ary izaho koa tia anareo. Ovaintsika ny tantaran’Ambovombe, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ekena sa tsy ekena ? Mety sa tsy mety ?

Dia izao : izany asa izany dia mila mpiara-miasa mavitrika, mila mpiara-miasa mandroso, ary mila mpiara-miasa vonona, ary mila mpiara-miasa tia tanindrazana. Izay ny antony. Hoy aho hoe : zavatra tsy maintsy tanterahina io « pipeline » lehibe io. Dia mitady aho hoe misy zanaky ny faritra Androy ve, misy olona manana ny traikefa ve hanatanteraka an’izany ? Tsy hanala baraka ahy, tsy hanalabaraka anareo, satria velirano no atao !? Izay no antony nakako ny lisitra avy aty Androy, avy aty Ambovombe, dia Ladislas nataoko ministry ny Rano, hanatanteraka io velirano io.

Tsy adino ihany koa, efa voalaza teo fa mbola nalaina ihany koa ny ministra izay ministry ny Jono manam-pahaizana manokana avy eto Ambovombe hanatanteraka asa marobe. Hanome sambo isan-karazany ho an’ireo mpanjono, mba tsy handeha ireny lakana kely ireny intsony. Mba hametraka « centre frigorifié », mba afahana mitahiry ireny trondro rehetra rehetra ireny. Tsy aty atsimo ihany fa manerana an’i Madagasikara. Zava-dehibe loatra izany.

Betsaka ny foto-drafitrasa izay hataontsika aty atsimo satria maro loatra ireo zaza tratra ny tsy fanjarian-tsakafo. Rahampitso dieny rahampitso izahay dia hitokana ny ozinina fanaovana ireny sakafo hiadiana amin’ireny tsy fanjarian-tsakafo ireny izay ataon’i Ramatoa vadiko, izay hotokanana ao Taolagnaro, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Betsaka ny zanatsika mandeha mianatra, tsy misakafo dia tonga any ampianarana noana, lasa tsy misy valiny, tsy misy volany ny fianarana ataony. Dia izao no zavatra lazaiko anareo : nanolotra sosokevitra tamin’i Madame Ministre hoe : Madame Ministrye ny Fampianarany, mba ataovy izay hisakafoanan’ny zanatsika izay mianatra, ary indrindra indrindra ataovy laharam-pahamehana ny any Atsimo iray manontolo. Ny zavatra nitranga dia ity : raha EPP sivy no nisitraka ny « cantine scolaire » hatrizay hatrizay, namboarinay ny « budget », dia nisy « budget » mitentina 19 milliards ariary atokana hanaovana « cantine scolaire ». Ka ny eto Ambovombe manokana raha fianarana 9 no nahazo ny « cantine scolaire », dia fianarana 342 no hisitraka ny « cantine scolaire » manomboka izao fidiran’ny mpianatra izao, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Fa tsy ny EPP ihany fa hoy aho hoe : mba tsinjovy koa ireo zanatsika izay manala BEPC. Noho izany, CEG 33 ihany koa no misitraka ny « cantine scolairee manomboka izao, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Raha tamin’ny herintaona, aotra tsy nisy « cantine scolaire » fa ankehitriny ny eto Ambovombe fotsiny io lazaiko io, 33 no misitraka ny « cantine scolaire ». Ny "lycée" anakidimy no hisitraka izany « cantine scolaire » izany.

Izay no teneniko hoe mila ministra miasa haingana, mila ministra miasa mafy ary izay no isaorantsika manokana ny ministry ny « Education nationale » satria miasa izy ary vao tsy ela akory izy no taty.

Tsy ny eto Ambovombe ihany anefa fa any ny Tsihombe, ny any Beloha, ny any Bekily, ny any Amboasary, ny any Betroka dia hisitraka izany « cantine scolaire » izany avokoa isika mianakavy.

Maromary ihany ny làlana efa natao sy tokony ho atao. Fa indrindra indrindra dia izao : amin’io vola azontsika io ihany dia mbola tany Etazonia aho dia niantso ny Ministra : manao ahoana kay ny famokarana herinaratra ao Ambovombe ? Manao ahoana ny famokarana herinaratra any Atsimo ? Dia hoy izy hoe : mijaly, marary, maizina, tsy mandeha, tapatapaka ny jiro, Monsieur le Président. Baiko ary toromarika no omeko anao, Monsieur le Ministre : tsy maintsy asiana « parc solaire » goavambe eto Ambovombe sy aty Atsimo, Tompokolahy sy Tompokovavy. Famatsiambola efa ao izany, famatsiambola efa azontsika izany,  famatsiambola azontsika tamin’ny FMI izany izay fanomezana maimaimpoana ary atolotra ampitiavana ho an’ny vahoakan’Ambovombe ary, indrindra indrindra, ho an’ny distrika rehetra rehetra maro aty Atsimo.

Anisan’ny hisitraka izany « parc solaire » goavana be izany ny ao Bekily, ny ao Beloha, ny ao Tsihombe, ny ao Amboasary, ny ao Betioky, ny any Ampanihy. Hiova tanteraka araka izany ity faritra atsimo ity.

Maromaro ihany ny fotodrafitrasa atao eto. Amin’ny manaraka rehefa tonga eto angamba dia tsy maintsy matory eto, satria tsy ho vitantsika ao anatin’ny iray andro ny fitokanana fa maromaro. Efa mandeha ao ny EPP. Hatramin’izay, tsy ary nisy lycée manara-penitra taty, efa ho vita, efa mandeha ao ny lycée izay atao eto Ambovombe. Ny hopitaly manara-penitra mbola ho atao aty tsy maintsy ho vita io. Notenenin’i Monsieur le Député hoe mba omeo « radiologie ». Hoy aho hoe : tsy « radiologie » ihany, fa « radiologie numérique » mihitsy, manara-penitra no omena anareo eto Ambovombe, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny tenako dia tsy tonga irery aty, fa eo ny vadiko izay manaraka ahy sy manosika ahy mihitsy hoe andao ho any atsimo, satria tianay ianareo, maminay ianareo, ankafizinay ianareo. Misy fanomezana manokana ihany koa, izay tetibola goavana izay nomen’ny « Banque mondiale » izay mitentina 100 millions de dollars hanaovana « forages », hanaovana tohadrano izay ao anatin’ny « projet Mionjo » ahafahana mamatsy rano aty amin’ny faritra Androy sy faritra Anosy iray manontolo. Izany hoe misy « forages » ho atao, misy pipeline ho atao, ary ny faniriako dia tsy hijaly rano intsony ianareo.

Eto aho dia hisaotra manokana an’izy ireo ary asiako teny fohy satria tsy miteny gasy moa izy ireo :

Je tiens particulièrement à remercier Madame la Représentante de la Banque Mondiale si vous pouvez venir. Vous ne représentez pas tout simplement la Banque Mondiale pour nous, mais vous êtes notre amie, et vous êtes aussi Malagasy dans le cœur, merci pour votre soutien, merci pour votre accompagnement. Au nom du peuple d’Androy et d’Ambovombe, nous vous remercions particulièrement.

Il y a aussi Madame la Représentante de l’OMS qui nous a soutenus pendant la crise sanitaire du Covid19 : merci Madame la Représentante.

Matoky antsika ny mpamatsy vola, miaraka amintsika ny mpiara-miombon’antoka, ary izao : tsy maintsy tafita ity Madagasikara ity. Potika ny làlana marobe eto amintsika, marina sa tsy marina ? Vao mandeha ianao dia manao « gauche », manao « droite » ary mitaraina mihitsy ny aotômôbilina. Ny mpitondra rehetra nifandimby, na angady iray, na borety iray tsy nomeny anareo, fa izaho kosa dia nitondra « engins complets » fanamboaran-dàlana omena ny faritra Anosy sy omena ny faritra Androy mba hampitohy ireo « communes » rehetra rehetra ary mba hisosa sy handeha ny fampandrosoana sy ho vita ny làlana rehetra rehetra manerana an’i Madagasikara, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Tsy maintsy tafita i Madagasikara ! Tsy ho adino intsony ny faritra Androy, ary tsy maintsy mandroso Ambovombe !

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy

Andry Rajoelina

Filoham-pirenena malagasy

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 30 Septembre 2021 19:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety