]
Les quotidiens du 20 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Naivo Raholdina, Mpikabary akademisiana teo aloha. Inona marina no tena tanjonao tao Amboditsiry ?

Naivo Raholdina, Mpikabary akademisiana teo aloha. Inona marina no tena tanjonao tao Amboditsiry ?

Ny soratra ry zareo mitoetra a ! Tsy teny ratsy mihitsy aloha no ho tateriko eto. Tsy fombako izany, fa nisy izany avy any amin’Andriamatoa Naivo Raholdina. Fa inona marina moa ny seho nahatonga ity Mpikabary akademisiana nanao politika hidigin-drambo ka nampiseho fa mihevitra ho mpanjakan’ny boriboritany faha-5 eto Antananarivo izy ?

Avy amina vehivavy efatra nilaza fa « assistantes parlementaires » an’ny Depiote Naivo Raholdina izay nopetahin’ny « La Gazette de la Grande île » anarana iray izay mety ho marina satria toa alainy am-bolony daholo izay taterina aminy.

Fa inona moa ny asan’izany « assistant(e) parlementaire » izany ? Izao amin’ny teny frantsay :

« L'assistant parlementaire gère le planning du parlementaire, répond en son nom à certaines demandes et peut être amené à rédiger des discours. Travailleur de l'ombre, il fait tout pour valoriser l'image de son employeur. Il doit aussi faire preuve d'une disponibilité constante et d'une réactivité sans faille ».
Raha adika amin’ny teny malagasy tsotsotra dia izao :
Ny mpanampy parlemantera dia mitantana ny fandaharam-potoanan'ny parlemantera, mamaly amin'ny anarany ny fangatahana sasany ary azo antsoina hanoratra lahateny. Mpiasa anaty aloka, manao ny zava-drehetra izy mba hanatsaràna ny endriky ny mpampiasa azy. Tsy maintsy asehony koa ny fahafaha-manao tsy tapaka sy ny fandraisana andraikitra tsy misy kilema.

Rehefa misy lanonam-panjakana toa iny fanokafana ara-pomba ofisialin’ny Mozea Rainilaiarivony ao Amboditsiry iny, ny Talata 18 avrily 2023, dia misy hatrany ny hoe « protocole » na aro-fenitra tsy maintsy arahina.

Rehefa vita ny kabary isan-karazany, teny ivelany, ka tonga ary ny fotoana fitsidihina ny Mozea dia nilahatra ny rehetra ka nisy ny atao hoe sokajy (« vague ») mizara toa izao, ho an’ny olona tonga teny : ny « vague » voalohany dia : ny Filohan’ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Governemanta, ny Governoran’ Analamanga, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, ny Solombavambahoaka sy ny taranaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony no miditra aloha satria tsy omby ny olona rehetra ny toerana. Ny "vague" manaraka moa dia ho an'ny daholobe amin'izay fa tsy miara-miditra daholo akory fa manaraka lamina hatrany.

Nisisika hiditra anefa ireo vehivavy efatra izay nilaza fa « assistantes parlementaires » an’ny Solombavambahoaka Raholdina. Nazavaina taminy fa noho ny fandaminana napetraka dia miandry ny « vague » voalohany hivoaka aloha. Tsy nety anefa ireo efa-bavy fa hoe « tsy maintsy miditra » any ka voatery nosakanan’ny Tale jeneralin’ny MKS (Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera) izay mpandamina teo. Marihina fa ny Solombavambohaka Raholdina efa tafiditra tao amin’ny Mozea. Tonga ny Sekretera jeneralin ny MKS namerina nanazava fa misy fandaminana mila arahina.


Avy hatrany ireo hoe « Assistantes parlementaires » dia nitabataba tsy nahalala intsony izay navoaky ny vavany, fa tena poizina : « Satria ve izahay manao orange dia tsy avela miditra ?». Asa loatra no antony nahatonga izany teny izany fa mijoroa koa hilaza fa tsy niteny izany. Fa tsy tafiditra ry zareo, araka ny fanajàna ny aro-fenina napetraka. Fa rehefa lasa ny Filoha Andry Rajoelina dia niverina nitabataba be amin’izay ireo vehivavy ireo. Efa nisy mpaka sary sy feo vonona mihitsy tamin’izay... Nipoitra ary ingahy Mpikabary akademisiana lasa politisiana nanontany hoe : « Lazao eto iza no nanakana anareo tsy hiditra ? ». Avy any aoriana any nisy namaly hoe : « Baikon’ny ministra, hono, hoe ny Orange tsy mahazo miditra fa ny Freedom ihany no mahazo miditra ». Avy hatrany dia nampiseho ny fahaizany miteny ratsy ingahy Raholdina. Tsy ho tateriko eto fa mbola tsy mpanao gazety lasa adala aho.

Ny soratra anefa mitoetra, ary avy eo raha nanala ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy ary ingahy Naivo Raholdina dia nampiseho kosa fa mbola betsaka ny zavatra tsy voafehiny eo amin’ny lafiny ara-politika sy amin’ny maha Solombavambahoakan’i Madagasiraka azy, fa tsy hoe Printsin’Amboditsiry ao amin’ny 5è mihitsy akory.

Hoy fotsiny aho aminy : O ry zandry a ! Mandinia tena lalina ianao. Tsy natao ho tompoina ianao fa hanompo vahoaka. Ary mba fidio tsara ny olona tendrenao hiara-hiasa aminao fa diso mihevi-tena ho zavatra ka manondrana satria noho ianao dia afaka manao izay tiany. Ary ianao mety mahay Kung Fu sy milalao basy fa aza manome basy hitifirana anao kosa ianao. Olon-dehibe no mananatra ary tsy mpikambana amina antoko politika hatramin’izay niainana. Farany : mba mahatsapà tena fa ny Filoha Andry Rajoelina -mahasarotiny be anao- no nalainareo baraka tao Amboditsiry. Izay ihany anefa no ho tadidin’ny olona raha tsy misy ity lahatsoratro ity.

Anareo no mitsara ny teniny, ireo manaraka ireo, fa rehefa nikaroka aho dia tena tratry ny atao hoe  " cas de pathologie psychiatrique" ity zandry ity. Ny dikany ?  " Dans ce cas spécifique, les troubles psychiatriques se caractérisent par une diminution, voire une perte de l'aptitude de l'esprit à fonctionner normalement et à réagir de manière appropriée aux situations de la vie ". Raha adika amin'ny teny malagasy io fanazavana io dia izao : Amin'ity tranga manokana ity, ny aretina ara-tsaina dia miavaka amin'ny fihenana na ny fahaverezan'ny fahafahan'ny saina miasa ara-dalàna sy ny fihetsika mifanaraka amin'ny toe-javatra iainana.

Vakio anie e !


«(…) Nisy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Freedom (Ttf : Antoko politika natsangan’ny minisitry ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy) -izay tsy Ramatoa minisitra an !- niteny fa rehefa tonga ny Filoham-pirenena, tsy azo hanaovana « orange », koa « orange » anie no nampandany an’i Rajoelina e ! Fa tsy ny menamen’ny Freedom ihany akory. Ary aty amin’ny tanànako aty ! Aleho hazava, haleho hazava fa député élu teto aho ary ny TIM dia resiko teto. Tao anatin’ny distrika enina, TGV no nandresy ny TIM. Premier arrondissement resy, nitarika ny TIM ; deuxième arrondissement, nitarika ny TIM, troisième arrondissement, nitarika ny TIM ; sixième, nitarika ny TIM fa teto amin’ny cinquième ny TIM dia nopotehin’ny « Orange » !

Ka io tsy mety izany hanatrika cérémonie eto, mpikambana ao amin’ny TGV dia misy mpikambakambana sasany, tao amin’ny Staff’n’i Ramatoa minisitra, sy tao amin’ny Freedom niteny hoe, nanatona mihitsy naka sary, dia aleho tsy manao « orange ». Samy manana ny akanjony io ary TGV maro an’isa no nanohana ny Filoham-pirenana. Fa izay no ohatry ny disadisa kely teo. Tsy eto moa ilay ekipan’ny Freedom fa miala tsiny Ramatoa minisitra. Averiko ihany : ny niarahanay rehetra dia ny filoha Andry Rajoelina. Ka io tsy resaka « vedette »’n’inona n’inona ataonao fa izany volomboasary izany aty amin’ny cinquième matanjaka.

Izaho tsy teneninareo fa raha manao « concours » aho eto, tsy tononina ny loko Orange, fa angamba itony akanjoko itony tsy latsadatsaka amin’ny an’ny Praiminisitra Rainilaiarivony na ny an’Andrianampoinimerina. Olona mpikabary akademisiana aho vao nanao politika. Ka tsy « vedettisme »-ny sasantsasany kosa no atao. Izahay niomanana, ny TGV dia antokon’ny Filoham-pirenena ary niomana izahay hitsena ny Filoham-pirenena. Ary efa fanaonay nandritra ny 13 taona naha-parlementaire. Angamba ianareo mahita fa ity (Ttf : miresaka ny akanjo nanaovany izy teo) mirafitra volomboasary.

Dia ohatran’izay no nahatonga hoe nisy mpikambana vitsivitsy tao aminy Freedom -tsy aiko na maty lolo tamin’ily « orange »-. Filoham-pirenena anie no tohanana eto e ! Ary tsy ny Freedom irery no nanohana ny Filoham-pirenena. Tsy tsinin-dRamatoa minisitra mihitsy, averiko ihany (…). Izaho tsy maintsy miaro ny olona miaraka amiko ary ny Filoham-pirenena no jeren’ireo. Efa tao anatin’ny rafitra mihitsy izany rehefa hoe tonga aty. « Orange » ireo ka rehefa mipoitra na ny any amin’ny bà kiraro, « orange daholo » !

Ie, fitokanana mozea anio ka. Fa milaza aminao fa raha tsy nisy antoko politika ve ho lany teo i Andry Rajoelina ? Manontany anao aho ary : raha tsy, tsy, raha tsy anona angaha… « Poste politique » anie ny ministera e ! Ary mozea aty amin’ny 5è (arrondissement) io, TGV aty amin’ny 5è io ! Izaho izao nisafidy akanjo manokana mihitsy ! Tsy aiko fa rehefa feno 90 taona any aho, mety hisy Lapakely koa ho an’izany Raholdina izany… Mpikabary akademisiana aho. Tsy resaka politika io fa ianao (Ttf : namaly ilay vehivavy nametraka fanontaniana) izao manao mangamanga. Midika izany fa HVM ianao ? Samy manana ny fitafiany io.

Tsy mety izany fa politika. Ny politika, Tompoko, dia fitantanana. Ary raha olona hanao politika, ka tsy haka fitondrana, tsy hitantana… dia izay (Ttf : tena tsy fantatra intsony eto hoe inona no tena tiany resahan’ilay mpikabary akademisiana. Lain-tsaina loatra tokoa angaha, ka tsy takatry ny saiko…). Izahay izao dia hanohana ny Filoha Andry Rajoelina ary volomboasary no ho entinay amin’ny fifidianana. Ka raha tsy nisy ny volomboasary, tsy lany ny Filoha Rajoelina ary tsy lasa minisitra Ramatoa Lalatiana Freedom. Tsy ny Freedom anie no antokon’i Andry Rajoelina e ! Raha fitokanana « bassin » aza manao « Orange » foana izahay. Ohatra ohatra izay fotsiny ilay anona teo, sakatsakanana. Tsy azo atao an’izany Raholdina, ny ekipako. Ny ahy, raha vao mitika ny vahoakako [dia] mikitika ny anak’Andriamanitra.

Izay no nahatonga iny teo. Efa niteny moa ny minisitra, niala tsiny. Tsy avy aminy fa avy amin’ireo leanona ireo. Olom-boatendry anie ireo e. Raha miongana ny minisitra dia miongana miaraka aminy ireo… Izaho tsorika anareo : nantsoina in-telo aho ho minisitra fa alehoko ihany député. Dimy taona aho mipetraka tsara fotsiny (…)».

Nandika ny teny : Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Mercredi, 19 Avril 2023 08:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany