]
Les quotidiens du 16 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Miami Toamasina. Mirediredy tokoa ireo tanora tezaina ao anatin’ny vola maloto sy ny fankahalana

Miami Toamasina. Mirediredy tokoa ireo tanora tezaina ao anatin’ny vola maloto sy ny fankahalana


Ny fiainana ry zalahy fandalovana a ! Ie, lesona no omeko eto ary zoko izany amin’ny maha zokiolona ahy. 68 taona aho izao sao misy manadino.

Ny fahatanorana dia fotoanan’ny fanandramana rehetra. Ny « adalana » isan-karazany e ! Fa rehefa mandroso kosa ny taona, ny tena izy dia tokony miditra amin’ny fandalinana zavatra sy fahendrena ny zanak’olombelona. Raha ny hita sy tsapa eto Madagasikara anefa dia tsy izany no misy. Ireo noheverina fa zokibe tokony hanoro zavatra marina indray no mampiana-dratsy ny tanora izay toa « faly » ery ny mandainga -mamorona mihitsy aza- ka tsy mahatsapa fa ny taranany ihany no ozoniny. Asa fanaovan-gazety no resahiko eto. Mikasika ny mpanao politika moa dia fantatrareo ny ataon'ny "goaika antitra" toa tsy hanaiky gisitra mihitsy mandra-maty. Eny, any tokoa vao Ra-Malala, hono e !


Efa 40 taona mahery aho no manao ity asa fanaovan-gazety ity, izay tsy misy izany « retraite » izany raha ny tena marina sy amin'ny eritreritro manokana. Fa singanina i RJA na Ralissy Joseph Andrianarijaona, dadan’i Nivotiana (NTA) mpiara-miasa tao amin’ny « Madagascar Tribune » gazety taratasy fa tsy ao amin’ny Internet. Nampianatra ny tena fanaovan-gazety tokoa i Ralissy. Ny taona 2001 dia Itompokolahy Mamy Rakotoarivelo, minisitry ny Serasera tamin’izany, no nanome an’i RJA marimboninahitra teo amin’ny tokontanin’ny SME (« Société malgache d'édition ») tao Ankorondrano (efa lasan’ny H. Fraise et Fils daholo iny faritra rehetra iny. Resaka hafa…), rehefa nandeha nisotro ronono. Maro izahay no tao amin’io "Madagascar Tribune" io ka anisan’izany Franck Raharison, James Ramarosaona, Rolly Mercia, Adelson Razafy…

Ny volana mars 2003 dia teraka ny gazety « La Gazette de la Grande île ». Lasa any daholo ny ankamaroan’ny mpanao gazety « kalaza » tamin'izany vaninandro izany… Ary dia hoe « La Vérité imprimée » na ny fahamarinana an-tsoratra, no tarigetra. Izaho nijanona tao amin'ny «Tribune» fa tena nahafinaritra mihitsy aloha no namaky izany gazety vaovao izany. Fa vao nodimandry i Franck Raharison na FR, ny 19 janoary 2020 teo amin’ny faha-70 taonany, narahin’i Salomon Ravelontsalama (Sa izay tao amin’ny Midi Madagasikara taloha), nodimandry ny 6 aogositra 2020, teo amin’ny 63 taonany, dia nanomboka tsy nitandrina ny fenitry ny fanaovan-gazety intsony ny « La Gazette ». Asa loatra.

Izaho moa, taty aoriana, dia niangavian’ingahy Roland Hubert "Lolà" Rasoamaharo, namana tena niara-nilalao kalesy fony mbola kely, hanoratra tao amin’io gazety io. Nilaza izy moa, tamin’izay, fa afaka manoratra izay hitako fa mety ary tsy misy fetrany ny isan’ny pejy. Ary nataoko tokoa izany nandritra ny roa taona mahery teo, isaky ny alarobia, niampy ny sabotsy avy eo. Tsy nisy hoe resaka « karama » fa nekeko izay nomeny satria « namana ». Fa rehefa nosakanany tsy hivoaka ny lahatsoratro mikasika ny « Filatex » (nefa nivoaka ao amin’ny madagate anie e ! ETO), ny volana aogositra 2021, dia nalehoko niala. Talohan’io efa nisy ihany ny lahatsoratro tsy navela hivoaka fa mbola nandefitra aho tamin’izany.


Nanomboka ny tapaky ny taona 2021 dia tena nivaralila tanteraka ilay gazety. Fanenjehina olona tsy misy porofo mazava no tena anton’ilay asa fanaovan-gazety. Nefa tamin’ingahy Jean Ravelonarivo nandositra teto tsy re mihitsy io gazety io. Hanontanio an’i Lola ny antony, fa nisy vola be tao e ! Indrindra tamin’ireny propagandy tamin’ny taona 2018 ireny. Izao dia mitady « mpanao gazety » ny « La Gazette de la Grande île ». Ho volavolaina handainga sy tsy mba hanamarina ny tranga fa hanenjika izay olona tsy reven’i Lola ve ? « Be karama », hono ao e ! Asa aloha fa izay tiany ho soratanareo no hisy ao. Miampy teny ratsy mivariraraka izay tsy mahazatra ahy mihitsy. Milaza fa « namana » izy fa vitany mihitsy ny mampanoratra fa hoe «Lèche-moi » (lelafo ahy) ny tenako. Azy ny azy raha hiaro lava ny Filatex mpangalatra tany eto Madagasikara izy, fa hitodika any amin’i T. Berado aho.


Ataoko fa mbola tena zandry kely lavitry ny taonanay ianao io. Tokony adikanao teny malagasy kely ilay lahatsoratrao hoe : « Projet Miami : une autre divagation du champion », nivoaka ny 4 Septambra 2022. Fa eny e : homen’i Lola, Prezidà, bonus ianao. Ny dikan’io ry zareo dia hoe : Foto-drafitr’asa Miami : mirediredy indray ilay tompon-daka. Satria hoy ny Filoha Rajoelina, vao tsy ela fa « MIray hina Ary MIfankatia » no dikan’ny Miami ao Toamasina ao. Ary toa tsy misy afa-tsy ny Miami ao Etazonia ihany no fantatr’ity Berado ity. Toa ilay hoe Arena -feno manerana izao tontolo izao-, nolazaina fa « natao anaran’ny zanaky ny Filoha mihitsy ».

O ry Berado a ! Rehefa mpanao gazety izany dia mitady fanamarinana (« recoupements ») no asa voalohany. Ay va re fa dontoina amin’ny fankahalana loatra ianao dia tsy fantatrao fa misy Miami hafa e ? Fa atoa inona koa io connexion Internet ao amin’ny Pradon ao ?Ny mahagaga ahy nefa dia toa ny taona 2014 ianao no nanomboka niasa tao. Ao anatina 8 taona ve dia adino izany « recoupements » izany ? Sa...?

Ireto avy ary ny toerana misy izany Miami izany ary tsy natokana ho an’ny mpanan-karena ihany :


Efatra be izao (satria roa no ao Monaco) ny toerana mitondra ny anarana hoe Miami maneran-tany, ary ho dimy rehefa vita tanteraka ny Miami Toamasina. Tsy izany anie ry laikely no tanjon’i Lola fa ny anaranao fotsiny no ho tadidin’ny olona any aoriana any e ! Ny nampifandraisana amin’ny hoe « tsy mahamaika sy tsy misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana fa fialam-boly fotsiny » no mahamaika azy. Satria mbola nampiana hoe : «na ny làlana mankany aza dia lo noho io filazana tsy misy fotony io».

Ny fiainana dia mitohy ary hitohy na tsy ho eo intsony isika. Adala ireo mihevitra fa hahasakana ny fiovana misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka mampitovy ny tsy mitovy hatrany.

Fa raha hiverenana ny Miami ao Toamasina dia izao ny tantarany, ho an’ny taranaka fara aman-dimby :


Ny 17 novambra 2020 no nihazo ny tanànan’i Toamasina ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina niaraka tamin’ny vadiny Mialy Rajoelina. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy io andro io ny dingana voalohany amin'ny tetikasa Miami. Io no fampivoarana ny sehatra Avaratra, mirefy 560 metatra, avy eo amin’ny sisin’ny ranomasina ao Toamasina.

Tafiditra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ny mponina ao amin’ny Tanànan’i Toamasina ity tetikasa Miami ity. Tsy inona izany fa ny fanatsarana sy ny fandaminana ny morontsiraka no tanjona mba hananganana toeram-pitsangatsanganana sy toerana fialamboly. Toa ireo Miami misy any Europa sy any Florida, Etazonia.

Tamin’io 17 novambra 2020 io, rehefa nisinda ny aretina covid-19, dia notsiahivin’ny Filoha Rajoelina fa ankoatra ny fandravahana ny morontsirak’i Toamasina, mitovy amin’ireo tora-pasika malaza maneran-tany, dia mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany, anisan’ny andrin’ny toekarem-pirenena, ny tetikasa Miami.

Ity dingana voalohany amin'ny tetikasa ity dia ahitana ny fananganana rafitra fiarovana mirefy 800 metatra manamorona ny morontsiraka ary koa ny fananganana ny zaridainan'ny mpifankatia, ny valan-javaboary amin'ny skate, ny toerana fanatanjahan-tena ivelany, ary ny ampahany voalohany amin'ny faritra fivarotana eo an-toerana.


Tamin’ny voalohan'ny volana oktobra 2022 teo dia nidina tany Toamasina ny Filoha nitokana foto-drafitrasa maro. Teo nofantatra fa ho tokanana tsy ho ela io Miami Toamasina io, miaraka amin’ny kianja mitafo izay nokianin’ingahy député Roland Ratsiraka fatratra. Ho avy sa tsia ?

Ary eto izany no apetrako amin’i Berado ny fanontaniana : inona moa izany hoe « fampandrosoana » izany aminao ry tovolahy ? Fa izao : matezà ny aina hahita izany ary aza adino fa ny nenina any aoriana any handatsa. Fa iza no tsy ho avy ao Toamasina raha mbola velona ihany e ? Na dia... hanamarina fotsiny aza fa ay tsy "maquette" ilay izy.


Farany : ho an’izay hitatata fa hoe manao propagandy alohan’ny fotoana dia tsarovy fa tamin’ny taona 2020 io Miami Toamasina io no natomboka. Ary raha tsy nisy ny aretina covid-19 dia efa nanisa tombom-bola niditra ireo mpivarotra miisa 321 hiasa ao anatina fivarotana « en dur » manaraka ny fenitra amin’ny fiadiana amin’ny loza toa ny hai-trano, izay hivelatra eo amin’ny 1,6 kilometatra. Izay no halavan’ny Miami Toamasina, manamorona ny ranomasina.

Tsy misy hahalala an'i Franck Raharison marina noho izaho ianareo. Zokiko efatra taona izy. Io ambany io no hafatra fa tsy arakaraka ny zavatra lazaina anareo niseho nahalala azy akory.


Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 05.10.2022

Mis à jour ( Samedi, 08 Octobre 2022 09:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques