]
Les quotidiens du 20 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASIKARA. GASYCAR TENA HO FENO SOA TOKOA !

MADAGASIKARA. GASYCAR TENA HO FENO SOA TOKOA !

Voaporofo izao fa tena aretina mitaiza sarotra sitranina no manjo ireto mpanao politika malagasy milaza fa mpanohitra ireto. Ny hitambatra ho iray aza tsy vitany satria tsy ny firenena sy ny vahoaka ao aminy no tarigetrany fa ny hanan-karena faran’izay aingana amin’ny fihinanàna izay volam-bahoaka rehetra. Ny avy ato anatiny io na avy ivelany io. Ary mbola lavitry ny afo ny kitay amin’ny hoe ny mpanohitra dia hanana kandikà tokana iraisana rehefa tonga ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Mitoetra hatrany ny hoe « sao dia » ho lany kosa aho ("et si jamais je suis élu !?"). Nefa ny ankamaroany tsy misy praograman’asam-pandrosoana, fa fampanantenana hatrany. Nefa rehefa injay sendra vahoaka tsy mahara-baovao sy tsy ampy fandalinana dia ny vava miteny hoe : « ianareo no te-hifidy aho » sisa no tsy sahy ho tenenina. Mbola ho avy izany…


Fa izao aloha dia manaratsy ihany, manaratsy hatrany amina zavatra tsy mitombona. Adinony tanteraka fa ny Firenena tsirairay dia manana ny Tantarany. Eto aho dia ny resaka « Gasycar » no velabelarako. Mety ho taitra ianareo amin’ny lohatenin’ity lahatsoratra ity. Tsy misy hifandraisana amin’ilay zandry kely manana fandaharana ao amina fahita lavitra iray izay akory. Fa kosa manambara ny fitohizan’ilay fomba fiasa soa (tsara) efa nisy tamin’ny andron’ny Filoha Philibert Tsiranana. Fa tsy hoe ("Werawera") na « rendrarendra », araka ny filazan’ireo mpanao politika tsy mahalala akory ny Tantaran’ny Fireneny, na minia « manadino ».

Tsiahy.

Tany amin’ny taona 1960 tany dia nisy izany orinasa « Entreprise de construction automobile malgache » na ECAM izany. Soso-kevitra niala avy tao amin’ny Citroën France ka ny fampiarana azy dia ny fanatambarana «pièces détachées» avy ivelany, natao eto Madagasikara nananganana fiara iray manontolo. Ny 9 Febroary 1962 ary dia vita teto Antananarivo ny fiara Citröen 2CV voalohany nampitondrana ny anarana hoe « Mafy Be ». Nisy karazany roa io 2CV io : « Berline », fitondrana olona ary « Fourgonnette » fitondrana entana. Dimy isan’andro no fiara 2CV « Mafy Be » vita tamin’izany vaninandro izany. Fa tao koa ny fiara Citröen « Ami 6 » sy « Mehari ». Raha isaina ireo fiara mitondra ireo anarana telo natsangana eto amintsika dia nahatratra 770 isa tamin’ny taona 1970. (Loharanom-baovao : « 2 CV magazine » laharana faha-5 tamin’ny volana novambra 1998 sy ny gazety boky « L’Auto Journal » Salon 1972)

Fa tsy latsa-danja tamin’izany koa ny marika « Peugeot » sy « Renault ». Satria nisy tokoa ny « Peugeot 203 », ny « Renault 4L » sy « Renault R16 » natambatatra teto Madagasikara. Raha mikasika ny fiara Renault dia tao amin'ny « Société malgache de construction automobile » na SOMACO no ozinina mpanambatra ny Renault 4 «Tsitonta ». Teo anelanelan'ny 500 sy 1.000 no fiara natambatra isan-taona.

Ary tsy mba nisy olàna ara-teknika niseho mihitsy tamin’izany, ivelan’ny hoe lany lasantsy izay 10 ariary ny litatra tamin’izany fotoana izany… Porofo fa lanja miakatra hatrany ity vidim-piainana ity fa tsy io akory no ilazana fa hoe « tsy mahay mitantana » i anona sy i anona. Fa eo amin’ny lafin’ny mekanika, midika izany rehetra izany fa mahay ny mpiasa (« ouvriers » mandrafitra ny hoe "main-d'oeuvre") malagasy rehefa manaraka fiofanana maty paika. Fa tsy kisendrasendra toa ireo « mamboatra » finday eny amin’ny « petite vitesse » akory izany manambatra fiara iray manontolo izany.

Tonga ary ny 13 Mey 1972. Rava ny Repoblika voalohany. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Didier Ratsiraka dia nanangana ny IMI (« Institut Malagasy d’Innovation ») izy, izay notarihin’Andriamatoa Rabearivelo Andriamalagasy. Tafiditra tao anatin’izany IMI izany ny praograma fanangànana ny ozinina fanambarana fiara « Karenjy » ao Fianarantsoa. Ny vatany ihany no nampiasana akora avy eto an-toerana fa ny ambiny dia avy any amin’ny orinasa Renault France. Roa no karazana naseho (« prototypes ») tamin’izany : ny « Mazana » sy ny « Faoka ». Nijanona anefa ny famokarana fiara « Karenjy » tamin’ny andron’ny Filoha Ratsiraka. Satria sady lafo be ny vidiny no tsy dia naharisika olona mihitsy ny endriny… Tonga koa moa ny tolona nentin’ny Profesora Zafy niaraka tamin’ny Hery Velona, ny taona 1990…

Rehefa tsy teo amin’ny fitondra intsony i Didier Ratsiraka ka rava tanteraka ny Repoblika faharoa, dia niditra ny Repoblika fahatelo, fizarana voalohany, ny firenena malagasy. Saingy raha nalaza tamin’ny « Madaraid » nataony ny Filoha Zafy Albert, toa tsy nahasarika azy mihitsy izany resaka fiara «vita malgasy » izany. ka tsy nanohy ny ezaka nataon’ny fanjakana malagasy nanomboka tamin’ny Filoha Tsiranana ny Filoha Zafy.

Tamin'ny andron'ny IMI no nisian'ity "Karenjy Tuning" ity. Fa ny IMI moa toerana fikaroana ihany na dia nanangana ny ozinina "Fiarafy" tao Fianarantsoa aza. Teo anelanelan'ny taona 1985 sy 1990 dia fiara "Karenjy" teo amin'ny zato isa no nivoaka tao. Iza koa no mahatadidy koa, indray 26 Jona izay fa nisy raoplanina "hazo" nisidina teo ambonin'ny kianjan'i Mahamasina ? IMI no nanamboatra azy ary "Hitsikitsika" no natao anarany...

Nanomboka teo dia tsy nisy intsony ny hoe « continuité de l’Etat » eto Madagasikara fa samy nanao izay tiany izay Filoha voafidy ka nahazo toerana. Ny marina dia ny manodidina hatrany no te-hanan-karena tampoka amin’ny volam-panjakana (efa voalazako etsy ambony) any ka manoro voina azy hatrany, ary tena mampiady olona izay tsy izy mihitsy. Rehefa niverina teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Ratsiraka, nitondra ny Repoblika fahatelo, fizarana faharoa, efa tsy tamin’izany fiara « Made in Madagascar » izany intsony no nitodian’ ny sainy fa lasa « humaniste écologiste » izy…

Tonga teo amin’ny toerana Filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, nitondra ny Repoblika fahatelo, fizarana fahatelo sy farany. Ny azy moa dia ny Mercedes Benz no tena kapoakany raha resaka fiara ka adinony tanteraka izany ozinina manamboatra fiara eto Madagasikara izany. Nefa anie mba nafahana nanome asa ny tanora izany e ! Saingy ny nanemo magazay Magro manerana ny Madagasikara, eo amin’ny tanim-panjakana nahodiny ho an’ny tombontsoany manokano, no nataony. Minia tsy resahina mihitsy izany mba hanodinana ny sain’ny tanora ankehitriny. Saingy ny marina anie tsy mba maty ary tsy ho faty mihitsy e ! Ho adikako teny malagasy faran’izay aingana ilay boky nosoratako (ETO).

TETEZAMITA. Tsiahin’ny Tantaram-pirenena malagasy

Eto aho dia tsy hadalina ny fotoana Tetezamita fa tanisaiko fotsiny. Eo amin’ny lafiny ara-politika, ny atao hoe Tetezamita dia fotoana manelanalana eo amina repoblika roa na koa fotoana natao andaminana ny fiverenana eo amin’ny ara-dalàna. Ireto avy izany Tetezamita nodiavin’ny firenena Malagasy sy nitarika azy izany : 1. Gabriel Ramanantsoa, 7 novambra 1972 - 5 Fevroary 1975) ; 2. Gilles Andriamahazo, Directoire militaire (11 febroary - 13 jona 1975) ; 3. Zafy Albert HAE (Haute autorité de l’Etat), 31 oktobra 1991 - 28 novambra 1992 ; 4. Norbert Ratsirahonana, 5 septambra 1996 - 9 febroary 1997, taorian’ny « empêchement » ny Filoha Zafy ; 5. Andry Rajoelina HAT (Haute autorité de la Transition), 25 marsa 2009 - 18 janoary 2014.

Rehefa tafiakatra ho Filoham-pirenena voafidy hitondra ny Repoblika faha-IV, tapany voalohany, i Hery Rajaonarimampianina dia ny fiara 4X4 vita sinoa am-polony maro, an’ny Jeneraly Camille Vital, no nogejainy no tadidin’ny Tantara, na dia niezaka nanala ny tenany fatratra ingahy Jaobarison Randrianarivony (ETO). Ankoatra izay, tsy tao anatin’ny praogramany mihitsy izany hoe hamokatra fiara vita malagasy izany, hanome asa ny « tanora hanangana ny ho avy… », araka ny fitenin’ny Amiraly…

Ny 18 janoary 2019 dia nandray ny toerana maha Filoham-pirenena voafidy hitondrany Repoblika faha-IV, fizarana faharoa, i Andry Rajoelina.

Ny 24 Jona 2020, antakoky ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, dia naseho ara-pomba ofisialy teny amin’ny CCI Ivato, ilay anarana hoe « GasyCar ». Izy io dia fitohizan’ny nataon’ny fitondran’ny Filoha Tsiranana saingy amin’ity tsy ny orinasa frantsay Citröen sy Peugeot ary Renault no hamatsy « pièces détachées » fa orinasa àlema sy Sinoa. Ary tsy fiara ihany fa ao koa ny "soavaly vy" na « motos ».


Ary nisy 100 tamin’ireto farany, voaravaka ny sarim-pamantarana (« Logo ») « GasyCar », no natolorotra ho an’ny Polisim-pirenena, tamin’io 24 Jona 2020 io. Ny fizotran’io tetikasa io dia mizara telo, araka ny nambaran’ny Filoha Rajoelina, tamin’io fotoana io : 1. Ny fametrahany eto an-toerana ny ozinina fanambarana ny piesy avy any Chine sy Allemagne ; 2. Ny fivarotana ireo vokatra vita eto an-toerana. 3. Ny fametrahana ozinina tena fanamboarana fiara sy motos fa 50%-ny akora hafahana mamita izany dia avy eto Madagasikara. Ity farany moa dia noeritreretina ho vita tamin’ity taona 2023 ity.

Saingy mafy loatra ny nafitsok’ilay covid-19 ka dia voatery nakatona ny sisin-tanin’i Madagasikarana, nandritran’ny 20 volana be izao, fotoana fohy taorian’io fampisehoana io. Asa, fa raha ry zalahy « mpanohitra » no teo amin’ny fitondrana dia inona re no nataony e ? Mety tsy nisy resaka mihitsy aza izany fiara vita eo an-toerana izany.

Fa dia io resaka « GasyCar » io no hitan-dry zalahy asesika fa tsy mitana ny teny nomeny ny Filoha Rajoelina fa mampandry adrisa fotsiny ihany. Voatahiry daholo ny rediredin’ny tsairay fa sao mihevitra ho afa-bela.

Andro vitsivitsy izay, dia nandefa taratasy ho an’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny Tale jeneralin’ny orinasa « Shanghai Launch Automotive Technology Co., Ltd ». Izao raha fintinina no voasoratra anatin’izany taratasy izany :

Rehefa avy niala tsiny Atoa Wang Xu dia nanambara fa tsy miankina aminy no nahatonga ny fahataranan’ny fanombohana ny tetika « GasyCar » sy « Gasy-Technopole », fa noho ny aretina covid-19 nitarika ny fanidinan’ny sisin-tanin’ny firenena malagasy sy sinoa. Noho izany toe-javatra izany dia tsy afaka tonga tany Madagasikara, tamin’ny herintaona ireo delegasiona sinoa, ary sarotra koa ny fahatongavan’ny delegasion malagasy voahasa ho any Chine. (« (…) La mise en œuvre des projets GASYCAR et GASY-TECHNOPOLE, qui ont rencontré un retard indépendant de notre volonté, dû au contexte de recrudescence de la pandémie de Covid-19 en Chine et de fermeture des frontières ; qui ont provoqué le report de l’arrivée des délégations chinoises à Madagascar prévue en novembre dernier, alors qu’elles étaient sur le point d’embarquer, la délégation n’a pas pu effectuer son voyage à Madagascar l’année dernière. Pour les mêmes raisons, il était également difficile d’inviter les délégations malgaches à venir en Chine deux mois plus tôt »).

Fa raha mikasika ny fizotran’ny praograma kosa dia efa nivondrona ireo orinasa mpanamboatra fiara ka amin’izao fotoana izao efa nalefa any Madagasikara ireo fitaovana hanamboarana ny ozinina (« Les matériaux de construction, la structure en acier et certains équipements nécessaires à la construction des futures usines à Madagascar ont été expédiés à l’avance »). Amin’izao fisokafan’ny sisin-taninareo dia ho avy tsy ho ela any Madagasikara izahay, araka ny fotoana izay hitanao fa mety hiresahan-tsika ny fanatontosana ireo tetikasa ireo, ao anatin’ny ZEE na « Zone d’Émergence Economique ». (« Avec l’ouverture des frontières, nous allons nous installer à Madagascar très prochainement et à votre convenance pour la réalisation des projets discutés dans le cadre de la Zone d’Émergence Economique »). Midika izany fa hisy asa maro hiforona ho an’ny tanora malagasy io resaka « GASYCAR » ary koa « GASY-TECHNOPOLE » io.

Hahita zavatra ho lazaina ihany ireo « mpanohitra », ary hanozona ny firenena mihitsy aza. Ny hifanipaka amin’izany no tena ho fahagagana. Fa mitoetra ao amin-dry zareo ihany koa ilay hoe : « raha maty aho, matesa rahavana ». Ity ny fehezanteny manontolo mikasika io : « Raha ho faty aho matesa rahavako, raha maty rahavako matesa ny omby. Raha izahay sy ny zanako no hisaraka. Mihatona ry tany aman-danitra raha olona iray no tsy tia, dia hitoto koba aho hatavy ». Arahaba ry FITIAVAN-TENA mamorika ny fiainana iray manontolo!

Fa ivelan’ny praogramam-panjakana, mikasika io resaka fiara sy motos vita eto Madagasikara dia nisy tokoa ny sehatra tsy miankina mba nihezaka namorona. Saingy tsy ampy… tosika. Tao ny « Mahefa », ny taona 1980 tany ho any, izay nampiasa piesy isan-karazany avy amin’ireo orinasa frantsay voalaza etsy ambony. Vao tsy ela no nodimandry ilay olona namorona io fiara io. Manan-talenta ny Malagasy. Saingy tsy misy mpanosika. Ny mpanam-bola moa rehefa tsy misy tombony ho azy dia mody fanina… Soa fa misy ihany ireo mpanafoefo atao hoe « mécènes » ireny, manampy ara-bola artista, ohatra, amin'ny fitiavany ny zava-kanto ka tsy misy sandany ny fanampiany.

Tsy adino koa ilay hoe « Voiture à air comprimé ». Izany hoe fiara atosiky ny rivotra voafehy. Ny taona 2002 izy io no naseho tamin'ny mpanao gazety, ka izany orina frantsay MDI izany no hoe hamokatra izany ka hanangana ozinina eo anelanelan'Antananarivo sy Toamasina. Nolazaina fa ny taona 2005 no hamidy ny vokatra voalohany. 21 taona aty aoriana, Nanjavona ny tetikasa na ilay fiara hatramin'izao...

Raha mikasika ny « Karenjy » manokana kosa dia noraisin’i Luc Ronssin ny orinasa izay navadiny ho « Société à responsabilité limitée » na SARL fa tsy orinasam-panjakana intsony. Maro no mbola mahatadidy fa ilay « Papamobile » nitondra ny Ray Masina Jean- Paul II, fony izy nitsidika an’i Fianarantsoa, ny taona 1989, dia fiara novokarin’ny orinasa Karenjy.

30 taona taty aoriana, dia « Papamobile » namboarin’ny orinasa Karenjy ihany koa no nitondra ny Ray Masina François, namakivavy ny lalam-baovao Ivato-Tsarasaotra, hatrany Ivandry, ny 6 Septambra 2019.

Marihina fa ny taona 2010 no niditra an-tsehatra ny orinasa « Le Relais », mihezaka manatsara ireo karazana fiara « Karenjy » vokarina toa ny « Faoka », « Kalesa », « Jejo » ary ny « Mazana II ».

Raha hiverenana farany ny mikasika ny fiara « GasyCar » dia modely telo no hivoaka amin’ny dingana voalohany : fiarabe na « camions » 3,5 taonina ; « minibus » ary « pick-up double cabine ». Hiverenako daholo izany rehetra izany rehefa tonga ny fotoana fa tsy nisy fanantenana poak’aty tao ka asan-dry zalahy tsy nahalala izany fihiboana izany, tamin’ny fisian’ny covid-19. Tsy mba nanana havana, namana, olom-pantatra lavon’iny areti-mandoza mbola mitoetra hatramin’izao.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 16 Avrily 2023

Mis à jour ( Jeudi, 20 Avril 2023 19:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany