Hitomany aho sa hihomehy ? Tsy hiditra aminâny lalina aho. Tsy andany ny andronareo mpamaky aminâny famelabelarana ny fa hoe « taminâny 1997 no nisy fanisana ireo trano niorina farany teto Antananarivo Renivohitra ». Ary dia nijanona teo io resaka io kanefa Benâny tanĂ na maro no nifandimby, na voafidy na mpisolo toerana (PDS), na mpisolo toerana vonjy maika.
Guy Willy Razanamasy (1994-1999), Marc Ravalomanana (1999-2002), Patrick Ramiaramanana (2003-2007), Andry Rajoelina (2007-2009), Guy Andrianarisoa, MichĂšle Ratsivalaka (2009), Edgard Razafindravahy (2009-2013), Olga Rasamimanana (2013-2014), Lalao Ravalomanana (2015-2019), Naina Andriantsitohaina (2019-âŠ.). Iza izany no nandoa ary iza no tsy nandoa nandritra ny fitondranâireo ny TanĂ nanâAntananarivo ?
Fa ireto voalazanâireo tomponandraikitra roa ao aminâny Kaominina an-drenivohitra Antananarivo na CUA no mahalasa eritreritra : « Ny taona 2019 dia tsapa fa tsy ampy ny fidiram-bolanâny TanĂ na ». Niditra an-tsehatra ary ny GIZ (Fiaraha-miasa aminâny Allemagne) aminâny fanisanana ireo trano naorina. Nisy ary milaza fa ny Banque mondiale mihitsy no nanampy⊠Teny aminâny boriboritany faha-V no natomboka (Mahagaga fa toa tsy fantatry ny solombavambahoaka Naivo Raholdina izanyâŠ). Voalaza fa hoe « tsy vita hatraminâny farany fa notohizanâny Benâny tanĂ na Naina Andriantsitohaina (izay nanomboka niasa ara-pomba ofisialy ny 16 Janoary 2020) ».
Ary dia natomboka ny volana desambra 2021 -11 volana lasa- ny fizarana ny taratasin-ketra. Nahomby ve izany satria tsy nisy ny fitarainana ? Ny ahy manokana kosa dia ny alakamisy 17 Novambra 2022 no tonga. Fa raha olona marary fo aloha dia tapaka lalan-drà mihitsy !
Taratasin-ketra valo (08) be izao no voaray ka ny iray diso adiresy ary ny iray aminâny anaranâny zanako. Ny sasany dia diso ny fanampinanarako. Ireto farany mety hitranga fa ny roa voalohany dia mampibaribary fa fanalikana olona tsotra izao. Tsy misy teny hafa ilazana azy. Ny loza dia hoe misy olon-kafa daholo izay manambara fa mampanofa trano ny tenako. Ary dia samihafa daholo ny hetra ho aloa. Midika ve izany fa mpanefoefo aho ka manana "immeubles" miisa valo misy mpanofa daholo? Misaotra e !
Io no tena adiresy
Mba tsy nataony RAJOELINA Mialy aza...
Ka tsotra ny teniko : izaho tsy manda aminâny fandoavana hetra, izay isan-taona ihany. Fa kosa asio fanajana sy fifanajana. Mpanao gazety miasa tena ho. Ny dikany dia ato an-trano foana aho. Tsy misy izay tsy mahalala ahy eny aminâny faritrâi Tsiadana ambaninâAmbohidempona. Satria efa 23 taona aho sy ny ankohonako no mipetraka eny.
Trano hazo no nipetrahanay aloha ary ny taona 2014 vao tafatsangana io trano lasa misy taratasin-ketra valo ankehitriny. Tsy nisy ny « permis de construire » satria tsy fantatra intsony hoe aiza no mangataka izany fa lany andro eny Mahamasina na eny Anosipatrana. Tsy izaho no vonona tsy anara-dalà na fa ny zava-nisy no tsy nahatanteraka izany.
TSINDRIO ETO RAHA HAMAKY NY LAHATSORATRA
Tonga ny taona 2016. Nanao « opĂ©ration permis de construire » ny CUA tarihinâi Rtoa Lalao Ravalomanana. Maro toa ahy no nandoa 200.000 ariary nisy rosia soa aman-tsara ka rehefa tonga any an-trano ny mpiasa ao aminâny CUA dia maka ny refiny ilaina rehetra afantarana hoe ohatrina izany no aloa hanomezana « permis de construire » ara-dalĂ na sy tsy misy sazy. Volana Oktobra 2016 izany. Hatraminâizao 18 Novambra 2022 izao tsy nisy tohiny intsony io. Rehefa tapitra ny fe-potoana niasanâny Benâny tanĂ na Lalao Ravalomanana ka tsy lany intsony izy, ny taona 2019, dia loza ! Trano miisa 167.000 no nitady niditra aminâny ara-dalĂ na ka samy nandoa 200.000 ariary toa ahy daholo. Tsy nisy tohiny intsony fa dia lasanâi Lalao, sy Marc Ravalomanana, mpanolo-tsainany, baojo ny volabe 17 miliara ariary. Izahay tsy nisy nahazo « permis de construire » ara-dalĂ na ary izy mivady tsy nisy nanenjika. Dada (sy Neny) tokoa izany.
Izao volana Novambra 2022 izao indray zavatra toa izany no mitranga fa mifamadika. Tsy nisy olona na iray aza avy ao aminâny CUA tonga tany amiko nanadiady momba ny tranoko sy mba niresaka tamiko na iray segondra aza. Avy aiza izany ireo kajikajy voasoratra ireo ? Ry Lalao sy Marc Ravalomanana moa efa maty eritreritra sy very tadidy ary ny olo-mody tsy mila atosika⊠Fa raha ny ekipa aminâizao fotoana izao koa aloha dia an an an (hoy i Hery Vaovao izay). Manao ny mponina eto Antananarivo ho badraodra daholo (hoy ny Pr Zafy izay). Tsy misy fampilazana mialoha, tsy misy fanazavana aminâny haino aman-jery maro eto an-tanĂ na, tsy misy fitsinjovana na kely aza eo aminâny elanelanâny volanâny olona miditra sy ny hetra takiana. Fa ny loza dia ankatoky ny Krisimasy ny Taom-baovao no manao sarina didy jadona satria hoe « ara-dalĂ na ary adidy sy anjara biriky et patati et patata⊠».
Tsy misy mandĂ ny fandoavana hetra, Tompoko, fa kosa hajanony mihitsy aloha ireo taratasin-ketra petatoko ! Alamanino tsara mihitsy aloha ny fomba handresenareo lahatra mponina efa vizaky ny covid, ny rivodoza, ny vokatry ny ady any Ukraine (fiakaranâny vidim-piainana maneran-tany fa tsy eto amintsika ihany). Toa tsy raharahinareo daholo izany ? Ny mahavariana dia eto Antananarivo Renivohitra ihany koa no miseho io halatra tsy mitonona anarana io. Ka eto aho dia milaza fa misy ambadika politika mihitsy io ary ny Filoha Andry Rajoelina no tarigetra (ny dikanâny « target » aminâny teny anglisy dia lasibatra). Misy mitetika hanao toa taminâny volana Desambra 2008. Ho tezitra ny mponinanâAntananarivo dia hanome « ultimatum » dia manomboka ny volana Janoary 2023 dia hisy « mpanao politika vaovao » hijoro.
IIaina ny manofy fa mampitapy ny manofy atoandro. Na misy ny mpampirisika dia mbola tsy kentrona daholo akory ny mponinanâAntananarivo. Ka tandremo tsy ho tratra farany eo.
Raha ny amiko manokana dia tsotra : ianareo ve no manao fahadisoana sady mampihomehy no mahasosotra dia izaho no hanatona anareo any anaty birao any ? Tongava any amiko any an-trano -rehefa mivoaka ny hopitaly ny vadiko tsy ho ela, satria mbola manao garde-malade aho-. Any amiko ianareo no tena hahita ny zava-misy marina. Ary tokony atao toa izany daholo fa tsy trano hazo kely no asaina mandoa hetra 1 tapitrisa ariary. Sahinareo nanoratra izany !
Farany : nilaza ry manampahaizana isany fa « tsy ampy ny fidiram-bolanâny CUA ». Fa mba tonga any aminâny vatam-bolanareo any ve ireny vola misy maka avy aminâireo mpivarotra eraky ny sisin-dalana (« trottoirs »), maniry ohatry ny ananĂ ireny eto Antananarivo ? Ireo fotsiny no resahako.
Farany dia farany : tsara ny fifehezana sy ny fahaiza-manao misy aminâny orinasa tsy miankina (« sociĂ©tĂ©s privĂ©es »). Fa izao : tsy tombontsoany hatrany no tanjony fa tsy ny tombontsoam-bahoaka. Aza manofy atoandro ny aminâizany. Mahaiza koa ianao mijery ny Tantara e ! Isaky ny tonga ny fotoana fanangonana letchis sy manga dia tsy hita intsony ny fiara mpaka fako. Ny antony ? Fantaro, aminâizay miasa ny sainareo. Kanefa efa ao anatinâny fahavaratra isika. Vola o ! Hatraiza re no⊠fetra ?
Andry sy Harilala, mpanao gazety mpaka sary ato amin'ny madagate, namangy ny vadiko
Fa tsapanareo nanao kitoatoa ve fa hisondrotra koa ny hofan-trano dia hampisy isa ireo 4'mis izay toa jerem-potsiny eny amin'ny tonelina eny ? Sa hailika any amin'ny ministeran'ny Mponina ny tsy fiheritreretanareo ? 3 tapitrisa mahery izao ny mponina eto Antanarivo Renivohitra.
Jeannot RAMAMBAZAFY
Antananarivo, 18 Novambra 2022